<-
->

Eze / Ez 20:1 And it came to pass in the seventh year, in the fifth month, the tenth day of the month, that certain of the elders of Israel came to enquire of the Lord, and sat before me. Ary tamin' ny andro fahafolo tamin' ny volana fahadimy tamin' ny taona fahafito dia nisy tonga ny loholon' ny Isiraely mba hanontany amin' i Jehovah, ka nipetraka teo anatrehako izy. Tamin' ny taona fahafito, volana fahadimy, andro fahafolon' ny volana, tonga tao amiko, mba hanontany amin' ny Tompo, ny sasany amin' ny loholon' Israely, ka nipetraka teo anatrehako; La septième année, au cinquième mois, le dix du mois, quelques-uns des anciens d' Israël vinrent consulter Yahvé et s' assirent devant moi.
Eze / Ez 20:2 Then came the word of the Lord unto me, saying, Dia tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: dia tonga tamiko ny tenin' ny Tompo, nanao hoe: La parole de Yahvé me fut adressée en ces termes :
Eze / Ez 20:3 Son of man, speak unto the elders of Israel, and say unto them, Thus saith the Lord GOD; Are ye come to enquire of me? As I live, saith the Lord GOD, I will not be enquired of by you. Ry zanak' olona, mitenena amin' ireo loholon' ny Isiraely, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Moa hanontany amiko va no ihavianareo? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho. Ry zanak' olona, mitenena amin' ireo loholon' Israely ireo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Hanontany amiko va no nahatongavanareo? Velona aho, ka tsy hety hanontanianareo - teny marin' ny Tompo Iaveh. Fils d' homme, parle aux anciens d' Israël. Tu leur diras : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Est-ce pour me consulter que vous venez ? Par ma vie! Je ne me laisserai pas consulter par vous, oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 20:4 Wilt thou judge them, son of man, wilt thou judge them? cause them to know the abominations of their fathers: Tsy hotsarainao va izy, ry zanak' olona, tsy hotsarainao va izy? Ampahalalao ny fahavetavetan' ny razany izy. Hotsarainao va ireo, hotsarainao va ireo, ry zanak' olona? Ampahalalao azy ireo, ny fahavetavetan' ny razany; Vas-tu les juger ? Vas-tu juger, fils d' homme ? Fais-leur connaître les abominations de leurs pères.
Eze / Ez 20:5 And say unto them, Thus saith the Lord GOD; In the day when I chose Israel, and lifted up mine hand unto the seed of the house of Jacob, and made myself known unto them in the land of Egypt, when I lifted up mine hand unto them, saying, I am the Lord your God; Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Tamin' ny andro nifidianako ny Isiraely sy ny ananganako tanana tamin' ny taranak' i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany Ahy tany amin' ny tany Egypta raha nanangan-tanana taminy Aho ka nanao hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Tamin' ny andro nifidianako an' Israely sy nananganako tanana homba ny taranak' i Jakoba, sy nanaovako izay hahalalany ahy tany amin' ny tany Ejipta, ary nananganako tànana homba azy ireo, nanao hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo; Tu leur diras : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Le jour où j' ai choisi Israël, où j' ai levé la main vers la race de la maison de Jacob, je me suis fait connaître à eux au pays d'Égypte, et j' ai levé la main vers eux en disant : " Je suis Yahvé votre Dieu ".
Eze / Ez 20:6 In the day that I lifted up mine hand unto them, to bring them forth of the land of Egypt into a land that I had espied for them, flowing with milk and honey, which is the glory of all lands: tamin' izany andro izany no nananganako tanana taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin' ny tany Egypta ho any amin' ny tany notadiaviko ho azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra, tamin' izany andro izany, nanangan-tànana homba azy ireo aho, nianiana fa hitondra azy mivoaka avy any amin' ny tany Ejipta, ho any amin' ny tany tondra-dronono aman-tantely izay tsara indrindra amin' ny tany rehetra sady efa nozahako ho azy ireo. Ce jour-là, j' ai levé la main vers eux en jurant de les faire sortir du pays d'Égypte vers un pays que j' avais exploré pour eux et qui ruisselle de lait et de miel : c' est le plus beau de tous les pays.
