<-
->

Gen / Jen 15:1 After these things the word of the Lord came unto Abram in a vision, saying, Fear not, Abram: I am thy shield, and thy exceeding great reward. Rehefa afaka izany, dia tonga tamin' i Abrama ny tenin' i Jehovah tamin' ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao. Taorian' izany, tonga tamin' i Abrama tamin' ny fahitana ny tenin' ny Tompo nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama, fa izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao. Après ces événements, la parole de Yahvé fut adressée à Abram, dans une vision : Ne crains pas, Abram ! Je suis ton bouclier, ta récompense sera très grande.
Gen / Jen 15:2 And Abram said, Lord God, what wilt thou give me, seeing I go childless, and the steward of my house is this Eliezer of Damascus? Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon' ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy. Fa hoy ny navalin' i Abrama: Iaveh Tompo ô, inona no homenao ahy? Fa izaho dia lasa tsy hiteraka ka ny mpandova ny tranoko dia Eliezera avy any Damasa. Abram répondit : Mon Seigneur Yahvé, que me donnerais-tu ? Je m' en vais sans enfant...
Gen / Jen 15:3 And Abram said, Behold, to me thou hast given no seed: and, lo, one born in my house is mine heir. Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin' ny ato an-tranoko no handova ahy. Ary hoy Abrama: Tsy nomenao fara handimby aho, ka dia lehilahy mipetraka amin' ny fianakaviako no ho mpandova ahy. Abram dit : Voici que tu ne m' as pas donné de descendance et qu' un des gens de ma maison héritera de moi.
Gen / Jen 15:4 And, behold, the word of the Lord came unto him, saying, This shall not be thine heir; but he that shall come forth out of thine own bowels shall be thine heir. Ary, indro, ny tenin' i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao. Tamin' izay dia tonga taminy ny tenin' ny Tompo nanao hoe: Tsy izy io no mpandova anao, fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao. Alors cette parole de Yahvé lui fut adressée : Celui-là ne sera pas ton héritier, mais bien quelqu' un issu de ton sang.
Gen / Jen 15:5 And he brought him forth abroad, and said, Look now toward heaven, and tell the stars, if thou be able to number them: and he said unto him, So shall thy seed be. Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan' ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao. Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy hianao, ary hoy izy taminy: Ho tahaka izay ny taranakao. Il le conduisit dehors et dit : Lève les yeux au ciel et dénombre les étoiles si tu peux les dénombrer et il lui dit : Telle sera ta postérité.
Gen / Jen 15:6 And he believed in the Lord; and he counted it to him for righteousness. Ary nino an' i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany. Ary nino an' ny Tompo Abrama, ka neken' ny Tompo ho fahamarinany izany. Abram crut en Yahvé, qui le lui compta comme justice.
Gen / Jen 15:7 And he said unto him, I am the Lord that brought thee out of Ur of the Chaldees, to give thee this land to inherit it. Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran' ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao. Ary hoy izy taminy: Izaho no Iaveh nitondra anao nivoaka avy any Ora amin' ny Kaldeana, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy. Il lui dit : Je suis Yahvé qui t' ai fait sortir d' Ur des Chaldéens, pour te donner ce pays en possession.
Gen / Jen 15:8 And he said, Lord God, whereby shall I know that I shall inherit it? Ary hoy Izy: Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho? Hoy ny navalin' i Abrama: Iaveh Tompo ô, inona no hahafantarako fa hanana izany aho? Abram répondit : Mon Seigneur Yahvé, à quoi saurai-je que je le posséderai ?
Gen / Jen 15:9 And he said unto him, Take me an heifer of three years old, and a she goat of three years old, and a ram of three years old, and a turtledove, and a young pigeon. Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala. Dia hoy Iaveh taminy: Mandehana maka ombivavy kely efa telo taona iray, osivavy efa telo taona iray, ondrilahy efa telo taona iray, domohina iray, ary vanto-boromailala iray. Il lui dit : Va me chercher une génisse de trois ans, une chèvre de trois ans, un bélier de trois ans, une tourterelle et un pigeonneau.
Gen / Jen 15:10 And he took unto him all these, and divided them in the midst, and laid each piece one against another: but the birds divided he not. Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. Dia nentin' i Abrama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo, ka nosasahiny roa mitovy avy izy ireo dia nampifanandrifiny avy ny vakiny; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. Il lui amena tous ces animaux, les partagea par le milieu et plaça chaque moitié vis-à-vis de l' autre; cependant il ne partagea pas les oiseaux.
