<-
->

Eze / Ez 39:1 Therefore, thou son of man, prophesy against Gog, and say, Thus saith the Lord GOD; Behold, I am against thee, O Gog, the chief prince of Meshech and Tubal: Ary ianao, ry zanak' olona, dia maminania ny hamelezana an' i Goga, ka ataovy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan' i Rosy sy Meseka ary Tobala. Ary hianao, ry zanak' olona, maminania ny hamelezana an' i Goga, ka lazao hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Indro aho ho avy hamely anao, ry Goga, mpanapaka lehiben' i Mosoka sy Tobala. Et toi, fils d' homme, prophétise contre Gog. Tu diras : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Je me déclare contre toi, Gog, prince, chef de Méshek et de Tubal.
Eze / Ez 39:2 And I will turn thee back, and leave but the sixth part of thee, and will cause thee to come up from the north parts, and will bring thee upon the mountains of Israel: Hitarika sy hitondra anao hiakatra avy any amin' ny farany avaratra Aho, dia ho entiko ho any an-tendrombohitry ny Isiraely ianao. Halaiko, hotarihiko hianao, hampiakariko avy any amin' ny farany avaratra, ary hoentiko any an-tendrombohitr' Israely. Je te ferai faire demi-tour, je te conduirai, je te ferai monter de l' extrême nord et je t' amènerai contre les montagnes d' Israël.
Eze / Ez 39:3 And I will smite thy bow out of thy left hand, and will cause thine arrows to fall out of thy right hand. Ary hasiako ny tsipìkanao hiala eny an-tananao ankavia, ary halatsako hiala eny an-tananao an-kavanana ny zana-tsipìkanao. Any dia halatsako avy eny an-tànanao an-kavia ny tsipìkanao, ary hararako avy eny an-tànanao an-kavanana ny zana-tsipìkanao. Je briserai ton arc dans ta main gauche et je ferai tomber tes flèches de ta main droite.
Eze / Ez 39:4 Thou shalt fall upon the mountains of Israel, thou, and all thy bands, and the people that is with thee: I will give thee unto the ravenous birds of every sort, and to the beasts of the field to be devoured. Any an-tendrombohitry ny Isiraely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin' ny firenena izay miaraka aminao; homeko hohanin' ny vorona mpihaza samy hafa karazana rehetra sy ny bibi-dia ianao. Hitsingidina eny an-tendrombohitr' Israely hianao, dia hianao sy ny antoko miaramila rehetra, mbamin' ireo firenena hiaraka aminao; ny vorona mpihaza, ny vorona isan-karazany, mbamin' ny bibin' ny tany no hanolorako anao mba hohaniny. Tu tomberas sur les montagnes d' Israël, toi, toutes tes troupes et les peuples qui sont avec toi. Je te donne en pâture aux oiseaux de proie de toute espèce et aux bêtes sauvages :
Eze / Ez 39:5 Thou shalt fall upon the open field: for I have spoken it, saith the Lord GOD. Eny an-tsaha no hiamparanao; fa Izaho no efa niteny, hoy Jehovah Tompo. Hiampatra eny an-tampon-tanety eny, hianao, fa izaho no efa niteny, - teny marin' ny Tompo Iaveh. tu tomberas en plein champ, car moi, j' ai parlé, oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 39:6 And I will send a fire on Magog, and among them that dwell carelessly in the isles: and they shall know that I am the Lord. Ary haterako afo Magoga sy izay mipetraka tsy manana ahiahy any amoron-tsiraka; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah. Handefa afo ho any amin' ny tany Magoga aho sy ho any amin-dry zareo monina fahizay any amin' ireo nosy, ka ho fantany fa Iaveh aho. J' enverrai le feu dans Magog et sur ceux qui habitent des îles, en sécurité, et ils sauront que je suis Yahvé.
Eze / Ez 39:7 So will I make my holy name known in the midst of my people Israel; and I will not let them pollute my holy name any more: and the heathen shall know that I am the Lord, the Holy One in Israel. Ary ny anarako masina dia hataoko fantatra ao amin' ny Isiraely oloko; ary tsy havelako holotoina intsony ny anarako masina; ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah, Izay masina ao amin' ny Isiraely. Ary hataoko fantatra ny anarako masina, eo amin' Israely vahoakako, ka tsy hekeko hotsiratsiraina intsony ny anarako masina, dia ho fantatry ny firenena fa Iaveh aho, ilay masina eo amin' Israely. Je ferai connaître mon saint nom au milieu de mon peuple Israël, je ne laisserai plus profaner mon saint nom, et les nations sauront que je suis Yahvé, saint en Israël.
