<-
->

Mts / Mpits 8:1 And the men of Ephraim said unto him, Why hast thou served us thus, that thou calledst us not, when thou wentest to fight with the Midianites? And they did chide with him sharply. Ary hoy ny lehilahy amin' ny Efraima tamin' i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin' ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo. Ary hoy ny lehilahy amin' i Efraima tamin' i Jedeona: Mba ahoana kosa izany fomba nataonao taminay izany, no dia tsy niantso anay akory hianao raha handeha hiady amin' i Madiana? Sady nilàny sotasota izaitsizy izy. Or les gens d'Éphraïm dirent à Gédéon : " Quelle est donc cette manière d' agir envers nous : tu ne nous as pas convoqués lorsque tu es allé combattre Madiân ? " et ils le prirent violemment à partie.
Mts / Mpits 8:2 And he said unto them, What have I done now in comparison of you? Is not the gleaning of the grapes of Ephraim better than the vintage of Abiezer? Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao. raha oharina amin' izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok' i Efraima noho ny fiotazam-boalobok' i Abiezera? Fa izao no navalin' i Jedeona azy: Zinona moa no nataoko raha oharina amin' ny anareo? Moa tsy ny fitsimponam-boalobok' i Efraima aza no tsara, noho ny fararanom-boalobok' i Abiesera? Il leur répondit : " Qu' ai-je donc fait en comparaison de vous ? Le grappillage d'Éphraïm, n' est-ce pas plus que la vendange d' Abiézer ?
Mts / Mpits 8:3 God hath delivered into your hands the princes of Midian, Oreb and Zeeb: and what was I able to do in comparison of you? Then their anger was abated toward him, when he had said that. Teo an-tananareo no nanoloran' Andriamanitra ny andrianan' ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin' ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran' ireo taminy. Fa teo an-tànanareo no natolotry ny Tompo ny andrianan' i Madiana, Oreba sy Zeba. Ka zinona no mety ho vitako raha oharina aminareo? Nony efa niteny izany izy, dia nionona ny hatezeran' izy ireo taminy. C' est entre vos mains que Dieu a livré les chefs de Madiân, Oreb et Zéeb. Qu' ai-je pu faire en comparaison de vous ? " Sur ces paroles, leur emportement contre lui se calma.
Mts / Mpits 8:4 And Gideon came to Jordan, and passed over, he, and the three hundred men that were with him, faint, yet pursuing them. Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany. Dia tonga tany Jordany Jedeona ary nita azy izy sy ireo telonjato lahy momba azy; efa sasatra izy nefa mbola nitozo nanenjika ihany. Gédéon arriva au Jourdain et le traversa, mais lui et les trois cents hommes qu' il avait avec lui étaient harassés par la poursuite.
Mts / Mpits 8:5 And he said unto the men of Succoth, Give, I pray you, loaves of bread unto the people that follow me; for they be faint, and I am pursuing after Zebah and Zalmunna, kings of Midian. Ary hoy izy tamin' ny mponina tao Sokota: Masìna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an' i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan' ny Midiana. Ary hoy izy tamin' ny mponina ao Sokota. Raha sitrakareo mba omeo mofo ny vahoaka miaraka amiko fa reraka izy ireo, ary izaho manenjika an' i Zebea sy Salmanà, mpanjakan' i Madiana. Il dit donc aux gens de Sukkot : " Donnez, je vous prie, des galettes de pain à la troupe qui me suit, car elle est harassée, et je suis à la poursuite de Zébah et de Çalmunna, rois de Madiân. "
Mts / Mpits 8:6 And the princes of Succoth said, Are the hands of Zebah and Zalmunna now in thine hand, that we should give bread unto thine army? Fa hoy ireo andrianan' i Sokota: Moa efa voahazon' ny tananao ankehitriny va ny tànan' i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao? Fa hoy ny navalin' ny lehiben' i Sokota: Efa voahazon' ny tànanao sahady ve ny tànan' i Zebea sy Salmanà, no hanome mofo izay miaramilanao izahay? Mais les chefs de Sukkot répondirent : " Les mains de Zébah et de Çalmunna sont-elles déjà dans ton poing pour que nous donnions du pain à ton armée ? " -
Mts / Mpits 8:7 And Gideon said, Therefore when the Lord hath delivered Zebah and Zalmunna into mine hand, then I will tear your flesh with the thorns of the wilderness and with briers. Dia hoy Gideona: Rehefa voatolotr' i Jehovah eo an-tanako Zehaba sy Zalmona, dia handalasiko amin' ny tsilo avy any an-efitra sy ny sampivato ny tenanareo. Dia hoy Jedeona: Aoka àry, fa rahefa voatolotry ny Tompo eo an-tànako kosa Zebea sy Salmanà dia hataoko hoto amin' ny tsilo any an' efitra sy amin' ny roy ny nofonareo. " Eh bien! répliqua Gédéon, lorsque Yahvé aura livré en mes mains Zébah et Çalmunna, je vous déchirerai les chairs sur les épines du désert et les chardons. "
Mts / Mpits 8:8 And he went up thence to Penuel, and spake unto them likewise: and the men of Penuel answered him as the men of Succoth had answered him. Ary niakatra avy teo izy ka nankany Penoela, dia nanao teny tahaka izany koa tamin' ny olona tao; ary ny mponina tao Penoela koa dia namaly azy tahaka ny navalin' ny mponina tao Sokota ihany. Avy eo izy dia niakatra nankany Fanoela ary niteny tamin' ny olona toraka ny teo; fa novalian' ny olona tao Fanoela izy toraky ny navalin' ny olona tany Sokota ihany koa. De là, il monta à Penuel et il parla de la même manière aux gens de Penuel, qui répondirent comme l' avaient fait les gens de Sukkot.
