| <- -> | [King James Bible] 1st Book of Chronicles | [Baiboly 1865] 1 Tantara | [Baiboly Katolika] Tantara I | [Bible de Jérusalem] 1er Livre des Chroniques | ||||||||||||||||||||||||||||||
| <- -> | 
 | |||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:1 | Now | Ary Benjamina niteraka an' i Bela, lahimatoa, sy Asbela, lahiaivo, sy Ahara, fahatelo, | Ny naterak' i Benjamina dia Belà lahimatoany, Asbela lahiaivo, Aharà fahatelo, | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:2 | sy Noha, fahefatra, ary Rafa, faralahy. | Nohaà fahefatra, ary Rafà fahadimy. | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:3 | And the sons of | Ary ny zanakalahin' i Bela dia Adara sy Gera sy Abihoda | Ny zanakalahin' i Belà dia Adara, Gerà, Abioda, | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:4 | And | sy Abisoa sy Namana sy Ahoa | Abisoe, Naamàna, Ahoe, | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:5 | And | sy Gera sy Sefofana ary Horama. | Gerà, Sefofàna ary Horama. | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:6 | And these are the sons of | Ary izao no zanakalahin' i Ehoda (izao no lohan' ny fianakavian' ny mponina any Geba; ary nitondra azy ho babo tany Manahata, | Izao no zanakalahin' i Ahoda: lohan' ny fianakaviana nonina tao Gabaà izy ireo, ary nafindrany tany Manahata: | Voici les fils d' | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:7 | And | Namana sy Ahia ary Gera; izy no nitondra azy ho babo), niteraka an' i Oza sy Ahihoda izy. | Naamàna, Akià, ary Gerà ilay namindra azy sy niteraka an' i Ozà sy Ahioda. | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:8 | And | Ary Saharaima niteraka tao amin' ny tany Moaba taorian' ny nisaorany an' i Hosima sy Bara vadiny. | Niteraka tao amin' ny tanin' i Moaba, Saharaima, taorian' ny nisaorany an' i Josima sy Barà, vadiny. | Il engendra | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:9 | And he begat of | Ary Hodesy vadiny no niterahany an' i Jobaba sy Ziba sy Mesa sy Malkama | Hodesa vadiny no niterahany an' i Jobaba, Sebià, Mosà, Molkoma, Jehosa, Sekià ary Marmà. | De sa nouvelle femme il eut pour fils | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:10 | And | sy Jeoza sy Sakia ary Mirma. Ireo no zananilahy, samy lohan' ny fianakaviany avy. | Ireo no zanany lahy, loham-pianakaviana. | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:11 | And of | Ary Hosima no niterahany an' i Abitoba sy Elpala. | Ary Hosima no niterahany an' i Abitoba sy Elfaala. | De | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:12 | The sons of | Ary ny zanakalahin' i Elpala dia Ebera sy Misama ary Samera, izay nanorina an' i Ono sy Loda sy ny zana-bohiny; | Zanakalahin' i Elfaala: Hebera, Misaama ary Samada, izay nanorina an' i Onao sy Loda mbamin' ny tanàna momba azy. | Fils d' | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:13 | Beria koa sy Sema, izay lohan' ny fianakavian' ny mponina ao Aialona sady nandroaka ny mponina tao Gata; | Barià sy Samà, lohan' ny fianakaviana nonina tao Aialona no nampandositra ny mponina tao Geta. | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:14 | And | ary Ahio sy Sasaka sy Jeremota | Ahiao, Sesàka, Jerimota, | Son frère : | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:15 | And | sy Zebadia sy Arada sy Adera | Zabadia, Aroda, Hedera, | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:16 | And | sy Mikaela sy Jispa sy Joha (zanakalahin' i Beria ireo), | Mikaela, Jesfà ary Johà no zanakalahin' i Berià. | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:17 | And | ary Zebadia sy Mesolama sy Hizky sy Hebera | Zabadia, Mosoliama, Hezesì, Hebera, | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:18 | sy Jismeray sy Jizlia sy Jobaba (zanakalahin' i Elpala ireo), | Jesamarì, Jezlia, ary Jobaba no zanak' i Elfaala. | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:19 | And | ary Jakima sy Zikry sy Zabdy | Jasima, Zekria, Zabdia, | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:20 | And | sy Elienay sy Ziletahy sy Eliala | Elioenaia, Seletaia, Eliela, | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:21 | And | sy Adaia sy Beraia sy Simrata (zanakalahin' i Simey ireo), | Adaia, Baraia ary Semarata no zanak' i Semeia. | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:22 | And | ary Jispana sy Hebera sy Eliala | Jesfàna, Hebera, Eliela, | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:23 | And | sy Abdona sy Zikry sy Hanana | Abdona, Zekria, Hanàna, | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:24 | And | sy Hanania sy Elama sy Antotia | Hananià, Elama, Anatotià, | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:25 | And | sy Jifdia sy Penoela (zanakalahin' i Sasaka ireo), | Jefdaià ary Fanoela no zanak' i Sesàka. | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:26 | And | ary Samseray sy Seharia sy Atalia | Samsarì, Sohorià, Otolià, | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:27 | And | sy Jaresia sy Elia sy Zitry (zanakalahin' i Jerohama ireo). | Jersià, Elià ary Zekrià no zanak' i Jerohama. | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:28 | These were heads of the fathers, by their generations, chief men. These dwelt in | Ireo no lohan' ny fianakaviany araka ny firazanany, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema. | Loham-pianakaviana ireo, samy loholona araka ny fihaviam-pianakaviany, ary nonina tao Jerosalema. | Tels étaient les chefs des familles groupées selon leur parenté. Ils habitèrent | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:29 | And at | Ary tao Gibeona no nonenan' ny razamben' ny an' i Gibeona, ary ny anaran' ny vadiny dia Imaka, | Tao Gabaona no nonina ny rain' i Gabaona, ary Maakà no anaran' ny vadiny. | A | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:30 | And his firstborn son | ary Abdona no lahimatoany, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nadaba, | Abdona no zanany lahimatoa, dia Soara, Kisa, Baala, Nadaba, | son fils premier-né | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:31 | And | dia Gedora, dia Ahio, dia Zakera. | Gedora, Ahiao ary Zakera. | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:32 | And | Ary Miklota niteraka an' i Simea. Ireo koa dia niara-nonina tamin' ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy. | Makelota niteraka an' i Samaà. Nonina tao akaikin' ny rahalahiny koa ireo tao Jerosalema, niaraka tamin' ny rahalahiny. | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:33 | And | Ary Nera niteraka an' i Kisy; ary Kisy niteraka an' i Saoly; ary Saoly niteraka an' i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala. | Nera niteraka an' i Kisa, Kisa niteraka an' i Saola, Saola niteraka an' i Jonatàna, Melkiasoa, Abinadaba ary Esbaala. | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:34 | And the son of | Ary ny zanakalahin' i Jonatana dia Meribala; ary Meribala niteraka an' i Mika. | Zanakalahin' i Jonatàna: Meribaala. Meribaala niteraka an' i Mikà. | Fils de | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:35 | And the sons of | Ary ny zanakalahin' i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza. | Zanakalahin' i Mikà: Fitona, Meleka, Toraà sy Akaza. | Fils de | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:36 | And | Ary Ahaza niteraka an' i Joada; ary Joada niteraka an' i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an' i Moza; | Akaza niteraka an' i Joadà, Joadà niteraka an' i Alamata, Azmota ary Zamrì; Zamrì niteraka an' i Mosà, | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:37 | And | ary Moza niteraka an' i Binea; Rafa no zanakalahin' i Binea, Elasa no zanakalahin' i Rafa, Azela no zanakalahin' i Elasa | Mosà niteraka an' i Banaà; Rafà zanany, Falsà zanany, Asela zanany. | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:38 | And | Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy, ka izao no anarany: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana. Ireo rehetra ireo no zanakalahin' i Azela. | Nanan-janaka enin-dahy Asela ka ireto avy no anarany: Ezrikama, Bokrao, Ismaela, Sarià, Obdià ary Hanàna: zanaka' i Asela avokoa ireo. | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:39 | And the sons of | Ary ny zanakalahin' i Eseka rahalahiny dia Olama, lahimatoa, sy Jeosy, lahiaivo, ary Elifeleta, faralahy. | Zanakalahin' i Eseka rahalahiny: Olama lahimatoany, Jehosa faharoa, ary Elifaleta fahatelo. | Fils d' | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 8:40 | And the sons of | Ary ny zanakalahin' i Olama dia lehilahy mahery sady mpandefa zana-tsipìka, ary nanana zanakalahy sy zafy maro izy, dia dimam-polo amby zato. Ireo rehetra ireo no taranak' i Benjamina. | Ny zanakalahin' i Olama dia lehilahy mahery sady mpandefa zana-tsipìka; ary nanan-janaka lahy aman-jafy maro izy ireo, dia dimampolo amby zato. Ireo rehetra ireo dia taranak' i Benjamina avokoa. | |||||||||||||||||||||||||||||||
| <- -> | 
 | |||||||||||||||||||||||||||||||||
| <- -> | [King James Bible] 1st Book of Chronicles | [Baiboly 1865] 1 Tantara | [Baiboly Katolika] Tantara I | [Bible de Jérusalem] 1er Livre des Chroniques | ||||||||||||||||||||||||||||||
|   |