<-
->

Eze / Ez 1:1 Now it came to pass in the thirtieth year, in the fourth month, in the fifth day of the month, as I was among the captives by the river of Chebar, that the heavens were opened, and I saw visions of God. Ary tamin' ny andro fahadimy tamin' ny volana fahefatra tamin' ny taona fahatelo-polo, raha teo amin' ny babo teo amoron' ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy tamin' Andriamanitra aho. Ary tamin' ny taona fahatelopolo, volana fahefatra, andro fahadimin' ny volana, raha teo amin' ireo babo, teo amoron' ny ony Kobara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy amin' Andriamanitra aho. La trentième année, au quatrième mois, le cinq du mois, alors que je me trouvais parmi les déportés au bord du fleuve Kebar, le ciel s' ouvrit et je fus témoin de visions divines.
Eze / Ez 1:2 In the fifth day of the month, which was the fifth year of king Jehoiachin' s captivity, Tamin' ny andro fahadimy tamin' ny volana (taona fahadimy taorian' ny namaboana an' i Joiakina mpanjaka izany) Tamin' ny andro fahadimin' ny volana, taona fahadimy nahababo an' i Joasina, mpanjaka, tamin' izay, - Le cinq du mois - c'était la cinquième année d' exil du roi Joiakîn -
Eze / Ez 1:3 The word of the Lord came expressly unto Ezekiel the priest, the son of Buzi, in the land of the Chaldeans by the river Chebar; and the hand of the Lord was there upon him. dia tonga tamin' i Ezekiela mpisorona, zanak' i Bozy, ny tenin' i Jehovah tany amin' ny tanin' ny Kaldeana, teo amoron' ny ony Kebara; ary ny tànan' i Jehovah dia taminy teo. tonga tamin' i Ezekiela, zanak' i Bozi, mpisorona, ny tenin' ny Tompo, tany amin' ny tanin' ny Kaldeana, amoron' ny ony Kobara, ary mbý teo aminy teo ny tànan' ny Tompo. la parole de Yahvé fut adressée au prêtre Ézéchiel, fils de Buzi, au pays des Chaldéens, au bord du fleuve Kebar. C' est là que la main de Yahvé fut sur lui.
Eze / Ez 1:4 And I looked, and, behold, a whirlwind came out of the north, a great cloud, and a fire infolding itself, and a brightness was about it, and out of the midst thereof as the colour of amber, out of the midst of the fire. Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin' ny afo dia nisy toy ny volon' ny metaly mamirapiratra. Hitako, fa indro, avy any avaratra, nisy tafio-drivotra sy rahona lehibe, aman' afo mivongana, izay manjopiaka manodidina, ary ao afovoany dia toa zavatra mitarehy metaly voatsoboka anaty afo no niseho teo. Je regardai : c'était un vent de tempête soufflant du nord, un gros nuage, un feu jaillissant, avec une lueur autour, et au centre comme l'éclat du vermeil au milieu du feu.
Eze / Ez 1:5 Also out of the midst thereof came the likeness of four living creatures. And this was their appearance; they had the likeness of a man. Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan' aina efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik' olona. Ary hitako teo afovoany, ny endri-java-manan' aina efatra, ka toy izao no fijery azy: miendrik' olombelona izy. Au centre, je discernai quelque chose qui ressemblait à quatre animaux dont voici l' aspect : ils avaient une forme humaine.
Eze / Ez 1:6 And every one had four faces, and every one had four wings. Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy. Samy nanan-tarehy efatra ary samy nanana elatra efatra avy izy. Ils avaient chacun quatre faces et chacun quatre ailes.
Eze / Ez 1:7 And their feet were straight feet; and the sole of their feet was like the sole of a calf' s foot: and they sparkled like the colour of burnished brass. Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian' ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon' ny varahina manganohano izy. Mahitsy ny tongony, ary toy ny faladian' ny zanak' omby ny faladiany, sady nanjelanjelatra hoatra ny varahana vaodio ireo. Leurs jambes étaient droites et leurs sabots étaient comme des sabots de boeuf, étincelants comme l'éclat de l' airain poli.
Eze / Ez 1:8 And they had the hands of a man under their wings on their four sides; and they four had their faces and their wings. Ary nisy tanan' olona teo ambanin' ny elany teo amin' ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra. Nisy tànan' olona avy teo ambanin' ny elany, amin' ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tavany aman' elany avy, izy efatra. Sous leurs ailes, il y avait des mains humaines tournées vers les quatre directions, de même que leurs faces et leurs ailes à eux quatre.
