<-
->

Gen / Jen 47:1 Then Joseph came and told Pharaoh, and said, My father and my brethren, and their flocks, and their herds, and all that they have, are come out of the land of Canaan; and, behold, they are in the land of Goshen. Ary Josefa nankao amin' i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman' osiny sy ny ombiny mbamin' izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin' ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin' ny tany Gosena izy. Dia nankany amin' i Faraona Josefa hilaza izany vaovao izany, ka hoy izy: Tonga avy any amin' ny tany Kanaana ny raiko sy ny rahalahiko mbamin' ny ondriny sy ny ombiny sy izay rehetra ananany; ka indreo izy ao amin' ny tany Gesena. Donc Joseph alla avertir Pharaon : Mon père et mes frères, dit-il, sont arrivés du pays de Canaan avec leur petit et leur gros bétail et tout ce qui leur appartient; les voici dans la terre de Goshèn.
Gen / Jen 47:2 And he took some of his brethren, even five men, and presented them unto Pharaoh. Ary ny dimy lahy tamin' ny rahalahiny no nalainy ka nentiny teo anatrehan' i Farao. Ary nitondra dimy lahy tamin' ireo rahalahiny izy ho eo anatrehan' i Faraona. Il avait pris cinq de ces frères, qu' il présenta à Pharaon.
Gen / Jen 47:3 And Pharaoh said unto his brethren, What is your occupation? And they said unto Pharaoh, Thy servants are shepherds, both we, and also our fathers. Ary hoy Farao tamin' ireo rahalahin' i Josefa: Inona moa no raharaha fanaonareo? Dia hoy izy tamin' i Farao: Mpiandry ondry izahay mpanomponao hatramin' ny razanay. Ka hoy Faraona tamin' ireo: Inona no raharahanareo? Ka hoy ireo tamin' i Faraona: Mpiandry ondry toy ny razanay ihany koa, izahay mpanomponao. Celui-ci demanda à ses frères : Quel est votre métier ?, et ils répondirent : Tes serviteurs sont des bergers, nous-mêmes comme déjà nos pères.
Gen / Jen 47:4 They said morever unto Pharaoh, For to sojourn in the land are we come; for thy servants have no pasture for their flocks; for the famine is sore in the land of Canaan: now therefore, we pray thee, let thy servants dwell in the land of Goshen. Ary hoy koa izy tamin' i Farao: Mba hivahiny eto amin' ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an' ny ondry aman' osin' ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin' ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin' ny tany Gosena ny mpanomponao. Dia hoy koa izy tamin' i Faraona: Tonga aty izahay mpanomponao mba hitoetra amin' ity tany ity, fa tsy misy hanina intsony horaotin' ny ondrin' ny mpanomponao, fa mamely mafy ny mosary any amin' ny tany Kanaana. Koa aoka re mba havelanao honina eto amin' ny tany Gesena ny mpanomponao. Ils dirent aussi à Pharaon : Nous sommes venus séjourner dans le pays, car il n' y a plus de pâture pour les troupeaux de tes serviteurs : la famine, en effet, accable le pays de Canaan. Permets maintenant que tes serviteurs demeurent dans la terre de Goshèn
Gen / Jen 47:5 And Pharaoh spake unto Joseph, saying, Thy father and thy brethren are come unto thee: Ary Farao dia niteny tamin' i Josefa ka nanao hoe: Ny rainao sy ny rahalahinao efa tonga atý aminao; Dia hoy Faraona tamin' i Josefa: Tonga atý aminao ireto ny rainao sy ny rahalahinao; koa indro eo anoloanao ny tany Ejipta; amponeno amin' izay tany tsara indrindra ny rainao sy ny rahalahinao. Alors Pharaon dit à Joseph : Jacob et ses fils vinrent en Égypte auprès de Joseph. Pharaon, roi d'Égypte, l' apprit et il dit à Joseph : Ton père et tes frères sont arrivés près de toi. Le pays d'Égypte est à ta disposition : établis ton père et tes frères dans la meilleure région.