Eze / Ez 39:8 Behold, it is come, and it is done, saith the Lord GOD; this is the day whereof I have spoken. Indro, tonga izany ka tanteraka, hoy Jehovah Tompo. Izany no andro izay nolazaiko. Indro tonga izany zavatra izany ka ho tanteraka, - teny marin' ny Tompo Iaveh: izany no ilay andro nolazaiko! Voici que cela vient, c' est fait - oracle du Seigneur Yahvé - c' est le jour que j' ai annoncé.
Eze / Ez 39:9 And they that dwell in the cities of Israel shall go forth, and shall set on fire and burn the weapons, both the shields and the bucklers, the bows and the arrows, and the handstaves, and the spears, and they shall burn them with fire seven years: Ary hivoaka ny mponina ao amin' ny tanànan' ny Isiraely ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana, dia ny ampinga lehibe, ny tsipìka sy ny zana-tsipìka, ny langilangy sy ny lefona, ary hitaina izany mandritra ny fito taona izy; Amin' izany, hivoaka ny mponina amin' ny tanànan' Israely, handoro sy hampiredaka ny fiadiana, dia ny ampinga amam-piarovan-tena, ny tsipìka aman-jana-tsipìka, ny langilangy aman-defom-pohy, hatainy izany mandritra ny fito taona. Alors les habitants des villes d' Israël s' en iront brûler et livrer au feu les armes, écus et boucliers, arcs et flèches, javelots et lances. Ils en feront du feu pendant sept ans.
Eze / Ez 39:10 So that they shall take no wood out of the field, neither cut down any out of the forests; for they shall burn the weapons with fire: and they shall spoil those that spoiled them, and rob those that robbed them, saith the Lord GOD. fa tsy haka kitay hazo any an-tsaha na hanapaka hazo any an' ala izy, fa hitaina ny fiadiana ka hamabo izay efa namabo azy sy handroba izay efa nandroba azy, hoy Jehovah Tompo. Tsy hitondra kitay hazo avy any an-tsaha intsony izy ireo, na hikapa hazo any an' ala, fa ny fiadiana no hatainy; hambabo an' izay nambabo azy izy; ary handroba an' izay nandroba azy, - teny marin' ny Tompo Iaveh. On n' ira plus chercher de bois dans la campagne, on n' en coupera plus dans les forêts, car c' est avec les armes qu' on fera du feu. Ils pilleront ceux qui les pillaient, ils prendront du butin à ceux qui leur en prenaient, oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 39:11 And it shall come to pass in that day, that I will give unto Gog a place there of graves in Israel, the valley of the passengers on the east of the sea: and it shall stop the noses of the passengers: and there shall they bury Gog and all his multitude: and they shall call it The valley of Hamongog. Ary amin' izany andro izany dia homeko tany eo amin' ny Isiraely Goga hasiana fasana, dia ny lohasahan' ny mpandalo manolotra ny ranomasina, ka hisakana ny mpandalo izany; ary any no handevenany an' i Goga sy ny olony maro be rehetra; ary ny anarany hataony hoe Lohasahan' ireo olona maroben' i Goga. Ary izao no hitranga amin' izany andro izany: Goga homeko fitoerana izay isian' ny fasany, eo amin' Israely, dia ny lohasahan' ny Mpandalo ao atsinanan' ny ranomasina, ary hanampin-dalana tsy halehan' ny mpandalo izany fasana izany. Eo no handevenana an' i Goga mbamin' ny vahoakabeny rehetra, ary lohasahan' i Hamona-Goga no hatao anaran' io fitoerana io. Ce jour-là, je donnerai à Gog pour sa sépulture en Israël un lieu célèbre, la vallée des Oberim, à l' est de la mer, la vallée qui arrête les passants; on y enterrera Gog et toute sa multitude, et on l' appellera : Vallée de Hamôn-Gog.
Eze / Ez 39:12 And seven months shall the house of Israel be burying of them, that they may cleanse the land. Ary fito volana mipaka no handevenan' ny taranak' Isirady azy, hanadiovany ny tany. Handevina azy ireo ny taranak' Israely, mba hanadiovany ny tany, mandritra ny fito volana mipaka. La maison d' Israël les enterrera afin de purifier le pays pendant sept mois.
