<-
->

Mts / Mpits 12:1 And the men of Ephraim gathered themselves together, and went northward, and said unto Jephthah, Wherefore passedst thou over to fight against the children of Ammon, and didst not call us to go with thee? we will burn thine house upon thee with fire. Ary nivory ny lehilahy amin' ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin' i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin' ny taranak' i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin' ny afo ny tranonao sy ianao. Nivory ny lehilahy amin' i Efraima, ka nandeha nankany Sefora, nanao tamin' i Jefte hoe: Nahoana no nandeha niady tamin' ny taranak' i Amona hianao, ka no tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay ny tranonao mbamin' ny tanànanao. Les gens d'Éphraïm se rassemblèrent, ils passèrent le Jourdain dans la direction de Çaphôn et ils dirent à Jephté : " Pourquoi es-tu allé combattre les Ammonites sans nous avoir invités à marcher avec toi ? Nous brûlerons ta maison sur toi! "
Mts / Mpits 12:2 And Jephthah said unto them, I and my people were at great strife with the children of Ammon; and when I called you, ye delivered me not out of their hands. Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin' ny taranak' i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin' ny tànany ianareo. Dia izao no navalin' i Jefte azy ireo: Mbola nifamaly mafy tamin' ny taranak' i Amona izaho sy ny vahoakako dia efa niantso anareo aho, nefa tsy tonga namonjy ahy tamin' ny tànany hianareo. Jephté leur répondit : " Nous étions en grave conflit, mon peuple et moi, avec les Ammonites. Je vous ai appelés à l' aide et vous ne m' avez pas délivré de leurs mains.
Mts / Mpits 12:3 And when I saw that ye delivered me not, I put my life in my hands, and passed over against the children of Ammon, and the Lord delivered them into my hand: wherefore then are ye come up unto me this day, to fight against me? Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin' ny taranak' i Amona, ary natolotr' i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra atý amiko anio hila ady amiko? Nony hitako fa tsy tonga hamonjy ahy hianareo, dia nanao vy very ny aiko aho, ka nandeha niady tamin' ny taranak' i Amona, ary natolotry ny Tompo teo an-tànako ireny. Ka nahoana hianareo no miakatra aty amiko anio hiady amiko? Quand j' ai vu que personne ne venait à mon secours, j' ai risqué ma vie, j' ai marché contre les Ammonites et Yahvé les a livrés entre mes mains. Pourquoi donc aujourd' hui êtes-vous montés contre moi pour me faire la guerre ? "
Mts / Mpits 12:4 Then Jephthah gathered together all the men of Gilead, and fought with Ephraim: and the men of Gilead smote Ephraim, because they said, Ye Gileadites are fugitives of Ephraim among the Ephraimites, and among the Manassites. Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra amin' ny Gileada ka niady tamin' ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny lehilahy amin' ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo Gileadita dia mpandositra avy amin' ny Efraima ao amin' ny taranak' i Efraima sy Manase. Dia namory ny lehilahy rehetra amin' i Galaada Jefte, ka niady tamin' i Efraima. Noresen' ny lehilahin' i Galaada ny an' i Efraima izay efa nilaza nanao hoe: Hianareo, ry Galaadita, dia mpandositra fotsiny avy amin' i Efraima, ao afovoan' i Efraima sy Manase. Alors Jephté rassembla tous les hommes de Galaad, il livra bataille à Éphraïm et les gens de Galaad défirent Éphraïm, car ceux-ci disaient : " Vous n'êtes que des fuyards d'Éphraïm, vous, Galaadites, au milieu d'Éphraïm, au milieu de Manassé! "
Mts / Mpits 12:5 And the Gileadites took the passages of Jordan before the Ephraimites: and it was so, that when those Ephraimites which were escaped said, Let me go over; that the men of Gilead said unto him, Art thou an Ephraimite? If he said, Nay; Dia novonjen' ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin' ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin' ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin' ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia, Dia azon i Galaada ny fitàna an' i Jordany ao amin' ny lafin' i Efraima, ka raha misy mpandositra avy amin' i Efraima manao hoe: Avelao kely aho mba hita, dia anontanian' ny lehilahin' i Galaada izy hoe: Efraimita va hianao? Ary mamaly izy manao hoe: Tsia. Puis Galaad coupa à Éphraïm les gués du Jourdain, et quand les fuyards d'Éphraïm disaient : " Laissez-moi passer ", les gens de Galaad demandaient : " Es-tu Éphraïmite ? " S' il répondait : " Non "
Mts / Mpits 12:6 Then said they unto him, Say now Shibboleth: and he said Sibboleth: for he could not frame to pronounce it right. Then they took him, and slew him at the passages of Jordan: and there fell at that time of the Ephraimites forty and two thousand. dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin' ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin' izany andro izany. Dia ahoy izy ireo manao hoe: Tonòny àry ny hoe: Skiboleta. Ary izy kosa manao hoe: Sibòleta, fa tsy hainy tononina tsara izany; dia samboriny sy vonoiny eo anilan' ny fitàna an' i Jordany. Nisy roa arivo sy efatra alina ny lehilahin' i Efraima maty tamin' izany andro izany. alors ils lui disaient : " Eh bien, dis Shibbolet! " Il disait : " Sibbolet " car il n' arrivait pas à prononcer ainsi. Alors on le saisissait et on l'égorgeait près des gués du Jourdain. Il tomba en ce temps-là quarante-deux mille hommes d'Éphraïm.
