<-
->

Mts / Mpits 15:1 But it came to pass within a while after, in the time of wheat harvest, that Samson visited his wife with a kid; and he said, I will go in to my wife into the chamber. But her father would not suffer him to go in. Ary nony afaka kelikely, tamin' ny taom-pijinjana ny vary tritika, dia nitondra zanak' osy Samsona ho entiny mamangy ny vadiny, ka hoy izy: Hiditra ao amin' ny vadiko ao an-efi-trano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany, Nony afaka kelikely, tamin' ny fotoam-pijinjam-bary dia nandeha hamangy ny vadiny Samsona, nitondra zanak' osy anankiray ka nanao hoe: Te-hiditra ao amin' ny vadiko ao an' efitranony aho. Fa tsy navelan-drainy hiditra izy. A quelque temps de là, à l'époque de la moisson des blés, Samson s' en vint revoir sa femme avec un chevreau, et il déclara : " Je veux entrer auprès de ma femme, dans sa chambre. " Mais le beau-père ne le lui permit pas.
Mts / Mpits 15:2 And her father said, I verily thought that thou hadst utterly hated her; therefore I gave her to thy companion: is not her younger sister fairer than she? take her, I pray thee, instead of her. fa hoy izy: Nataoko fa halanao mihitsy izy, ka dia nomeko ho an' ny namanao; moa tsy tsara tarehy noho izy va ny zandriny? Masina ianao, aoka izy halainao ho solony. Fa hoy rainy taminy hoe: Nataoko fa halanao izy, ka nomeko ny sakaizanao. Ary moa tsy ny zandriny aza no tsara noho izy? Ka io no aoka ho vadinao ho solony. " Je me suis dit, lui objecta-t-il, que tu l' avais prise en aversion et je l' ai donnée à ton compagnon. Mais sa soeur cadette ne vaut-elle pas mieux qu' elle ? Qu' elle soit tienne à la place de l' autre! "
Mts / Mpits 15:3 And Samson said concerning them, Now shall I be more blameless than the Philistines, though I do them a displeasure. Dia hoy Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza. Ka hoy Samsona taminy: Izao vao tsy hanan-tsiny amin' ny Filistina aho raha minisy ratsy azy. Samson leur répliqua : " Cette fois-ci, je ne serai quitte envers les Philistins qu' en leur faisant du mal. "
Mts / Mpits 15:4 And Samson went and caught three hundred foxes, and took firebrands, and turned tail to tail, and put a firebrand in the midst between two tails. Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy, ary nampifanendreny ny rambon' ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo anelanelan' ny rambony ilay hatao fanilo. Dia lasa Samsona nisambotra amboahaolo telon-jato sy naka fanilo. Nampifamatorany ny rambon ny amboahaolo, ka nasiany fanilo iray eo anelanelan' ny rambony roa, eo afovoany. Samson s' en alla donc, il captura trois cents renards, prit des torches et, tournant les bêtes queue contre queue, il plaça une torche entre les deux queues, au milieu.
Mts / Mpits 15:5 And when he had set the brands on fire, he let them go into the standing corn of the Philistines, and burnt up both the shocks, and also the standing corn, with the vineyards and olives. Ary rehefa nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany ho any amin' ny varin' ny Filistina ireny, ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary ny voli-oliva koa. Dia nampirehetiny ny fanilo, ary nalefany hankany amin' ny varin' ny Filistina ny amboahaolo, ka nandoro ny vary efa amboarany sy mbola an-tahony ary hatramin' ny voly oliva aza. Il mit le feu aux torches, puis, lâchant les renards dans les moissons des Philistins, il incendia aussi bien les gerbes que le blé sur pied et même les vignes et les oliviers.
Mts / Mpits 15:6 Then the Philistines said, Who hath done this? And they answered, Samson, the son in law of the Timnite, because he had taken his wife, and given her to his companion. And the Philistines came up, and burnt her and her father with fire. Ary hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ary nisy nanao hoe: Samsona, vinanton' ilay Timnita, satria ny rafozany efa nanome ny vadiny ho an' ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin' ny afo. Dia hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ka nisy namaly hoe: Samsona, vinanton' ilay Tamnaana; fa nalain' io taminy ny vadiny ka nomeny ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy mbamin' ny rainy. Les Philistins demandèrent : " Qui a fait cela ? " et l' on répondit : " C' est Samson, le gendre du Timnite, car celui-ci lui a repris sa femme et l' a donnée à son compagnon. " Alors les Philistins montèrent et ils firent périr dans les flammes cette femme et la maison de son père.
