<-
->

Eze / Ez 27:1 The word of the Lord came again unto me, saying, Ary tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Tonga tamiko ny tenin' ny Tompo nanao hoe: La parole de Yahvé me fut adressée en ces termes :
Eze / Ez 27:2 Now, thou son of man, take up a lamentation for Tyrus; Hianao, ry zanak' olona, manaova hira fahalahelovana ny amin' i Tyro, Manaova hira fitomaniana an' i Tira hianao, ry zanak' olona, Et toi, fils d' homme, prononce sur Tyr une complainte.
Eze / Ez 27:3 And say unto Tyrus, O thou that art situate at the entry of the sea, which art a merchant of the people for many isles, Thus saith the Lord GOD; O Tyrus, thou hast said, I am of perfect beauty. ka ataovy aminy hoe: He, ry ilay monina amin' ny vava-ranomasina, Mpandranto ho an' ny firenena ho any ny moron-dranomasina maro samy hafa; Izao no lazain' i Jehovah Tompo: He, ry Tyro, ianao efa nanao hoe: Izaho dia tena tsara tarehy! ka lazao amin' i Tira hoe: Hianao ry ilay mitoetra eo amin' ny vava-ranomasina, izay nifankahazo varotra amin' ny firenena, any amin' ny nosy maro, izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Tira ô, hianao nanao hoe: Baondy tsy resy aho amin' ny hatsaran-tarehy; Tu diras à Tyr, la ville installée au débouché de la mer, le courtier des peuples vers des îles nombreuses : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Tyr, c' est toi qui disais : " Je suis un navire d' une parfaite beauté ".
Eze / Ez 27:4 Thy borders are in the midst of the seas, thy builders have perfected thy beauty. Ao amin' ny ranomasina ny taninao, efa tanteraky ny mpandrafitra anao ny hatsaran-tarehinao. ny fanjakanao eo amin' ny ranomasina; izay nandrafitra anao, nanao anao ho tsara tarehy mahagaga. En pleine mer s'étendaient tes frontières, tes constructeurs ont parfait ta beauté.
Eze / Ez 27:5 They have made all thy ship boards of fir trees of Senir: they have taken cedars from Lebanon to make masts for thee. Hazo kypreso avy any Senira no nanaovany ny lampihazonao; Sedera avy any Libanona no nalainy hatao andrin-tsambonao. Hazo sipresa avy any Sanira no nandrafetany ny hazo fisaka rehetra aminao; sedera nalaina tany Libàna, no nataony salazana ho anao. En cyprès de Senir ils ont construit tous tes bordages. Ils ont pris un cèdre du Liban pour t'ériger un mât.
Eze / Ez 27:6 Of the oaks of Bashan have they made thine oars; the company of the Ashurites have made thy benches of ivory, brought out of the isles of Chittim. Oka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin' ny moron-dranomasin' i Kitima no nataony fipetrahan' ny mpivoinao sady nasiany parike ivory. Oaka avy any Basana no nanaovany fivoy ho anao; ny bànao nataony tamin' ny ivoara voapetaka amin' ny boisy, avy amin' ny nosy Sitima. De chênes du Bashân ils t' ont fait des rames. Ils t' ont fait un pont d' ivoire incrusté dans du cèdre des îles de Kittim.
Eze / Ez 27:7 Fine linen with broidered work from Egypt was that which thou spreadest forth to be thy sail; blue and purple from the isles of Elishah was that which covered thee. Rongony madinika samy hafa soratra avy any Egypta no natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba manga sy volomparasy avy any amin' ny moron-dranomasin' i Elisa no eloelonao. Rongony fotsy madinika avy any Ejipta, mbamin' ny amborodaony no natao lain-tsambo ho anao, sady natao faneva ho anao; ny hiasinta sy ny lamba mena mangatrakatraka avy any amin' ny nosy Elisa no lamba temitra ho anao. Le lin brodé d'Égypte fut ta voilure pour te servir de pavillon. La pourpre et l'écarlate des îles d'Élisha te recouvraient.
Eze / Ez 27:8 The inhabitants of Zidon and Arvad were thy mariners: thy wise men, O Tyrus, that were in thee, were thy pilots. Ny mponina any Sidona sy Arvada no mpivoinao; Ny olon-kendrinao, ry Tyro, no tao aminao, ka ireo no mpitondra sambonao. Ny mponina ao Sidona sy Arvada no mpivoy ho anao, ary ny olon-kendry izay eo aminao, ry Tira, no mpanamory ho anao. Les habitants de Sidon et d' Arvad étaient tes rameurs. Et tes sages, ô Tyr, étaient à bord comme matelots.