Eze / Ez 1:9 Their wings were joined one to another; they turned not when they went; they went every one straight forward. Nifanendry ny elany; tsy niherika izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin' izay hitsiny avy izy rehetra. Nifanendry ny elany; tsy nihodina izy raha mandeha, fa samy nizotra tamin' izay hitsiny avy. Leurs ailes étaient jointes l' une à l' autre; ils ne se tournaient pas en marchant : ils allaient chacun devant soi.
Eze / Ez 1:10 As for the likeness of their faces, they four had the face of a man, and the face of a lion, on the right side: and they four had the face of an ox on the left side; they four also had the face of an eagle. Ary ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin' olona; ary tamin' ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin' ny liona izy efatra, ary tamin' ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin' omby, ary samy nanana ny tarehin' ny voromahery koa izy efatra. Izao avy no notahafin' ny tarehany: ny anoloana, tarehan' olombelona, ny ankavanana, tarehan-diona, azy efatra; ny ankavia tarehan' ombalahy, azy efatra, ary tareham-boromahery azy efatra. Quant à la forme de leurs faces, ils avaient une face d' homme, et tous les quatre avaient une face de lion à droite, et tous les quatre avaient une face de taureau à gauche, et tous les quatre avaient une face d' aigle.
Eze / Ez 1:11 Thus were their faces: and their wings were stretched upward; two wings of every one were joined one to another, and two covered their bodies. Ary ny tarehiny sy ny elany dia nisaraka hatreo ambony: samy nisy roa nifanendry tamin' ny an' ny namany, ary ny roa nanarona ny tenany. Toy izany ireo tarehany. Nivelatra teo amboniny, ny elatr' izy ireo; ka ny elany roa avy nifanendry tamin' ny an' ny namany; ary ny elany roa kosa, nanarona ny tenany. Leurs ailes étaient déployées vers le haut; chacun avait deux ailes se joignant et deux ailes lui couvrant le corps;
Eze / Ez 1:12 And they went every one straight forward: whither the spirit was to go, they went; and they turned not when they went. Dia samy nizotra tamin' izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian' ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha. Samy nizotra tamin' izay hitsiny avy izy; izay nasain' ny fanahy naleha no nalehany; tsy niodina izy raha mandeha. et ils allaient chacun devant soi; ils allaient là où l' esprit les poussait, ils ne se tournaient pas en marchant.
Eze / Ez 1:13 As for the likeness of the living creatures, their appearance was like burning coals of fire, and like the appearance of lamps: it went up and down among the living creatures; and the fire was bright, and out of the fire went forth lightning. Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan' aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan' ny zava-manan' aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy. Ny fijery an' ireo zava-manan' aina ireo, dia tahaka ny vainafo mivaivay; hoatra ny fanilo no fijery azy; mifanaretsaka eny anelanelany eny ny afo, mampajambena; sady misy tselatra mivoaka avy ao amin' ny afo. Au milieu des animaux, il y avait quelque chose comme des charbons ardents ayant l' aspect de torches, allant et venant entre les animaux; le feu jetait une lueur, et du feu sortaient des éclairs.
Eze / Ez 1:14 And the living creatures ran and returned as the appearance of a flash of lightning. Ary ny zava-manan' aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka. Ary mivoivoy nankatsý nankarý ireo zava-manan' aina ireo, tahaka ny tselabaratra no fijery azy. Les animaux allaient et venaient, semblables à l'éclair.
Eze / Ez 1:15 Now as I beheld the living creatures, behold one wheel upon the earth by the living creatures, with his four faces. Ary hitako ny zava-manan' aina, fa, indro, nisy kodia iray avy teo ambonin' ny tany, teo anilan' ny zava-manan' aina teo anoloan' ny tarehiny efatra. Dia nibanjina ireo zava-manan' aina ireo aho, ka indro nisy kodiarana anankiray teo amin' ny tany, teo anilany, anoloan' ny tavany efatra. Je regardai les animaux; et voici qu' il y avait une roue à terre, à côté des animaux aux quatre faces.
Eze / Ez 1:16 The appearance of the wheels and their work was like unto the colour of a beryl: and they four had one likeness: and their appearance and their work was as it were a wheel in the middle of a wheel. Ny tarehin' ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon' ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin' ny kodia. Ka ny fijery an' ireo kodiarana ireo, sy ny tarehany, dia tahaka ny an' ny vaton' i Tarsisa, ary sahala daholo izy efatra; ny fijery azy aman-tarehany dia hoatra ny kodiarana itsofohan-kodiarana hafa ao afovoany. L' aspect de ces roues et leur structure avait l'éclat de la chrysolite. Toutes les quatre avaient même forme; quant à leur aspect et leur structure : c'était comme si une roue se trouvait au milieu de l' autre.
