<-
->

Eze / Ez 37:1 The hand of the Lord was upon me, and carried me out in the spirit of the Lord, and set me down in the midst of the valley which was full of bones, Tao amiko ny tànan' i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran' i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin' ny lohasaha feno taolana aho. Tonga tamiko ny tànan' ny Tompo ka nentin' ny Tompo nivoaka am-panahy aho, dia napetrany teo amin' ny tany lemaka feno taolana. La main de Yahvé fut sur moi, il m' emmena par l' esprit de Yahvé, et il me déposa au milieu de la vallée, une vallée pleine d' ossements.
Eze / Ez 37:2 And caused me to pass by them round about: and, behold, there were very many in the open valley; and, lo, they were very dry. Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin' ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin' ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo. Nentiny nandeha teo akaikin' ireo manodidina azy aho. Be dia be izy ireo teo an-tampon' ity tany lemaka, sady maina dia maina. Il me la fit parcourir, parmi eux, en tous sens. Or les ossements étaient très nombreux sur le sol de la vallée, et ils étaient complètement desséchés.
Eze / Ez 37:3 And he said unto me, Son of man, can these bones live? And I answered, O Lord GOD, thou knowest. Ary hoy Jehovah tamiko: Ry zanak' olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala. Ary hoy izy tamiko: Ry zanak' olona, mbola ho velona va ireo taolana ireo? Ka hoy ny navaliko azy: Iaveh Tompo ô, hianao no mahalala! Il me dit : " Fils d' homme, ces ossements vivront-ils ? " Je dis : " Seigneur Yahvé, c' est toi qui le sais. "
Eze / Ez 37:4 Again he said unto me, Prophesy upon these bones, and say unto them, O ye dry bones, hear the word of the Lord. Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin' ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin' i Jehovah! Dia hoy izy tamiko: Aminanio ireo taolana ireo, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin' ny Tompo! Il me dit : " Prophétise sur ces ossements. Tu leur diras : Ossements desséchés, écoutez la parole de Yahvé.
Eze / Ez 37:5 Thus saith the Lord GOD unto these bones; Behold, I will cause breath to enter into you, and ye shall live: Izao no lazain' i Jehovah Tompo amin' ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; Izao no lazain' ny Tompo Iaveh amin' ireto taolana ireto: Indro hampiditra fanahy ao aminareo aho, dia ho velona hianareo. Ainsi parle le Seigneur Yahvé à ces ossements. Voici que je vais faire entrer en vous l' esprit et vous vivrez.
Eze / Ez 37:6 And I will lay sinews upon you, and will bring up flesh upon you, and cover you with skin, and put breath in you, and ye shall live; and ye shall know that I am the Lord. ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. Hasiako hozatra eo aminareo, hampaniriako nofo eo aminareo, hovelarako hoditra eo amboninareo, ary hasiako fanahy ao aminareo, dia ho velona hianareo; ka ho fantatrareo fa Iaveh aho. Je mettrai sur vous des nerfs, je ferai pousser sur vous de la chair, je tendrai sur vous de la peau, je vous donnerai un esprit et vous vivrez, et vous saurez que je suis Yahvé. "
Eze / Ez 37:7 So I prophesied as I was commanded: and as I prophesied, there was a noise, and behold a shaking, and the bones came together, bone to his bone. Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. Dia naminany araka ny teny azoko aho; ka nony naminany, dia nisy feo re, dia injany zavatra mitatatata; dia nifanatona ireo taolana. Je prophétisai, comme j' en avais reçu l' ordre. Or il se fit un bruit au moment où je prophétisais; il y eut un frémissement et les os se rapprochèrent les uns des autres.
Eze / Ez 37:8 And when I beheld, lo, the sinews and the flesh came up upon them, and the skin covered them above: but there was no breath in them. Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. Nojereko ka indro fa nisy hozatra ama-nofo naniry teo ambonin' ireo ary nisy hoditra nivelatra teo ambonin' ireo ary nisy hoditra nivelatra teo ambonin' ireo; saingy tsy mbola nisy fanahy teo aminy. Je regardai : ils étaient recouverts de nerfs, la chair avait poussé et la peau s'était tendue par-dessus, mais il n' y avait pas d' esprit en eux.
