<-
->

Mts / Mpits 9:1 And Abimelech the son of Jerubbaal went to Shechem unto his mother' s brethren, and communed with them, and with all the family of the house of his mother' s father, saying, Ary Abimeleka, zanak' i Jerobala, dia nandeha nankany Sekema tany amin' ny anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy tamin' izay rehetra isan' ny fianakavian-dreniny nanao hoe: Niainga Abimeleka zanak' i Jerobaala, ka nankany Sikema amin' ireo anadahin-dreniny, ary nilaza izao teny izao tamin' ireo sy tamin' ny fokon' ny rain-dreniny rehetra: Abimélek, fils de Yerubbaal, s' en vint à Sichem auprès des frères de sa mère et il leur adressa ces paroles, ainsi qu'à tout le clan de la maison paternelle de sa mère :
Mts / Mpits 9:2 Speak, I pray you, in the ears of all the men of Shechem, Whether is better for you, either that all the sons of Jerubbaal, which are threescore and ten persons, reign over you, or that one reign over you? remember also that I am your bone and your flesh. Mba mitenena ianareo eo anatrehan' ny mponina rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: ny hiarahan' izy fito-polo lahy zanak' i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny hanjakan' ny lehilahy iray? Koa tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho. Raha sitrakareo mba lazao kely ho ren' ny mponina rehetra ao Sikema izao: Inona no tsara ho anareo ny hanjakan' izy fitopolo lahy, samy zanak' i Jerobaala, aminareo va, sa ny hanjakan' ny lehilahy iray aminareo? Ary tsarovy fa taolana sy nofonareo ihany aho. " Faites donc entendre ceci, je vous prie, aux notables de Sichem : Que vaut-il mieux pour vous ? Avoir pour maîtres soixante-dix personnes, tous les fils de Yerubbaal, ou n' en avoir qu' un seul ? Souvenez-vous d' ailleurs que je suis, moi, de vos os et de votre chair! "
Mts / Mpits 9:3 And his mother' s brethren spake of him in the ears of all the men of Shechem all these words: and their hearts inclined to follow Abimelech; for they said, He is our brother. Ary ny anadahin-dreniny nilaza azy teo anatrehan' ny mponina rehetra tao Sekema ka nanao izany teny rehetra izany; koa ny fon' ireo dia ta-hanaraka an' i Abimeleka, fa hoy izy: Rahalahintsika izy. Dia nolazain' ireo anadahin-dreniny avokoa izany teny rehetra momba azy izany, ho henon' ny mponina rehetra tao Sikema; ka nitongilana tamin' i Abimeleka ny fon' izy ireo, fa nifampilaza hoe: Rahalahintsika izy. Les frères de sa mère parlèrent de lui à tous les notables de Sichem dans les mêmes termes, et leur coeur pencha pour Abimélek, car ils se disaient : " C' est notre frère! "
Mts / Mpits 9:4 And they gave him threescore and ten pieces of silver out of the house of Baalberith, wherewith Abimelech hired vain and light persons, which followed him. Dia nomeny sekely volafotsy fito-polo avy tao an-tranon' i Bala-berita izy, ary nanambazan' i Abimeleka olom-poana sy marivo salosana izany, ka dia nanaraka azy ireo. Nomen' izy ireo vola fitopolo sikla izy, izay nalainy tao an-tranon' i Baala-Berita, ka nentin' i Abimeleka nanisihany izao olom-poana sy mpijirika rehetra izao, izay niraikitra taminy. Ils lui donnèrent donc soixante-dix sicles d' argent du temple de Baal-Berit et Abimélek s' en servit pour soudoyer des gens de rien, des aventuriers, qui s' attachèrent à lui.
Mts / Mpits 9:5 And he went unto his father' s house at Ophrah, and slew his brethren the sons of Jerubbaal, being threescore and ten persons, upon one stone: notwithstanding yet Jotham the youngest son of Jerubbaal was left; for he hid himself. Dia nankany an-tranon-drainy tany Ofra izy ka namono ny rahalahiny fito-polo lahy, zanak' i Jerobala, teo ambonin' ny vato iray; ary Jotama, faralahin' i Jerobala, no sisa velona. satria niery izy. Dia tonga tao an-tranon-drainy, tany Efrà izy, ary namono ny rahalahiny fitopolo lahy zanak' i Jerobaala, teo ambonin' ny vato iray ihany. Tsy nisy afa-nandositra afa-tsy Joatama, ilay faralahin' i Jerobaala, irery satria niery io. Il se rendit alors à la maison de son père à Ophra et il massacra ses frères, les fils de Yerubbaal, soixante-dix hommes, sur une même pierre. Yotam cependant, le plus jeune fils de Yerubbaal, échappa, car il s'était caché.
