<-
->

Gen / Jen 6:1 And it came to pass, when men began to multiply on the face of the earth, and daughters were born unto them, Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin' ny tany ka teraka zazavavy maro, Nony efa niantomboka ho maro ny olona teto ambonin' ny tany ary efa niteraka zazavavy izy, Lorsque les hommes commencèrent d'être nombreux sur la face de la terre et que des filles leur furent nées,
Gen / Jen 6:2 That the sons of God saw the daughters of men that they were fair; and they took them wives of all which they chose. dia hitan' ny zanak' Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin' ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin' izy rehetra araka izay tiany izy. dia hitan' ireo zanak' Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin' ny olombelona, ka naka vady tamin' izy ireo izy, dia tamin' izay rehetra tiany. les fils de Dieu trouvèrent que les filles des hommes leur convenaient et ils prirent pour femmes toutes celles qu' il leur plut.
Gen / Jen 6:3 And the Lord said, My spirit shall not always strive with man, for that he also is flesh: yet his days shall be an hundred and twenty years. Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin' ny olona ny Fanahiko, fa amin' ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny. Ary hoy Iaveh: Tsy hipetraka mandrakariva ao amin' ny olombelona ny fanahiko; fa nofo fotsiny ihany ny olombelona, ary ho roa-polo amby zato taona no androny. Yahvé dit : Que mon esprit ne soit pas indéfiniment responsable de l' homme, puisqu' il est chair; sa vie ne sera que de cent vingt ans.
Gen / Jen 6:4 There were giants in the earth in those days; and also after that, when the sons of God came in unto the daughters of men, and they bare children to them, the same became mighty men which were of old, men of renown. Ny Nefilima nitoetra tambonin' ny tany tamin' izany andro izany, sy taorian' izany koa, raha nivady tamin' ny zanakavavin' ny olona ny zanak' Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza. Ary tamin' izany andro izany dia nisy ny rapeton' olona teto ambonin' ny tany, dia rahefa nankamin' ny zanakavavin' ny olombelona ny zanak' Andriamanitra, sy efa nahary zaza taminy. Ary ireny no olo-mahery nalaza hatrizay ela izay. Les Nephilim étaient sur la terre en ces jours-là et aussi dans la suite quand les fils de Dieu s' unissaient aux filles des hommes et qu' elles leur donnaient des enfants; ce sont les héros du temps jadis, ces hommes fameux.
Gen / Jen 6:5 And God saw that the wickedness of man was great in the earth, and that every imagination of the thoughts of his heart was only evil continually. Ary hitan' i Jehovah fa be ny faharatsian' ny olona tambonin' ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin' ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. Hitan' ny Tompo fa be ny faharatsian' ny olona tambonin' ny tany, ary ny ratsy ihany no alehan' ny fisainana rehetra avy amin' ny fony isan' andro. Yahvé vit que la méchanceté de l' homme était grande sur la terre et que son coeur ne formait que de mauvais desseins à longueur de journée.
Gen / Jen 6:6 And it repented the Lord that he had made man on the earth, and it grieved him at his heart. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin' ny tany, ka nalahelo ny fony. Ka nanenina Iaveh tamin' ny nahariany ny olombelona tambonin' ny tany; ary nalahelo tao am-pony izy, Yahvé se repentit d' avoir fait l' homme sur la terre et il s' affligea dans son coeur.
Gen / Jen 6:7 And the Lord said, I will destroy man whom I have created from the face of the earth; both man, and beast, and the creeping thing, and the fowls of the air; for it repenteth me that I have made them. Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin' ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin' ny olona ka hatramin' ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin' ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy. ka hoy izy hoe: Haringako tsy ho eo ambonin' ny tany ny olombelona nohariko, hatramin' ny olombelona ka hatramin' ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny voro-manidina, fa manenina aho noho ny nanaovako azy. Et Yahvé dit : Je vais effacer de la surface du sol les hommes que j' ai créés - et avec les hommes, les bestiaux, les bestioles et les oiseaux du ciel -, car je me repens de les avoir faits.
Gen / Jen 6:8 But Noah found grace in the eyes of the Lord. Fa Noa kosa nahita fitia teo imason' i Jehovah. Noe kosa anefa dia nahita fitia teo imason' ny Tompo. Mais Noé avait trouvé grâce aux yeux de Yahvé.
Gen / Jen 6:9 These are the generations of Noah: Noah was a just man and perfect in his generations, and Noah walked with God. Ary izao no tantaran' i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin' ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin' Andriamanitra Noa. Izao no tantaran' i Noe: Lehilahy marina Noe, nanao ny rariny teo amin' ny olona niara-belona taminy, nizotra nifanaraka tamin' Andriamanitra Noe. Voici l' histoire de Noé : Noé était un homme juste, intègre parmi ses contemporains, et il marchait avec Dieu.
Gen / Jen 6:10 And Noah begat three sons, Shem, Ham, and Japheth. Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy , dia Sema sy Hama ary Jafeta. Niteraka telo mirahalahy izy, dia Sema sy Kama ary Jafeta. Noé engendra trois fils, Sem, Cham et Japhet.
Gen / Jen 6:11 The earth also was corrupt before God, and the earth was filled with violence. Ary simba ny tany teo anatrehan' Andriamanitra sady heni-doza; Ary tamin' izay nihasimba teo anatrehan' Andriamanitra ny tany, sy nihafeno faharatsiana. La terre se pervertit au regard de Dieu et elle se remplit de violence.
Gen / Jen 6:12 And God looked upon the earth, and, behold, it was corrupt; for all flesh had corrupted his way upon the earth. dia hitan' Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin' ny tany. Nijery ny tany Andriamanitra ka indro, efa simba izy, fa samy efa nanimba ny làlany tambonin' ny tany avokoa ny nofo rehetra. Dieu vit la terre : elle était pervertie, car toute chair avait une conduite perverse sur la terre.
