<-
->

Gen / Jen 10:1 Now these are the generations of the sons of Noah, Shem, Ham, and Japheth: and unto them were sons born after the flood. Ary izao no taranaky ny zanakalahin' i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian' ny safo-drano. Izao no taranak' i Sema sy Kama ary Jafeta, zanak' i Noe. Nitera-dahy izy ireo taorian' ny safo-drano. Voici la descendance des fils de Noé, Sem, Cham et Japhet, auxquels des fils naquirent après le déluge :
Gen / Jen 10:2 The sons of Japheth; Gomer, and Magog, and Madai, and Javan, and Tubal, and Meshech, and Tiras. Ny zanakalahin' i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa. Zanak' i Jafeta: Gomera, Magoga, Maday, Javàna, Tobala, Mosòka, ary Tirasa. Fils de Japhet : Gomer, Magog, les Mèdes, Yavân, Tubal, Moshek, Tiras.
Gen / Jen 10:3 And the sons of Gomer; Ashkenaz, and Riphath, and Togarmah. Ary ny zanakalahin' i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma. Zanak' i Gomera: Aseneza, Rifata, ary Togorma. Fils de Gomer : Ashkenaz, Riphat, Togarma.
Gen / Jen 10:4 And the sons of Javan; Elishah, and Tarshish, Kittim, and Dodanim. Ary ny zanakalahin' i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita. Zanak' i Javàna: Elisà sy Tarsisa ary Setima sy Dodanima. Fils de Yavân : Elisha, Tarsis, les Kittim, les Dananéens.
Gen / Jen 10:5 By these were the isles of the Gentiles divided in their lands; every one after his tongue, after their families, in their nations. Avy tamin' ireo no niavakavahan' ny nosin' ny firenena tany amin' ny taniny, dia samy araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin' ny fireneny avy. Avy tamin' ireo no ihavian' ny vahoaka miely amin' ny nosim-pirenena any amin' ny taniny avy, samy araka ny fiteniny sy araka ny fianakaviany, araka ny fireneny avy. A partir d' eux se fit la dispersion dans les îles des nations. Tels furent les fils de Japhet, d' après leurs pays et chacun selon sa langue, selon leurs clans et d' après leurs nations.
Gen / Jen 10:6 And the sons of Ham; Cush, and Mizraim, and Phut, and Canaan. Ary ny zanakalahin' i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana. Zanak' i Kama: Kosy, Mesraima, Fota, ary Kanaana. Fils de Cham : Kush, Miçrayim, Put, Canaan.
Gen / Jen 10:7 And the sons of Cush; Seba, and Havilah, and Sabtah, and Raamah, and Sabtechah: and the sons of Raamah; Sheba, and Dedan. Ary ny zanakalahin' i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin' i Ragama dia Seba sy Dedana. Zanak' i Kosy: Sabà, Hevilà, Sabatà, Regmà ary Sabatakà. Zanak' i Regma: Sabà sy Dadàna. Fils de Kush : Séba, Havila, Sabta, Rama, Sabteka. Fils de Rama : Sheba, Dedân.
Gen / Jen 10:8 And Cush begat Nimrod: he began to be a mighty one in the earth. Ary Kosy niteraka an' i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin' ny tany. Kosy niteraka an' i Nemroda, izay voalohan' olona manam-pahefana tamin' ny tany. Kush engendra Nemrod, qui fut le premier potentat sur la terre.
Gen / Jen 10:9 He was a mighty hunter before the Lord: wherefore it is said, Even as Nimrod the mighty hunter before the Lord. Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan' i Jehovah, ka izany no nanaovan' ny olona hoe: Tahaka an' i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan' i Jehovah. Mpihaza mahery teo anatrehan' ny Tompo izy, ka izany no anaovan' ny olona hoe: Tahaka an' i Nemroda mpihaza mahery eo anatrehan' ny Tompo. C'était un vaillant chasseur devant Yahvé, et c' est pourquoi l' on dit : Comme Nemrod, vaillant chasseur devant Yahvé.
Gen / Jen 10:10 And the beginning of his kingdom was Babel, and Erech, and Accad, and Calneh, in the land of Shinar. Ary ny niandohan' ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin' ny tany Sinara. Ny niandohan' ny fanjakany dia Babela, Aràka, Akada, ary Kalane any amin' ny tany Senaara. Les soutiens de son empire furent Babel, Érek et Akkad, villes qui sont toutes au pays de Shinéar.