Mts / Mpits 9:6 And all the men of Shechem gathered together, and all the house of Millo, and went, and made Abimelech king, by the plain of the pillar that was in Shechem. Dia nivory ny mponina rehetra tao Sekema sy ny olona rehetra tao Milo ka nandeha nampanjaka an' i Abimeleka teo anilan' ny hazo terebinta, akaikin' ny tsangambato any Sekema. Tamin' izay dia nivory ny mponina rehetra ao Sikema mbamin' ny ankohonan' i Melao rehetra, ka tonga izy ary nampanjaka an' i Abimeleka, teo anilan' ny terebintan' ny tsangam-bato any Sikema. Puis tous les notables de Sichem et tout Bet-Millo se réunirent et ils proclamèrent roi Abimélek près du chêne de la stèle qui est à Sichem.
Mts / Mpits 9:7 And when they told it to Jotham, he went and stood in the top of mount Gerizim, and lifted up his voice, and cried, and said unto them, Hearken unto me, ye men of Shechem, that God may hearken unto you. Ary nisy nilaza izany tamin' i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon' ny tendrombohitra Gerizima, ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa, ahy ianareo mponina ao Sekema mba hihainoan' Andriamanitra anareo kosa. Nony nilazana izany Joatama, dia lasa nitsangana teo an-tampon' ny tendrombohitra Garizima, ka nanandratra ny feony, nanao hoe: Henoy aho, ry mponina ao Sikema, mba hihenoan' Andriamanitra anareo koa. On l' annonça à Yotam. Il vint se poster sur le sommet du mont Garizim et il leur cria à haute voix : " Écoutez-moi, notables de Sichem, pour que Dieu vous écoute!
Mts / Mpits 9:8 The trees went forth on a time to anoint a king over them; and they said unto the olive tree, Reign thou over us. Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka hanjaka aminy; ka hoy izy tamin' ny oliva: Manjaka aminay ianao. Niainga, hono, ny hazo, hanosotra mpanjaka handidy azy; ka hoy izy tamin' ny oliva: Manjakà aminay hianao. Un jour les arbres se mirent en chemin pour oindre un roi qui régnerait sur eux. Ils dirent à l' olivier : "Sois notre roi! "
Mts / Mpits 9:9 But the olive tree said unto them, Should I leave my fatness, wherewith by me they honour God and man, and go to be promoted over the trees? Fa hoy ny oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko, izay ankalazan' ireny andriamanitra sy ny olona ahy, ka handeha hitsingevingevina erý ambony hazo aho? Fa hoy ny oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko, izay mahalaza ahy eo anatrehan' Andriamanitra sy ny olombelona, ka handeha hihevingevina ery ambonin' ny hazo hafa? L' olivier leur répondit : "Faudra-t-il que je renonce à mon huile, qui rend honneur aux dieux et aux hommes, pour aller me balancer au-dessus des arbres ?"
Mts / Mpits 9:10 And the trees said to the fig tree, Come thou, and reign over us. Ary hoy ny hazo tamin' ny aviavy: Avia ianao ka manjakà aminay. Dia ny aviavy indray no nataon' ny hazo hoe: Avia, hianao hanjaka aminay. Alors les arbres dirent au figuier : "Viens, toi, sois notre roi! "
Mts / Mpits 9:11 But the fig tree said unto them, Should I forsake my sweetness, and my good fruit, and go to be promoted over the trees? Dia hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny fahamamiako sy ny vokatro tsara, ka handeha hitsingevingevina erý ambony hazo aho? Fa hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny hamamiako sy ny voako kanto, ka handeha hihevingevina ery ambony hazo hafa? Le figuier leur répondit : "Faudra-t-il que je renonce à ma douceur et à mon excellent fruit, pour aller me balancer au-dessus des arbres ?"
Mts / Mpits 9:12 Then said the trees unto the vine, Come thou, and reign over us. Dia hoy ny hazo tamin' ny voaloboka: Avia ianao, ka manjakà aminay. Dia ny voaloboka indray no nilazan' ny hazo hoe: Avia hianao hanjaka aminay. Les arbres dirent alors à la vigne : "Viens, toi, sois notre roi! "
Mts / Mpits 9:13 And the vine said unto them, Should I leave my wine, which cheereth God and man, and go to be promoted over the trees? Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko, izay mahafaly an' Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevingevina erý ambony hazo aho? Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny divaiko, izay mampiravoravo an' Andriamanitra sy ny olombelona, ka handeha hihevingevina ery ambonin' ny hazo hafa? La vigne leur répondit : "Faudra-t-il que je renonce à mon vin, qui réjouit les dieux et les hommes, pour aller me balancer au-dessus des arbres ?"
