Index

Proverbs : mahatsiahy

Proverb Akanga diso ala ka mahatsiahy ny tany nahazatra. [Rinara 1974]

Proverb Rafotsibe no misikina dia mahatsiahy ny andro taloha (fony tanora). [Rinara 1974 #3533]

Proverb Tsy mba hitomany izay faty momoka izahay, ary tsy mba hahatsiaro izay efa lasa. [Rinara 1974 #4541]
Tsy mba hitomany ny faty momoka (izahay), ary tsy mba hahatsiahy ny efa lasa. [Cousins 1871 #3385]

Proverb Vantotr' omby minono : tsy homan-doza fa mahatsiahy ny ela. [Rinara 1974 #4856]
Vantotr' omby minono tsy mandoza fa mahatsiahy ny ela. [Cousins 1871 #3611, Rajemisa 1985]
Malagasy interpretation Enti-milaza fanaovan-javatra tsy fahita, izay tsy milaza loza akory fa fahatsiarovana ny fanao fahiny mahamanimanina fotsiny. [Rajemisa 1985]
Indraindray misy zavatra heverina ho toa hafahafa, mandoza, sns..., nefa tsy inona fa fihetsehampo misendaotra. [Rajemisa 1985]

Index