Gen / Jen 10:11 Out of that land went forth Asshur, and builded Nineveh, and the city Rehoboth, and Calah, Ary nivoaka avy tamin' izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an' i Ninive mbamin' i Rehobot-ira sy Kala Avy ao amin' io tany io izy dia nankany Asora, ka nanorina an' i Niniva, Rekobota-Ira, Kale, De ce pays sortit Ashshur, et il bâtit Ninive, Rehobot-Ir, Kalah,
Gen / Jen 10:12 And Resen between Nineveh and Calah: the same is a great city. ary Resena teo anelanelan' i Ninive sy Kala, dia ilay tanàna lehibe izany. ary Resena anelanelan' i Niniva sy Kale; io no ilay tanàna lehibe. et Rèsèn entre Ninive et Kalah c' est la grande ville .
Gen / Jen 10:13 And Mizraim begat Ludim, and Anamim, and Lehabim, and Naphtuhim, Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita Mesraima niteraka ny Lodima, ny Anamima, ny Laabima, ny Neftoima, Miçrayim engendra les gens de Lud, de Anam, de Lehab, de Naphtuh,
Gen / Jen 10:14 And Pathrusim, and Casluhim, (out of whom came Philistim,) and Caphtorim. sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian' ny Filistina ary ny Kaftorita. ny Fetrosima, ny Kasloima, izay ihavian' ny Filistina ary ny Faftorima. de Patros, de Kasluh et de Kaphtor, d' où sont sortis les Philistins.
Gen / Jen 10:15 And Canaan begat Sidon his first born, and Heth, Ary Kanana niteraka an' i Sidona lahimatoany sy Heta, Kanaana niteraka an' i Sidòna lahimatoany, sy Heta; Canaan engendra Sidon, son premier-né, puis Hèt,
Gen / Jen 10:16 And the Jebusite, and the Amorite, and the Girgasite, ary ny Jebosita , sy ny Amorita sy ny Girgasita ary koa ny Jeboseana, ny Amoreana, ny Jerijeseana, et le Jébuséen, l' Amorite, le Girgashite,
Gen / Jen 10:17 And the Hivite, and the Arkite, and the Sinite, sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita ny Heveana, ny Araseana, ny Sineana, le Hivvite, l' Arqite, le Sinite,
Gen / Jen 10:18 And the Arvadite, and the Zemarite, and the Hamathite: and afterward were the families of the Canaanites spread abroad. sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen' ny Kananita. ny Aradiana, ny Semareana, ary ny Amateana. Ary nony taty aoriana niely ny fokon' ny Kananeana. l' Arvadite, le Çemarite, le Hamatite; ensuite se dispersèrent les clans cananéens.
Gen / Jen 10:19 And the border of the Canaanites was from Sidon, as thou comest to Gerar, unto Gaza; as thou goest, unto Sodom, and Gomorrah, and Admah, and Zeboim, even unto Lasha. Ary ny fari-tanin' ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin' i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin' i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima. Ka ny faritanin' ny Kananeana tafapaka hatrany Sidòna amin' ny tandrifin' ny Jerara ka hatrany Gazà, ary hatramin' ny tandrifin' i Sodoma, Gomora, Adama ary Seoima, dia hatrany Lesà. La frontière des Cananéens allait de Sidon en direction de Gérar, jusqu'à Gaza, puis en direction de Sodome, Gomorrhe, Adma et Çeboyim, et jusqu'à Lésha.
Gen / Jen 10:20 These are the sons of Ham, after their families, after their tongues, in their countries, and in their nations. Ireo no zanak' i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin' ny taniny, amin' ny fireneny. Ireo no taranak' i Kama, araka ny fianakaviany sy araka ny fiteniny avy, any amin' ny taniny sy any amin' ny fireneny avy. Tels furent les fils de Cham, selon leurs clans et leurs langues, d' après leurs pays et leurs nations.
Gen / Jen 10:21 Unto Shem also, the father of all the children of Eber, the brother of Japheth the elder, even to him were children born. Dia niteraka koa Sema, rain' ny zanak' i Ebera rehetra rahalahin' i Jafeta, izay zokiny. Dia nitera-dahy koa Sema, rain' ny zanak' i Ebera rehetra, sy zokin' i Jafeta. Une descendance naquit également à Sem, l' ancêtre de tous les fils de Éber et le frère aîné de Japhet.