Mts / Mpits 9:14 Then said all the trees unto the bramble, Come thou, and reign over us. Ary hoy ny hazo rehetra tamin' ny tsilo: Avia ianao, ka manjakà aminay. Tamin' izay dia hoy ny hazo rehetra tamin' ny tsilo milobolobo: Avia hianao hanjaka aminay. Tous les arbres dirent alors au buisson d'épines : "Viens, toi, sois notre roi! "
Mts / Mpits 9:15 And the bramble said unto the trees, If in truth ye anoint me king over you, then come and put your trust in my shadow: and if not, let fire come out of the bramble, and devour the cedars of Lebanon. Fa hoy ny tsilo tamin' ny hazo: Raha hohosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho, dia avia ianareo ka mialofa ato amin' ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin' ny tsilo ka handevona ny sederan' i Libanona. Fa hoy ny tsilo tamin' ny hazo: Raha marina tokoa àry fa tianareo ny hanosotra ahy ho mpanjaka dia avia hianareo, ka mialofa amin' ny alokaloko, fa raha tsy izany, aoka hivoaka afo ny tsilo milobolobo, ka handoro ny sederan' i Libàna. Et le buisson d'épines répondit aux arbres : "Si c' est de bonne foi que vous m' oignez pour régner sur vous, venez vous abriter sous mon ombre. Sinon un feu sortira du buisson d'épines et il dévorera les cèdres du Liban! "
Mts / Mpits 9:16 Now therefore, if ye have done truly and sincerely, in that ye have made Abimelech king, and if ye have dealt well with Jerubbaal and his house, and have done unto him according to the deserving of his hands; Koa ankehitriny, raha marina sy mahitsy ny nataonareo tamin' ny nampanjakanareo an' i Abimeleka, ary raha soa no nataonareo tamin' i Jerobala sy ny taranany, ka novalianareo araka izay nataon' ny tànany izy Koa ankehitriny raha marina sy mahitsy no nataonareo, tamin' ny nampanjakanareo an' i Abimeleka; raha soa no nataonareo tamin' i Jerobaala sy ny ankohonany, ary raha araka ny soa vitan' ny tànany no nataonareo taminy, " Ainsi donc, si c' est de bonne foi et en toute loyauté que vous avez agi et que vous avez fait roi Abimélek, si vous vous êtes bien conduits envers Yerubbaal et sa maison, si vous l' avez traité selon le mérite de ses actions,
Mts / Mpits 9:17 (For my father fought for you, and adventured his life far, and delivered you out of the hand of Midian: (fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin' ny tanan' ny Midiana; fa niady ho anareo ny raiko, nanao vy very ny ainy ka nanafaka anareo tamin' ny tànan' i Madiana izy; alors que mon père a combattu pour vous, qu' il a exposé sa vie, qu' il vous a délivrés de la main de Madiân,
Mts / Mpits 9:18 And ye are risen up against my father' s house this day, and have slain his sons, threescore and ten persons, upon one stone, and have made Abimelech, the son of his maidservant, king over the men of Shechem, because he is your brother;) nefa ianareo kosa niodina tamin' ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fito-polo lahy teo ambonin' ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no nampanjakainareo tamin' ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy), kanjo nitsangan-kamely ny ankohonan' i dada kosa hianareo androany; ny zanany fitopolo lahy novonoinareo teo ambony vato iray ihany, ary Abimeleka zanak' andevovaviny no natsanganareo ho mpanjakan' ny mponina ao Sikema, satria rahalahinareo io. vous, aujourd' hui, vous vous êtes levés contre la maison de mon père, vous avez massacré ses fils, soixante-dix hommes sur une même pierre, et vous avez établi roi sur les notables de Sichem Abimélek, le fils de son esclave, parce qu' il est votre frère!
Mts / Mpits 9:19 If ye then have dealt truly and sincerely with Jerubbaal and with his house this day, then rejoice ye in Abimelech, and let him also rejoice in you: koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin' i Jerobala sy ny zanany, dia mifalia amin' i Abimeleka ianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo. Koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin' i Jerobaala sy ny ankohonany, dia aoka Abimeleka hampifaly anareo, ary hianareo kosa hampifaly azy. - si donc c' est de bonne foi et en toute loyauté qu' aujourd' hui vous avez agi envers Yerubbaal et envers sa maison, alors qu' Abimélek fasse votre joie et vous la sienne!
Mts / Mpits 9:20 But if not, let fire come out from Abimelech, and devour the men of Shechem, and the house of Millo; and let fire come out from the men of Shechem, and from the house of Millo, and devour Abimelech. Fa raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo hivoaka avy amin' i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy amin' ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo ka handevona an' i Abimeleka. Fa raha tsy izany, dia aoka Abimeleka hivoaka afo ka handevona ny mponina ao Sikema mbamin' ny ankohonan' i Melao ary ny mponina ao Sikema mbamin' ny ankohonan' i Melao koa hivoaka afo ka handevona an' i Abimeleka. Sinon, qu' un feu sorte d' Abimélek et qu' il dévore les notables de Sichem et de Bet-Millo pour dévorer Abimélek! "
Mts / Mpits 9:21 And Jotham ran away, and fled, and went to Beer, and dwelt there, for fear of Abimelech his brother. Dia riatra nandositra Jotama ka nankany Bera ary nitoetra teo mba hiery an' i Abimeleka rahalahiny. Dia lasa Joatama ka nitsoaka nandositra; nankany Berà izy ka nonina tany, fa natahotra an' i Abimeleka rahalahiny. Puis Yotam prit la fuite, il se sauva et se rendit à Béer, où il s'établit pour échapper à son frère Abimélek.