Eze / Ez 20:7 Then said I unto them, Cast ye away every man the abominations of his eyes, and defile not yourselves with the idols of Egypt: I am the Lord your God. dia hoy Izaho taminy: Samia manary ny fahavetavetan' ny masonareo avy ianareo, ary aza mandoto tena amin' ny sampin' i Egypta; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Ary hoy aho tamin' izy ireo: Samia hianareo manary ny sampin-doza tsy ho eo anatrehany; aza mandoto tena amin' ny fahavetavetan' i Ejipta; Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. Et je leur ai dit : Rejetez chacun les horreurs qui attirent vos yeux, ne vous souillez pas avec les ordures de l'Égypte, je suis Yahvé votre Dieu.
Eze / Ez 20:8 But they rebelled against me, and would not hearken unto me: they did not every man cast away the abominations of their eyes, neither did they forsake the idols of Egypt: then I said, I will pour out my fury upon them, to accomplish my anger against them in the midst of the land of Egypt. Nefa niodina tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan' ny masony na nahafoy ny sampin' i Egypta, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hotanterahiko aminy eo amin' ny tany Egypta ny fahatezerako. Niodina tamiko anefa izy ireo, fa tsy nety nihaino ahy. Izy ireo tsy mba samy nanary ny sampiny tsy ho eo anatrehany, na niala tamin' ny fahavetavetan' i Ejipta. Nihevitra ny handatsaka ny fahavinirako tamin' izy ireo aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany amin' ny tany Ejipta. Mais ils se rebellèrent contre moi et ne voulurent pas m'écouter. Aucun ne rejeta les horreurs qui attiraient ses yeux; ils n' abandonnèrent pas les ordures de l'Égypte. J' eus la pensée de déverser ma fureur sur eux et d' assouvir sur eux ma colère, au milieu du pays d'Égypte.
Eze / Ez 20:9 But I wrought for my name' s sake, that it should not be polluted before the heathen, among whom they were, in whose sight I made myself known unto them, in bringing them forth out of the land of Egypt. Kanefa niasa noho ny amin' ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo imason' ny jentilisa izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin' ny nitondrako azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta. Nefa nanao ny ataoko aho, noho ny anarako, mba tsy ho voavetaveta izany eo imason' ireo firenena nitoerany; sady teo imason' ireo koa no nanaovako izay hahafantarany ahy, hitondrako azy hivoaka ny tany Ejipta. Mais j' eus égard à mon nom, et je fis en sorte qu' il ne fût pas profané devant les nations au milieu desquelles ils étaient, et aux yeux desquelles je me suis fait connaître à eux pour les faire sortir du pays d'Égypte.
Eze / Ez 20:10 Wherefore I caused them to go forth out of the land of Egypt, and brought them into the wilderness. Koa dia nentiko nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta izy ka nentiko ho any an-efitra. Nentiko nivoaka ny tany Ejipta izy, ary notarihiko ho any an' efitra. Aussi je les fis sortir du pays d'Égypte et je les menai au désert.
Eze / Ez 20:11 And I gave them my statutes, and shewed them my judgments, which if a man do, he shall even live in them. Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany. Nomeko azy ny didiko, nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay ahaveloman' ny olona manaraka azy. Je leur donnai mes lois et je leur fis connaître mes coutumes, que l' homme doit pratiquer pour en vivre.
Eze / Ez 20:12 Moreover also I gave them my sabbaths, to be a sign between me and them, that they might know that I am the Lord that sanctify them. Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy. Nomeko azy koa ny sabatako ho famantarana amiko sy amin' izy ireo, mba hahalalany fa izaho no Iaveh manamasina azy. Et j' allai jusqu'à leur donner mes sabbats comme signe entre moi et eux, afin qu' ils sachent que c' est moi, Yahvé, qui les sanctifie.