Eze / Ez 37:9 Then said he unto me, Prophesy unto the wind, prophesy, son of man, and say to the wind, Thus saith the Lord GOD; Come from the four winds, O breath, and breathe upon these slain, that they may live. Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin' ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak' olona, ka ataovy amin' ny fofonaina hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Manatona avy amin' ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy. Ary hoy izy tamiko: Maminania amin' ny fanahy; maminania, ry zanak' olona, ka lazao amin' ny fanahy hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Avia, ry fanahy avy any amin' ny vazan-tany efatra; tsotsofy ireto olona voavono ireto, ary aoka ho velona izy. Il me dit : " Prophétise à l' esprit, prophétise, fils d' homme. Tu diras à l' esprit : ainsi parle le Seigneur Yahvé. Viens des quatre vents, esprit, souffle sur ces morts, et qu' ils vivent. "
Eze / Ez 37:10 So I prophesied as he commanded me, and the breath came into them, and they lived, and stood up upon their feet, an exceeding great army. Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran' ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin' ny tongony izy maro be dia maro be tokoa. Dia naminany araka ny nandidiany ahy aho, ka niditra tamin' ireo ny fanahy, dia velona izy, sady nitsangana tamin' ny tongony: tafika lehibe, tena lehibe indrindra. Je prophétisai comme il m' en avait donné l' ordre, et l' esprit vint en eux, ils reprirent vie et se mirent debout sur leurs pieds : grande, immense armée.
Eze / Ez 37:11 Then he said unto me, Son of man, these bones are the whole house of Israel: behold, they say, Our bones are dried, and our hope is lost: we are cut off for our parts. Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak' olona, ireto taolana ireto dia ny taranak' Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay. Hoy izy tamiko: Ry zanak' olona, ireo taolana ireo, dia ny taranak' Israely rehetra. Indreo izy ireo manao hoe: Maina ny taolanay; levona ny fanantenanay, very izahay! Alors il me dit : Fils d' homme, ces ossements, c' est toute la maison d' Israël. Les voilà qui disent : " Nos os sont desséchés, notre espérance est détruite, c' en est fait de nous. "
Eze / Ez 37:12 Therefore prophesy and say unto them, Thus saith the Lord GOD; Behold, O my people, I will open your graves, and cause you to come up out of your graves, and bring you into the land of Israel. Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin' ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin' ny tanin' ny Isiraely; Koa maminania, ary lazao aminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Indro aho hanokatra ny fasanareo, hampiakatra anareo avy ao am-pasanareo, ry vahoakako ô, ary hitondra anareo ho eo amin' ny tanin' Israely. C' est pourquoi, prophétise. Tu leur diras : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Voici que j' ouvre vos tombeaux; je vais vous faire remonter de vos tombeaux, mon peuple, et je vous ramènerai sur le sol d' Israël.
Eze / Ez 37:13 And ye shall know that I am the Lord, when I have opened your graves, O my people, and brought you up out of your graves, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin' ny fasanareo. Ary dia ho fantatrareo fa Iaveh aho, rahefa voasokatro ny fasanareo, ary tafakatra avy ao am-pasanareo hianareo, ry vahoakako. Vous saurez que je suis Yahvé, lorsque j' ouvrirai vos tombeaux et que je vous ferai remonter de vos tombeaux, mon peuple.
Eze / Ez 37:14 And shall put my spirit in you, and ye shall live, and I shall place you in your own land: then shall ye know that I the Lord have spoken it, and performed it, saith the Lord. Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin' ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah. Hataoko ao anatinareo ny fanahiko, dia ho velona hianareo, sady homeko fitsaharana eo amin' ny taninareo ka dia ho fantatrareo fa izaho Iaveh dia milaza sy manatanteraka koa, - teny marin' ny Tompo. Je mettrai mon esprit en vous et vous vivrez, et je vous installerai sur votre sol, et vous saurez que moi, Yahvé, j' ai parlé et je fais, oracle de Yahvé. .