Gen / Jen 47:6 The land of Egypt is before thee; in the best of the land make thy father and brethren to dwell; in the land of Goshen let them dwell: and if thou knowest any men of activity among them, then make them rulers over my cattle. ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin' izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin' ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben' ny mpiandry ny omby aman' ondriko. Aoka honina amin' ny tany Gesena izy. Ary raha mahita lehilahy mahay amin' izy ireo hianao, tendreo izy ho mpitandrina ny biby fiompiko. Qu' ils habitent la terre de Goshèn et, si tu sais qu' il y a parmi eux des hommes capables, place-les comme régisseurs de mes propres troupeaux.
Gen / Jen 47:7 And Joseph brought in Jacob his father, and set him before Pharaoh: and Jacob blessed Pharaoh. Dia nentin' i Josefa ho eo anatrehan' i Farao Jakoba rainy; ary Jakoba dia nisaotra an' i Farao. Nampanalain' i Josefa Jakoba rainy, ka nasehony an' i Faraona; dia nisaotra an' i Faraona Jakoba. Alors Joseph introduisit son père Jacob et le présenta à Pharaon, et Jacob salua Pharaon.
Gen / Jen 47:8 And Pharaoh said unto Jacob, How old art thou? Ary hoy Farao tamin' i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao? Ary hoy Faraona tamin' i Jakoba: Firy taona ny andro niainanao? Pharaon demanda à Jacob : Combien comptes-tu d' années de vie ?
Gen / Jen 47:9 And Jacob said unto Pharaoh, The days of the years of my pilgrimage are an hundred and thirty years: few and evil have the days of the years of my life been, and have not attained unto the days of the years of the life of my fathers in the days of their pilgrimage. Dia hoy Jakoba tamin' i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan' ny razako tamin' ny andro nivahiniany. Ka hoy Jakoba tamin' i Faraona: Telo-polo amby zato taona no andron ny fivahiniako. Sady fohy no ratsy ny andro niainako, fa tsy nahatratra ny andro niainan' ny razako tamin' ny fivahiniany. et Jacob répondit à Pharaon : Les années de mon séjour sur terre ont été de cent trente ans, mes années ont été brèves et malheureuses et n' ont pas atteint l'âge de mes pères, les années de leur séjour.
Gen / Jen 47:10 And Jacob blessed Pharaoh, and went out from before Pharaoh. Ary Jakoba, rehefa nisaotra an' i Farao, dia lasa niala teo anatrehany. Dia nisaotra an' i Faraona indray Jakoba, dia lasa niala teo anatrehany. Jacob salua Pharaon et prit congé de lui.
Gen / Jen 47:11 And Joseph placed his father and his brethren, and gave them a possession in the land of Egypt, in the best of the land, in the land of Rameses, as Pharaoh had commanded. Dia namponenin' i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin' ny tany Egypta, dia tao amin' ny tany tsara indrindra, tao amin' ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian' i Farao. Koa nampiorim-ponenana an-drainy sy ny rahalahiny Josefa ka nanome azy zara tany, eo amin' ny tany Ejipta, dia ny tsara indrindra amin' ny tany, ao amin' ny faritanin' i Ramsesa, araka ny teny nomen' i Faraona azy. Joseph établit son père et ses frères et il leur donna une propriété au pays d'Égypte, dans la meilleure région, la terre de Ramsès, comme l' avait ordonné Pharaon.
Gen / Jen 47:12 And Joseph nourished his father, and his brethren, and all his father' s household, with bread, according to their families. Dia novelomin' i Josefa tamin' ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin' ny ankohonan' ny rainy rehetra, araka ny isan' ny zanany avy. Ary Josefa no nanome hanina an-drainy sy ny rahalahiny mbamin' ny ankohonan-drainy rehetra, araka ny isan-janany avy. Joseph procura du pain à son père, à ses frères et à toute la famille de son père, selon le nombre des personnes à leur charge.
Gen / Jen 47:13 And there was no bread in all the land; for the famine was very sore, so that the land of Egypt and all the land of Canaan fainted by reason of the famine. Ary tsy nisy hanina teo amin' ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary. Dia tsy nisy hanina intsony tamin' ny tany rehetra, fa mafy dia mafy ny mosary, ka najifa ny tany Ejipta sy ny tany Kanaana, azon' ny mosary. Il n' y avait pas de pain sur toute la terre, car la famine était devenue très dure et le pays d'Égypte et le pays de Canaan languissaient de faim.