Eze / Ez 20:13 But the house of Israel rebelled against me in the wilderness: they walked not in my statutes, and they despised my judgments, which if a man do, he shall even live in them; and my sabbaths they greatly polluted: then I said, I would pour out my fury upon them in the wilderness, to consume them. Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny taranak' Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy. Nivadika tamiko anefa ny taranak' Israely, tany an' efitra, tsy nanaraka ny lalàko izy, sady nanary ny didiko, izay ahaveloman' ny olona manaraka azy, ary nametaveta izaitsizy ny sabatako. Mais la maison d' Israël se rebella contre moi au désert; ils ne se conduisirent pas selon mes lois, ils rejetèrent mes coutumes, que l' homme doit pratiquer pour en vivre, et ils ne firent que profaner mes sabbats. Alors j' eus la pensée de déverser ma fureur sur eux au désert, pour les exterminer.
Eze / Ez 20:14 But I wrought for my name' s sake, that it should not be polluted before the heathen, in whose sight I brought them out. Kanefa niasa noho ny amin' ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo anatrehan' ny jentilisa izay nahita ay nitondrako azy nivoaka. Nefa nanao ny ataoko aho noho ny anarako mba tsy ho voavetaveta izany eo imason' ireo firenena, izay nahita ny nitondrako azy nivoaka ny tany Ejipta. Mais j' eus égard à mon nom et je fis en sorte qu' il ne fût pas profané devant les nations, aux yeux desquelles je les avais fait sortir.
Eze / Ez 20:15 Yet also I lifted up my hand unto them in the wilderness, that I would not bring them into the land which I had given them, flowing with milk and honey, which is the glory of all lands; Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin' ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra, Efa nanainga ny tanako hamely azy aho tany an' efitra, nianiana tamin' izy ireo fa tsy hampiditra azy any amin' ny tany tondra-dronono aman-tantely, efa natolotro azy, - sady tsara indrindra amin' ny tany rehetra, - Encore une fois je levai la main vers eux, au désert, pour jurer que je ne les mènerais pas au pays que je leur avais donné, qui ruisselle de lait et de miel : c' est le plus beau de tous les pays.
Eze / Ez 20:16 Because they despised my judgments, and walked not in my statutes, but polluted my sabbaths: for their heart went after their idols. satria efa nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko, fa nandoto ny Sabatako; fa ny fony dia nanaraka ny sampiny. noho izy ireo nanary ny didiko, tsy nanaraka ny lalàko, sy nametaveta ny sabatako; fa nanaraka ny sampin-dozany ny fon' izy ireo. Car ils avaient rejeté mes coutumes, ne s'étaient pas conduits selon mes lois et avaient profané mes sabbats, car leur coeur suivait les ordures.
Eze / Ez 20:17 Nevertheless mine eye spared them from destroying them, neither did I make an end of them in the wilderness. Nefa niantra azy ihany ny masoko, ka dia tsy naringako na nolevoniko tany an-efitra izy. Nefa niantra tsy te-handringana azy ny masoko,ka dia tsy nolevoniko tany an' efitra izy ireo. Mais j' eus pour eux un regard de pitié, pour ne pas les exterminer, et je ne les anéantis pas.
Eze / Ez 20:18 But I said unto their children in the wilderness, Walk ye not in the statutes of your fathers, neither observe their judgments, nor defile yourselves with their idols: Fa hoy Izaho tamin' ny zanany tany an-efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin' ny sampiny; Hoy aho tamin' ny zanak' izy ireo tany an' efitra: Aoka hianareo tsy hanaraka ny fomban-drazanareo, na hitandrina ny fanaony, na handoto tena amin' ny sampin-dozany. Et je dis à leurs enfants au désert : Ne vous conduisez pas selon les lois de vos pères, n' observez pas leurs coutumes, ne vous souillez pas avec leurs ordures.