Mts / Mpits 15:7 And Samson said unto them, Though ye have done this, yet will I be avenged of you, and after that I will cease. Ary hoy Samsona taminy: Raha manao tahaka izany ianareo, dia mbola hamaly anareo tokoa aho, koa rehefa afaka izany, vao hitsahatra aho. Hoy Samsona tamin' izy ireo: Izany ve no ataonareo? Tsy maninona, fa tsy hijanona kosa aho, raha tsy nahavaly faty anareo. " Puisque c' est ainsi que vous agissez, leur dit Samson, eh bien! je ne cesserai qu' après m'être vengé de vous. "
Mts / Mpits 15:8 And he smote them hip and thigh with a great slaughter: and he went down and dwelt in the top of the rock Etam. Dia namely azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak' ilay harambato mitresaka any Etama. Dia nasiany mafy tokoa ireo tsy nitondrany roa; dia nidina izy ary nitoetra tao amin' ilay zohy amin' ny vatolampin' i Etama. Il les battit à plate couture et ce fut une défaite considérable. Après quoi il descendit à la grotte du rocher d'Étam et y demeura.
Mts / Mpits 15:9 Then the Philistines went up, and pitched in Judah, and spread themselves in Lehi. Ary niakatra ny Filistina, dia nitoby teo amin' ny Joda ka niely tany Lehy. Tamin' izay dia niakatra ny Filistina, nitoby teo amin' i Jodà, niely tany Lekia. Les Philistins montèrent camper en Juda et ils firent une incursion à Lehi.
Mts / Mpits 15:10 And the men of Judah said, Why are ye come up against us? And they answered, To bind Samson are we come up, to do to him as he hath done to us. Ary hoy ny lehilahy amin' ny Joda: Nahoana no miakatra hamely anay ianareo? Dia hoy izy Hamatotra an' i Samsona no niakaranay, mba hanao aminy tahaka izay efa nataony taminay. Ka hoy ny lehilahy amin' i Jodà: Ahoana no iakaranareo hamely anay? Ary hoy ny navaliny: Hamatotra an' i Samsona no niakaranay mba hanaovanay aminy toraky ny nataony taminay. " Pourquoi êtes-vous montés contre nous ? " leur dirent alors les gens de Juda. " C' est pour lier Samson que nous sommes montés, répondirent-ils, pour le traiter comme il nous a traités. "
Mts / Mpits 15:11 Then three thousand men of Judah went to the top of the rock Etam, and said to Samson, Knowest thou not that the Philistines are rulers over us? what is this that thou hast done unto us? And he said unto them, As they did unto me, so have I done unto them. Dia nandeha ny lehilahy telo arivo amin' ny Joda nankany amin' ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka nanao tamin' i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka antsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy. Nidina ny lehilahy telo arivo tamin' i Jodà nankany amin' ilay zohy amin' ny vatolampin' i Etama ka nanao tamin' i Samsona hoe: Tsy fanatrao va fa mpanapaka antsika ny Filistina, ka ahoana no dia nanaovanao toy izao aminay? Ary hoy ny navaliny azy ireo: Toraky ny nataony tamiko ihany no mba nataoko taminy kosa. Trois mille hommes de Juda descendirent à la grotte du rocher d'Étam et dirent à Samson : " Ne sais-tu pas que les Philistins sont nos maîtres ? Qu' est-ce que tu nous as fait là ? " Il leur répondit : " Comme ils m' ont traité, c' est ainsi que je les ai traités. "
Mts / Mpits 15:12 And they said unto him, We are come down to bind thee, that we may deliver thee into the hand of the Philistines. And Samson said unto them, Swear unto me, that ye will not fall upon me yourselves. Dia hoy kosa izy ireo taminy: Hamatotra anao no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-tànan' ny Filistina ianao. Dia hoy Samsona taminy: Mianiana amiko ary fa tsy hamely ahy ianareo. Hoy izy ireo taminy: Ny hamatotra anao no nidinanay, mba hanoloranay anao eo an-tànan' ny Filistina. Ka hoy Samsona tamin' izy ireo: Mianiàna àry fa tsy mitady hamono ahy hianareo. Ils lui dirent alors : " Nous sommes descendus pour te lier, afin de te livrer aux mains des Philistins. " - " Jurez-moi, leur dit-il, que vous ne me tuerez pas vous-mêmes. " -
Mts / Mpits 15:13 And they spake unto him, saying, No; but we will bind thee fast, and deliver thee into their hand: but surely we will not kill thee. And they bound him with two new cords, and brought him up from the rock. Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin' ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin' ilay harambato. Dia namaly azy izy nanao hoe: Tsia, fa ny hamatotra anao sy hanolotra anao eo an-tànan' izy ireo ihany no tadiavinay, fa tsy hamono anao izahay. Dia nafatony tamin' ny mahazaka roa vaovao izy, nentiny hiakatra avy teo amin' ialy vatolampy. " Non! lui répondirent-ils, nous voulons seulement te lier et te livrer entre leurs mains, mais nous ne voulons certes pas te faire mourir. " Alors il le lièrent avec deux cordes neuves et ils le hissèrent du rocher.
