<-
->

Mts / Mpits 3:1 Now these are the nations which the Lord left, to prove Israel by them, even as many of Israel as had not known all the wars of Canaan; Ary ny firenena navelan' i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana, Ireto no firenena navelan' ny Tompo handry fehizay hoetni-mizaha toetra an' Israely, dia izay rehetra tsy nahita ny ady rehetra tany Kanaana. Voici les nations que Yahvé a laissé subsister afin de mettre par elles à l'épreuve tous les Israélites qui n' avaient connu aucune des guerres de Canaan
Mts / Mpits 3:2 Only that the generations of the children of Israel might know, to teach them war, at the least such as before knew nothing thereof; mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak' Isiraely izany amin' ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha; Ary hany nokendreny tamin' izany dia fampianarana ny taranak' Israely sy fampahaizana hiady, dia ho an' izay tsy mbola nahalala izany taloha ahay. ce fut uniquement pour l' enseignement des descendants des Israélites, pour leur apprendre l' art de la guerre; à ceux du moins qui ne l' avaient pas connu autrefois :
Mts / Mpits 3:3 Namely, five lords of the Philistines, and all the Canaanites, and the Sidonians, and the Hivites that dwelt in mount Lebanon, from mount Baalhermon unto the entering in of Hamath. dia ireo andriana dimy tamin' ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin' i Bala-hermona ka hatramin' ny lalana mankany Hamata. Ny andriana dimy tamin' ny Filistina, ny Kananeana sy ny Sidoniana ary ny Heveana rehetra izay nonina tamin' ny tendrombohitra Libàna, hatramin' ny tendrombohitra Baala-Hermona, ka hatramin' ny vava lalan' i Hamata. les cinq princes des Philistins et tous les Cananéens, les Sidoniens et les Hittites qui habitaient la chaîne du Liban, depuis la montagne de Baal-Hermôn jusqu'à l' Entrée de Hamat.
Mts / Mpits 3:4 And they were to prove Israel by them, to know whether they would hearken unto the commandments of the Lord, which he commanded their fathers by the hand of Moses. Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin' i Jehovah, izay nasainy nandidian' i Mosesy ny razany, izy, na tsia. Ireo no nokendrena hizahan-toetra an' Israely mba hahitàna na hitandrina ny didy izay nandidian' ny Tompo ny razany tamin' ny alàlan' i Moizy izy ireo na tsia. Ils servirent à éprouver Israël, pour savoir s' ils garderaient les commandements que Yahvé avait donnés à leurs pères par l' intermédiaire de Moïse.
Mts / Mpits 3:5 And the children of Israel dwelt among the Canaanites, Hittites, and Amorites, and Perizzites, and Hivites, and Jebusites: Ary ny Zanak' Isiraely nonina teo amin' ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. Ary ny zanak' Israely dia nonina tao afovoan' ny Kananeana, ny Heteana, ny Amoreana, ny Ferezeana, ny Heveana, ary ny Jeboseana. Et les Israélites habitèrent au milieu des Cananéens, des Hittites, des Amorites, des Perizzites, des Hivvites et des Jébuséens;
Mts / Mpits 3:6 And they took their daughters to be their wives, and gave their daughters to their sons, and served their gods. Ary naka ny zanakavavin' ireny ho vadiny izy sady nanome ny zananivavy ho vadin' ny zanakalahin' ireny ka nanompo ny andriamaniny. Ny zanaka vavin' ireo nalainy ho vady, ny zanany vavy nomeny ho vadin' ny zanaka lahin' ireo; ary ny andriamanitr' ireo no notompoiny. ils épousèrent leurs filles, ils donnèrent leurs propres fils à leurs filles et ils servirent leurs dieux.