Eze / Ez 37:15 The word of the Lord came again unto me, saying, Ary tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Tonga tamiko ny tenin' ny Tompo, nanao hoe: La parole de Yahvé me fut adressée en ces termes :
Eze / Ez 37:16 Moreover, thou son of man, take thee one stick, and write upon it, For Judah, and for the children of Israel his companions: then take another stick, and write upon it, For Joseph, the stick of Ephraim and for all the house of Israel his companions: Ary ianao, ry zanak' olona, dia mangalà tapa-kazo iray, ka asio soratra hoe: Ho an' ny Joda sy ho an' ny zanak' Isiraely namany; dia mangalà tapa-kazo anankiray koa, ka asio soratra hoe: Ho an' i Josefa dia tapa-kazon' i Efraima sy ho an' ny taranak' Isiraely namany rehetra. Ary hianao, ry zanak' olona, maka hazo iray, asio soratra hoe: Ho an' i Jodà sy ho an' ny zanak' Israely tafakambana aminy. Dia makà hazo iray hafa koa, asio soratra hoe: Ho an' i Josefa; ka ho hazon' i Efraima sy ny taranak' Israely rehetra tafakambana aminy izany. Et toi, fils d' homme, prends un morceau de bois et écris dessus : " Juda et les Israélites qui sont avec lui. " Prends un morceau de bois et écris dessus : " Joseph bois d'Éphraïm et toute la maison d' Israël qui est avec lui. "
Eze / Ez 37:17 And join them one to another into one stick; and they shall become one in thine hand. Ary ampifanatony izy roa ho tonga tapa-kazo iray ihany, dia ho iray eny an-tananao izy. Ampifanatony izy roa, mba ho hazo iray ihany, ka ho iray ihany izy eny an-tànanao. Rapproche-les l' un de l' autre pour faire un seul morceau de bois : qu' ils ne fassent qu' un dans ta main.
Eze / Ez 37:18 And when the children of thy people shall speak unto thee, saying, Wilt thou not shew us what thou meanest by these? Ary raha miteny aminao ny zanaky ny firenenao manao hoe: Moa tsy hilaza izay hevitrao amin' izany va ianao? Ary raha hiteny aminao ny zanaky ny firenenao, hanao hoe: Tsy ho voasanao aminay va, izay ambaran' izany araka ny hevitrao? Et lorsque les fils de ton peuple te diront : " Ne nous expliqueras-tu pas ce que tu veux dire ? "
Eze / Ez 37:19 Say unto them, Thus saith the Lord GOD; Behold, I will take the stick of Joseph, which is in the hand of Ephraim, and the tribes of Israel his fellows, and will put them with him, even with the stick of Judah, and make them one stick, and they shall be one in mine hand. dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon' i Josefa, izay eny an-tanan' i Efraima, sy ny firenen' ny Isiraely namany, ary hakambako ho eo amin' ny tapa-kazon' i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray eny an-tanako. lazao aminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Indro fa alaiko ny hazon' i Josefa, eny an-tànan' i Efraima sy ny firenen' Israely izay tafakambana aminy, ka hakambako amin' ny hazon' i Jodà izy, dia hataoko hazo iray ihany, sy ho iray tokoa eo an-tànako izy ireo. dis-leur : Ainsi parle le Seigneur Yahvé : Voici que je vais prendre le bois de Joseph qui est dans la main d'Éphraïm et les tribus d' Israël qui sont avec lui, je vais les mettre contre le bois de Juda, j' en ferai un seul morceau de bois et ils ne seront qu' un dans ma main.
Eze / Ez 37:20 And the sticks whereon thou writest shall be in thine hand before their eyes. Ary ny tapa-kazo izay hasianao soratra dia ho eny an-tananao eo imasony. Ho eny an-tànanao, eo imasony, ireo hazo hosoratanao. Quand les morceaux de bois sur lesquels tu auras écrit seront dans ta main, à leurs yeux,
Eze / Ez 37:21 And say unto them, Thus saith the Lord GOD; Behold, I will take the children of Israel from among the heathen, whither they be gone, and will gather them on every side, and bring them into their own land: Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny zanak' Isiraely avy any amin' ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin' ny manodidina any izy ka ho entiko ho any amin' ny taniny: Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Indro halaiko any amin' ny firenena nalehany, ny zanak' Israely; hangoniko avy any rehetra any izy, dia hoentiko miverina eo amin' ny taniny. dis-leur : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Voici que je vais prendre les Israélites parmi les nations où ils sont allés. Je vais les rassembler de tous côtés et les ramener sur leur sol.
Eze / Ez 37:22 And I will make them one nation in the land upon the mountains of Israel; and one king shall be king to them all: and they shall be no more two nations, neither shall they be divided into two kingdoms any more at all. ary hataoko ho firenena iray any amin' ny tany izy, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely, ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan' izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony. Hataoko firenena iray ihany eo amin' ny tany, eo ambonin' ny tendrombohitr' Israely, izy; mpanjaka iray ihany no hanjaka amin' izy rehetra; tsy ho firenena roa intsony izy, na tafasaraka ho fanjakana roa. J' en ferai une seule nation dans le pays, dans les montagnes d' Israël, et un seul roi sera leur roi à eux tous; ils ne formeront plus deux nations, ils ne seront plus divisés en deux royaumes.
