| <- -> | [King James Bible] 1st Book of Chronicles | [Baiboly 1865] 1 Tantara | [Baiboly Katolika] Tantara I | [Bible de Jérusalem] 1er Livre des Chroniques | ||||||||||||||||||||||||||||||
| <- -> | 
 | |||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 14:1 | Now | Ary Hirama, mpanjakan' i Tyro, naniraka olona tany amin' i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy. | Ary Hirama mpanjakan' i Tira, nandefa iraka tany amin' i Davida nitondra hazo sedera sy tambato ary mpandrafitra, hanao trano ho azy. | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 14:2 | And | Dia fantatr' i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan' ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin' ny Isiraely olony. | Dia fantatr' i Davida, fa efa nampiorina azy ho mpanjaka amin' Israely Iaveh, satria voasandratra ny fanjakany, noho Israely vahoakany. | Alors | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 14:3 | And | Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy. | Mbola naka vady koa Davida tany Jerosalema ka mbola niteraka zazalahy aman-jazavavy. | A | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 14:4 | Now these are the names of his children which he had in | Ary izao no anaran' ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona | Izao no anaran' ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoà, Sobada, Natana, | Voici les noms des enfants qui lui naquirent à | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 14:5 | And | sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta | Salomona, Jebahara, Elisoa, | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 14:6 | And | sy Noga sy Nafega sy Jafia | Elifaleta, Nefega, Jafia, | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 14:7 | And | sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta. | Elisamà, Baniadà ary Elifaleta. | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 14:8 | And when the | Koa nony ren' ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan' ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren' i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy. | Ren' ny Filistina fa hoe voahosotra ho mpanjaka amin' Israely rehetra Davida; dia niakatra hitady an' i Davida ny Filistina rehetra. Nahare izany Davida ka dia nivoaka hanoloana an' ireo izy. | Lorsque les | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 14:9 | And the | Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin' ny Lohasahan' ny Refaita. | Nony tonga ny Filistina dia nirotsaka teny amin' ny lohasahan' ny Refaima. | Les | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 14:10 | And | Ary Davida nanontany tamin' Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy. | Nanontany an' Andriamanitra Davida nanao hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànako va izy? Ka hoy Iaveh taminy: Miakara, ary hatolotro eo an-tànanao izy. | Alors | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 14:11 | So they came up to | Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian' Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran' izany tany izany hoe Bala-perazima. | Dia niakatra nankany Baalal-Farasina izy ireo ka nandresy azy tao Davida. Ary hoy Davida: Ny tànako no namakian' Andriamanitra ny fahavaloko, toy ny amakian' ny rano ny fefiloha. Izany no nanaovana ny anaran' io fitoerana io hoe: Baala-Farasina. | Ils montèrent à | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 14:12 | And when they had left their gods there, | Dia nilaozan' ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain' i Davida nodorana tamin' ny afo. | Nilaozan' irerý tao ny andriamaniny, ka nasain' i Davida nodorana tamin' ny afo. | Ils avaient abandonné sur place leurs dieux : " Qu' ils brûlent au feu! " dit | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 14:13 | And the | Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray. | Nirotsaka indray ny Filistina teny amin' ny lohasaha. | Les | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 14:14 | Therefore | Dia nanontany tamin' Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin' ny tandrifin' ny hazo balsama. | Dia nanontany an' Andriamanitra Davida, ka hoy Andriamanitra taminy: Aza miakatra manaraka azy fa mivilia azy, ary hivarina aminy hianao avy eo amin' ny lafiny misy ny balsamie. | |||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 14:15 | And it shall be, when thou shalt hear a sound of going in the tops of the mulberry trees, that then thou shalt go out to battle: for | Ary raha toa mahare fingadongadon' olona eny amin' ny tendron' ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin' izay hiady; fa amin' izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan' ny Filistina. hazo balsama ianao, dia miaingà amin' izay hiady; fa amin' izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan' ny Filistina. | Ka rahefa mandre figondongodon' olona any an-tendron' ny balsamie hianao, miroata hiady amin' izay, fa Andriamanitra hivoaka mialoha anao hamely ny tafiky ny Filistina. | Et quand tu entendras un bruit de pas à la cime des micocouliers, alors tu engageras le combat : c' est que | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 14:16 | Ary dia nanao araka izay nandidian' Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan' ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy. | Dia nataon' i Davida izay nandidian' Andriamanitra azy, ka nandresy ny tafiky ny Filistina, hatrany Gabaona ka hatrany Gazera izy ireo. | ||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 14:17 | And the fame of | Ary ny lazan' i Davida niely teny amin' ny tany rehetra; ary nataon' i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an' i Davida. | Dia niely eran' ny tany rehetra ny lazan' i Davida, ary nataon' ny Tompo natahotra azy ny firenena rehetra. | La renommée de | ||||||||||||||||||||||||||||||
| <- -> | 
 | |||||||||||||||||||||||||||||||||
| <- -> | [King James Bible] 1st Book of Chronicles | [Baiboly 1865] 1 Tantara | [Baiboly Katolika] Tantara I | [Bible de Jérusalem] 1er Livre des Chroniques | ||||||||||||||||||||||||||||||
|   |