Mts / Mpits 9:22 When Abimelech had reigned three years over Israel, Ary rehefa nanapaka telo taona tamin' ny Isiraely Abimeleka, Telo taona no nanapahan' i Abimeleka an' Israely, Abimélek exerça le pouvoir pendant trois ans sur Israël.
Mts / Mpits 9:23 Then God sent an evil spirit between Abimelech and the men of Shechem; and the men of Shechem dealt treacherously with Abimelech: Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin' i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an' i Abimeleka, dia nanirahan' Andriamanitra fanahy ratsy Abimeleka sy ny mponina tao Sikema, ka nivadika tamin' i Abimeleka ny mponina tao Sikema, Puis Dieu envoya un esprit de discorde entre Abimélek et les notables de Sichem, et les notables de Sichem trahirent Abimélek.
Mts / Mpits 9:24 That the cruelty done to the threescore and ten sons of Jerubbaal might come, and their blood be laid upon Abimelech their brother, which slew them; and upon the men of Shechem, which aided him in the killing of his brethren. mba hitsingerenan' ny loza natao tamin' ny namonoana ny zanak' i Jerobala fito-polo lahy ka hanody an' i Abimeleka rahalahiny izay namono azy, sy ny mponina tao Sekema, izay nampahery ny tànany hamono ny rahalahiny. mba hivaly ny heloka natao tamin' ny zanak' i Jerobaala fitopolo lahy, ka samy hianjeran' ny rany Abimeleka rahalahiny, izay namono azy, sy ny mponina ao Sikema izay nanampy an' io hamono ny rahalahiny. C'était afin que le crime commis contre les soixante-dix fils de Yerubbaal fût vengé et que leur sang retombât sur Abimélek leur frère, qui les avait massacrés, ainsi que sur les notables de Sichem qui l' avaient aidé à massacrer ses frères.
Mts / Mpits 9:25 And the men of Shechem set liers in wait for him in the top of the mountains, and they robbed all that came along that way by them: and it was told Abimelech. Ary nanaovan' ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin' ny otrika izay rehetra nandalo tamin' izany lalana izany; ary nolazaina tamin' i Abimeleka izany. Nisy olona napetraky ny mponina tao Sikema, tany an-tampon' ny tendrombohitra, nataony otrika hamely azy, ka izay rehetra nandalo azy ireo, tamin' ny làlana, nobaboiny avokoa, ary nolazaina tamin' i Abimeleka izany. Les notables de Sichem placèrent donc contre lui des embuscades au sommet des montagnes et ils dévalisaient quiconque passait près d' eux par le chemin. On le fit savoir à Abimélek.
Mts / Mpits 9:26 And Gaal the son of Ebed came with his brethren, and went over to Shechem: and the men of Shechem put their confidence in him. Dia tonga tao Gala, zanak' i Ebeda, sy ny rahalahiny ka nankany Sekema, ary ny mponina tao Sekema natoky azy. Ary tonga niaraka tamin' ny rahalahiny Gaala, zanak' i Obeda, ka nankany Sikema izy. Natoky azy ny mponina tao Sikema, Gaal, fils d' Obed, accompagné de ses frères, vint à passer par Sichem et il gagna la confiance des notables de Sichem.
Mts / Mpits 9:27 And they went out into the fields, and gathered their vineyards, and trode the grapes, and made merry, and went into the house of their god, and did eat and drink, and cursed Abimelech. Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao fanati-piderana ka niditra tao an-tranon' ny andriamaniny izy, dia nihinana sy nisotro ary nanozona an' i Abimeleka. ka nivoaka nankany an-tsaha izy ireo: Nioty ny voalobony, namoritra azy, nanao fety, ary niditra tany an-tranon' ny andriamaniny, nihinana sy nisotro, ary nanozona an' i Abimeleka. Ceux-ci sortirent dans la campagne pour vendanger leurs vignes, ils foulèrent le raisin, organisèrent des réjouissances et entrèrent dans le temple de leur dieu. Ils y mangèrent et burent et maudirent Abimélek.
Mts / Mpits 9:28 And Gaal the son of Ebed said, Who is Abimelech, and who is Shechem, that we should serve him? is not he the son of Jerubbaal? and Zebul his officer? serve the men of Hamor the father of Shechem: for why should we serve him? Ary hoy Gala, zanak' i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak' i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak' i Hamora, rain' i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika? Dia hoy Gaala zanak' i Obeda hoe: Iza moa Abimeleka, ary zovy moa Sikema, no hotompointsika? Tsy zanak' i Jerobaala va izy, ary tsy Zebola va no lefiny? Hianareo no manompoa ny taranak' i Emora, rain' i Sikema. Fa raha izahay, ahoana ange no hanompoanay an' i Abimeleka? Alors Gaal, fils d' Obed, s'écria : " Qui est Abimélek, et qu' est-ce que Sichem, pour que nous lui soyons asservis ? Ne serait-ce pas au fils de Yerubbaal et à Zebul, son lieutenant, de servir les gens de Hamor, père de Sichem ? Pourquoi lui serions-nous asservis, nous ?