Gen / Jen 15:11 And when the fowls came down upon the carcases, Abram drove them away. Ary nidina teo amin' ny fatin' ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama. Niantoraka hifaoka ny fatin' ireo ny vorona mpihaza, fa noroahin' i Abrama. Les rapaces s' abattirent sur les cadavres, mais Abram les chassa.
Gen / Jen 15:12 And when the sun was going down, a deep sleep fell upon Abram; and, lo, an horror of great darkness fell upon him. Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy. Raha ilay nilentika iny ny masoandro dia rendriky ny torimaso mafy Abrama, ary indro notsindrian' ny tahotra mafy sy ny aizim-pito izy. Comme le soleil allait se coucher, une torpeur tomba sur Abram et voici qu' un grand effroi le saisit.
Gen / Jen 15:13 And he said unto Abram, Know of a surety that thy seed shall be a stranger in a land that is not their' s, and shall serve them; and they shall afflict them four hundred years; Ary hoy Jehovah tamin' i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin' ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy. Hoy Iaveh tamin' i Abrama: Aoka ho fantatrao tsara fa ho vahiny any amin' ny tany tsy azy ny taranakao, hanompo olona izy any, ary hampahorina mandritra ny efa-jato taona. Yahvé dit à Abram : Sache bien que tes descendants seront des étrangers dans un pays qui ne sera pas le leur. Ils y seront esclaves, on les opprimera pendant quatre cents ans.
Gen / Jen 15:14 And also that nation, whom they shall serve, will I judge: and afterward shall they come out with great substance. Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy. Fa hotsaraiko ny firenena izay hanandevo azy, ka rahefa afaka izy ireo dia hivoaka avy any mitondra harem-be. Mais je jugerai aussi la nation à laquelle ils auront été asservis et ils sortiront ensuite avec de grands biens.
Gen / Jen 15:15 And thou shalt go to thy fathers in peace; thou shalt be buried in a good old age. Nefa ianao kosa ho any amin' ny razanao amin' ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra ianao vao hodi-mandry. Hianao dia handeha ho any amin' ny razanao amim-piadanana; ho tratra antitra tsara hianao vao halevina. Pour toi, tu t' en iras en paix avec tes pères, tu seras enseveli dans une vieillesse heureuse.
Gen / Jen 15:16 But in the fourth generation they shall come hither again: for the iniquity of the Amorites is not yet full. Fa raha mby amin' ny zafiafy, dia hiverina atý izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita. Ary izy ireo kosa rahefa mby amin' ny taranaka fahefatra dia hiverina aty; fa hatramin' izao dia mbola tsy feno mitafotafo ny faharatsian' ny Amoreana. C' est à la quatrième génération qu' ils reviendront ici, car jusque-là l' iniquité des Amorites n' aura pas atteint son comble.
Gen / Jen 15:17 And it came to pass, that, when the sun went down, and it was dark, behold a smoking furnace, and a burning lamp that passed between those pieces. Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan' ireo zavatra voasasaka ireo. Nony maty ny masoandro, ka efa maizina ny andro, dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra namakivaky iretsy biby voasasaka. Quand le soleil fut couché et que les ténèbres s'étendirent, voici qu' un four fumant et un brandon de feu passèrent entre les animaux partagés.
Gen / Jen 15:18 In the same day the Lord made a covenant with Abram, saying, Unto thy seed have I given this land, from the river of Egypt unto the great river, the river Euphrates: Tamin' izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin' i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin' ny onin' i Egypta ka hatrany amin' ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, Tamin' izany andro izany nanao fanekena tamin' i Abrama Iaveh nanao hoe: Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin' ny onin' i Ejipta ka hatrany amin' ny ony lehibe, dia i Eofrata izany; Ce jour-là Yahvé conclut une alliance avec Abram en ces termes : A ta postérité je donne ce pays, du Fleuve d'Égypte jusqu' au Grand Fleuve, le fleuve d' Euphrate,
Gen / Jen 15:19 The Kenites, and the Kenizzites, and the Kadmonites, dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita Ny tanin' ny Sineana, ny Senezeana, ny Kadmoneana, les Qénites, les Qenizzites, les Qadmonites,
Gen / Jen 15:20 And the Hittites, and the Perizzites, and the Rephaims, ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaita ny Heteana, ny Ferezeana, ny Refaima, les Hittites, les Perizzites, les Rephaïm,
Gen / Jen 15:21 And the Amorites, and the Canaanites, and the Girgashites, and the Jebusites. ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita. ny Amoreana, ny Kananeana, ny Zerizeseana ary ny Jeboseana. les Amorites, les Cananéens, les Girgashites et les Jébuséens.

<-
->