Mts / Mpits 15:14 And when he came unto Lehi, the Philistines shouted against him: and the Spirit of the Lord came mightily upon him, and the cords that were upon his arms became as flax that was burnt with fire, and his bands loosed from off his hands. Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin' i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin' ny afo ny mahazaka teny amin' ny sandriny ary afaka tamin' ny tànany ny fatorana. Nony tonga tany Lekia izy, dia notsenain' ny Filistina tamim-panakorana. Fa notsindrian' ny Fanahin' ny Tompo kosa Samsona tamin' izay, ka ny mahazaka tamin' ny sandriny tonga toy ny kofehy rongony main' ny afo, ary ny fatorana tamin' ny tànany nivotsotra; Comme il arrivait à Lehi et que les Philistins accouraient à sa rencontre avec des cris de triomphe, l' esprit de Yahvé fondit sur Samson, les cordes qu' il avait sur les bras furent comme des fils de lin brûlés au feu et les liens se dénouèrent de ses mains.
Mts / Mpits 15:15 And he found a new jawbone of an ass, and put forth his hand, and took it, and slew a thousand men therewith. Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy. ary nahita valanoranon' ampondra vaovao izy, dia nanatsotra ny tànany nandray an' izay, ka nahafaty arivo lahy taminy. Trouvant une mâchoire d'âne encore fraîche, il étendit la main, la ramassa et avec elle il abattit mille hommes.
Mts / Mpits 15:16 And Samson said, With the jawbone of an ass, heaps upon heaps, with the jaw of an ass have I slain a thousand men. Ary hoy Samsona: Tamin' ny valanoranom-boriky no nahafatesako ho antontany iray, eny, antontany roa; Tamin' ny valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy. Ka hoy Samsona hoe: Valanoranon' ampondra iray no namazambazanako an' ireny; Valanoranon' ampondra iray no nahafatesako arivo lahy. Samson dit alors : " Avec une mâchoire d'âne, je les ai mis en tas. Avec une mâchoire d'âne, j' ai battu mille hommes. "
Mts / Mpits 15:17 And it came to pass, when he had made an end of speaking, that he cast away the jawbone out of his hand, and called that place Ramathlehi. Ary rehefa nitsahatra niteny izy, dia nariany ilay valanoranom-boriky teny an-tànany; ary ny anaran' izany tany izany dia natao hoe Ramata-lehy. Nony nitsaha-niteny izy, ilay valanorano natsipiny avy teny an-tànany, io toerana io nomeny anarana hoe Ramata-Lekia. Quand il eut fini de parler, il jeta loin de lui la mâchoire : c' est pourquoi on a donné à cet endroit le nom de Ramat-Lehi.
Mts / Mpits 15:18 And he was sore athirst, and called on the Lord, and said, Thou hast given this great deliverance into the hand of thy servant: and now shall I die for thirst, and fall into the hand of the uncircumcised? Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin' i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin' ny tanan' ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan' ny tsy mifora! Ary main' ny hetaheta Samsona, ka nitalaho tamin' ny Tompo nanao hoe: Hianao no nanoma izao famonjen-dehibe izao, tamin' ny tànan' ny mpanomponao, ary ankehitriny dia ho fatin' ny hetaheta va aho sy ny ho latsaka eo an-tànan' ny tsy mifora? Comme il souffrait d' une soif ardente, il invoqua Yahvé en disant : " C' est toi qui as opéré cette grande victoire par la main de ton serviteur, et maintenant, faudra-t-il que je meure de soif et que je tombe aux mains des incirconcis ? "
Mts / Mpits 15:19 But God clave an hollow place that was in the jaw, and there came water thereout; and when he had drunk, his spirit came again, and he revived: wherefore he called the name thereof Enhakkore, which is in Lehi unto this day. Dia nampitresahin' Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany. Fa nampitresahin' Andriamanitra kosa ilay vatolampy hoboka tao Lekia, dia niboiboika teo ny rano, ary velombelona ny fanahiny, nody ny ainy. Izany no niantsoana io loharana io hoe En-Hakore, izay mbola any Lekia mandrak' androany. Alors Dieu fendit le bassin qui est à Lehi et il en sortit de l' eau. Samson but, ses esprits lui revinrent et il se ranima. C' est pourquoi on a donné le nom de En-ha-Qoré à cette source, qui existe encore à Lehi.
Mts / Mpits 15:20 And he judged Israel in the days of the Philistines twenty years. Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona tamin' ny andron' ny Filistina izy. Roapolo taona no nitsaran' i Samsona an' Israely tamin' ny andron' ny Filistina. Samson fut juge en Israël à l'époque des Philistins, pendant vingt ans.

<-
->