Mts / Mpits 8:9 And he spake also unto the men of Penuel, saying, When I come again in peace, I will break down this tower. Dia niteny tamin' ny mponina tao Penoela izy ka nanao hoe: Raha tafaverina soa aman-tsara aho, dia horavako ity tilikambo ity. Ka hoy izy tamin' ny olona tao Fanoela: Rahefa avy nandresy aho, dia hofongorako ity tilikambo ity. Il répliqua également aux gens de Penuel : " Quand je reviendrai vainqueur, je détruirai cette tour. "
Mts / Mpits 8:10 Now Zebah and Zalmunna were in Karkor, and their hosts with them, about fifteen thousand men, all that were left of all the hosts of the children of the east: for there fell an hundred and twenty thousand men that drew sword. Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin' ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin' ny miaramila rehetra an' ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa ireo. Tany Karkora Zebea sy Salmanà mbamin' ny tafiny niaraka taminy, dia lehilahy tokony ho dimy arivo sy iray alina, izay rehetra sisa tamin' ny foloalindahin' ny zanaky ny Atsinanana manontolo, fa maty ny lehilahy roa alina sy iray hetsy samy mpitan-tsabatra avokoa. Zébah et Çalmunna se trouvaient dans le Qarqor avec leur armée, environ quinze mille hommes, tous ceux qui étaient restés de l' armée des fils de l' Orient. Ceux qui étaient tombés étaient au nombre de cent vingt mille hommes tirant l'épée.
Mts / Mpits 8:11 And Gideon went up by the way of them that dwelt in tents on the east of Nobah and Jogbehah, and smote the host; for the host was secure. Ary Gideona niakatra tamin' ny lalan' ny mpitoetra an-day, atsinanan' i Noha sy Jogbeha, ka dia namely ny toby, raha mbola ilay tsy nanampo iny ny olona. Niakatra Jedeona nihazo ny làlan' ny mpitoetra an-day ao atsinanan' i Nobe sy Jegbaà, ka namely ny toby izay natoky fa tsy haninona tsy haninona. Gédéon monta par la route de ceux qui habitent sous la tente, à l' est de Nobah et de Yogbéha, et il défit l' armée, alors qu' elle se croyait en sûreté.
Mts / Mpits 8:12 And when Zebah and Zalmunna fled, he pursued after them, and took the two kings of Midian, Zebah and Zalmunna, and discomfited all the host. Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin' ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra. Ka vaky nandositra Zebea sy Salamanà, nefa nenjehiny ka azony izy roa lahy mpanjakan' i Madiana, Zebea sy Salmanà, ary nampifanaritahany avokoa ny toby manontolo. Zébah et Çalmunna s' enfuirent. Il les poursuivit et il fit prisonniers les deux rois de Madiân, Zébah et Çalmunna. Quant à l' armée, il la mit en déroute.
Mts / Mpits 8:13 And Gideon the son of Joash returned from battle before the sun was up, Dia niverina avy tamin' ny ady Gideona, zanak' i Joasy, avy teo amin' ny fiakarana Heresa; Dia niverina avy tany amin' ny ady Jedeona zanak' i Joasy nihazo ny fiakarana Haresy. Après la bataille, Gédéon, fils de Yoash, s' en revint par la montée de Harès.
