<-
->

Jao / Jo 21:1 After these things Jesus shewed himself again to the disciples at the sea of Tiberias; and on this wise shewed he himself. Rehefa afaka izany, dia niseho tamin' ny mpianatra indray Jesosy teo amoron' ny Ranomasin' i Tiberiasy; ary toy izao no nisehoany: Taorian' izany, dia niseho tamin' ny mpianany teo amoron-dranomasin' i Tiberiady indray Jeso, ary toy izao no nisehoany. Après cela, Jésus se manifesta de nouveau aux disciples sur le bord de la mer de Tibériade. Il se manifesta ainsi.
Jao / Jo 21:2 There were together Simon Peter, and Thomas called Didymus, and Nathanael of Cana in Galilee, and the sons of Zebedee, and two other of his disciples. Niaraka Simona Petera sy Tomasy, izay atao hoe Didymo, sy Natanaela, ilay avy tany Kana any Galilia, sy ireo zanak' i Zebedio ary mpianatra roa lahy hafa koa. Tafaraka Simona Piera sy Tomà izay atao hoe Didimo, ary Natanaely izay avy tany Kanàn' i Galilea, mbamin' ireo zanak' i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. Simon-Pierre, Thomas, appelé Didyme, Nathanaèl, de Cana en Galilée, les fils de Zébédée et deux autres de ses disciples se trouvaient ensemble.
Jao / Jo 21:3 Simon Peter saith unto them, I go a fishing. They say unto him, We also go with thee. They went forth, and entered into a ship immediately; and that night they caught nothing. Hoy Simona Petera taminy: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, ary tamin' iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy. Fa hoy Simona Piera tamin' izy ireo: Handeha hanarato aho. Fa hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin' iny alina iny. Simon-Pierre leur dit : " Je m' en vais pêcher. " Ils lui dirent : " Nous venons nous aussi avec toi. " Ils sortirent, montèrent dans le bateau et, cette nuit-là, ils ne prirent rien.
Jao / Jo 21:4 But when the morning was now come, Jesus stood on the shore: but the disciples knew not that it was Jesus. Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesosy, kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy izany. Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano Jeso; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe Jeso izy. Or, le matin déjà venu, Jésus se tint sur le rivage ; pourtant les disciples ne savaient pas que c'était Jésus.
Jao / Jo 21:5 Then Jesus saith unto them, Children, have ye any meat? They answered him, No. Dia hoy Jesosy taminy: Anaka, manan-kanina va ianareo? Dia namaly Azy hoe izy: Tsia. Ka hoy Jeso tamin' izy ireo: Manan-kanina va hianareo, anaka? Dia hoy ny navaliny azy: Tsia. Jésus leur dit : " Les enfants, vous n' avez pas du poisson ? " Ils lui répondirent : " Non ! "
Jao / Jo 21:6 And he said unto them, Cast the net on the right side of the ship, and ye shall find. They cast therefore, and now they were not able to draw it for the multitude of fishes. Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin' ny sisiny ankavanan' ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo. Koa dia nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan' ny hazandrano. Alatsaho ao an-kavanan' ny sambo kely àry ny haratonareo, hoy izy tamin' izy ireo, fa hahazo hianareo. Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan' ny hazandrano. Il leur dit : " Jetez le filet à droite du bateau et vous trouverez. " Ils le jetèrent donc et ils n' avaient plus la force de le tirer, tant il était plein de poissons.
Jao / Jo 21:7 Therefore that disciple whom Jesus loved saith unto Peter, It is the Lord. Now when Simon Peter heard that it was the Lord, he girt his fisher' s coat unto him, (for he was naked,) and did cast himself into the sea. Ary hoy ny mpianatra izay tian' i Jesosy tamin' i Petera: Ny Tompo iry . Ary raha ren' i Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy niakanjo izy), ka nirotsaka teo amin' ny ranomasina izy. Ary hoy ilay mpianatra malalan' i Jeso tamin' i Piera: Ny Tompo io. Nony ren' i Simona Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny ka nirotsaka tamin' ny ranomasina izy. Le disciple que Jésus aimait dit alors à Pierre : " C' est le Seigneur ! " A ces mots : " C' est le Seigneur ! " Simon-Pierre mit son vêtement - car il était nu - et il se jeta à l' eau.
Jao / Jo 21:8 And the other disciples came in a little ship; (for they were not far from land, but as it were two hundred cubits,) dragging the net with fishes. Fa ny mpianatra sasany nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno hazandrano; fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho ihany. Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano. Les autres disciples, qui n'étaient pas loin de la terre, mais à environ deux cents coudées, vinrent avec la barque, traînant le filet de poissons.