Eze / Ez 27:9 The ancients of Gebal and the wise men thereof were in thee thy calkers: all the ships of the sea with their mariners were in thee to occupy thy merchandise. Ny zokiolon' i Gebala sy izay hendry tany no tao aminao ho mpanentsin-tsambonao; ny sambo rehetra teny amin' ny ranomasina mbamin' ny matilony dia tonga tao aminao hanakalo ny rantonao. Ny tranainy avy any Giblioma sy ny olon-kendriny dia teo aminao, mpamboatra ny vakivaky aminao. Tao aminao avokoa ny sambo aman-tantsambo eny amin' ny ranomasina, hanakalo ny entam-barotrao. Les anciens de Gebal et ses artisans étaient là pour réparer tes avaries. Tous les navires de la mer et leurs marins étaient chez toi pour faire du commerce.
Eze / Ez 27:10 They of Persia and of Lud and of Phut were in thine army, thy men of war: they hanged the shield and helmet in thee; they set forth thy comeliness. Ny avy any Persia sy ny Lydiana ary ny Libyana dia isan' ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao. Na Persa, na Lidiana, na Libiana, dia samy isan' ny miaramilanao. Ireny no lehilahy mpiadinao, nahantony teo aminao ny satroka fiarovana aman' ampinga, mampanetriketrika ny voninahitrao izy, mahamendrimendrika anao ery. Ceux de Perse, de Lud et de Put servaient dans ton armée comme gens de guerre; ils suspendaient chez toi le bouclier et le casque, ils faisaient ta splendeur.
Eze / Ez 27:11 The men of Arvad with thine army were upon thy walls round about, and the Gammadims were in thy towers: they hanged their shields upon thy walls round about; they have made thy beauty perfect. Ny terak' i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin' ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no tao amin' ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin' ny mandanao manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao. Ny terak' i Arvada sy ny miaramilanao dia teo ambonin' ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no teo amin' ny tilikambonao; nahantony teo amin' ny mandanao manodidina ny ampingany, ka nahalavorary ny hatsaran-tarehinao. Les fils d' Arvad et leur armée garnissaient tes remparts, tout autour, et les Gemmadiens tes bastions. Ils suspendaient leurs écus à tes remparts, tout autour, et contribuaient à parfaire ta beauté.
Eze / Ez 27:12 Tarshish was thy merchant by reason of the multitude of all kind of riches; with silver, iron, tin, and lead, they traded in thy fairs. Tarsisy no mpandranto nankany aminao noho ny haben' ny harena samy hafa rehetra; Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka na nentiny natakalo ny entanao. Tarsisa nifampivarotra taminao, tamin' ny hareny isan-karazany: volafotsy, vy, fira-potsy amam-pira-mainty, izay nataony vidin' ny entanao. Tarsis était ton client, grâce à l' abondance de toute sorte de biens. Contre de l' argent, du fer, de l'étain et du plomb, ils échangeaient tes marchandises.
Eze / Ez 27:13 Javan, Tubal, and Meshech, they were thy merchants: they traded the persons of men and vessels of brass in thy market. Javana sy Tobala ary Maseka no mpandranto nankany aminao, ka olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao. Javana, Tobala, Mosòka, nifampivarotra taminao, ain' olona sy fanaka varahana, no nanefany ny volanao aminy. Yavân, Tubal et Méshek faisaient du commerce avec toi. Contre des hommes et des objets de bronze, ils échangeaient tes denrées.
Eze / Ez 27:14 They of the house of Togarmah traded in thy fairs with horses and horsemen and mules. Ny terak' i Togarma nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao. Ry zareo taranak' i Togormà, dia soavaly mpitarika kalesa, soavaly fitaingina, ary mole, no nandoavany ny vidin' ny entanao. De Bet-Togarma, on te livrait comme marchandise des chevaux, des coursiers et des mulets.
Eze / Ez 27:15 The men of Dedan were thy merchants; many isles were the merchandise of thine hand: they brought thee for a present horns of ivory and ebony. Ny terak' i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin' ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory sy hazomainty natakalo ny entanao. Ny terak' i Dedana nifampivarotra taminao; ny varotra tamin' ireo nosy maro, teo am-pelatananao: ny naloany ho vidiny dia tandroka ivoara sy hazo mainty. Les fils de Dedân faisaient du commerce avec toi; des îles nombreuses étaient tes clientes et t' apportaient en paiement les défenses d' ivoire et l'ébène.