Mts / Mpits 9:29 And would to God this people were under my hand! then would I remove Abimelech. And he said to Abimelech, Increase thine army, and come out. Ary enga anie ka ho eo ambanin' ny tanako ireto olona ireto! dia hesoriko Abimeleka. Dia hoy izy tamin' i Abimeleka: Hamaroy ny miaramilanao ka mivoaha. Nahoana re no tsy izaho no lehiben' ireto vahoaka ireto? Horoahiko mihitsy Abimeleka. Dia hoy izy tamin' i Abimeleka: Hamaroy ny miaramilanao, ka mivoaha. Qui me mettra ce peuple dans la main, afin que je chasse Abimélek, et je lui dirais : Renforce ton armée et sors! "
Mts / Mpits 9:30 And when Zebul the ruler of the city heard the words of Gaal the son of Ebed, his anger was kindled. Ary rehefa ren' i Zebola, komandin' ny tanàna, ny tenin' i Gala, zanak' i Ebeda, dia nirehitra ny fahatezerany. Nandre ny vavan' i Gaala, zanak' i Obeda, Zebola, governoran' ny tanàna ka nirehitra ny fahatezerany. Zebul, gouverneur de la ville, apprit les propos de Gaal, fils d' Obed, et il en fut irrité.
Mts / Mpits 9:31 And he sent messengers unto Abimelech privily, saying, Behold, Gaal the son of Ebed and his brethren be come to Shechem; and, behold, they fortify the city against thee. Dia naniraka olona mangingina tany amin' i Abimeleka izy hanao hoe: Indro, Gala, zanak' i Ebeda, sy ny rahalahiny dia tonga ato Sekema; ary, indro, mandrendrika ny ato an-tanàna hiodina aminao izy. Nandefa iraka mangingìna tany amin' i Abimeleka izy, hilaza aminy hoe: Indro Gaala, zanak' i Obeda, tonga eto Sikema, miaraka amin' ny rahalahiny, ka mandrendrika ny tanàna hiodina aminao; Il envoya en secret des messagers vers Abimélek, pour dire : " Voici que Gaal, fils d' Obed, avec ses frères, est arrivé à Sichem, et ils excitent la ville contre toi.
Mts / Mpits 9:32 Now therefore up by night, thou and the people that is with thee, and lie in wait in the field: Koa ankehitriny, miaingà alina ianao sy ny vahoaka eo aminao, ka manotreha any an-tsaha. koa miarena mbola alina hianao sy ny vahoaka eo aminao, avia hanotrika any an-tsaha. En conséquence, lève-toi de nuit, toi et les gens que tu as avec toi, et mets-toi en embuscade dans la campagne,
Mts / Mpits 9:33 And it shall be, that in the morning, as soon as the sun is up, thou shalt rise early, and set upon the city: and, behold, when he and the people that is with him come out against thee, then mayest thou do to them as thou shalt find occasion. Ary raha maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza maraina koa ianao, ka miroata hamely ny tanàna; ary, indro, raha mivoaka hiady aminao izy sy ny vahoaka eo aminy, dia ataovy aminy izay zakan' ny tananao. Ary raha maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza ary mirotsaha amin' ny tanàna; ka rahefa hivoaka hamely anao Gaala sy ny vahoaka momba azy, dia asio, araka izay azonao atao amin' izay. puis, le matin, au lever du soleil, tu surgiras et tu t'élanceras contre la ville. Quand Gaal et les gens qui sont avec lui sortiront à ta rencontre, tu les traiteras comme tu pourras. "
Mts / Mpits 9:34 And Abimelech rose up, and all the people that were with him, by night, and they laid wait against Shechem in four companies. Dia niainga alina Abimeleka sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nanao otrika efa-toko tandrifin' i Sekema, Dia niainga mbola alina Abimeleka sy ny vahoaka momba azy, ka nanao otrika tao akaikin' i Sikema, nizara efa-toko. Abimélek se mit donc en route de nuit avec tous les gens qui étaient avec lui et ils s' embusquèrent en face de Sichem, en quatre groupes.
Mts / Mpits 9:35 And Gaal the son of Ebed went out, and stood in the entering of the gate of the city: and Abimelech rose up, and the people that were with him, from lying in wait. Dia nivoaka Gala, zanak' i Ebeda, ka nijanona teo anoloan' ny vavahadin' ny tanàna; dia niroatra avy tao ampanotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy. Ary nivoaka Gaala, zanak' i Obeda, ka nipetraka teo am-bavahadin' ny tanàna. Tamin' izay dia niainga avy ao am-panotrehana Abimeleka sy ny vahoaka momba azy. Comme Gaal, fils d' Obed, sortait et faisait halte à l' entrée de la porte de la ville, Abimélek et les gens qui étaient avec lui surgirent de leur embuscade.