Eze / Ez 39:13 Yea, all the people of the land shall bury them; and it shall be to them a renown the day that I shall be glorified, saith the Lord GOD. Eny, ny tompon-tany rehetra no handevina azy; ary ho laza ho azy izany amin' ny andro hampisehoako ny voninahitro, hoy Jehovah Tompo. Handevina avokoa ny vahoaka amin' ny tany; ary ho andro malaza ho azy ireo izany, fa andro hanehoako ny voninahitro an-karihary, - teny marin' ny Tompo Iaveh. Tous les gens du pays travailleront à les enterrer, et cela leur vaudra la renommée au jour où je manifesterai ma gloire, oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 39:14 And they shall sever out men of continual employment, passing through the land to bury with the passengers those that remain upon the face of the earth, to cleanse it: after the end of seven months shall they search. Ary izy hanavaka sy hanendry olona ho mpitety ny tany sy izay hiaraka amin' ny mpitety koa handevina ny mbola sisa eny ambonin' ny tany, hanadiovana azy; rehefa afaka fito volana, dia vao hikatsaka izy; Hanendry olona izy ireo izay homena raharaha mba hitetitety tany, mandevina ny mpandalo izay sisa tavela teo ambonin' ny tany, - mba hanadiovany ny tany; rahefa afaka ny fito volana dia handeha hikaroka, ireo. On mettra à part des hommes dont la fonction permanente sera de parcourir le pays et d' enterrer ceux qui sont restés sur le sol, pour le purifier. Ils entreprendront leur recherche au bout de sept mois.
Eze / Ez 39:15 And the passengers that pass through the land, when any seeth a man' s bone, then shall he set up a sign by it, till the buriers have buried it in the valley of Hamongog. ary raha mandeha mitety ny tany ireo mpitety ka mahita taolan' olona, dia hanorina marika eo anilany izy, mandra-pandevin' ny mpandevina azy ao amin' ny Lohasahan' ireo maro ben' i Goga. Ary rahefa mitety ny tany ireo olona ireo, raha misy mahita taolan' olona, dia hanangana famantarana eo anilany izy, mandra-pandevin' ny mpandevina azy, ao amin' ny lohasaha Hamona-Goga. Quand ces gens-là parcourront le pays, si l' un d' eux voit des ossements humains, il dressera à côté une borne, jusqu'à ce que les fossoyeurs les enterrent dans la vallée de Hamôn-Gog
Eze / Ez 39:16 And also the name of the city shall be Hamonah. Thus shall they cleanse the land. Ary hisy tanàna koa hatao hoe Hamona. Toy izany no hanadiovany ny tany. Ary ho anaran-tanàna koa, Hamona; toy izany no hanadiovana ny tany. et Hamona est aussi le nom d' une ville , et qu' ils aient purifié le pays.
Eze / Ez 39:17 And, thou son of man, thus saith the Lord GOD; Speak unto every feathered fowl, and to every beast of the field, Assemble yourselves, and come; gather yourselves on every side to my sacrifice that I do sacrifice for you, even a great sacrifice upon the mountains of Israel, that ye may eat flesh, and drink blood. Ary ianao, ry zanak' olona, dia izao na lazain' i Jehovah Tompo: Ataovy amin' ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia rehetra hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa atý; miangòna ianareo avy amin' ny manodidina ho amin' ny fanatitro izay vonoiko ho anareo, dia fanatitra lehibe eny an-tendrombohitry ny Isiraely, hihinananareo nofo sy hisotroanareo rà. Ary hianao, ry zanak' olona, izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Lazao amin' ny voromanidina isan-karazany, mbamin' ny biby rehetra any an-tsaha hoe: Mivoria hianareo, ka mankanesa aty! Miangona avy eny amin' ny manodidina eny, ho amin' ny sorona izay ataoko ho anareo, dia sorona lehibe any an-tendrombohitr' Israely; hihinana nofo hianareo sy hisotro ra. Et toi, fils d' homme, ainsi parle le Seigneur Yahvé. Dis aux oiseaux de toute espèce et à toutes les bêtes sauvages : Rassemblez-vous, venez, réunissez-vous de partout alentour pour le sacrifice que je vous offre, un grand sacrifice sur les montagnes d' Israël, et vous mangerez de la chair et vous boirez du sang.