Eze / Ez 27:16 Syria was thy merchant by reason of the multitude of the wares of thy making: they occupied in thy fairs with emeralds, purple, and broidered work, and fine linen, and coral, and agate. Syria no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan' ny tao-zavatrao, ka karbonkolo sy lamba volomparasy sy tenona samy hafa soratra sy rongony fotsy madinika sy voahangy ary robina no nentiny natakalo ny entanao. Arama nifampivarotra taminao, ny amin' ny habetsahan' ny vokatrao; vatosoa, jaky, amboradara, rongony madinika, voahangy sy robisy no nanefany ny volanao aminy. Édom était ton client, grâce à l' abondance de tes produits; il te donnait des escarboucles, de la pourpre, des broderies, du byssus, du corail et des rubis contre tes marchandises.
Eze / Ez 27:17 Judah, and the land of Israel, they were thy merchants: they traded in thy market wheat of Minnith, and Pannag, and honey, and oil, and balm. Joda sy ny tanin' ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao. Jodà sy ny tanin' Israely nifampivarotra taminao, ny amin' ny varin' i Minita, ny zava-manitra, ny tantely, ny diloilo, ny ditin-kazo manitra. Juda et le pays d' Israël eux-mêmes faisaient du commerce avec toi; ils t' apportaient en échange du grain de Minnit, du pannag, du miel, de l' huile et du baume.
Eze / Ez 27:18 Damascus was thy merchant in the multitude of the wares of thy making, for the multitude of all riches; in the wine of Helbon, and white wool. Damaskosy no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan' ny taozavatrao, dia ny haben' ny harenao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon' ondry fotsy izy. Damasa nifampivarotra taminao, ny amin' ny habetsahan' ny vokatrao, sy ny habetsahan' ny fanananao, izay notakalozany ny divain' i Helbona sy ny volonondrin' i Tsakara. Damas était ton client, grâce à l' abondance de tes produits, à l' abondance de toute sorte de biens; il te fournissait du vin de Helbôn et de la laine de Çahar.
Eze / Ez 27:19 Dan also and Javan going to and fro occupied in thy fairs: bright iron, cassia, and calamus, were in thy market. Vedana koa sy Javana avy any Ozala dia nitondra vy voatefy natakalo ny entanao; Kasia sy veromanitra no natakalony ny varotrao. Vedàna sy Javàna any Ozaly, dia vy voatefy no nividianany ny entam-barotrao; kasy sy veromanitra no nanefany ny volanao aminy. Dan et Yavân, depuis Uzal, te livraient en échange de tes marchandises du fer forgé, de la casse et du roseau.
Eze / Ez 27:20 Dedan was thy merchant in precious clothes for chariots. Dedana no mpandranto nankany aminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly. Dedana nifampivarotra taminao ny amin' ny lamban-tsoavaly fanao hitaingenan-tsoavaly. Dedân faisait commerce avec toi de couvertures de cheval.
Eze / Ez 27:21 Arabia, and all the princes of Kedar, they occupied with thee in lambs, and rams, and goats: in these were they thy merchants. Arabia sy ireo andriandahin' i Kedara rehetra no nandranto tany aminao, ka zanak' ondry sy ondrilahy ary osilahy no nentiny natao varotra tao aminao. Arabia sy ny andriana rehetra tany Sedara nifampivarotra taminao; ondry sy ondralahy aman' osilahy no nifampivarotany taminao. L' Arabie et tous les princes de Qédar eux-mêmes étaient tes clients; ils payaient en agneaux, béliers et boucs.
Eze / Ez 27:22 The merchants of Sheba and Raamah, they were thy merchants: they occupied in thy fairs with chief of all spices, and with all precious stones, and gold. Ny mpandranto avy any Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao. Ny mpandranto avy any Sabà sy Reemà nifampivarotra taminao; izao zava-manitra tsara indrindra rehetra izao sy izao vatosoa isan-karazany rehetra izao mbamin' ny volamena koa no nandoavany ny vidin' ny entanao. Les marchands de Sheba et de Rama faisaient du commerce avec toi; ils te livraient les plus fins aromates, toutes sortes de pierres précieuses et de l' or comme marchandises.