Eze / Ez 20:19 I am the Lord your God; walk in my statutes, and keep my judgments, and do them; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany. Fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo: araho ny didiko; tandremo ny fitsipiko, ka tanteraho; Je suis Yahvé, votre Dieu. Conduisez-vous selon mes lois, observez mes coutumes et pratiquez-les.
Eze / Ez 20:20 And hallow my sabbaths; and they shall be a sign between me and you, that ye may know that I am the Lord your God. Ary manamasina sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. ary ankamasino ny sabatako; ho famantarana amiko sy aminareo, mba hahalalanareo fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo. Sanctifiiez mes sabbats; qu' ils soient un signe entre moi et vous pour qu' on sache que je suis Yahvé votre Dieu.
Eze / Ez 20:21 Notwithstanding the children rebelled against me: they walked not in my statutes, neither kept my judgments to do them, which if a man do, he shall even live in them; they polluted my sabbaths: then I said, I would pour out my fury upon them, to accomplish my anger against them in the wilderness. Kanjo niodina tamiko koa ny zanany: tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako. ary hotanterahiko aminy any an-efitra ny fahatezerako. Niodina tamiko koa anefa ireo zanany, fa ny didiko tsy narahany, tsy notandremany tamin' ny fanatanterahana azy. Ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka azy, ary ny sabatako, notevatevainy. Nihevitra ny handatsaka ny hatezerako tamin' izy ireo aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany an' efitra. Mais les fils se rebellèrent contre moi, ne se conduisirent pas selon mes lois, n' observèrent pas et ne pratiquèrent pas mes coutumes, que l' homme doit pratiquer pour en vivre, et ils profanèrent mes sabbats. Alors j' eus la pensée de déverser ma fureur sur eux et d' assouvir contre eux ma colère, au désert.
Eze / Ez 20:22 Nevertheless I withdrew mine hand, and wrought for my name' s sake, that it should not be polluted in the sight of the heathen, in whose sight I brought them forth. Nefa nampihemotra ny tanako Aho, ka dia niasa noho ny amin' ny anarako, mba tsy ho voaloto izany eo anatrehan' ny jentilisa izay nahita ny nitondrako azy nivoaka. Nefa naviliko ny tànako, nanao ny ataoko noho ny anarako, mba tsy ho voatevateva izany eo imason' ireo firenena, izay nahita ny nitondrako azy nivoaka. Mais je retirai ma main et j' eus égard à mon nom, et je fis en sorte qu' il ne fût pas profané devant les nations aux yeux desquelles je les avais fait sortir.
Eze / Ez 20:23 I lifted up mine hand unto them also in the wilderness, that I would scatter them among the heathen, and disperse them through the countries; Dia nanangan-tanana taminy tany an' efitra, indray Aho, hampiely azy any amin' ny jentilisa sy hampihahaka azy any amin' ny tany samy hafa, Efa nanainga ny tànako hamely azy aza aho tany an' efitra, nianiana tamin' izy ireo fa hampiparitaka azy amin' ny firenena, ary hampiely azy any amin' ny tany samihafa, Mais encore une fois, je levai la main vers eux, au désert, pour jurer de les disséminer parmi les nations et de les disperser dans les pays étrangers.
Eze / Ez 20:24 Because they had not executed my judgments, but had despised my statutes, and had polluted my sabbaths, and their eyes were after their fathers' idols. satria tsy nanaraka ny fitsipiko izy, fa nanamavo ny didiko sy nandoto ny Sabatako, ary ny masony nanaraka ny sampin' ny razany. noho izy ireo tsy nanaraka ny fitsipiko, nanary ny lalàko, nanevateva ny sabatako, nanara-maso ny sampin-dozan' ny razany. Car ils n' avaient pas pratiqué mes coutumes, ils avaient rejeté mes lois, profané mes sabbats, et leurs regards s'étaient attachés aux ordures de leurs pères.