Gen / Jen 47:14 And Joseph gathered up all the money that was found in the land of Egypt, and in the land of Canaan, for the corn which they bought: and Joseph brought the money into Pharaoh' s house. Dia nangonin' i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin' ny tany Egypta sy tany amin' ny tany Kanana, dia izay vidin' ny vary novidin' ny olona, ka nampidirin' i Josefa tao an-tranon' i Farao ny vola. Lasan' i Josefa tamin' ny vidim-bary novidin' ny olona avokoa ny vola tany amin' ny tany Ejipta sy tany amin' ny tany Kanaana, ka nampidiriny tao an-tranon' i Faraona izany vola izany. Joseph ramassa tout l' argent qui se trouvait au pays d'Égypte et au pays de Canaan en échange du grain qu' on achetait et il livra cet argent au palais de Pharaon.
Gen / Jen 47:15 And when money failed in the land of Egypt, and in the land of Canaan, all the Egyptians came unto Joseph, and said, Give us bread: for why should we die in thy presence? for the money faileth. Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin' ny tany Egypta sy tany amin' ny tany Kanana, dia nankeo amin' i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola. Nony lany avokoa ny vola tany amin' ny tany Ejipta sy tany amin' ny tany Kanaana, dia nankany amin' i Josefa ny Ejipsiana rehetra nanao hoe: Omeo hanina izahay. Aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay, fa tapitra ny volanay! Lorsque fut épuisé l' argent du pays d'Égypte et du pays de Canaan, tous les Égyptiens vinrent à Joseph en disant : Donne-nous du pain ! Pourquoi devrions-nous mourir sous tes yeux ? car il n' y a plus d' argent.
Gen / Jen 47:16 And Joseph said, Give your cattle; and I will give you for your cattle, if money fail. Ary hoy kosa Josefa : Omeo ny omby aman' ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola. Ary hoy Josefa: Rehefa lany ny volanareo, ny biby fiompinareo entina; hotakalozako hanina ny biby fiompinareo. Alors Joseph leur dit : Livrez vos troupeaux et je vous donnerai du pain en échange de vos troupeaux, s' il n' y a plus d' argent.
Gen / Jen 47:17 And they brought their cattle unto Joseph: and Joseph gave them bread in exchange for horses, and for the flocks, and for the cattle of the herds, and for the asses: and he fed them with bread for all their cattle for that year. Dia nentiny tany amin' i Josefa ny omby aman' ondriny, ka notakalozan' i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman' osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin' izany taona izany ho takalon' ny bibiny rehetra. Dia nentiny nankany amin' i Josefa ny biby fiompiny, ary nomen' i Josefa hanina izy ho takalon' ny soavaliny, sy ny andian' ondry aman' ombiny ary ny ampondrany. Nomeny hanina izy tamin' izany taona izany ho takalon' ny biby fiompiny rehetra. Ils amenèrent leurs troupeaux à Joseph et celui-ci leur donna du pain pour prix des chevaux, du petit et du gros bétail et des ânes; il les nourrit de pain, cette année-là, en échange de leurs troupeaux.
Gen / Jen 47:18 When that year was ended, they came unto him the second year, and said unto him, We will not hide it from my lord, how that our money is spent; my lord also hath our herds of cattle; there is not ought left in the sight of my lord, but our bodies, and our lands: Ary rehefa tapitra izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin' ny taona faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin' itompokolahy fa efa lany ny vola, ary efa lasan' itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason' itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay; Nony tapitra izany taona izany, dia nankeo amin' i Josefa indray izy ireo, tamin' ny taona manaraka, nanao taminy hoe: Tsy hafeninay amin' ny tompoko, fa ny vola efa lany, ny andiam-biby fiompy efa lasan' ny tompoko avokoa; ny tenabenay sy ny taninay sisa eto imason' ny tompoko. Lorsque fut écoulée cette année-là, ils revinrent vers lui l' année suivante et lui dirent : Nous ne pouvons le cacher à Monseigneur : vraiment l' argent est épuisé et les bestiaux sont déjà à Monseigneur, il ne reste à la disposition de Monseigneur que notre corps et notre terroir.