Mts / Mpits 8:14 And caught a young man of the men of Succoth, and enquired of him: and he described unto him the princes of Succoth, and the elders thereof, even threescore and seventeen men. ary nisambotra zatovo tamin' ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan' ilay zatovo ny anaran' ireo andrianan' i Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy. Nisambotra zazalahy anankiray amin' ny mponina ao Sokota izy, nanontaniany, ka nosoratan' io ny anaran' ny lehibe sy ny loholona fitopolo lahy, ao Sokota. Ayant arrêté un jeune homme des gens de Sukkot, il le questionna et celui-ci lui donna par écrit les noms des chefs de Sukkot et des anciens, soixante-dix-sept hommes,
Mts / Mpits 8:15 And he came unto the men of Succoth, and said, Behold Zebah and Zalmunna, with whom ye did upbraid me, saying, Are the hands of Zebah and Zalmunna now in thine hand, that we should give bread unto thy men that are weary? Ary Gideona dia nankany amin' ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon' ny tananao ankehitriny va ny tànan' i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka? Tamin' izay dia nankao amin' ny mponina ao Sokota Jedeona, ka nanao hoe: Indreo eo Zebea sy Salmanà izay nanesoanareo ahy hoe: Efa voahazon' ny tànanao sahady ve ny tànan' i Zebea sy Salmanà, no hanome mofo izay miaramilanao sasatra izahay? Gédéon se rendit alors auprès des gens de Sukkot et dit : " Voici Zébah et Çalmunna, au sujet desquels vous m' avez raillé, disant : Les mains de Zébah et Çalmunna sont-elles déjà dans ton poing pour que nous donnions du pain à tes gens harassés ? "
Mts / Mpits 8:16 And he took the elders of the city, and thorns of the wilderness and briers, and with them he taught the men of Succoth. Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao Sokota. Dia nosamboriny ny loholona tao an-tànana, ary rahefa nandray tsilo any an' efitra sy roy izy dia namaizany ny mponina tao Sokota izany. Il saisit alors les anciens de la ville et, prenant des épines du désert et des chardons, il déchira les gens de Sukkot.
Mts / Mpits 8:17 And he beat down the tower of Penuel, and slew the men of the city. Ary nandrava ny tilikambo tao Penoela koa izy ka namono ny lehilahy tao an-tanàna. Noravany koa ny tilikambo tao Fanoela ary novonoiny ny lehilahy tao an-tanàna. Il détruisit la tour de Penuel et massacra les habitants de la ville.
Mts / Mpits 8:18 Then said he unto Zebah and Zalmunna, What manner of men were they whom ye slew at Tabor? And they answered, As thou art, so were they; each one resembled the children of a king. Dia hoy izy tamin' i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak' andriana avokoa izy rehetra. Ary hoy izy tamin' i Zebea sy Salmanà: Lehilahy toy inona moa, izany novonoinareo tany Tabora izany? Dia hoy ireo: Tahaka anao izao izy; samy mitarehin-janak' andriana avokoa izy. Puis il dit à Zébah et Çalmunna : " Comment donc étaient ces hommes que vous avez tués au Tabor ? " - " Ils te ressemblaient, répondirent-ils. Chacun d' eux avait l' air d' un fils de roi. " -
Mts / Mpits 8:19 And he said, They were my brethren, even the sons of my mother: as the Lord liveth, if ye had saved them alive, I would not slay you. Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko ianareo, raha novelominareo ireo. Ka hoy izy: Ny rahalahiko, zanak' i neny indrindra izany. Velona Iaveh! Tsy matiko hianareo, raha namelona an' ireo. " C'étaient mes frères, fils de ma mère, reprit Gédéon. Par la vie de Yahvé! si vous les aviez laissés vivre, je ne vous tuerais pas. "
Mts / Mpits 8:20 And he said unto Jether his firstborn, Up, and slay them. But the youth drew not his sword: for he feared, because he was yet a youth. Ary hoy izy tamin' i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy. Ary hoy izy tamin' i Jetera zanany lahimatoa: Mitsangàna, ka vonoy ireo. Fa tsy nanatsoaka ny sabany ity zatovo fa natahotra izy satria mbola tanora. Alors il commanda à Yéter, son fils aîné : " Debout! Tue-les. " Mais l' enfant ne tira pas son épée, il n' osait pas, car il était encore jeune.