Mts / Mpits 9:36 And when Gaal saw the people, he said to Zebul, Behold, there come people down from the top of the mountains. And Zebul said unto him, Thou seest the shadow of the mountains as if they were men. Ary rehefa hitan' i Gala ny olona, dia hoy izy tamin' i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon' ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona. Nony hitan' i Gaala irery vahoaka, dia hoy izy tamin' i Zebola: Indreny misy olona midina avy any an-tampon' ny tendrombohitra. Fa hoy kosa Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra izany ataonao ho olona izany. Gaal vit cette troupe et il dit à Zebul : " Voici des gens qui descendent du sommet des montagnes. " - " C' est l' ombre des monts, lui répondit Zebul, et tu la prends pour des hommes. "
Mts / Mpits 9:37 And Gaal spake again, and said, See there come people down by the middle of the land, and another company come along by the plain of Meonenim. Dia niteny indray Gala ka nanao hoe: Indreo, misy olona eo amin' ny havoana, ary, indreo misy, antokony hafa mandeha amin' ny lalana eo amin' ny hazo terebinta Meonenima. Niteny indray Gaala nanao hoe: Andian' olona no hitako midina avy eo am-pamatonan-tany, ary antokon' olona no tamy mihazo ny làlana eo amin' ny aokan' ny mpanandro. Gaal reprit encore : " Voici des gens qui descendent du côté du Nombril de la Terre, tandis qu' un autre groupe arrive par le chemin du Chêne des Devins. "
Mts / Mpits 9:38 Then said Zebul unto him, Where is now thy mouth, wherewith thou saidst, Who is Abimelech, that we should serve him? is not this the people that thou hast despised? go out, I pray now, and fight with them. Dia hoy Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy. Dia hoy Zebola taminy: Fa aiza re ilay vavanao nanao hoe: Iza moa Abimeleka no hotompointsika? Mos tsy ireo indrindra va no olona nesoinao? Mivoaha amin' izao, ka miadia aminy. Zebul lui dit alors : " Qu' as-tu fait de ta langue ? Toi qui disais : "Qui est Abimélek pour que nous lui soyons asservis ?" Ne sont-ce pas là les gens que tu méprisais ? Sors donc maintenant et livre-lui combat. "
Mts / Mpits 9:39 And Gaal went out before the men of Shechem, and fought with Abimelech. Dia nivoaka teo anoloan' ny mponina tao Sekema Gala ka niady tamin' i Abimeleka. Dia nivoaka nitarika ny olona tao Sikema Gaala, ka niady tamin' i Abimeleka. Et Gaal sortit à la tête des notables de Sichem et il livra combat à Abimélek.
Mts / Mpits 9:40 And Abimelech chased him, and he fled before him, and many were overthrown and wounded, even unto the entering of the gate. Dia nanenjika azy Abimeleka, ary nandositra teo anoloany izy, ka maro ny faty niampatrampatra hatreny anoloan' ny vavahady aza. Kanjo nenjehin' i Abimeleka Gaala ka vaky nandositra teo anoloany, ary maro ny olona maty novonoiny, hatrany anoloan' ny vavahady. Abimélek poursuivit Gaal, qui se sauva devant lui, et beaucoup de gens de celui-ci tombèrent morts avant d' atteindre la porte.
Mts / Mpits 9:41 And Abimelech dwelt at Arumah: and Zebul thrust out Gaal and his brethren, that they should not dwell in Shechem. Ary Abimeleka nonina tany Aroma; ary Zebola nandroaka an' i Gala sy ny rahalahiny mba tsy honina any Sekema intsony. Dia nijanona tao Romà Abimeleka, ary Zebola kosa nandroaka an' i Gaala sy ny rahalahiny, izay tsy nahazo nonina tao Sikema intsony. Abimélek demeura alors à Aruma, et Zebul, chassant Gaal et ses frères, les empêcha d' habiter à Sichem.
Mts / Mpits 9:42 And it came to pass on the morrow, that the people went out into the field; and they told Abimelech. Ary nony ampitson' iny dia nivoaka ho ratsy any an-tsaha ny olona; ary nolazaina tamin' i Abimeleka izany, Nony ampitso, nivoaka nankany an-tsaha ny vahoaka. Nandre izany Abimeleka, Le lendemain, le peuple sortit dans la campagne et Abimélek en fut informé.
Mts / Mpits 9:43 And he took the people, and divided them into three companies, and laid wait in the field, and looked, and, behold, the people were come forth out of the city; and he rose up against them, and smote them. Dia naka ny vahoaka izy ka nizara azy ho telo toko ary nanotrika tany an-tsaha; dia nijery izy, ka, indreo, ny olona nivoaka avy tao an-tanàna; dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy. dia naka ny miaramilany, sy nizara azy ho antokony telo, ary nanao otrika tany an-tsaha. Vao nahita ny vahoaka nivoaka ny tanàna izy, dia nitsangana hamely azy, ka nandresy azy. Il prit ses gens, les partagea en trois groupes et se mit en embuscade dans les champs. Lorsqu' il vit les gens sortir de la ville, il surgit contre eux et les tailla en pièces.