Eze / Ez 27:23 Haran, and Canneh, and Eden, the merchants of Sheba, Asshur, and Chilmad, were thy merchants. Harana sy Kane ary Edena sy mpandranto avy any Sheba sy Asyria ary Kilmada no mpandranto nankany aminao. Harana, Sene sy Edena, ny mpandranto avy any Sabà, Asora sy Kelmada nifampivarotra taminao: Harân, Kanné et Éden, les marchands de Sheba, d' Assur et de Kilmad faisaient du commerce avec toi.
Eze / Ez 27:24 These were thy merchants in all sorts of things, in blue clothes, and broidered work, and in chests of rich apparel, bound with cords, and made of cedar, among thy merchandise. Ireo no mpandranto nankany aminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra, dia kapôty manga sy samy hafa soratra ary vata sedera mifehy misy fitafiana soa no natakalony ny varotrao. zavatra fanao ravaka no nataon' ireo varotra taminao: kapaoty jaky, volomparasy, lamba misy amboradara volamena, vata fitoeram-pitafiana, tady mirandrana sady mafy, hazo fisaka sedera fandefasanao entana. Ils faisaient commerce de riches vêtements, de manteaux de pourpre et de broderies, d'étoffes bigarrées et de solides cordes tressées, sur tes marchés.
Eze / Ez 27:25 The ships of Tarshish did sing of thee in thy market: and thou wast replenished, and made very glorious in the midst of the seas. Ny sambon' i Tarsisy no mpitondra ny entanao, dia feno sady be voninahitra ianao teo amin' ny ranomasina. Ny sambon' i Tarsisa no niara-nandeha maro, nitatitra ny entanao. Tonga mpanefoefo sy be voninahitra hianao; teo amin' ny ranomasina. Les bateaux de Tarsis naviguaient pour ton commerce. Tu étais comblée et alourdie au coeur des mers.
Eze / Ez 27:26 Thy rowers have brought thee into great waters: the east wind hath broken thee in the midst of the seas. Nentin' ny mpivoinao teny amin' ny rano be ianao, dia nahavaky anao tao amin' ny ranomasina ny rivotra avy any atsinanana. Kanjo teo amin' ny rano be, izay nitondran' ireo mampiasa fivoy anao no namakian' ny rivotra avy atsinanana anao, tao afovoan' ny ranomasina. En haute mer tu fus conduite par tes rameurs. Le vent d' Orient t' a brisée au coeur des mers.
Eze / Ez 27:27 Thy riches, and thy fairs, thy merchandise, thy mariners, and thy pilots, thy calkers, and the occupiers of thy merchandise, and all thy men of war, that are in thee, and in all thy company which is in the midst of thee, shall fall into the midst of the seas in the day of thy ruin. Ny harenao sy ny vidin' entanao, ny varotrao, ny matilonao sy ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao sy ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin' ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao amin' ny ranomasina tamin' ny andro nandravana anao. Ny harenanao, ny varotrao, ny entanao, ny mpiantsambo amam-panamory eo aminao, ny mpanamboatra sambo sy ny mpanelanelam-barotrao, ny lehilahy mpiady rehetra izay eo aminao, mbamin' ny vahoaka zavon-tany izay eo afovoanao, dia ho latsaka ao anatin' ny ranomasina amin' ny andro hianjeranao. Tes richesses, tes marchandises et ton fret, tes marins et tes matelots, les radoubeurs, les courtiers de ton commerce et tous les hommes de guerre que tu portes, et tous les passagers qui sont à ton bord, vont couler au coeur des mers, au jour de ton naufrage.
Eze / Ez 27:28 The suburbs shall shake at the sound of the cry of thy pilots. Noho ny fidradradradran' ny mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina. Amin' ny fidradradradran' ny mpitondra sambonao ny morontsiraka hihorohoro. En entendant le cri de tes matelots, les rivages trembleront.
Eze / Ez 27:29 And all that handle the oar, the mariners, and all the pilots of the sea, shall come down from their ships, they shall stand upon the land; Ary samy midina miala amin' ny sambony ny mpivoy rehetra sy ny matilo ary ny mpitondra sambo rehetra eny an-dranomasina ka mijanòna eny an-tanety; Hidina hiala amin' ny sambony avokoa izay rehetra mampandeha fivoy, ny tantsambo sy ny mpitari-dalan-tsambo rehetra amin' ny ranomasina, ka hijanona eny an-tanety. Alors descendront de leurs bateaux tous les rameurs. Les marins, tous les gens de mer resteront à terre.