Gen / Jen 6:13 And God said unto Noah, The end of all flesh is come before me; for the earth is filled with violence through them; and, behold, I will destroy them with the earth. Dia hoy Andriamanitra tamin' i Noa: Ny faran' ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin' olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin' ny tany Aho. Ka hoy Andriamanitra tamin' i Noe: Efa mby eto anatrehako ny fara fiafaran' ny nofo rehetra, fa feno haratsiana ny tany noho izy ireo, ka haringako izy mbamin' ny tany. Dieu dit à Noé : La fin de toute chair est arrivée, je l' ai décidé, car la terre est pleine de violence à cause des hommes et je vais les faire disparaître de la terre.
Gen / Jen 6:14 Make thee an ark of gopher wood; rooms shalt thou make in the ark, and shalt pitch it within and without with pitch. Koa manaova sambo-fiara ho anao amin' ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy. Ary hianao, manaova sambo fiara amin' ny hazo misy dity; asio efitrefitra izy, ary hosory ditin-tany ny atiny sy ivelany. Fais-toi une arche en bois résineux, tu la feras en roseaux et tu l' enduiras de bitume en dedans et en dehors.
Gen / Jen 6:15 And this is the fashion which thou shalt make it of: The length of the ark shall be three hundred cubits, the breadth of it fifty cubits, and the height of it thirty cubits. Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan' ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony. Toy izao no hanaovanao azy: Telon-jato hakiho no ho lavan' ny sambo fiara; dimam-polo hakiho no sakany ary telo-polo hakiho no hahavony. Voici comment tu la feras : trois cents coudées pour la longueur de l' arche, cinquante coudées pour sa largeur, trente coudées pour sa hauteur.
Gen / Jen 6:16 A window shalt thou make to the ark, and in a cubit shalt thou finish it above; and the door of the ark shalt thou set in the side thereof; with lower, second, and third stories shalt thou make it. Ary hasianao fidiran' ny mazava ny sambo-fiara, ary amin' ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin' ny sambo-fiara ; hataonao efitra telo mifanongoa izy. Asio elanelany iray hakiho tsy voatampina eo ambanin' ny tafo; ary varavarana iray amin' ny lafin' ny sambo fiara; ka asio rihana misy efitra voalohany, faharoa sy fahatelo. Tu feras à l' arche un toit et tu l' achèveras une coudée plus haut, tu placeras l' entrée de l' arche sur le côté et tu feras un premier, un second et un troisième étages.
Gen / Jen 6:17 And, behold, I, even I, do bring a flood of waters upon the earth, to destroy all flesh, wherein is the breath of life, from under heaven; and every thing that is in the earth shall die. Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin' ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin' ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin' ny tany. Ary izaho hahatonga ny safo-drano hanafotra ny tany, mba handringana ny nofo rehetra manam-pofon' aina eo ambanin' ny lanitra; ho levona izay rehetra ety ambonin' ny tany. Pour moi, je vais amener le déluge, les eaux, sur la terre, pour exterminer de dessous le ciel toute chair ayant souffle de vie : tout ce qui est sur la terre doit périr.
Gen / Jen 6:18 But with thee will I establish my covenant; and thou shalt come into the ark, thou, and thy sons, and thy wife, and thy sons' wives with thee. Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin' ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin' ny vinantonao vavy miaraka aminao. Fa hanao fanekem-pihavanana aminao kosa aho, ary hiditra ao an-tsambo fiara hianao sy ny zanakao, ny vadinao sy ny vinantovavinao. Mais j'établirai mon alliance avec toi et tu entreras dans l' arche, toi et tes fils, ta femme et les femmes de tes fils avec toi.
Gen / Jen 6:19 And of every living thing of all flesh, two of every sort shalt thou bring into the ark, to keep them alive with thee; they shall be male and female. Ary ny zava-manan' aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin' ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo. Ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, dia hampidirinao roa avy isan-karazany ho ao an-tsambo fiara, mba ho voatahiry velon' aina izy sy hianao: ho lahy iray sy vavy iray avy ireo. De tout ce qui vit, de tout ce qui est chair, tu feras entrer dans l' arche deux de chaque espèce pour les garder en vie avec toi; qu' il y ait un mâle et une femelle.
Gen / Jen 6:20 Of fowls after their kind, and of cattle after their kind, of every creeping thing of the earth after his kind, two of every sort shall come unto thee, to keep them alive. Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin' ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina. Vorona isan-karazany, biby fiompy isan-karazany, biby mikisaka amin' ny tany isan-karazany no ho avy eo aminao, roa isan-karazany avy, mba hotahirizinao velon' aina. De chaque espèce d' oiseaux, de chaque espèce de bestiaux, de chaque espèce de toutes les bestioles du sol, un couple viendra avec toi pour que tu les gardes en vie.
Gen / Jen 6:21 And take thou unto thee of all food that is eaten, and thou shalt gather it to thee; and it shall be for food for thee, and for them. Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angòny ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an' ireo koa izany. Ary hianao kosa, itondray avokoa rahefa mety ho zava-pihinana, angony ho fitaovana, mba hisy hataonao sy izy ireo fihinana. De ton côté, procure-toi de tout ce qui se mange et fais-en provision : cela servira de nourriture pour toi et pour eux.
Gen / Jen 6:22 Thus did Noah; according to all that God commanded him, so did he. Dia nataon' i Noa izany; araka izay rehetra nandidian' Andriamanitra azy no nataony. Nanomboka nanao izany Noe: notanterahiny daholo izay rehetra nasain' Andriamanitra nataony. Noé agit ainsi; tout ce que Dieu lui avait commandé, il le fit.

<-
->