Mts / Mpits 12:7 And Jephthah judged Israel six years. Then died Jephthah the Gileadite, and was buried in one of the cities of Gilead. Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin' ny tanana anankiray any Gileada. Nitsara an' Israely enin-taona Jefte; rahefa izany dia maty Jefte, Galaadita, ka nalevina tao amin' ny anankiray amin' ny tanànan' i Galaada. Jephté jugea Israël pendant six ans, puis Jephté le Galaadite mourut et il fut enseveli dans sa ville, en Galaad.
Mts / Mpits 12:8 And after him Ibzan of Bethlehem judged Israel. Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an' i Jefta. Ary taorian' izy io dia Abesàna, avy any Betleema, no mpitsara tamin' Israely. Après lui Ibçân de Bethléem fut juge en Israël.
Mts / Mpits 12:9 And he had thirty sons, and thirty daughters, whom he sent abroad, and took in thirty daughters from abroad for his sons. And he judged Israel seven years. Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an' ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy. Nanan-janaka telopolo lahy izy; ary zanay vavy telopolo no nampanambadiany tany ivelan' ny fianakaviany; ary ny zanay lahy kosa nangalany zazavavy telopolo avy any ivelany. Nandritra ny fito taona izy no mpitsara tamin' Israely. Il avait trente fils et trente filles. Il maria celles-ci au dehors et il fit venir du dehors trente brus pour ses fils. Il fut juge en Israël pendant sept ans.
Mts / Mpits 12:10 Then died Ibzan, and was buried at Bethlehem. Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema. Rahefa izany dia maty Abesàna ka nalevina tany Betleema. Puis Ibçân mourut et il fut enseveli à Bethléem.
Mts / Mpits 12:11 And after him Elon, a Zebulonite, judged Israel; and he judged Israel ten years. Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy. Taorian' izy io dia Ahialona avy any Zabolona no mpitsara tamin' Israely. Nandritra ny folo taona izy no mpitsara tamin' Israely. Après lui Élôn de Zabulon fut juge en Israël. Il jugea Israël pendant dix ans.
Mts / Mpits 12:12 And Elon the Zebulonite died, and was buried in Aijalon in the country of Zebulun. Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin' ny tanin' ny Zebolona. Rahefa izany dia maty Ahialona avy any Zabolona ka nalevina tao Ajalona amin' ny tanin' i Zabolona. Puis Élôn de Zabulon mourut et fut enseveli à Ayyalôn au pays de Zabulon.
Mts / Mpits 12:13 And after him Abdon the son of Hillel, a Pirathonite, judged Israel. Ary Abdona, zanak' i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy. Taorian' izy io, dia Abdòna, zanak' Ilela, avy any Faratòna, no mpitsara tamin' Israely. Après lui Abdôn, fils de Hillel de Piréatôn, fut juge en Israël.
Mts / Mpits 12:14 And he had forty sons and thirty nephews, that rode on threescore and ten ass colts: and he judged Israel eight years. Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona. Nanan-janaka efapolo lahy sy zafy telopolo lahy izy, izay nitaingina zanak' ampondra fitopolo. Il avait quarante fils et trente petits-fils qui montaient soixante-dix ânons. Il jugea Israël pendant huit ans.
Mts / Mpits 12:15 And Abdon the son of Hillel the Pirathonite died, and was buried in Pirathon in the land of Ephraim, in the mount of the Amalekites. Dia maty Abdona, zanak' i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin' ny tanin' ny Efraima any amin' ny tany havoan' ny Amalekita. Nandritra ny valo taona izy no mpitsara tamin' Israely. Puis Abdôn, fils de Hillel de Piréatôn, mourut et il fut enseveli à Piréatôn, au pays d'Éphraïm, dans la montagne des Amalécites.
Mts / Mpits 12:16 Rahefa izany dia maty Abdòna zanak' Ilela, avy ao Faratòna, ka nalevina tao Faratòna amin' ny tanin' i Efraima any amin' ny tendrombohitry ny Amalesita.

<-
->