Gen / Jen 10:22 The children of Shem; Elam, and Asshur, and Arphaxad, and Lud, and Aram. Ny zanakalahin' i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama. Zanak' i Sema: Elama, Asora, Arfaksada, Loda, ary Arama. Fils de Sem : Élam, Ashshur, Arpakshad, Lud, Aram.
Gen / Jen 10:23 And the children of Aram; Uz, and Hul, and Gether, and Mash. Ary ny zanakalahin' i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy. Zanak' i Arama: Osa, Hola, Getera, ary Mesa. Fils d' Aram : Uç, Hul, Géter et Mash.
Gen / Jen 10:24 And Arphaxad begat Salah; and Salah begat Eber. Ary Arpaksada niteraka an' i Sela; ary Sela niteraka an' i Ebera. Arfaksada niteraka an' i Sale, ary Sale niteraka an' i Ebera. Arpakshad engendra Shélah et Shélah engendra Éber.
Gen / Jen 10:25 And unto Eber were born two sons: the name of one was Peleg; for in his days was the earth divided; and his brother' s name was Joktan. Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran' ny iray natao hoe Palega, satria tamin' ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran' ny rahalahiny. Roa lahy no zanak' i Ebera, ka Falega no anaran' ny anankiray, fa tamin' ny androny dia voazara ny tany, ary Jektàna no anaran' ny rahalahiny. A Éber naquirent deux fils : le premier s' appelait Péleg, car ce fut en son temps que la terre fut divisée, et son frère s' appelait Yoqtân.
Gen / Jen 10:26 And Joktan begat Almodad, and Sheleph, and Hazarmaveth, and Jerah, Ary Joktana niteraka an' i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera Jektàna niteraka an' i Elmodada, Salefa, Asarmota, Jare, Yoqtân engendra Almodad, Shéleph, Haçarmavet, Yérah,
Gen / Jen 10:27 And Hadoram, and Uzal, and Diklah, sy Hadorama sy Ozala sy Dikla Adorama, Ozala, Deklà, Hadoram, Uzal, Diqla,
Gen / Jen 10:28 And Obal, and Abimael, and Sheba, sy Obala sy Abimaela sy Sheba Ebala, Amimaèla, Sabà, Obal, Abimaèl, Sheba,
Gen / Jen 10:29 And Ophir, and Havilah, and Jobab: all these were the sons of Joktan. sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin' i Joktana. Ofira, Hevilà, ary Jobaba. Ophir, Havila, Yobab; tous ceux-là sont fils de Yoqtân.
Gen / Jen 10:30 And their dwelling was from Mesha, as thou goest unto Sephar a mount of the east. Ary ny fonenan' ireo dia hatrany Mesa ao akaikin' i Sefara, tendrombohitra atsinanana. Izy rehetra ireo dia zanak' i Jektàna. Ny tany nonenan' izy ireo dia ny tendrombohitra atsinanana hatrany Mesà manitsy an' i Sefara. Ils habitaient à partir de Mésha en direction de Séphar, la montagne de l' Orient.
Gen / Jen 10:31 These are the sons of Shem, after their families, after their tongues, in their lands, after their nations. Ireo no zanak' i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin' ny taniny, araka ny fireneny. Ireo no taranak' i Sema, araka ny fianakaviany sy araka ny fiteniny, any amin' ny taniny avy, araka ny fireneny avy. Tels furent les fils de Sem, selon leurs clans et leurs langues, d' après leurs pays et leurs nations.
Gen / Jen 10:32 These are the families of the sons of Noah, after their generations, in their nations: and by these were the nations divided in the earth after the flood. Ireo no mpianakavin' ny zanak' i Noa, araka ny taranany, amin' ny fireneny; ary avy tamin' ireo no niavakavahan' ny firenena tambonin' ny tany taorian' ny safo-drano. Ireo no fianakavian' ny zanak' i Noe, araka ny taranany, any amin' ny fireneny avy. Avy amin' ireo ny firenena niely teto ambonin' ny tany, aorian' ny safo-drano. Tels furent les clans des descendants de Noé, selon leurs lignées et d' après leurs nations. Ce fut à partir d' eux que les peuples se dispersèrent sur la terre après le déluge.

<-
->