Jao / Jo 21:9 As soon then as they were come to land, they saw a fire of coals there, and fish laid thereon, and bread. Raha vao nikatra teo an-tanety izy, dia nahita afon' arina teo sy hazandrano teo amboniny ary mofo. Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny ary mofo. Une fois descendus à terre, ils aperçoivent, disposé là, un feu de braise, avec du poisson dessus, et du pain.
Jao / Jo 21:10 Jesus saith unto them, Bring of the fish which ye have now caught. Hoy Jesosy taminy: Analao hazandrano amin' ireo vao azonareo teo. Ary hoy Jeso taminy: Itondray ny hazandrano vao azonareo. Jésus leur dit : " Apportez de ces poissons que vous venez de prendre. "
Jao / Jo 21:11 Simon Peter went up, and drew the net to land full of great fishes, an hundred and fifty and three: and for all there were so many, yet was not the net broken. Dia niakatra Simona Petera, ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimam-polo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza izy, dia tsy triatra ny harato. Dia niakatra Simona Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimam-polo amby zato; nefa tsy triatra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy. Alors Simon-Pierre monta dans le bateau et tira à terre le filet, plein de gros poissons : cent cinquante trois ; et quoiqu' il y en eût tant, le filet ne se déchira pas.
Jao / Jo 21:12 Jesus saith unto them, Come and dine. And none of the disciples durst ask him, Who art thou? knowing that it was the Lord. Hoy Jesosy taminy: Avia hisakafo. Fa tsy nisy mpianatra sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo Izy. Dia hoy Jeso tamin' izy ireo: Avia hisakafo. Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany azy hoe: Iza moa hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo io. Jésus leur dit : " Venez déjeuner. " Aucun des disciples n' osait lui demander : " Qui es-tu ? ", sachant que c'était le Seigneur.
Jao / Jo 21:13 Jesus then cometh, and taketh bread, and giveth them, and fish likewise. Ary tonga Jesosy, dia nandray ny mofo, ka natolony azy, dia vao ny hazandrano indray. Dia nanatona Jeso, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano. Jésus vient, il prend le pain et il le leur donne ; et de même le poisson.
Jao / Jo 21:14 This is now the third time that Jesus shewed himself to his disciples, after that he was risen from the dead. Izany no fanintelon' ny nisehoan' i Jesosy tamin' ny mpianatra, rehefa nitsangana tamin' ny maty Izy. Izay no fanintelony nisehoan' i Jeso tamin' ny mpianany, rahefa nitsangana tamin' ny maty izy. Ce fut là la troisième fois que Jésus se manifesta aux disciples, une fois ressuscité d' entre les morts.
Jao / Jo 21:15 So when they had dined, Jesus saith to Simon Peter, Simon, son of Jonas, lovest thou me more than these? He saith unto him, Yea, Lord; thou knowest that I love thee. He saith unto him, Feed my lambs. Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin' i Simona Petera: Simona, zanak' i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan' ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko. Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy Jeso tamin' i Simona Piera: Ry Simona zanak' i Joany, moa tia ahy mihoatra noho ireto va hianao? Ka hoy ny navaliny azy: Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: Fahano ny zanak' ondriko. Quand ils eurent déjeuné, Jésus dit à Simon-Pierre : " Simon, fils de Jean, m' aimes-tu plus que ceux-ci ? " Il lui répondit : " Oui, Seigneur, tu sais que je t' aime. " Jésus lui dit : " Pais mes agneaux. "
Jao / Jo 21:16 He saith to him again the second time, Simon, son of Jonas, lovest thou me? He saith unto him, Yea, Lord; thou knowest that I love thee. He saith unto him, Feed my sheep. Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak' i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko. Ary hoy indray izy taminy fanindroany: Ry Simona zanak' i Joany, moa tianao va aho? Ka hoy ny navaliny azy: Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: Fahano ny zanak' ondriko. Il lui dit à nouveau, une deuxième fois : " Simon, fils de Jean, m' aimes-tu ? " - " Oui, Seigneur, lui dit-il, tu sais que je t' aime. " Jésus lui dit : " Pais mes brebis. "
Jao / Jo 21:17 He saith unto him the third time, Simon, son of Jonas, lovest thou me? Peter was grieved because he said unto him the third time, Lovest thou me? And he said unto him, Lord, thou knowest all things; thou knowest that I love thee. Jesus saith unto him, Feed my sheep. Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak' i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko. Ary hoy indray izy taminy fanintelony: Ry Simona zanak' i Joany, moa tianao va aho? Dia nalahelo Piera fa nontaniany fanintelony hoe: Moa tia ahy va hianao? ka hoy izy taminy: Hianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: fahano àry ny reniondriko. Il lui dit pour la troisième fois : " Simon, fils de Jean, m' aimes-tu ? " Pierre fut peiné de ce qu' il lui eût dit pour la troisième fois : " M' aimes-tu ? ", et il lui dit : " Seigneur, tu sais tout, tu sais bien que je t' aime. " Jésus lui dit : " Pais mes brebis.
