| <- -> | [King James Bible] 1st Book of Chronicles | [Baiboly 1865] 1 Tantara | [Baiboly Katolika] Tantara I | [Bible de Jérusalem] 1er Livre des Chroniques | ||||||||||||||||||||||||||||||
| <- -> | 
 | |||||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:1 | Moreover | Ary ny taranak' i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan' i Davida sy ireo komandin' ny miaramila ho amin' ny fanompoana mba haminany amin' ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan' ny mpanao araka ny fanompoany avy: | Natokan' i Davida sy ireo komandin' ny tafika, hanaovana ny fanompoana, ny sasany amin' ny taranak' i Asafa sy Hemana ary Iditona izay naminany tamin' ny harpa aman-dokanga ary kipantsona. Izao no isan' ireo izay manana anjara raharaha amin' ny fanompoana. | Pour le service, | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:2 | Of the sons of | Tamin' ny zanakalahin' i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak' i Asafa, nofehezin' i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan' ny mpanjaka azy. | Amin' ny zanakalahin' i Asafa: Zakora, Josefa, Nataniì ary Asarelì, ireo no zanakalahin' i Asafa, tarik' i Asafa, naminany araka ny didy avy amin' ny mpanjaka. | Pour les fils d' | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:3 | Of | Tamin' i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin' i Jedotona rainy, izay naminany tamin' ny lokanga hidera sy hisaotra an' i Jehovah. | Amin' Iditona, ny zanakalahin' Iditona: Godohiasa, Sorì, Jereiasa, Hasabiasa, Matatiasa, ary Semeia, enina izy araka ny didin' Iditona rainy, izay naminany tamin' ny lokanga hidera sy hankalaza an' ny Tompo. | Pour | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:4 | Of | Tamin' i Hemana, ny zanany dia Bokia, Matania, Oziela, Seboela sy Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty sy Romamti-ezera sy Josbekasa sy Maloty sy Hotira ary Mahaziota. | Amin' i Hemàna, ny zanakalahin' i Hemàna: Boksiao, Mataniao, Oziela, Soboela, Jerimota, Hanaiasa, HAnanì, Eliata, Gedeltì, Rommemtiezera, Jesbakasà, Melotì, Otira, ary Mahaziota. | Pour | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:5 | All these were the sons of | Ireo rehetra ireo no zanak' i Hemana, mpahitan' ny mpanjaka ny amin' ny tenin' Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen' Andriamanitra zazalahy efatra ambin' ny folo sy zazavavy telo. | Izy rehetra ireo dia zanakalahin' i Hemàna, izay mpahitan' ny mpanjaka, amin' ny tenin' Andriamanitra, hankalaza ny fahefany. Zazalahy efatra ambin' ny folo sy zazavavy telo no nomen' Andriamanitra an' i Hemàna. | Tous ceux-là étaient fils de | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:6 | All these were under the hands of their father for song in the house of the | Ireo rehetra ireo no fehin' ny rainy tamin' ny hira natao tao an-tranon' i Jehovah tamin' ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon' Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin' ny mpanjaka. | Ireo Levita rehetra ireo dia samy notarihin' ny rainy avy hanao ny hira ao an-tranon' ny Tompo, ka nanana kipantsona sy lokanga ary harpa, hanaovana ny fanompoana ao an-tranon' Andriamanitra, eo ambany fifehezan' i Davida sy Asafa ary Iditona sy Hemàna. | ils chantaient tous sous la direction de leur père dans le Temple de | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:7 | So the number of them, with their brethren that were instructed in the songs of the | Ary ny isany mbamin' ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an' i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato. | Ny isan' izy ireo, mbamin' ny rahalahiny, izay efa nianatra nihira ho an' ny Tompo, izay rehetra efa nahay tsara, dia valo amby valopolo sy roan-jato. | ceux qui avaient appris à chanter pour | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:8 | And they cast lots, ward against ward, as well the small as the great, the teacher as the scholar. | Ary nanao filokana ny amin' ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra. | Filokàna no nataon' izy ireo na kely na lehibe na ny mpampianatra na ny mpianatra, ny amin' ny anjara raharahany. | Ils tirèrent au sort l' ordre à observer, pour le petit comme pour le grand, pour le maître comme pour l'élève. | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:9 | Now the first lot came forth for | Ary ny loka voalohany dia azon' i Josefa avy amin' ny taranak' i Asafa; ny faharoa an' i Gedalia, izy mbamin' ny rahalahiny sy ny zanany, dia roa ambin' ny folo; | Ny loka voalohany, amin' ireo an' i Asafa, dia nahazo an' i Josefa; ny faharoa, an' i Godoliasa; izy mbamin' ireo rahalahiny sy ny zanany lahy: roa ambin' ny folo; | Le premier sur qui tomba le sort fut l' | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:10 | The third to | ny fahatelo an' i Zakora, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny fahatelo, an' i Zakora, mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le troisième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:11 | The fourth to | ny fahefatra an' i Jizry, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny fahefatra an' Isarì, mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le quatrième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:12 | The fifth to | ny fahadimy an' i Netania, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny fahadimy an' i Nathanià, mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le cinquième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:13 | The sixth to | ny fahenina an' i Bokia, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny fahenina an' i Boksiao, mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le sixième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:14 | The seventh to | ny fahafito an' i Jesarela, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny fahafito an' Israelà mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le septième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:15 | The eighth to | ny fahavalo an' i Jesaia, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny fahavalo an' i Jesaiasa mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le huitième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:16 | The ninth to | ny fahasivy an' i Matania, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny fahasivy an' i Mataniasa, mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le neuvième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:17 | The tenth to | ny fahafolo an' i Simey, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny fahafolo an' i Semeiasa mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le dixième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:18 | The eleventh to | ny fahiraika ambin' ny folo an' i Azarela, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny faharaika ambin' ny folo, an' i Azareela, mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le onzième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:19 | The twelfth to | ny faharoa ambin' ny folo an' i Hasabia, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny faharoa ambin' ny folo, an' i Hasabiasa, mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le douzième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:20 | The thirteenth to | ny fahatelo ambin' ny folo an' i Sobaela, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny fahatelo ambin' ny folo, an' i Soboela, mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le treizième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:21 | The fourteenth to | ny fahefatra ambin' ny folo an' i Matitia, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin' ny folo; | ny fahefatra ambin' ny folo, an' i Matatiasa, mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le quatorzième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:22 | The fifteenth to | ny fahadimy ambin' ny folo an' i Jeremota, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin' ny folo; | ny fahadimy ambin' ny folo, an' i Jerimota mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le quinzième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:23 | The sixteenth to | ny fahenina ambin' ny folo an' i Hanania, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny fahenina ambin' ny folo, an' i Hananiasa mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le seizième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:24 | The seventeenth to | ny fahafito ambin' ny folo an' i Josbekasa, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny fahafito ambin' ny folo, an' i Jesbakasà mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le dix-septième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:25 | The eighteenth to | ny fahavalo ambin' ny folo an' i Hanany, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny fahavalo ambin' ny folo, an' i Hananì mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le dix-huitième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:26 | The nineteenth to | ny fahasivy ambin' ny folo an' i Maloty, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny fahasivy ambin' ny folo, an' i Melotì mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le dix-neuvième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:27 | The twentieth to | ny faharoa-polo an' i Eliata, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny faharoapolo, an' i Eliatà, mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le vingtième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:28 | The one and twentieth to | ny fahiraika amby roa-polo an' i Hotira, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny faharaika amby roapolo, an' i Otira, mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le vingt et unième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:29 | The two and twentieth to | ny faharoa amby roa-polo an' i Gidalty, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny faharoa amby roapolo, an' i Gedeltì, mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le vingt-deuxième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:30 | The three and twentieth to | ny fahatelo amby roa-polo an' i Mahaziota, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo; | ny fahatelo amby roapolo, an' i Mahaziota mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo; | Le vingt-troisième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| 1Tt / 1Tan 25:31 | The four and twentieth to | ny fahefatra amby roa-polo an' i Romamti-ezera, izy mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin' ny folo. | ny fahefatra amby roapolo, an' i Romentiezera mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin' ny folo. | Le vingt-quatrième fut | ||||||||||||||||||||||||||||||
| <- -> | 
 | |||||||||||||||||||||||||||||||||
| <- -> | [King James Bible] 1st Book of Chronicles | [Baiboly 1865] 1 Tantara | [Baiboly Katolika] Tantara I | [Bible de Jérusalem] 1er Livre des Chroniques | ||||||||||||||||||||||||||||||
|   |