Eze / Ez 1:17 When they went, they went upon their four sides: and they turned not when they went. Raha nandeha izy, dia nandeha tamin' izay hitsin' ny lafiny efatra: tsy niherika izy raha nandeha. Raha mandeha izy, dia mizotra tandrifin' ny lafiny efatra, sady miherika eny am-pandehanany. Elles avançaient dans les quatre directions et ne se tournaient pas en marchant.
Eze / Ez 1:18 As for their rings, they were so high that they were dreadful; and their rings were full of eyes round about them four. Ary ny boriboriny manodidina azy dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra. Avo mahatsiravina ny hazo faribolany, sady feno maso avokoa ny manodidina ny fari-bolan' ireo kodiarana efatra ireo. Leur circonférence était de grande taille et effrayante, et leur circonférence, à toutes les quatre, était pleine de reflets tout autour.
Eze / Ez 1:19 And when the living creatures went, the wheels went by them: and when the living creatures were lifted up from the earth, the wheels were lifted up. Ary raha nandeha ny zava-manan' aina, dia nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha niainga tsy nipaka tamin' ny tany ireo zava-manan' aina, dia mba niainga koa ny kodia. Raha nandeha ireo zava-manan' aina, nandeha teo anilany koa ireto kodiarana; raha misondrotra avy amin' ny tany ireo zavatra ireo, misondrotra koa ny kodiarana. Lorsque les animaux avançaient, les roues avançaient à côté d' eux, et lorsque les animaux s'élevaient de terre, les roues s'élevaient.
Eze / Ez 1:20 Whithersoever the spirit was to go, they went, thither was their spirit to go; and the wheels were lifted up over against them: for the spirit of the living creature was in the wheels. Na aiza na aiza no tian' ny fanahy ho naleha dia nalehan' ireo koa; fa any koa no mba tian' ny fanahy haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin' ny kodia ny fanahin' ny zava-manan' aina. Izay nasain' ny fanahy alehany, no nalehan' izy ireo; fa naingain' ny fanahy izy; ary niara-niainga taminy koa ireto kodiarana; satria tao amin' ny kodiarana ny fanahin' ny zava-manan' aina. Là où l' esprit les poussait, les roues allaient, et elles s'élevaient également, car l' esprit de l' animal était dans les roues.
Eze / Ez 1:21 When those went, these went; and when those stood, these stood; and when those were lifted up from the earth, the wheels were lifted up over against them: for the spirit of the living creature was in the wheels. Raha nandeha ireny, dia mba nandeha koa ireto; ary raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa ireto; ary raha niainga tsy nipaka tamin' ny tany ireny, dia mba niainga teo anilany koa ny kodia; fa ny fanahin' ny zava-manan' aina dia tao amin' ny kodia. Ka raha mandeha ireo, mandeha ireto; raha mijanona ireo, mijanona ireto; ary raha misondrotra avy amin' ny tany ireo, misondrotra koa ireto kodiarana; satria tao amin' ny kodiarana ny fanahin' ny zava-manan' aina. Quand ils avançaient, elles avançaient, quand ils s' arrêtaient, elles s' arrêtaient, et quand ils s'élevaient de terre, les roues s'élevaient également, car l' esprit de l' animal était dans les roues.
Eze / Ez 1:22 And the likeness of the firmament upon the heads of the living creature was as the colour of the terrible crystal, stretched forth over their heads above. Ary teo ambonin' ny lohan' ny zava-manan' aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon' ny krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin' ny lohany. Teo ambonin' ny lohan' ireo zava-manan' aina ireo, nisy tahaka ny andohalambo miendri-kristaly mamirapiratra, mivelatra teo ambonin' ny lohany. Il y avait sur les têtes de l' animal quelque chose qui ressemblait à une voûte, éclatante comme le cristal, tendue sur leurs têtes, au-dessus,
Eze / Ez 1:23 And under the firmament were their wings straight, the one toward the other: every one had two, which covered on this side, and every one had two, which covered on that side, their bodies. Ary nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany teo ambanin' ny eloelo: samy nanan-droa avy izy rehetra, izay nanaronany ny tenany. Ka teo ambanin' io andohalambo io ny elany no nivelatra nifanendry, sady nanana elatra roa avy koa nanarona ny tenany teo an-daniny avy. et sous la voûte, leurs ailes étaient dressées l' une vers l' autre; chacun en avait deux lui couvrant le corps.