Mts / Mpits 8:21 Then Zebah and Zalmunna said, Rise thou, and fall upon us: for as the man is, so is his strength. And Gideon arose, and slew Zebah and Zalmunna, and took away the ornaments that were on their camels' necks. Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an' i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin' ny vozon' ny ramevany. Dia hoy Zebea sy Salmanà: Ny tenanao no mitsangàna dia miantoraha aminay, fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Nitsangana Jedeona ka namony an' i Zebea sy Salmanà, ary naka ny sarim-bolan-tsinana teny amin' ny vozon-dramevan' ireo. Zébah et Çalmunna dirent alors : " Debout! toi, et frappe-nous, car tel est l' homme, telle est sa force. " Alors Gédéon se leva, il tua Zébah et Çalmunna et il prit les croissants qui étaient au cou de leurs chameaux.
Mts / Mpits 8:22 Then the men of Israel said unto Gideon, Rule thou over us, both thou, and thy son, and thy son' s son also: for thou hast delivered us from the hand of Midian. Dia hoy ny lehilahy amin' ny Isiraely tamin' i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin' ny tanan' ny Midiana ianao. Dia hoy ny lehilahy amin' Israely tamin' i Jedeona: Aoka hanjaka aminay hianao sy ny zanakao ary ny zafinao, satria hianao no nanafaka anay tamin' ny tànan' i Madiana. Les gens d' Israël dirent à Gédéon : " Règne sur nous, toi, ton fils et ton petit-fils, puisque tu nous as sauvés de la main de Madiân. "
Mts / Mpits 8:23 And Gideon said unto them, I will not rule over you, neither shall my son rule over you: the Lord shall rule over you. Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo. Hoy Jedeona taminy: Tsy hanjaka aminareo aho, na ny zanako, fa Iaveh ihany no hanjaka aminareo. Mais Gédéon leur répondit : " Ce n' est pas moi qui régnerai sur vous, ni mon fils non plus, car c' est Yahvé qui régnera sur vous. "
Mts / Mpits 8:24 And Gideon said unto them, I would desire a request of you, that ye would give me every man the earrings of his prey. (For they had golden earrings, because they were Ishmaelites.) Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin' ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita). Misy zavatra iray angatahiko aminareo: Samia hianareo manome ahy ny peratra azonareo tamin' ny babony avy. Fa nanam-peratra volamena ny fahavalo, satria Ismaelita izy ireny. " Laissez-moi, ajouta Gédéon, vous faire une requête. Que chacun de vous me donne un anneau de son butin. " Les vaincus avaient en effet des anneaux d' or, car c'étaient des Ismaélites.
Mts / Mpits 8:25 And they answered, We will willingly give them. And they spread a garment, and did cast therein every man the earrings of his prey. Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin' ny babony teo. Ka hoy ny olona: Omenay an-tsitra-po raha izany. Sady namelatra lamba izy ire ka samy nanipy ny peratra azony tamin' ny babo avy. " Nous les donnerons volontiers ", répondirent-ils. Il étendit donc son manteau et ils y jetèrent chacun un anneau de son butin.
Mts / Mpits 8:26 And the weight of the golden earrings that he requested was a thousand and seven hundred shekels of gold; beside ornaments, and collars, and purple raiment that was on the kings of Midian, and beside the chains that were about their camels' necks. Ary ny lanjan' ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin' ireo mpanjakan' ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin' ny vozon' ny ramevany. Ary nisy fiton-jato amby arivo sikla ny lanjan' ny pera-bolamena nangatahin' i Jedeona afa-tsy ny sarim-bolan-tsinana aman-kavina sy ny fitafiana jaky nentin' ny mpanjakan' i Madiana, mbamin' ny fehivozona teny amin' ny vozon-dramevany. Le poids des anneaux d' or qu' il avait demandés s'éleva à mille sept cents sicles d' or, sans compter les croissants, les pendants d' oreilles et les vêtements de pourpre que portaient les rois de Madiân, sans compter non plus les colliers qui étaient au cou de leurs chameaux.
Mts / Mpits 8:27 And Gideon made an ephod thereof, and put it in his city, even in Ophrah: and all Israel went thither a whoring after it: which thing became a snare unto Gideon, and to his house. Dia nataon' i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin' i Gideona sy ny ankohonany izany. Nanaovan' i Jedeona efoda izany volamena izany, dia napetrany ao an-tanànany ao Efrà, ka nankany avokoa Israely rehetra nitolo-tena teo amin' izany efoda izany, ary tonga fandrika ho an' i Jedeona sy ny ankohonany izany. Gédéon en fit un éphod qu' il plaça dans sa ville, à Ophra. Tout Israël s' y prostitua après lui et ce fut un piège pour Gédéon et sa maison.
