| Entry | 1 Ny Tendrombohitra roambinifolo |
| Elementary words | 2 tendro, 3 vohitra, 4 roa, 5 amby, 6 folo |
| Part of speech | 7 locution |
| Explanations in Malagasy |
8 Ny Tendrombohitra Roambinifolo na Tendrombohitra Masina dia ireo toerana nisy
9 razan' andriana na nametrahan' Andrianampoinimerina 10 ny vadiny aman-janany hampandry 11 tany, ary nanorenany rova sy lapa, misy kianja sy vatomasina fisaorana amin' my omby volavita 12 isam-pandroana. Tsy roambinifolo ihany akory izy ireo fa mahatratra enina amby roapolo 13 satria niampy arakaraka ny nandrosoan' ny famorian' Andrianampoinimerina an' 14 Imerina enin-toko. 15 Ireto ny anaran' ireo Tendrombohitra ireo: 16 1. Valo tao Avaradrano : 17 Ambohimanga, Antananarivo, 18 Ambohidrabiby, 19 Ilafy, Namehana, 20 Imerimandroso, 21 Amboatany, Ikaloy. 22 2. Fito tany amin' ny Vakinisisaony : 23 Ampandrana, Imerimanjaka, 24 Alasora, Iharanandriana, 25 Andramasina, Tsiafahy, 26 Ambatomanga. 27 3. Telo tany amin' ny Marovatana : 28 Ambohidratrimo, Ampananina, 29 Ambohimirimo . 30 4. Dimy tao amin' Ambodirano : 31 Androibe, Antsahadinta, 32 Fenoarivo, Vatolaivy, 33 Ambohibeloma. 34 5. Telo tao amin' ny Vakinankaratra : 35 Iarivo, Imanandriana, 36 Ambositra. 37 Nisy koa Tendrombohitra Roambinifolo notondroin' 38 Andriambahoaka II tany Imamo . 39 Ireto ireo Tendrombohitra ireo : 40 Ambohiniazy, Ambohitrambo, 41 Ambohitrondrana, Arivonimamo, 42 Ambatomanjaka, Ambohitrantenaina, 43 Ambohibolondrano, Ambohipolo, 44 Ambohibeloma, Ambohitsara, 45 Ambohijato, Ambohitrona. [2.508#423] |
| Explanations in English |
46
47 Three criteria define a holy hill in Imerina: 48 1.1 a burial place for princes and kings 49 1.2 a place to pay tribute to princes and kings 50 1.3 a residence of one of Andrianampoinimerina's official wives 51 52 Four criteria identify the personnality of the holy hills: 53 2.1 hills of a relatively important altitude above the surrounding rice fields 54 2.2 hills having or having had a fort (rova) 55 2.3 hills having one or more tombs of princes or kings, and other relics still attracting pilgrims 56 2.4 hills having royal or princely housing, or a public meeting plazza (kianja) [2.505] |
| Explanations in French |
57
58 Trois critères définissent une colline sacrée en Imerina: 59 1.1 colline où l'on enterrait les princes et les souverains 60 1.2 colline où l'on rendait hommage aux princes et souverains 61 1.3 colline où Andrianampoinimerina a installé une des ses épouses officielles. 62 63 Quatre critères identifient la personnalité des collines: 64 2.1 collines d'altitude plus ou moins importante par rapport aux bas-fonds rizicoles environnants 65 2.2 collines abritant ou ayant abrité un rova 66 2.3 collines accueillant un ou des tombeaux princiers ou royaux et objets de pélerinages contemporains 67 2.4 collines ayant fait l'objet de divers aménagement allant de l'habitat princier ou royal au kianja, place publique de réunion. [2.505] |
| Updated on 2025/11/17 |
|