Eze / Ez 27:30 And shall cause their voice to be heard against thee, and shall cry bitterly, and shall cast up dust upon their heads, they shall wallow themselves in the ashes: Ary manandratra ny feony noho ny nanjo anao izy ka midradradradra mafy sady manopy vovoka hiraraka amin' ny lohany ary mihosinkosin-davenona; Hanandra-peo noho ny manjo anao sy handefa fidradradradrana mampalahelo; hanosim-bovoka ny lohany, ary hihosinkosina amin' ny lavenona. Ils feront entendre leur voix à ton sujet, ils crieront amèrement. Ils se jetteront de la poussière sur la tête, ils se rouleront dans la cendre.
Eze / Ez 27:31 And they shall make themselves utterly bald for thee, and gird them with sackcloth, and they shall weep for thee with bitterness of heart and bitter wailing. Ary mibory loha avokoa izy noho ny aminao sy misikina lamba fisaonana ary mitomany anao amin' ny fangidiam-panahy izy, dia fisaonana mafy. Noho ny aminao izy ireo hibory loha, hitafy lasaka, ary amin' ny alahelon' ny fanahiny dia handrotsa-dranomaso ny amin' ny momba anao, dia ranomaso mangidy. Ils se raseront le crâne à cause de toi, ils se ceindront de sacs. Ils exhaleront sur toi, dans leur amertume, une plainte amère.
Eze / Ez 27:32 And in their wailing they shall take up a lamentation for thee, and lament over thee, saying, What city is like Tyrus, like the destroyed in the midst of the sea? Ary raha midradradradra izy, dia manao hira fahalahelovana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza moa no tahaka an' i Tyro, dia tahaka ilay rava ao ampovoan' ny ranomasina ? Ao anatin' ny alahelony izy ireo, hanao hira falahelovana anao, ka hitomany anao hanao hoe: Iza moa no tahaka an' i Tira, tahaka an' ilay tonga mangina, ao afovoan' ny ranomasina? Ils prononceront sur toi, dans leur lamentation, une complainte, ils se lamenteront sur toi : " Qui était comparable à Tyr au milieu de la mer ?
Eze / Ez 27:33 When thy wares went forth out of the seas, thou filledst many people; thou didst enrich the kings of the earth with the multitude of thy riches and of thy merchandise. Raha nivoaka avy amin' ny ranomasina ny varotrao, dia nahatretrika firenena maro ianao; Tamin' ny haben' ny harenao sy ny varotrao dia nampanan-karena ny mpanjakan' ny tany ianao. Fony nivoaka avy amin' ny ranomasina ny entanao, nahavoky firenena maro hianao; amin' ny habetsahan' ny harenanao amam-barotrao, nampanan-karena ny mpanjakan' ny tany hianao. Lorsque tu débarquais tes marchandises pour rassasier tant de peuples, par l' abondance de tes richesses et de tes denrées tu as enrichi les rois de la terre.
Eze / Ez 27:34 In the time when thou shalt be broken by the seas in the depths of the waters thy merchandise and all thy company in the midst of thee shall fall. Tamin' ny andro nandravan' ny ranomasina anao ho any amin' ny rano lalina dia niara-nilentika taminao ny varotrao sy ny olona tafangona tao aminao. Ankehitriny kosa rahefa ravan' ny ranomasina hianao, sady nazera any amin' ny fara fanambanin' ny riaka, ny entanao mbamin' ny vahoaka rehetra tao aminao, niara-rendrika taminao koa. Maintenant te voilà brisée par les flots au plus profond des eaux. Ta cargaison et tous tes passagers ont coulé avec toi.
Eze / Ez 27:35 All the inhabitants of the isles shall be astonished at thee, and their kings shall be sore afraid, they shall be troubled in their countenance. Talanjona anao ny mponina rehetra amin' ny moron-dranomasina, ary raiki-tahotra ny mpanjakany ka dia mivalomainty. Ny mponina rehetra amin' ny nosy, talanjona noho ny aminao; ny mpanjakany raiki-tahotra; ny tarehiny niova endrika. Tous les habitants des îles ont été frappés de stupeur à cause de toi. Leurs rois ont frémi d' horreur, leur visage bouleversé.
Eze / Ez 27:36 The merchants among the people shall hiss at thee; thou shalt be a terror, and never shalt be any more. Misitrisitra anao ny mpandranto amin' ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay Ny mpandranto avy amin' ny firenen-kafa misitrisitry aminao. Zary zava-mahatsiravina hianao; ka tsy misy intsony hianao mandrakizay! Les trafiquants des peuples ont sifflé sur toi, car tu es devenue un objet d' effroi, c' en est fait de toi à jamais! " Contre le roi de Tyr.

<-
->