Eze / Ez 37:23 Neither shall they defile themselves any more with their idols, nor with their detestable things, nor with any of their transgressions: but I will save them out of all their dwellingplaces, wherein they have sinned, and will cleanse them: so shall they be my people, and I will be their God. Ary tsy handoto tena amin' ny sampiny, na amin' ny fahavetavetany, na amin' ny fahadisoany intsony izy; fa hovonjeko ho afaka amin' ny fonenany rehetra izay nanotany izy, ary hodioviko izy, ka dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny. Tsy handoto tena intsony izy, na amin' ny sampiny vetaveta, na amin' ny fahavetavetany, na amin' ny hadisoany rehetra; hovonjeko ho afaka amin' ny fiodinany rehetra nanotany izy, ary hodioviko; izy ireo ho vahoakako, ary izaho ho Andriamaniny. Ils ne se souilleront plus avec leurs ordures, leurs horreurs et tous leurs crimes. Je les sauverai des infidélités qu' ils ont commises et je les purifierai, ils seront mon peuple et je serai leur Dieu.
Eze / Ez 37:24 And David my servant shall be king over them; and they all shall have one shepherd: they shall also walk in my judgments, and observe my statutes, and do them. Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hankatò izany. Davida mpanompoko no ho mpanjakany; ary izy rehetra hiray mpiandry, hanaraka ny fitsipiko, hitandrina ny didiko, ary hanaraka izany. Mon serviteur David régnera sur eux; il n' y aura qu' un seul pasteur pour eux tous; ils obéiront à mes coutumes, ils observeront mes lois et les mettront en pratique.
Eze / Ez 37:25 And they shall dwell in the land that I have given unto Jacob my servant, wherein your fathers have dwelt; and they shall dwell therein, even they, and their children, and their children' s children for ever: and my servant David shall be their prince for ever. Ary honina any amin' ny tany izay nomeko an' i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan' ny razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin' ny zafiny mandrakizay; ary Davida mpanompoko no ho Mpanapaka azy mandrakizay. Honina eo amin' ny tany nomeko an' i Jakoba mpanompoko sy nonenan' ny razany, izy ireo; dia honina eo izy mbamin' ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrakizay, ary Davida mpanompoko no ho mpanapaka azy mandrakizay. Ils habiteront le pays que j' ai donné à mon serviteur Jacob, celui qu' ont habité vos pères. Ils l' habiteront, eux, leurs enfants et les enfants de leurs enfants, à jamais. David mon serviteur sera leur prince à jamais.
Eze / Ez 37:26 Moreover I will make a covenant of peace with them; it shall be an everlasting covenant with them: and I will place them, and multiply them, and will set my sanctuary in the midst of them for evermore. Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy any, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay. Sady hanao fanekem-pihavanana amin' izy ireo aho, ka ho fanekena aminy mandrakizay izany; ary izaho hanorina azy, hampitombo azy, ary hanangana ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay. Je conclurai avec eux une alliance de paix, ce sera avec eux une alliance éternelle. Je les établirai, je les multiplierai et j'établirai mon sanctuaire au milieu d' eux à jamais.
Eze / Ez 37:27 My tabernacle also shall be with them: yea, I will be their God, and they shall be my people. Ary ny tabernakeliko ho eo aminy; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. Ny fonenako, ho eo ambonin' izy ireo; izaho ho Andriamaniny; ary izy ho vahoakako. Je ferai ma demeure au-dessus d' eux, je serai leur Dieu et ils seront mon peuple.
Eze / Ez 37:28 And the heathen shall know that I the Lord do sanctify Israel, when my sanctuary shall be in the midst of them for evermore. Ka dia ho fantatry ny jentilisa fa Izaho Jehovah no manamasina ny Isiraely amin' ny isian' ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay. Dia ho fantatry ny firenena fa Iaveh aho manamasina an' Israely, rahefa ho eo aminy mandrakizay ny fitoerako masina. Et les nations sauront que je suis Yahvé qui sanctifie Israël, lorsque mon sanctuaire sera au milieu d' eux à jamais.

<-
->