Eze / Ez 39:18 Ye shall eat the flesh of the mighty, and drink the blood of the princes of the earth, of rams, of lambs, and of goats, of bullocks, all of them fatlings of Bashan. Ny nofon' ny lehilahy mahery no hohaninareo, ary ny ran' ireo mpanjakan' ny tany no hosotroinareo, dia ondrilahy sy zanak' ondry sy osilahy ary vantotr' ombilahy, samy mifahy avy any Basana izy rehetra. Nofon' ny lehilahy mahery no hohaninareo, ran' ny mpanapaka amin' ny tany no hosotroinareo, dia ondralahy, zanak' ondry, osilahy, vantotr' ombalahy, omby mifahy, avy any Basana, samy tafatambatra avokoa. Vous mangerez la chair des héros, vous boirez le sang des princes de la terre. Ce sont tous des béliers, des agneaux, des boucs, des taureaux gras du Bashân.
Eze / Ez 39:19 And ye shall eat fat till ye be full, and drink blood till ye be drunken, of my sacrifice which I have sacrificed for you. Dia hihinana matavy ianareo mandra-pahavokinareo ary hisotro rà mandra-pahaleonareo avy amin' ny fanatitro izay novonoiko ho anareo. Hihinana tavin-kena hianareo, ka ho voky, hisotro ra hianareo, mandra-pahaleonareo, amin' izany sorona nataoko ho anareo izany. Vous mangerez de la graisse jusqu'à satiété et vous boirez du sang jusqu'à l' ivresse, en ce sacrifice que je vous offre.
Eze / Ez 39:20 Thus ye shall be filled at my table with horses and chariots, with mighty men, and with all men of war, saith the Lord GOD. Ary ho voky soavaly sy ny mpitaingina azy ary lehilahy mahery mbamin' ny miaramila rehetra eo amin' ny latabatro ianareo, hoy Jehovah Tompo. Amin' ny latabatro hianareo hivoky soavaly amam-pitaingina azy, lehilahy mahery amam-piady isan-karazany; - teny marin' ny Tompo Iaveh. Vous vous rassasierez à ma table, de chevaux et de coursiers, de héros et de tout homme de guerre, oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 39:21 And I will set my glory among the heathen, and all the heathen shall see my judgment that I have executed, and my hand that I have laid upon them. Ary hasehoko any amin' ny jentilisa ny voninahitro, ka ho hitan' ny firenena rehetra ny fitsarana hataoko sy ny tanako izay hahinjitro aminy. Haneho ny voninahitro eo amin' ny firenena aho, ka ho hitan' ny firenena rehetra ny fitsarana hataoko sy ny tànako hahinjitro amin' izy ireo. Je manifesterai ma gloire aux nations, et toutes les nations verront mon jugement quand je l' exécuterai, et ma main quand je l' abattrai sur elles.
Eze / Ez 39:22 So the house of Israel shall know that I am the Lord their God from that day and forward. Ary ho fantatry ny taranak' Isiraely fa Izaho no Jehovah Andriamaniny hatry ny androtr' iny ka hatramin' ny ho avy rehetra. Ka ho fantatry ny taranak' Israely, fa Iaveh Andriamaniny aho, hatramin' izay andro izay, ka hatramin' ny ho avy. Et la maison d' Israël saura que je suis Yahvé son Dieu, à partir de ce jour et désormais.
Eze / Ez 39:23 And the heathen shall know that the house of Israel went into captivity for their iniquity: because they trespassed against me, therefore hid I my face from them, and gave them into the hand of their enemies: so fell they all by the sword. Ary ho fantatry ny jentilisa fa ny heloky ny taranak' Isiraely no nahababo azy; fa satria nivadika tamiko izy, dia izany no nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo an-tànan' ny fahavalony, ka dia lavon-tsabatra izy rehetra. Ary ho fantatry ny firenena fa noho ny heloka nataon' ny zanak' Israely, no nahalasan-ko babo azy, satria nivadika tamiko izy. Koa nanafina ny tavako taminy aho ary natolotro ho eo an-tanan' ny fahavalony, mba ho lavon-tsabatra izy rehetra. Les nations aussi le sauront : c' est pour sa faute envers moi que la maison d' Israël a été exilée, c' est parce qu' elle m' a été infidèle que je lui ai caché ma face, que je l' ai livrée aux mains de ses ennemis et que tous sont tombés par l'épée.