Gen / Jen 47:19 Wherefore shall we die before thine eyes, both we and our land? buy us and our land for bread, and we and our land will be servants unto Pharaoh: and give us seed, that we may live, and not die, that the land be not desolate. nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon' i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany. Kanefa aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay sy ny taninay! Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon' i Faraona izahay sy ny taninay. Ary omeo voa hafafy izahay mba ho velona fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany. Pourquoi devrions-nous mourir sous tes yeux, nous et notre terroir ? Acquiers donc nos personnes et notre terroir pour du pain, et nous serons, avec notre terroir, les serfs de Pharaon. Mais donne-nous de quoi semer pour que nous restions en vie et ne mou
Gen / Jen 47:20 And Joseph bought all the land of Egypt for Pharaoh; for the Egyptians sold every man his field, because the famine prevailed over them: so the land became Pharaoh' s. Dia notakalozan' i Josefa ho an' i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan' i Farao ny tany. Dia lasan' i Josefa ho an' i Faraona ny tany Ejipta manontolo; fa ny Ejipsiana samy nanakalo ny sahany avy, fa resi-mosary, any ka tonga fananan' i Faraona ny tany. Ainsi Joseph acquit pour Pharaon tout le terroir d'Égypte, car les Égyptiens vendirent chacun son champ, tant les pressait la famine, et le pays passa aux mains de Pharaon.
Gen / Jen 47:21 And as for the people, he removed them to cities from one end of the borders of Egypt even to the other end thereof. Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin' ny tanàna hatramin' ny faran' ny faritr' i Egypta rehetra. Dia nafindrany ny vahoaka ho any amin' ny tanàna eran' ny tany Ejipta rehetra. Quant aux gens, il les réduisit en servage, d' un bout à l' autre du territoire égyptien.
Gen / Jen 47:22 Only the land of the priests bought he not; for the priests had a portion assigned them of Pharaoh, and did eat their portion which Pharaoh gave them: wherefore they sold not their lands. Ny tanin' ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin' i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen' i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny. Ny tanin' ny mpisorona no hàny sisa tsy lasany, fa nanana anjara hanina tamin' i Faraona ny mpisorona, ka nisy hivelomany, izay anjara nomen' i Faraona azy, izany no tsy mba nanakalozany ny taniny. Il n' y eut que le terroir des prêtres qu' il n' acquit pas, car les prêtres recevaient une rente de Pharaon et vivaient de la rente qu' ils recevaient de Pharaon. Aussi n' eurent-ils pas à vendre leur terroir.
Gen / Jen 47:23 Then Joseph said unto the people, Behold, I have bought you this day and your land for Pharaoh: lo, here is seed for you, and ye shall sow the land. Dia hoy Josefa tamin' ny olona: Indro, efa voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho an' i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany. Dia hoy Josefa tamin' ny vahoaka: Voavidiko androany ho an' i Faraona hianareo sy ny taninareo. Koa indreny ny voa hafafinareo dia fafazo ny tany. Puis Joseph dit au peuple : Donc, je vous ai maintenant acquis pour Pharaon, avec votre terroir. Voici pour vous de la semence, pour ensemencer votre terroir.
Gen / Jen 47:24 And it shall come to pass in the increase, that ye shall give the fifth part unto Pharaoh, and four parts shall be your own, for seed of the field, and for your food, and for them of your households, and for food for your little ones. Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an' i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin' izay ao an-tranonareo ary hohanin' ny zanakareo. Rahefa tonga ny vokatra, ny ampahadiminy moa haterinareo ho an' i Faraona; ny efa-toko kosa misy hafafinareo amin' ny tany ary misy hivelomanareo sy ny ankohonanareo, sy hiveloman' ny zanakareo. Mais, sur la récolte, vous devrez donner un cinquième à Pharaon, et les quatre autres parts seront à vous, pour la semence du champ, pour votre nourriture et celle de votre famille, pour la nourriture des personnes à votre charge.
Gen / Jen 47:25 And they said, Thou hast saved our lives: let us find grace in the sight of my lord, and we will be Pharaoh' s servants. Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason' itompokolahy izahay, dia ho mpanompon' i Farao. Ka hoy ny olona: Hianao no namonjy ny ainay. Hahita fitia eo imason itompokolahy anie izahay ary ho mpanompon' i Faraona izahay. Ils répondirent : Tu nous as sauvé la vie ! Puissions-nous seulement trouver grâce aux yeux de Monseigneur, et nous serons les serfs de Pharaon.