Jao / Jo 21:18 Verily, verily, I say unto thee, When thou wast young, thou girdest thyself, and walkedst whither thou wouldest: but when thou shalt be old, thou shalt stretch forth thy hands, and another shall gird thee, and carry thee whither thou wouldest not. Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin' izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin' izay tsy tianao. Lazaiko marina dia marina aminao: Fony mbola tanora hianao, dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin' izay tianao haleha; fa rahefa antitra kosa hianao, dia hiraviravy ny tànanao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin' izay tsy tianao. En vérité, en vérité, je te le dis, quand tu étais jeune, tu mettais toi-même ta ceinture, et tu allais où tu voulais ; quand tu auras vieilli, tu étendras les mains, et un autre te ceindra et te mènera où tu ne voudrais pas. "
Jao / Jo 21:19 This spake he, signifying by what death he should glorify God. And when he had spoken this, he saith unto him, Follow me. Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban' ny fahafatesana izay hankalazany an' Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Izy no nilaza izany dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan' i Piera voninahitra an' Andriamanitra. Ary rahefa nilaza izany izy, dia nanao taminy hoe: Manaraha ahy. Il signifiait, en parlant ainsi, le genre de mort par lequel Pierre devait glorifier Dieu. Ayant dit cela, il lui dit : " Suis-moi. "
Jao / Jo 21:20 Then Peter, turning about, seeth the disciple whom Jesus loved following; which also leaned on his breast at supper, and said, Lord, which is he that betrayeth thee? Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian' i Jesosy manaraka, dia ilay niankina tamin' ny tratrany tamin' ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao? Nony nitodika Piera, dia hitany teo aoriany ilay mpianatra malalan' i Jeso izay niankina tamin' ny tratrany teo am-pisakafoana sy nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika anao? Se retournant, Pierre aperçoit, marchant à leur suite, le disciple que Jésus aimait, celui-là même qui, durant le repas, s'était penché sur sa poitrine et avait dit : " Seigneur, qui est-ce qui te livre ? "
Jao / Jo 21:21 Peter seeing him saith to Jesus, Lord, and what shall this man do? Koa rehefa nahita azy Petera, dia hoy izy: Tompoko, inona no ho amin' ity lehilahy ity? Ary nony nahita azy Piera dia hoy izy tamin' i Jeso: Tompoko, mba inona kosa no ho anjaran' ity? Le voyant donc, Pierre dit à Jésus : " Seigneur, et lui ? "
Jao / Jo 21:22 Jesus saith unto him, If I will that he tarry till I come, what is that to thee? follow thou me. Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao. Dia hoy Jeso taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, mampaninona anao izany? Fa manaraha ahy hianao. Jésus lui dit : " Si je veux qu' il demeure jusqu'à ce que je vienne, que t' importe ? Toi, suis-moi. "
Jao / Jo 21:23 Then went this saying abroad among the brethren, that that disciple should not die: yet Jesus said not unto him, He shall not die; but, If I will that he tarry till I come, what is that to thee? Ary niely tamin' ny rahalahy izany teny izany, fa tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesosy tsy nilaza taminy fa tsy ho faty izy, fa: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? Dia niely tamin' ny rahalahy fa hoe tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jeso tsy nilaza hoe tsy ho faty izy, fa hoe: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, mampaninona anao izany? Le bruit se répandit alors chez les frères que ce disciple ne mourrait pas. Or Jésus n' avait pas dit à Pierre : " Il ne mourra pas ", mais : " Si je veux qu' il demeure jusqu'à ce que je vienne. "
Jao / Jo 21:24 This is the disciple which testifieth of these things, and wrote these things: and we know that his testimony is true. Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany. Izy no ilay mpianatra manambara izany sy nanoratra azy, ary fantatsika fa marina ny filazany. C' est ce disciple qui témoigne de ces faits et qui les a écrits, et nous savons que son témoignage est véridique.
Jao / Jo 21:25 And there are also many other things which Jesus did, the which, if they should be written every one, I suppose that even the world itself could not contain the books that should be written. Amen. Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon' i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra. Maro koa ny zavatra hafa nataon' i Jeso, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana. Il y a encore bien d' autres choses qu' a faites Jésus. Si on les mettait par écrit une à une, je pense que le monde lui-même ne suffirait pas à contenir les livres qu' on en écrirait.

<-
->