Eze / Ez 39:24 According to their uncleanness and according to their transgressions have I done unto them, and hid my face from them. Araka ny fahalotoany sy ny fahadisoany no navaliko azy sy nanafenako ny tavako taminy. Noho ny fahalotoany amam-pivadihany no nanaovako izany taminy sy nanafenako ny tavako taminy. Je les ai traités comme le méritaient leurs souillures et leurs transgressions, et je leur ai caché ma face.
Eze / Ez 39:25 Therefore thus saith the Lord GOD; Now will I bring again the captivity of Jacob, and have mercy upon the whole house of Israel, and will be jealous for my holy name; Koa izao no lazain' i Jehovah Tompo: Ankehitriny dia hampodiko avy amin' ny fahababoany Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak' Isiraely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny amin' ny anarako masina Aho. Koa izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Ankehitriny, hampodiko ny babo amin' ny taranak' i Jakoba, hamindrako fo ny taranak' Israely rehetra, ary hasehoko ny fahasarota-piaroko ny anarako masina. C' est pourquoi, ainsi parle le Seigneur Yahvé : Maintenant, je vais ramener les captifs de Jacob, je vais prendre en pitié toute la maison d' Israël, et je me montrerai jaloux de mon saint nom.
Eze / Ez 39:26 After that they have borne their shame, and all their trespasses whereby they have trespassed against me, when they dwelt safely in their land, and none made them afraid. Dia mba hahatsiaro ny fahamenarany sy ny fahadisoany rehetra izay nandisoany tamiko izy, rehefa mandry fahizay ao amin' ny taniny, ka tsy misy manaitaitra azy, Hitondra ny fahafaham-barakany izy, mbamin' ny fivadihany rehetra nataony tamiko, raha avy izay handriany fahizay eo amin' ny taniny, ka tsy hisy mpanaitaitra intsony. Ils oublieront leur déshonneur et toutes les infidélités qu' ils ont commises envers moi, quand ils habitaient dans leur pays en sécurité, sans que personne les inquiète.
Eze / Ez 39:27 When I have brought them again from the people, and gathered them out of their enemies' lands, and am sanctified in them in the sight of many nations; rehefa ampodiko avy any amin' ny firenena izy ary angoniko avy any amin' ny tanin' ny fahavalony; ary hiseho ho masina eo imason' ny jentilisa Aho amin' ny ataoko amin' ireny; Rahefa hampody azy avy any amin' ny firenena aho sy hanangona azy avy any amin' ny tanim-pahavalony, ary hanamasina tena ao amin' izy ireo eo imason' ny firenena maro, Quand je les ramènerai d' entre les peuples et que je les rassemblerai des pays de leurs ennemis, quand je manifesterai ma sainteté en eux aux yeux des nations nombreuses,
Eze / Ez 39:28 Then shall they know that I am the Lord their God, which caused them to be led into captivity among the heathen: but I have gathered them unto their own land, and have left none of them any more there. dia ho fantany fa Izaho Jehovah no Andriamaniny amin' ny ampandehanako azy ho babo any amin' ny firenena sy amin' ny anangonako azy ho any amin' ny taniny, ka tsy hisy hafoiko any izy na dia iray akory aza. dia ho fantany fa Iaveh Andriamaniny aho, tamin' ny nitondrako azy ho babo any amin' ny firenena sy nanangonako azy indray eo amin' ny taniny, ary tsy hisy havelako hitoetra any intsony izy ireo, na dia iray aza. ils sauront que je suis Yahvé leur Dieu - quand je les aurai emmenés captifs parmi les nations et que je les réunirai sur leur sol, sans laisser aucun d' eux là-bas.
Eze / Ez 39:29 Neither will I hide my face any more from them: for I have poured out my spirit upon the house of Israel, saith the Lord GOD. Ary tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin' ny taranak' Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo. Ary tsy hanafina ny tavako aminy intsony aho, satria hampidiniko amin' ny taranak' Israely ny Fanahiko; - teny marin' ny Tompo Iaveh. Et je ne leur cacherai plus ma face, car je répandrai mon Esprit sur la maison d' Israël, oracle du Seigneur Yahvé.

<-
->