Eze / Ez 20:25 Wherefore I gave them also statutes that were not good, and judgments whereby they should not live; Ary nomeko didy tsy tsara koa izy sy fitsipika izay tsy mahavelona Azy. Ary nomeko azy aza izay lalàna tsy tsara, aman-didy tsy mety ahavelomany; Et j' allai jusqu'à leur donner des lois qui n'étaient pas bonnes et des coutumes dont ils ne pouvaient pas vivre,
Eze / Ez 20:26 And I polluted them in their own gifts, in that they caused to pass through the fire all that openeth the womb, that I might make them desolate, to the end that they might know that I am the Lord. Dia nandoto azy tamin' ny fanatiny Aho, dia tamin' ny nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra hamaky ny afo, hampahatalanjonako azy, mba hahafantarany fa Izaho no Jehovah. sady nolotoiko tamin' ny fanatiny, tamin' ny nampandehanany ny voalohan-terany rehetra hamaky ny afo, ary izany no nataoko dia ny mba handringana azy, ka hahalalany fa izaho no Iaveh. et je les souillai par leurs offrandes, en leur faisant sacrifier tout premier-né, pour les frapper d' horreur, afin qu' ils sachent que je suis Yahvé.
Eze / Ez 20:27 Therefore, son of man, speak unto the house of Israel, and say unto them, Thus saith the Lord GOD; Yet in this your fathers have blasphemed me, in that they have committed a trespass against me. Koa mitenena amin' ny taranak' Isiraely, ry zanak' olona, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Tamin' izao no mbola nanamavoan' ny razanareo Ahy tamin' ny nivadihany tamiko: Koa mitenena amin' ny taranak' Israely, ry zanak' olona, lazao aminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Tamin' izao koa no nanamavoan' ny razanareo ahy, fa nivadihany tamiko. C' est pourquoi, parle à la maison d' Israël, fils d' homme. Tu leur diras : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. En cela encore vos pères m' ont outragé en m'étant infidèles.
Eze / Ez 20:28 For when I had brought them into the land, for the which I lifted up mine hand to give it to them, then they saw every high hill, and all the thick trees, and they offered there their sacrifices, and there they presented the provocation of their offering: there also they made their sweet savour, and poured out there their drink offerings. Nony nitondra azy ho any amin' ny tany izay nananganako tanana homena azy Aho, dia nahita ny havoana andrandraina rehetra sy ny hazo misandrahaka rehetra izy, ka tao no namonoany zavatra hatao fanatitra, ary tao koa no nametrahany ny fanatiny mahatezitra; tao koa no nanaterany hanitra ankasitrahana, ary tao no nanidinany ny fanatitra aidiny. Nony efa tafiditra teo amin' ny tany nianianako sady nananganako tanàna homena azy izy ireo, rahefa mety ho havoana milangalanga sy hazo mikirindro hitany koa, dia nanolorany ny sorony sy nanaterany ireo fanatiny nampahatezitra ahy; nentiny teny koa ny zava-manitra mamerovero mahafinaritra, sady nararany teny ny fanatitra araraka. Et pourtant je les ai menés au pays que j' avais juré solennellement de leur donner. Ils y ont vu toutes sortes de collines élevées, toutes sortes d' arbres touffus, et ils y ont offert leurs sacrifices et présenté leurs offrandes provocantes; ils y ont déposé leurs parfums d' apaisement et versé leurs libations.
Eze / Ez 20:29 Then I said unto them, What is the high place whereunto ye go? And the name whereof is called Bamah unto this day. Ka dia hoy Izaho taminy: Ahoana moa ny amin' ny fitoerana avo alehanareo ? Ka dia fitoerana avo no natao anarany mandraka androany. Ka hoy aho tamin' izy ireo: Inona ange ny fitoerana avo alehanareo? Dia natao hoe fitoerana avo mandrak' androany no anarany. Et je leur ai dit : Qu' est-ce que le haut lieu où vous allez ? et ils l' ont appelé du nom de Bama jusqu'à ce jour.