Mts / Mpits 3:7 And the children of Israel did evil in the sight of the Lord, and forgat the Lord their God, and served Baalim and the groves. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah ny Zanak' Isiraely ka nanadino an' i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha. Nanao izay ratsy teo imason' ny Tompo ny zanak' Israely: Iaveh nohadinoiny, fa Baala sy ny Askerota no notompoiny, Les Israélites firent ce qui est mal aux yeux de Yahvé. Ils oublièrent Yahvé leur Dieu pour servir les Baals et les Ashéras.
Mts / Mpits 3:8 Therefore the anger of the Lord was hot against Israel, and he sold them into the hand of Chushanrishathaim king of Mesopotamia: and the children of Israel served Chushanrishathaim eight years. Dia nirehitra tamin' ny Isiraely ny fahatezeran' i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan' i Kosan-risataima, mpanjakan' i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an' i Kosan-risataima valo taona ny Zanak' Isiraely. ka nirehitra tamin' Israely ny fahatezeran' ny Tompo; namidiny ho eo an-tànan' i Kozana-Rasataima mpanjakan' i Mesopotamia izy, dia nanompo an' i Kozana-Rasataima valo taona ny zanak' Israely. Alors la colère de Yahvé s' enflamma contre Israël, il les livra aux mains de Kushân-Risheatayim, roi d'Édom, et les Israélites furent asservis à Kushân-Risheatayim pendant huit ans.
Mts / Mpits 3:9 And when the children of Israel cried unto the Lord, the Lord raised up a deliverer to the children of Israel, who delivered them, even Othniel the son of Kenaz, Caleb' s younger brother. Dia nitaraina tamin' i Jehovah ny Zanak' Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an' ny Zanak' Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin' i Kenaza, zandrin' i Kaleba. Fa nitaraina tamin' ny Tompo ny zanak' Israely ka nananganana' Iaveh mpanafaka izay namonjy azy izy, dia Otoniela zanak' i Keneza, zandrin' i Kaleba. Alors les Israélites crièrent vers Yahvé et Yahvé suscita aux Israélites un sauveur qui les libéra, Otniel fils de Qenaz, frère cadet de Caleb.
Mts / Mpits 3:10 And the Spirit of the Lord came upon him, and he judged Israel, and went out to war: and the Lord delivered Chushanrishathaim king of Mesopotamia into his hand; and his hand prevailed against Chushanrishathaim. Ary ny Fanahin' i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan' i Mesopotamia, dia natolotr' i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an' i Kosan-risataima. Nilatsaka tamin' io ny Fanahin' ny Tompo, ka nitsara an' Israely izy, ary nivoaka hiady; ary natolotry ny Tompo ho eo an-tànany Kozana-Rasataima mpanjakan' i Mesopotamia, ka nahery tamin' i Kozana-Rasataima ny tànany. L' esprit de Yahvé fut sur lui; il devint juge d' Israël et se mit en campagne. Yahvé livra entre ses mains Kushân-Risheatayim, roi d'Édom, et il triompha de Kushân-Risheatayim.
Mts / Mpits 3:11 And the land had rest forty years. And Othniel the son of Kenaz died. Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak' i Kenaza. Dia nandry efapolo taona ny tany, ary maty Otoniela zanak' i Keneza. Le pays fut alors en repos pendant quarante ans. Puis Otniel, fils de Qenaz, mourut.
Mts / Mpits 3:12 And the children of Israel did evil again in the sight of the Lord: and the Lord strengthened Eglon the king of Moab against Israel, because they had done evil in the sight of the Lord. Fa nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah indray ny zanak' Isiraely ary i Jehovah nampahery an' i Eglona, mpanjakan' i Moaba, hiady amin' ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy. Fa nanao izay ratsy eo imason' ny Tompo indray ny zanak' Israely, ka noho izy nanao izay ratsy eo imason' ny Tompo dia nampaherezin' ny Tompo tamin' Israely, Eglona mpanjakan' i Moaba. Les Israélites recommencèrent à faire ce qui est mal aux yeux de Yahvé et Yahvé fortifia Églôn, roi de Moab, contre Israël, parce qu' ils faisaient ce qui est mal aux yeux de Yahvé.