Eze / Ez 1:24 And when they went, I heard the noise of their wings, like the noise of great waters, as the voice of the Almighty, the voice of speech, as the noise of an host: when they stood, they let down their wings. Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon' ny rano be, dia tahaka ny feon' ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon' ny miaramila mitoby; Nony mandeha izy ireo, dia reko ny fikopakipaky ny elany, ka toy ny firohondrohon' ny rano be, tahaka ny feon' ny Tsitoha, fihahohahom-pitabatabana toy ny re avy amin' ny toby; nony mijanona izy, dia avelany milefitra ny elany. Et j' entendis le bruit de leurs ailes, comme un bruit d' eaux abondantes, comme la voix de Shaddaï; lorsqu' ils marchaient, c'était un bruit de tempête, comme un bruit de camp; lorsqu' ils s' arrêtaient, ils repliaient leurs ailes.
Eze / Ez 1:25 And there was a voice from the firmament that was over their heads, when they stood, and had let down their wings. Ary nisy feo avy teo ambonin' ny eloelo izay teo ambonin' ny lohany; nony nijanona izy, dia namihina ny elany. Ary nisy naneno re avy ao amin' itsy andohalambo nivelatra teo ambonin' ny lohany; nony mijanona izy, dia navelany hilefitra ny elany. Et il se produisit un bruit.
Eze / Ez 1:26 And above the firmament that was over their heads was the likeness of a throne, as the appearance of a sapphire stone: and upon the likeness of the throne was the likeness as the appearance of a man above upon it. Ary teo ambonin' ny eloelo, izay teo ambonin' ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin' ny vato safira; ary teo ambonin' ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik' olona. Eo ambonin' ilay andohalambo nivelatra teo ambonin' ny lohany, nisy hoatra ny vato safira, mitarehin-tseza fiandrianana; ary toa nisy hoatra ny endrik' olona teo ambonin' io mitarehin-tseza fiandrianana io. Au-dessus de la voûte qui était sur leurs têtes, il y avait quelque chose qui avait l' aspect d' une pierre de saphir en forme de trône, et sur cette forme de trône, dessus, tout en haut, un être ayant apparence humaine.
Eze / Ez 1:27 And I saw as the colour of amber, as the appearance of fire round about within it, from the appearance of his loins even upward, and from the appearance of his loins even downward, I saw as it were the appearance of fire, and it had brightness round about. Ary nahita toy ny volon' ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin' ny afo manodidina azy; ary hatramin' ny valahany no ho miakatra ka hatramin' ny valahany no ho midina dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy. Tao anatiny sy tao amin' ny manodidina dia nisy hitako hoatra ny zavatra miendri-metaly, tahaka ny afo no fijery azy, hatramin' izay niseho ho tahaka ny valahany no ho miakatra; ary hatramin' izay niseho ho toa valahany no ho midina kosa dia nisy zavatra hitako, toy ny afo no fijery azy, ary nisy famirapiratana manodidina azy. Et je vis comme l'éclat du vermeil, quelque chose comme du feu près de lui, tout autour, depuis ce qui paraissait être ses reins et au-dessus; et depuis ce qui paraissait être ses reins et au-dessous, je vis quelque chose comme du feu et une lueur tout autour;
Eze / Ez 1:28 As the appearance of the bow that is in the cloud in the day of rain, so was the appearance of the brightness round about. This was the appearance of the likeness of the glory of the Lord. And when I saw it, I fell upon my face, and I heard a voice of one that spake. Toy ny tarehin' avana amin' ny rahona amin' ny andro nisy ranon' orana no tarehin' ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr' i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon' ny anankiray niteny. Hoatra ny fijery ny avana eny amin' ny rahona, amin' ny andro misy orana, no fijery ny famirapiratana nanodidina azy. Toy izany no fijery ny sarin' ny voninahitry ny Tompo. Nony nahita izany aho, dia lavo niankohoka tamin' ny tavako, nandre feon' olona niteny. l' aspect de cette lueur, tout autour, était comme l' aspect de l' arc qui apparaît dans les nuages, les jours de pluie. C'était quelque chose qui ressemblait à la gloire de Yahvé. Je regardai, et je tombai la face contre terre; et j' entendis la voix de quelqu' un qui me parlait.

<-
->