Eze / Ez 20:30 Wherefore say unto the house of Israel, Thus saith the Lord GOD; Are ye polluted after the manner of your fathers? and commit ye whoredom after their abominations? Koa ataovy amin' ny taranak' Isiraely hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny fanaon' ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany va, Koa lazao amin' ny taranak' Israely hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Adre! mandoto tena araka ny fanaon' ny razanareo hianareo; ary mitolo-tena hanaraka ny fahavetavetany hianareo. Eh bien! dis à la maison d' Israël : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Est-il vrai que vous vous souillez en vous conduisant comme vos pères, en vous prostituant en suivant leurs horreurs,
Eze / Ez 20:31 For when ye offer your gifts, when ye make your sons to pass through the fire, ye pollute yourselves with all your idols, even unto this day: and shall I be enquired of by you, O house of Israel? As I live, saith the Lord GOD, I will not be enquired of by you. ary mandoto tena amin' ny sampinareo rehetra mandraka androany va ianareo amin' ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak' Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho. Mandoto tena amin' ny sampin-dozanareo rehetra mandrak' androany hianareo, amin' ny anateranareo ny fanatitrareo sy ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo; ka izaho ve dia hety hanontanianareo ihany, ry zanak' Israely? Velona aho - teny marin' ny Tompo Iaveh: tsy hety hanontanianareo aho. en présentant vos offrandes et en faisant passer vos enfants par le feu ? que vous vous souillez avec toutes vos ordures jusqu'à ce jour ? Et moi, je me laisserais consulter par vous, maison d' Israël ? Par ma vie! oracle du Seigneur Yahvé, je ne me laisserai pas consulter par vous.
Eze / Ez 20:32 And that which cometh into your mind shall not be at all, that ye say, We will be as the heathen, as the families of the countries, to serve wood and stone. Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin' ny tany samy hafa, ka hanao fanompoam-pivavahana ho an' ny vato aman-kazo. Ary tsy ho tanteraka akory ny hevitra mby ao an-tsainareo manao hoe: Ho tahaka ny firenena izahay, ho tahaka ny fokontany hafa manompo hazo amam-bato izahay. Quant au rêve qui hante votre esprit, il ne se réalisera jamais; quand vous dites : " Nous serons comme les nations, comme les tribus des pays étrangers, en servant le bois et la pierre. "
Eze / Ez 20:33 As I live, saith the Lord GOD, surely with a mighty hand, and with a stretched out arm, and with fury poured out, will I rule over you: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tanana mahery sy sandry ahinjitra ary fahatezerana aidina no hanjakako aminareo. Velona aho, - teny marin' ny Tompo Iaveh: tànana mahery aman-tsandry ahinjitra ary hatezerana amparina, no hanjakako aminareo. Par ma vie! oracle du Seigneur Yahvé, je le jure : c' est moi qui régnerai sur vous, à main forte et à bras étendu, en déversant ma fureur.
Eze / Ez 20:34 And I will bring you out from the people, and will gather you out of the countries wherein ye are scattered, with a mighty hand, and with a stretched out arm, and with fury poured out. Ary amin' ny tanana mahery sy ny sandry ahinjitra ary amin' ny fahatezerana aidina no hitondrako anareo mivoaka avy any amin' ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin' ny tany izay nampielezana anareo. Hoentiko mivoaka avy amin' ireo firenena hianareo; dia hovoriko avy any amin' ny tany nampielezana anareo, amin' ny tànana mahery aman-tsandry ahinjitra, ary hatezerana amparina. Je vous ferai sortir du milieu des peuples et je vous rassemblerai des pays étrangers où vous avez été dispersés, à main forte et à bras étendu, en déversant ma fureur;
Eze / Ez 20:35 And I will bring you into the wilderness of the people, and there will I plead with you face to face. Dia ho entiko ho any an-efitry ny firenena ianareo, ary any no hifandaharako mifanatrika aminareo. Hoentiko ho any an' efitry ny firenena hianareo, dia any no hifandaharako aminareo mifanatrika. je vous mènerai au désert des peuples et je vous y jugerai face à face.