Mts / Mpits 3:13 And he gathered unto him the children of Ammon and Amalek, and went and smote Israel, and possessed the city of palm trees. Dia nampiangona ny taranak' i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia. Nikambana tamin' ny taranak' i Amona sy Amaleka, Eglona, dia niainga nandeha. Nandresy an' Israely izy ka nahafaka ny tanànan-drofia. Églôn s' adjoignit les fils d' Ammon et Amaleq, marcha contre Israël, le battit et s' empara de la ville des Palmiers.
Mts / Mpits 3:14 So the children of Israel served Eglon the king of Moab eighteen years. Dia nanompo an' i Eglona, mpanjakan' i Moaba, valo ambin' ny folo taona ny Zanak' Isiraely. Dia nanompo an' i Eglona mpanjakan' i Moaba, valo ambin' ny folo taona, ny zanak' Israely. Les Israélites furent asservis à Églôn, roi de Moab, pendant dix-huit ans.
Mts / Mpits 3:15 But when the children of Israel cried unto the Lord, the Lord raised them up a deliverer, Ehud the son of Gera, a Benjamite, a man lefthanded: and by him the children of Israel sent a present unto Eglon the king of Moab. Ary nitaraina tamin' i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak' i Gera, avy amin' ny taranak' i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an' i Eglona, mpanjakan' i Moaba, ny Zanak' Isiraely. Fa nitaraina tamin' ny Tompo ny zanak' Israely, ka nananganana' Iaveh mpanafaka, dia Aoda, zanak' i Gerà, Benjamita, izay tsy nampiasa ny tànany an-kavanana. Nampitondrain' ny zanak' Israely fanomezana ho an' i Eglona mpanjakan' i Moaba izy. Alors les Israélites crièrent vers Yahvé et Yahvé leur suscita un sauveur, Éhud, fils de Géra, Benjaminite, qui était gaucher. Les Israélites le chargèrent de porter le tribut à Églôn, roi de Moab.
Mts / Mpits 3:16 But Ehud made him a dagger which had two edges, of a cubit length; and he did gird it under his raiment upon his right thigh. Ary nanao sabatra roa lela Ehoda, hakiho ny halavany; dia nataony tao amin' ny fehin-kibony ambanin' ny akanjo fiadiany izany, teny am-balahany ankavanana. Nanao sabatra roa lela Aoda, hakoho no halavany, nafehiny anatin' ny akanjony tamin' ny valahany havanana. Éhud se fit un poignard à double tranchant, long d' un gomed, et il le ceignit sous son vêtement, sur sa hanche droite.
Mts / Mpits 3:17 And he brought the present unto Eglon king of Moab: and Eglon was a very fat man. Dia nitondra ny fanomezana ho an' i Eglona, mpanjakan' i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe Eglona. Natolony an' i Eglona mpanjakan' i Moaba ny fanomezana, ary lehilahy matavy be Eglona. Il offrit donc le tribut à Églôn, roi de Moab. Cet Églôn était très gros.
Mts / Mpits 3:18 And when he had made an end to offer the present, he sent away the people that bare the present. Ary rehefa vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany. Nony vitany ny fanolorana ny fanomezana dia nalefany ny olona nitondra ny fanomezana; Une fois le tribut offert, Éhud renvoya les gens qui l' avaient apporté.
Mts / Mpits 3:19 But he himself turned again from the quarries that were by Gilgal, and said, I have a secret errand unto thee, O king: who said, Keep silence. And all that stood by him went out from him. Fa nony tonga teo amin' ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy. fa izy kosa dia niverina, avy hatreo amin' ilay sampy vato akaikin' i Galgalà ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, misy zavatra tsy ambara telo holazaiko aminao. Ka hoy ny mpanjaka: Mangina! Dia nivoaka avokoa izay olona rehetra teo aminy. Mais lui-même, arrivé aux Idoles qui sont près de Gilgal, revint et dit : " J' ai un message secret pour toi, ô roi. " Le roi répondit : " Silence! " et tous ceux qui se trouvaient auprès de lui sortirent.
