|
|
|
|

Entry (1/3)1  raha
Part of speech  2  conjunction [Full list]
Explanations in Malagasy  3 Mitarika fehezan-kevitra izay milaza fepetra iankinan' ny fahatanterahan' ny fehezan-kevitra iray hafa: Raha mihira ianao dia homeko vola [1.1]
Explanations in English  4 when, if [1.2, 1.7]
5 as for, since [1.2]
6 when and if [1.7]
Explanations in French  7 si, quand [1.3#498, 1.8]
8 lorsque [1.3#498]
Examples  9  raha sakafo no manimanitra, mazoto homana ny mpihinana. [2.470]
Analogs  10  fony, 11  nony, 12  rehefa
All compound words  13  42 combinations of this word

Entry (2/3)14  raha
Part of speech  15  noun
Explanations in Malagasy  16 zavatra [Tambahoaka, Taisaka, Bezanozano, Sihanaka, Tanala] [1.78]
17 anona [Tanala] [1.78]
18 Teny fahita indrindra any anindran-tany entina hilazana fanahy tsy fantatra, izay matetika manimba na mety hanimba: Misy raha ao anatin' io rano io
19 Teny ilazana izay tsy tiana na tsy hay holazaina mazava tsara: Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha [1.1]
Explanations in English  20 for raharaha and zavatra [Provincial] [1.2#488]
Explanations in French  21 chose, comme zavatra [Provincial] [1.3#498]
22 substance [1.13]
23 quelque chose, chose, objet [Sakalava-Mayotte] [1.405]
All compound words  24  22 combinations of this word
Proverbs  25  Proverbs containing that word

Entry (3/3)26  Raha
Elementary words  27 raha
Part of speech  28  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  29  Literature: poems
Author  30 Ratany Samuël
Full text  31  [CR]
32  Raha sendra midona ny voalohan' orana,
33  Nefa ny ambiaty tsy mbola mitsiry ;
34  Raha vorona ompiana no tapa-patorana,
35  Kefa ny mpiompy tsy rototra firy;

36  Raha sendra ka ravan-tadio ny akany,
37  Kanefa tsy taitran' izany ny fody ;
38  Raha zaza tinaiza no re mitomany,
39  Ny reniny anefa tsy mahalala mody ;

40  Raha fo te-hiverina vonon-kifona,
41  Kinanjo mitodika voatsipi-drora;
42  Raha toa fanekena sendra midona,
43  Kanefa voatifitry ny harika mora ;

44  Raha volana maro no niandry fitia,
45  Kanefa tsy misy minitra hifaliana;
46  Raha toa efa tony ny rano maria,
47  Ny lakana anefa tsy manim-podiana;

48  Raha sendra mba taitra ny fo nanantena,
49  Kanefa ny tiana vao maika matory ;
50  Raha tiana ho tanteraka ilay fanenkena,
51  Kanefa voavadiky ny andro mahory;

52  Raha sendra mitsiky maraina ny lisy,
53  Kanefa tsy hita eo akaiky ny lolo
54  Nandrasako ho avy , kinanjo tsy nisy
55  Tandindona akory tonga hisolo

56  Ahoana ? Inona ary ny anton' izany ?
57  Miangatra ve ny lalàn' ny tany ?

58  Tsy izany tsy akory fa izao no efa didy,
59  Raha ny efa mivadika indray no mivalo,
60  Dia miova ny lahatra sy ny safidy
61  Ka lasa ho tompony ilay natakalo.

62  Raha toa mpisompatra indray no ho marina,
63  Izay no atao hoe : Fitia nangalarina;
64  Raha ny efa tsy tia no tiavina indray,
65  Aleo dia mamoy azy mandrakizay.

Anagrams  66 hara, 67 Raha, raha

Updated on 2025/11/13