Eze / Ez 20:36 Like as I pleaded with your fathers in the wilderness of the land of Egypt, so will I plead with you, saith the Lord GOD. Tahaka ny nifandaharako tamin' ny razanareo tany an-efitry ny tany Egypta, dia toy izany koa no hifandaharako aminareo, hoy Jehovah Tompo. Tahaka ny nifandaharako tamin' ny razanareo tany an' efitry ny tany Ejipta, no hifandaharako aminareo, - teny marin' ny Tompo Iaveh. Comme j' ai jugé vos pères au désert du pays d'Égypte, ainsi je vous jugerai, oracle de Yahvé.
Eze / Ez 20:37 And I will cause you to pass under the rod, and I will bring you into the bond of the covenant: Ary hampandaloviko eo ambanin' ny tehina ianareo ka hampidiriko hofehezin' ny fanekena. Hampandehaniko eo ambany tehim-piandry ondry hianareo; ary hampanekeko ny fitsipiky ny fanekena hianareo. Je vous ferai passer sous la houlette et je vous amènerai à respecter l' alliance;
Eze / Ez 20:38 And I will purge out from among you the rebels, and them that transgress against me: I will bring them forth out of the country where they sojourn, and they shall not enter into the land of Israel: and ye shall know that I am the Lord. Ary havahako hiala aminareo ny mpiodina sy izay manota amiko; eny, ho entiko hiala amin' ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin' ny tanin' ny Isiraely izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. Havahako hiala aminareo ireo mpiodina, sy ireo niendaka tamiko; hotsoahako avy any amin' ny tany nivahiniany ihany izy, nefa tsy mba ho tonga any amin' ny tanin' Israely; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho. je séparerai de vous les rebelles, ceux qui se sont révoltés contre moi, je les ferai sortir du pays où ils séjournent, mais ils n' entreront pas au pays d' Israël, et vous saurez que je suis Yahvé.
Eze / Ez 20:39 As for you, O house of Israel, thus saith the Lord GOD; Go ye, serve ye every one his idols, and hereafter also, if ye will not hearken unto me: but pollute ye my holy name no more with your gifts, and with your idols. Ary ny aminareo, ry taranak' Isiraely, izao no lazain' i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masina intsony amin' ny fanatitrareo sy amin' ny sampinareo. Ary ny aminareo, ry taranak' Israely, izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Samia mandeha manompo ny sampinareo avy! Any aorian' izany anefa, hihaino ahy tokoa hianareo, ka tsy hanevateva ny anarako masina amin' ny fanatitrareo amam-tsampin-dozanareo intsony. Et vous, maison d' Israël, ainsi parle le Seigneur Yahvé : Que chacun aille servir ses ordures, mais ensuite, on verra si vous ne m'écoutez pas! Et vous ne profanerez plus mon saint nom par vos offrandes et vos ordures.
Eze / Ez 20:40 For in mine holy mountain, in the mountain of the height of Israel, saith the Lord GOD, there shall all the house of Israel, all of them in the land, serve me: there will I accept them, and there will I require your offerings, and the firstfruits of your oblations, with all your holy things. Fa ao an-tendrombohitro masina, dia ao an-tendrombohitra avon' ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, no hanompoan' ny taranak' Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra amin' ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanatitrareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin' ny zava-masinareo rehetra, Fa any an-tendrombohitro masina, any an-tendrombohitra avon' Israely - teny marin' ny Tompo Iaveh - hanompo ahy avokoa ny taranak' Israely rehetra, izay rehetra amin' ny tany. Any aho no hankasitraka azy ireo; any no hilàko ny fanatitrareo, mbamin' ny santatry ny fanomezanareo, amin' izay rehetra atokanareo ho ahy. Car c' est sur ma montagne sainte, sur la haute montagne d' Israël - oracle du Seigneur Yahvé - que me servira toute la maison d' Israël, tout entière dans le pays. C' est là que j' accueillerai et que je rechercherai vos offrandes, le meilleur de vos dons et toutes vos choses saintes.