Mts / Mpits 3:20 And Ehud came unto him; and he was sitting in a summer parlour, which he had for himself alone. And Ehud said, I have a message from God unto thee. And he arose out of his seat. Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin' Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin' ny seza fiandrianana Eglona. Nipetraka irery tao an-tranony fakana hatsiatsiaka izy no nohatonin' i Aoda ka nataony hoe: Manana teny avy amin' Andriamanitra ho anao aho. Tafatsangana niala tamin' ny fiketrahany Eglona. Éhud vint vers lui; il était assis dans la chambre haute où l' on prend le frais, qui lui était réservée. Éhud lui dit : " C' est une parole de Dieu que j' ai pour toi, ô roi! " Et celui-ci se leva aussitôt de son siège.
Mts / Mpits 3:21 And Ehud put forth his left hand, and took the dagger from his right thigh, and thrust it into his belly: Ary naninjitra ny tànany ankavia Ehoda ka nandray ny sabatra teny am-balahany ankavanana, dia natsatony tamin' ny kibon' i Eglona izany; Dia naninjitra ny tànany havia Aoda tamin' izay, nanatsoaka ny sabatra teny am-balahany havanana, ary notrabarany tamin' io ny kibony; Alors Éhud étendit la main gauche, prit le poignard de dessus sa hanche droite et l' enfonça dans le ventre du roi.
Mts / Mpits 3:22 And the haft also went in after the blade; and the fat closed upon the blade, so that he could not draw the dagger out of his belly; and the dirt came out. ary difotra mbamin' ny zarany, ka voasaron' ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin' ny kibony izy; ary niboroaka teo amin' ny vodiny izany. ka ny lelan-tsabatra dia difotra mba-jarany ary nikatona teo ambonin' ny lelan-tsabatra ny taviny fa tsy notsoahiny tamin' ny kibony ny sabatra ary tafagorobaka hatrany an-damosiny. La poignée même entra avec la lame et la graisse se referma sur la lame, car Éhud n' avait pas retiré le poignard de son ventre.
Mts / Mpits 3:23 Then Ehud went forth through the porch, and shut the doors of the parlour upon him, and locked them. Dia nivoaka teo amin' ny lavarangana Ehoda ka nandrindrina ny varavaran' ny trano ka nanidy azy tao. Ny tohatra any ivelany no nivoahan' i Aoda, ary ny varavaram-ben' ny trano ambony nohidiany tamin' ny karetsaka. Éhud sortit par les cabinets, il avait fermé derrière lui les portes de la chambre haute et poussé le verrou.
Mts / Mpits 3:24 When he was gone out, his servants came; and when they saw that, behold, the doors of the parlour were locked, they said, Surely he covereth his feet in his summer chamber. Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon' i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran' ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha. Rahefa tafavoaka izy dia tonga ny mpanompon' ny mpanjaka dia nizaha izy ka indro fa ny varavaram-ben' ny trano ambony dia voahidy karetsaka, ka hoy izy: Tsy maintsy misaron-tongotra ato an-trano fakana hatsiatsiaka izy. Quand il fut sorti, les serviteurs revinrent et ils regardèrent : les portes de la chambre haute étaient fermées au verrou. Ils se dirent : " Sans doute il se couvre les pieds dans le réduit de la chambre fraîche. "
Mts / Mpits 3:25 And they tarried till they were ashamed: and, behold, he opened not the doors of the parlour; therefore they took a key, and opened them: and, behold, their lord was fallen down dead on the earth. Dia niandry mandra-pahaveri-heviny izy ireo, kanjo tsy namoha ny varavaran' ny trano izy; ka dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra tamin' ny rihana ny tompony Dia niandry ela teo izy ireo ka efa menatra aza, ary nony tsy novohany ny varavaran' ny trano ambony dia nalain' izy ireo ny fanalahidy ka novohany; ary indro fa maty niampatra tamin' ny tany teo ny tompony. Ils attendirent indéfiniment, car il n' ouvrait toujours pas les portes de la chambre haute. Ils prirent enfin la clef et ouvrirent : leur maître gisait à terre, mort.