Mts / Mpits 8:28 Thus was Midian subdued before the children of Israel, so that they lifted up their heads no more. And the country was in quietness forty years in the days of Gideon. Dia resy teo anoloan' ny Zanak' Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin' ny andron' i Gideona. Dia voaetry teo anatrehan' ny zanak' Israely Madiana, fa tsy nahatraka ny lohany intsony, ka nandry efapolo taona ny tany tamin' ny andron' i Jedeona. Ainsi Madiân fut abaissé devant les Israélites. Il ne releva plus la tête et le pays fut en repos pendant quarante ans, aussi longtemps que vécut Gédéon.
Mts / Mpits 8:29 And Jerubbaal the son of Joash went and dwelt in his own house. Dia nandeha Jerobala, zanak' i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony. Ary nody Jerobaala zanak' i Joasy, ka nonina tao an-tranony. Yerubbaal, fils de Yoash, s' en alla donc et demeura dans sa maison.
Mts / Mpits 8:30 And Gideon had threescore and ten sons of his body begotten: for he had many wives. Ary Gideona nanan-janaka fito-polo lahy izay naterany: fa maro vady izy. Fitopolo lahy no zanaka naterak' i Jedeona fa maro vady izy. Gédéon eut soixante-dix fils, issus de lui, car il avait beaucoup de femmes.
Mts / Mpits 8:31 And his concubine that was in Shechem, she also bare him a son, whose name he called Abimelech. Ary ny vaditsindranony, izay tany Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ka ny anarany nataony hoe Abimeleka. Niteraka zazalahy taminy koa ny vadin-tsindranony tany Sikema, ka natao hoe Abimeleka ny anarany. Sa concubine qui résidait à Sichem lui enfanta, elle aussi, un fils, auquel il donna le nom d' Abimélek.
Mts / Mpits 8:32 And Gideon the son of Joash died in a good old age, and was buried in the sepulchre of Joash his father, in Ophrah of the Abiezrites. Dia maty Gideona. zanak' i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin' ny fasan' i Joasy rainy tao Ofran' ny Abiezrita izy. Tratra antitra tsara Jedeona, zanak' i Joasy, vao maty; ary tao amin' ny fasan' i Joasy rainy izy no nalevina, tao Efran' i Abiesera. Gédéon, fils de Yoash, mourut après une heureuse vieillesse et on l' ensevelit dans le tombeau de Yoash, son père, à Ophra d' Abiézer.
Mts / Mpits 8:33 And it came to pass, as soon as Gideon was dead, that the children of Israel turned again, and went a whoring after Baalim, and made Baalberith their god. Ary rehefa maty Gideona, dia nijangajanga nanaraka ireo Bala indray ny Zanak' Isiraely ka nanao an' i Bala-berita ho andriamaniny. Nony maty Jedeona dia nitolo-tena tamin' ireo Baala indray ny zanak' Israely; ka Baala-Berita no nataony andriamaniny. Après la mort de Gédéon, les Israélites recommencèrent à se prostituer aux Baals et ils prirent pour dieu Baal-Berit.
Mts / Mpits 8:34 And the children of Israel remembered not the Lord their God, who had delivered them out of the hands of all their enemies on every side: Ary ny Zanak' Isiraely tsy nahatsiaro an' i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin' ny tanan' ny fahavalony rehetra nanodidina, Tsy notsarovan' ny zanak' Israely intsony Iaveh Andriamanitr' izy ireo, izay nanafaka azy tamin' ny tànan' ny fahavalony rehetra nanodidina azy; Les Israélites ne se souvinrent plus de Yahvé, leur Dieu, qui les avait délivrés de la main de tous les ennemis d' alentour.
Mts / Mpits 8:35 Neither shewed they kindness to the house of Jerubbaal, namely, Gideon, according to all the goodness which he had shewed unto Israel. sady tsy nanao soa tamin' ny taranak' i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon' i Gideona tamin' ny Isiraely, izy. ary tsy nampiseho firaiketam-po tamin' ny taranak' i Jerobaala-Jedeona araka ny soa rehetra nataony tamin' Israely. Et à la maison de Yerubbaal-Gédéon, ils ne montrèrent pas la gratitude méritée par tout le bien qu' elle avait fait à Israël.

<-
->