Gen / Jen 47:26 And Joseph made it a law over the land of Egypt unto this day, that Pharaoh should have the fifth part, except the land of the priests only, which became not Pharaoh' s. Dia nataon' i Josefa ho lalana tany amin' ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an' i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin' ny mpisorona ihany no tsy mba lasan' i Farao. Dia nataon' i Josefa lalàna izany amin' ny tany Ejipta, ka mbola velona mandrak' androany, ka araka izany lalàna izany dia an' i Faraona ny ampahadimin' ny vokatry ny tany any Ejipta, fa ny tanin' ny mpisorona ihany no hàny tsy azy. De cela, Joseph fit une règle, qui vaut encore aujourd' hui pour le terroir d'Égypte : on verse le cinquième à Pharaon. Seul le terroir des prêtres ne fut pas à Pharaon.
Gen / Jen 47:27 And Israel dwelt in the land of Egypt, in the country of Goshen; and they had possessions therein, and grew, and multiplied exceedingly. Ary nonina tao amin' ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin' ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra. Nonina tany Ejipta amin' ny tany Gesena Israely ka nahazo fananana tany izy ireo, ary nihamaro anaka sy nihabetsaka indrindra. Ainsi Israël s'établit au pays d'Égypte dans la terre de Goshèn. Ils y acquirent des propriétés, furent féconds et devinrent très nombreux.
Gen / Jen 47:28 And Jacob lived in the land of Egypt seventeen years: so the whole age of Jacob was an hundred forty and seven years. Ary ny andro niainan' i Jakoba tao amin' ny tany Egypta dia fito ambin' ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan' i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona. Fito ambin' ny folo taona no andro niainan' i Jakoba tany amin' ny tany Ejipta. Ary fito amby efa-polo amby zato taona ny andro niainany rehetra. Jacob vécut dix-sept ans au pays d'Égypte et la durée de la vie de Jacob fut de cent quarante-sept ans.
Gen / Jen 47:29 And the time drew nigh that Israel must die: and he called his son Joseph, and said unto him, If now I have found grace in thy sight, put, I pray thee, thy hand under my thigh, and deal kindly and truly with me; bury me not, I pray thee, in Egypt: Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan' Isiraely, dia nampaka an' i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy ato ambanin' ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna ianao aza alevina atý Egypta aho. Nony efa akaiky ny fara andron' Israely dia nampaka an' i Josefa zanany izy, nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia teo imasonao koa aho, masìna hianao, ataovy ato ambany feko ny tànanao, ataovy amiko amin-kazavam-po sy fahamarinana izao: aza alevina atý Ejipta aho, Lorsque approcha pour Israël le temps de sa mort, il appela son fils Joseph et lui dit : Si j' ai ton affection, mets ta main sous ma cuisse, montre-moi bienveillance et bonté : ne m' enterre pas en Égypte !
Gen / Jen 47:30 But I will lie with my fathers, and thou shalt carry me out of Egypt, and bury me in their buryingplace. And he said, I will do as thou hast said. Fa rehefa lasa mody mandry any amin' ny razako aho, dia ho entinao hiala atý Egypta ka halevinao ao amin' ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho. fa raha avy izay hodiako mandry any amin' ny razako, ento miala atý Ejipta aho, ka aleveno any amin' ny fasan' izy ireo. Dia hoy ny navalin' i Josefa: Eny, hotanterahiko ny teninao. Quand je serai couché avec mes pères, tu m' emporteras d'Égypte et tu m' enterreras dans leur tombeau. Il répondit : Je ferai comme tu as dit.
Gen / Jen 47:31 And he said, Swear unto me. And he sware unto him. And Israel bowed himself upon the bed' s head. Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan' ny farafara Isiraely. Ary hoy Jakoba: Mianiàna àry amiko. Dia nianiana taminy Josefa ka niankohoka Israely teo an-doha farafara. Mais son père insista : Prête-moi serment, et il lui prêta serment, pendant qu' Israël se prosternait sur le chevet de son lit.

<-
->