Mts / Mpits 9:44 And Abimelech, and the company that was with him, rushed forward, and stood in the entering of the gate of the city: and the two other companies ran upon all the people that were in the fields, and slew them. Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan' ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy. Abimeleka sy ny antokony izay niaraka taminy niroso teo aloha ka naka toerana teo alohan' ny vavahadin' ny tanàna; ary ny anankiroa amin' ireo antokony ireo kosa niroatra hamely ny tany an-tsaha rehetra, ka nandresy azy. Tandis qu' Abimélek et le groupe qui était avec lui s'élançaient et prenaient position à l' entrée de la porte de la ville, les deux autres groupes se jetèrent contre tous ceux qui étaient dans la campagne et les massacrèrent.
Mts / Mpits 9:45 And Abimelech fought against the city all that day; and he took the city, and slew the people that was therein, and beat down the city, and sowed it with salt. Ary Abimeleka namely ny tanàna mandritra izany andro izany, dia nahafaka ny tanàna ka namono ny olona tao; ary noravany ny tanàna sady nofafazany sira. Nananika ny tanàna iny tontolo andro iny Abimeleka dia afany, ka ny vahoaka rehetra tao novonoiny, ary ny tanàna nofongorany sady nofafazany sira. Toute la journée Abimélek donna l' assaut à la ville. L' ayant prise, il en massacra la population, détruisit la ville et y sema du sel.
Mts / Mpits 9:46 And when all the men of the tower of Shechem heard that, they entered into an hold of the house of the god Berith. Ary nony nandre izany ny olona rehetra tao amin' ny tilikambo tao Sekema, dia niditra tao amin' ny efi-trano fierena tao an-tranon' i Berita andriamaniny izy. Nony nandre izany ny olona rehetra tao amin' ny tilikambo tao Sikema, dia nankao amin' ny fitoerana mimanda amin' ny tranon ' ny andriamanitra Berita. A cette nouvelle, les notables de Migdal-Sichem se rendirent tous dans la crypte du temple d' El-Berit.
Mts / Mpits 9:47 And it was told Abimelech, that all the men of the tower of Shechem were gathered together. Ary nolazaina tamin' i Abimeleka fa tafangona tao amin' ny tilikambo tao Sekema ny olona rehetra. Fa Abimeleka kosa, nony vao nampandrenesina fa hoe, ny mponina rehetra tamin' ny tilikambon' i Sikema, dia tafavory tao avokoa, Dès qu' Abimélek eut appris que tous les notables de Migdal-Sichem s' y étaient rassemblés,
Mts / Mpits 9:48 And Abimelech gat him up to mount Zalmon, he and all the people that were with him; and Abimelech took an axe in his hand, and cut down a bough from the trees, and took it, and laid it on his shoulder, and said unto the people that were with him, What ye have seen me do, make haste, and do as I have done. Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin' ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa ianareo. dia niakatra tany an-tendrombohitra Abimeleka mbamin' ny vahoaka momba azy, nataon' i Abimeleka an-tànana ny famaky, dia nikapa sampan-kazo anankiray izy, ka naingainy ntaony an-tsoroka, ary hoy izy tamin' ny vahoaka momba azy: Toy izay hitanareo nataoko, no mba ataovinareo faingana koa. il monta sur le mont Çalmôn, lui et toute sa troupe. Prenant en mains une hache, il coupa une branche d' arbre, qu' il souleva et chargea sur son épaule, en disant aux gens qui l' accompagnaient : " Ce que vous m' avez vu faire, vite, faites-le comme moi. "
Mts / Mpits 9:49 And all the people likewise cut down every man his bough, and followed Abimelech, and put them to the hold, and set the hold on fire upon them; so that all the men of the tower of Shechem died also, about a thousand men and women. Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an' i Abimeleka, dia nametraka izany teo an-trano fiarovana ka nandoro azy tamin' ny afo, raha mbola tao ny olona, ka maty koa ny olona rehetra tao amin' ny tilikambo tao Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo no isany. Dia samy nikapa sampan-kazo iray avy ny olona rehetra ka nanaraka an' i Abimeleka; napetrak' izy ireo nanolotra ilay fitoerana mimanda ny sampan-kazo, dia nodorany tamin' ny afo io mbamin' izay tao, ka maty tamin' izany avokoa ny olona rehetra tao amin' ny tilikambon' i Sikema, sahabo ho roa arivo lahy na vavy. Tous ses gens se mirent donc à couper chacun une branche, puis ils suivirent Abimélek et, entassant les branches sur la crypte, ils la brûlèrent sur ceux qui s' y trouvaient. Tous les habitants de Migdal-Sichem périrent aussi, environ mille hommes et femmes.
