Entry Alasora (ala, sora)
Part of speech   name (toponym) [list]
Malagasy definition   Alantsora, ala be sora, no toa hevitry ny anarany (sora: biby toy ny sokina, saingy madinika, misoratra vony mitsoriadriaka). Ery amin-ny Asorotanin' i Antananarivo, atsinana somary atsimo keliny, i Alasora, tazana tsara mierinerina, manamanana endrika izaitsizy, mavamavana erỳ an-dafin-ny ony Ikopa. Tanàna tena mana-tantara eto amin-ny Nosy i Alasora, tranainy be, efa tao hatramin-ny 400 taona mahery, nalaza talohan-Ambohimanga sy Antananarivo... [Ravelojaona: Firaketana]
French translation   petit village à 6 km au sud-est de Tananarive, qui fut, d'après la tradition, un des berceaux de la dynastie merina, puisque c'est là que régna, vers 1540, le troisième roi historiquement connu, Andriamanelo ainsi que son fils Ralambo... [Rajemisa 1966]
Examples   Hoy Antananarivo izahay mbola zaza
hoy Alasora izahay mbola kely
ny anaran'ity lambako ity
lamba-malemy-tsy-akopakopaka
[Fox: Hainteny, number 81]
Ary Rafohy niteraka an'Andriamanelo etsy Alasora. [Callet: Tantara, page 11]
Blanche, blanche l'orchidée au col de la colline d'Alassour!
La pivoine embrase les sentiers sous les feux des couleurs immémoriales.
[Rabemananjara: Encens, page 47]
Vocabulary  
Quotes  
Analogy   The twelve holy hills
Toponymy   ala, sora
Illustrations  

Updated on 2016/11/15