Mts / Mpits 3:26 And Ehud escaped while they tarried, and passed beyond the quarries, and escaped unto Seirath. Fa Ehoda efa nandositra, raha mbola nitaredretra izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato, dia nandositra ho any Seirata. Dieny mbola niatoato teo izy ireo dia efa lasa nitsoaka Aoda, sy tafahoatra ny sampy vato ary nandositra tany Seirata. Pendant qu' ils attendaient, Éhud s'était enfui. Il dépassa les Idoles et se mit en sûreté à Ha-Séïra.
Mts / Mpits 3:27 And it came to pass, when he was come, that he blew a trumpet in the mountain of Ephraim, and the children of Israel went down with him from the mount, and he before them. Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin' ny tany havoan' i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin' ny tany havoana ny Zanak' Isiraely, ary izy no nitarika azy. Vao tonga izy dia notsofiny ny trompetra tany amin' ny tendrombohitr' i Efraima. Nidina avy any amin' ny tendrombohitra niaraka taminy, ny zanak' Israely, ary izy no nitarika azy ireo. Sitôt arrivé, il sonna du cor dans la montagne d'Éphraïm et les Israélites descendirent avec lui de la montagne, lui à leur tête.
Mts / Mpits 3:28 And he said unto them, Follow after me: for the Lord hath delivered your enemies the Moabites into your hand. And they went down after him, and took the fords of Jordan toward Moab, and suffered not a man to pass over. Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr' i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza. Hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotry ny Tompo eo an-tànanareo ny fahavalonareo, ny Moabita. Dia nidina nanaraka azy ireo, ka azony ny fitana an' i Jordany tandrifin' i Moaba, ary notapahiny tsy hitan' olona na dia iray aza. Et il leur dit : " Suivez-moi, car Yahvé a livré votre ennemi, Moab, entre vos mains. " Ils le suivirent donc, coupèrent à Moab le passage des gués du Jourdain et ne laissèrent passer personne.
Mts / Mpits 3:29 And they slew of Moab at that time about ten thousand men, all lusty, and all men of valour; and there escaped not a man. Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin' izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza. Nandresy an' i Moaba izy ireo tamin' izany andro izany, tokony ho lehilahy iray alina, samy tomady sy mahery avokoa, ka tsy afa-nandositra na dia iray aza. Ils battirent les gens de Moab en ce temps-là, au nombre d' environ dix mille hommes, tous robustes et vaillants, et pas un n'échappa.
Mts / Mpits 3:30 So Moab was subdued that day under the hand of Israel. And the land had rest fourscore years. Dia resin' ny tanan' ny Isiraely ny Moabita tamin' izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany. Dia voaetry eo ambanin' ny tànan' Israely Moaba tamin' izany andro izany ka nandry valopolo taona ny tany. En ce jour-là Moab fut abaissé sous la main d' Israël et le pays fut en repos quatre-vingts ans.
Mts / Mpits 3:31 And after him was Shamgar the son of Anath, which slew of the Philistines six hundred men with an ox goad: and he also delivered Israel. Ary nanarakaraka azy Samgara, zanak' i Anata, izay namely ny Filistina enin-jato lahy tamin' ny fanindronan-omby; dia namonjy ny Isiraely koa izy. Samigara zanak' i Anata no nanarakaraka azy. Nandresy Filistina enin-jato lahy, tamin' ny fanindronan' omby izy, ka mpanafaka an' Israely koa. Après lui il y eut Shamgar, fils d' Anat. Il défit les Philistins au nombre de six cents hommes avec un aiguillon à boeufs, et lui aussi sauva Israël.

<-
->