Mts / Mpits 9:50 Then went Abimelech to Thebez, and encamped against Thebez, and took it. Dia nandeha Abimeleka nankany Tebeza ary nitoby tandrifin' i Tebeza ka nahafaka azy. Dia nandeha hamely an' i Tebesa Abimeleka, ka nanao fahirano an' i Tebesa sy nahafaka azy. Puis Abimélek marcha sur Tébèç, il l' assiégea et la prit.
Mts / Mpits 9:51 But there was a strong tower within the city, and thither fled all the men and women, and all they of the city, and shut it to them, and gat them up to the top of the tower. Fa nisy tilikambo mafy tao anatin' ny tanàna, ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy ary izay rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao, dia niakatra teo an-tampon' ny tilikambo izy. Nisy tilikambo fiarovana mafy tao afovoan-tanàna, ka nandositra tao ny mponina rehetra tao an-tanàna na lahy na vavy, nohidian' izy ireo ny varavarana nony tafiditra, dia niakatra tany ambonin' ny tafon' ny tilikambo izy. Il y avait là, au milieu de la ville, une tour fortifiée où se réfugièrent tous les hommes et femmes et tous les notables de la ville. Après avoir fermé la porte derrière eux, ils montèrent sur la terrasse de la tour.
Mts / Mpits 9:52 And Abimelech came unto the tower, and fought against it, and went hard unto the door of the tower to burn it with fire. Ary Abimeleka nankany amin' ny tilikambo ka namely azy, dia nanatona ny varavaran' ny tilikambo izy handoro azy amin' ny afo. Nandroso teo amin' ny tilikambo Abimeleka, dia namely azy, sy nanatona ny varavaran' ny tilikambo mba handoro azy amin' ny afo. Abimélek parvint jusqu'à la tour et il l' attaqua. Comme il s' approchait de la porte de la tour pour y mettre le feu,
Mts / Mpits 9:53 And a certain woman cast a piece of a millstone upon Abimelech' s head, and all to brake his skull. Fa nisy vehivavy anankiray, nanjera vato fikosoham-bary tamin' ny lohan' i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany. Kanjo nozeran' ny vehivavy anankiray, vakim-bato fikosoham-bary ny lohan' i Abimeleka, ka vaky tery ny karandohany. une femme lui lança une meule de moulin sur la tête et lui brisa le crâne.
Mts / Mpits 9:54 Then he called hastily unto the young man his armourbearer, and said unto him, Draw thy sword, and slay me, that men say not of me, A women slew him. And his young man thrust him through, and he died. Dia nantsoin' i Abimeleka faingana ny zatovo, mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan' ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo, ka maty izy. Nantsoiny faingana ny zatovo mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan' ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia notrabaran' ilay zatovo izy, ka maty. Il appela aussitôt le jeune homme qui portait ses armes et lui dit : " Tire ton épée et tue-moi, pour qu' on ne dise pas de moi : C' est une femme qui l' a tué. " Son écuyer le transperça et il mourut.
Mts / Mpits 9:55 And when the men of Israel saw that Abimelech was dead, they departed every man unto his place. Ary rehefa hitan' ny lehilahy amin' ny Isiraely fa maty Abimeleka, dia samy lasa nandeha ho any amin' ny fonenany avy izy. Nony hitan' ny lehilahy amin' Israely fa maty Abimeleka, dia samy nody ho any an-tranony avy izy. Quand les gens d' Israël virent qu' Abimélek était mort, ils s' en retournèrent chacun chez soi.
Mts / Mpits 9:56 Thus God rendered the wickedness of Abimelech, which he did unto his father, in slaying his seventy brethren: Izany no namalian' Andriamanitra ny ratsy nataon' i Abimeleka, izay efa nataony tamin' ny rainy tamin' ny namonoany ny rahalahiny fito-polo lahy. Izany no nampianjeran' Andriamanitra tamin' i Abimeleka ny ratsy nataony tamin-drainy, tamin' ny namonoany ny rahalahiny fitopolo lahy, Ainsi Dieu fit retomber sur Abimélek le mal qu' il avait fait à son père en égorgeant ses soixante-dix frères.
Mts / Mpits 9:57 And all the evil of the men of Shechem did God render upon their heads: and upon them came the curse of Jotham the son of Jerubbaal. Ary ny ratsy rehetra nataon' ny mponina tao Sekema dia natsingerin' Andriamanitra tamin' ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon' i Jotama, zanak' i Jerobala. ary nampianjeran' Andriamanitra tamin' ny lohan' ny mponina tao Sikema, ny haratsiany rehetra. Izany no niharan' ny ozona nataon' i Joatama zanak' i Jerobaala tamin' izy ireo. Et Dieu fit aussi retomber sur la tête des gens de Sichem toute leur méchanceté. Ainsi s' accomplit sur eux la malédiction de Yotam, fils de Yerubbaal.

<-
->