Eze / Ez 20:41 I will accept you with your sweet savour, when I bring you out from the people, and gather you out of the countries wherein ye have been scattered; and I will be sanctified in you before the heathen. Hankasitrahako toy ny hanitra ankasitrahana ianareo amin' ny hitondrako anareo mivoata avy any amin' ny firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin' ny tany samy hafa nampielezana anareo, ka dia hiseho ho masina eo anatrehan' ny jentilisa Aho amin' ny hataoko aminareo. Hianareo ankasitrahako toy ny hanitra misy fofona mahafinaritra, rahefa nentiko nivoaka avy any amin' ny firenena sy novoriko avy any amin' ny tany nanelezana anareo; ary hianareo no hanamasinako ny tenako eo imason' ny firenena. Comme un parfum d' apaisement, je vous accueillerai, quand je vous ferai sortir du milieu des peuples; je vous rassemblerai des pays où vous êtes dispersés, je serai sanctifié par vous aux yeux des nations,
Eze / Ez 20:42 And ye shall know that I am the Lord, when I shall bring you into the land of Israel, into the country for the which I lifted up mine hand to give it to your fathers. Ary ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha mitondra anareo ho any amin' ny tanin' ny Isiraely Aho, dia ny tany izay nananganako tanana nomena ny razanareo. Ary ho fantatrareo fa Iaveh aho, rahefa tongako any amin' ny tanin' Israely hianareo, dia any amin' ny tany efa nananganako tanàna homena ny razanareo. et vous saurez que je suis Yahvé, lorsque je vous ramènerai sur le sol d' Israël, au pays que j' ai juré solennellement de donner à vos pères.
Eze / Ez 20:43 And there shall ye remember your ways, and all your doings, wherein ye have been defiled; and ye shall lothe yourselves in your own sight for all your evils that ye have committed. Ary hotsaroanareo any ny nalehanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra izay nataonareo. Ho tsaroanareo, rahefa mby any, ny lalànareo mbamin' ny heloka rehetra nandotoanareo tena, ka haharikoriko anareo ny tenanareo, noho ny ratsy rehetra vitanareo. C' est là que vous vous souviendrez de votre conduite et de toutes les actions par lesquelles vous vous êtes souillés, et vous éprouverez du dégoût pour vous-mêmes, à cause de tous les méfaits que vous avez commis.
Eze / Ez 20:44 And ye shall know that I am the Lord when I have wrought with you for my name' s sake, not according to your wicked ways, nor according to your corrupt doings, O ye house of Israel, saith the Lord GOD. Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin' ny anarako, fa tsy araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak' Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Ary ho fantatreo fa Iaveh aho, rahefa hanao ny ataoko aminareo aho noho ny anarako, fa tsy araka ny làlan-dratsinareo, na ny helokareo maharikoriko, ry taranak' Israely, - teny marin' ny Tompo Iaveh. Et vous saurez que je suis Yahvé, quand j' agirai envers vous par égard pour mon nom, et non pas d' après votre mauvaise conduite et vos actions corrompues, maison d' Israël, oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 20:45 Moreover the word of the Lord came unto me, saying,
Eze / Ez 20:46 Son of man, set thy face toward the south, and drop thy word toward the south, and prophesy against the forest of the south field;
Eze / Ez 20:47 And say to the forest of the south, Hear the word of the Lord; Thus saith the Lord GOD; Behold, I will kindle a fire in thee, and it shall devour every green tree in thee, and every dry tree: the flaming flame shall not be quenched, and all faces from the south to the north shall be burned therein.
Eze / Ez 20:48 And all flesh shall see that I the Lord have kindled it: it shall not be quenched.
Eze / Ez 20:49 Then said I, Ah Lord GOD! they say of me, Doth he not speak parables?

<-
->