<-
->

Jao / Jo 15:1 I am the true vine, and my Father is the husbandman. Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra. Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly. " Je suis la vigne véritable et mon Père est le vigneron.
Jao / Jo 15:2 Every branch in me that beareth not fruit he taketh away: and every branch that beareth fruit, he purgeth it, that it may bring forth more fruit. Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa. Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa. Tout sarment en moi qui ne porte pas de fruit, il l' enlève, et tout sarment qui porte du fruit, il l'émonde, pour qu' il porte encore plus de fruit.
Jao / Jo 15:3 Now ye are clean through the word which I have spoken unto you. Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo. Efa madio hianareo izao, noho ny fampianarana nataoko taminareo. Déjà vous êtes purs grâce à la parole que je vous ai fait entendre.
Jao / Jo 15:4 Abide in me, and I in you. As the branch cannot bear fruit of itself, except it abide in the vine; no more can ye, except ye abide in me. Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin' ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko. Mitomoera ao amiko, ary izaho hitoetra ao aminareo. Fa ny sampana izay tsy miray amin' ny foto-boaloboka tsy mahazo mamoa ho azy, ary toy izany koa hianareo raha tsy mitoetra ao amiko. Demeurez en moi, comme moi en vous. De même que le sarment ne peut de lui-même porter du fruit s' il ne demeure pas sur la vigne, ainsi vous non plus, si vous ne demeurez pas en moi.
Jao / Jo 15:5 I am the vine, ye are the branches: He that abideth in me, and I in him, the same bringeth forth much fruit: for without me ye can do nothing. Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. Izaho no foto-boaloboka, ary hianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona hianareo. Je suis la vigne ; vous, les sarments. Celui qui demeure en moi, et moi en lui, celui-là porte beaucoup de fruit ; car hors de moi vous ne pouvez rien faire.
Jao / Jo 15:6 If a man abide not in me, he is cast forth as a branch, and is withered; and men gather them, and cast them into the fire, and they are burned. Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may. Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may. Si quelqu' un ne demeure pas en moi, il est jeté dehors comme le sarment et il se dessèche ; on les ramasse et on les jette au feu et ils brûlent.
Jao / Jo 15:7 If ye abide in me, and my words abide in you, ye shall ask what ye will, and it shall be done unto you. Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. Raha mitoetra ao amiko hianareo ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo hianareo, ka hatao aminareo izany. Si vous demeurez en moi et que mes paroles demeurent en vous, demandez ce que vous voudrez, et vous l' aurez.
Jao / Jo 15:8 Herein is my Father glorified, that ye bear much fruit; so shall ye be my disciples. Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo. Ho voninahitra ho an' ny Raiko raha mamoa be hianareo sy tonga mpianatro. C' est la gloire de mon Père que vous portiez beaucoup de fruit et deveniez mes disciples.
Jao / Jo 15:9 As the Father hath loved me, so have I loved you: continue ye in my love. Tahaka ny nitiavan' ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin' ny fitiavako ianareo. Tahaka ny nitiavan' ny Ray ahy no nitiavako anareo koa, ka mitomoera amin' ny fitiavako hianareo. Comme le Père m' a aimé, moi aussi je vous ai aimés. Demeurez en mon amour.
Jao / Jo 15:10 If ye keep my commandments, ye shall abide in my love; even as I have kept my Father' s commandments, and abide in his love. Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin' ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin' ny Raiko sy ny itoerako amin' ny fitiavany. Raha mitandrina ny didiko hianareo no hitoetra amin' ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin' ny Raiko sy itoerako amin' ny fitiavany. Si vous gardez mes commandements, vous demeurerez en mon amour, comme moi j' ai gardé les commandements de mon Père et je demeure en son amour.
Jao / Jo 15:11 These things have I spoken unto you, that my joy might remain in you, and that your joy might be full. Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo. Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo. Je vous dis cela pour que ma joie soit en vous et que votre joie soit complète.
Jao / Jo 15:12 This is my commandment, That ye love one another, as I have loved you. Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Voici quel est mon commandement : vous aimer les uns les autres comme je vous ai aimés.
Jao / Jo 15:13 Greater love hath no man than this, that a man lay down his life for his friends. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an' ny sakaizany. Nul n' a plus grand amour que celui-ci : donner sa vie pour ses amis.
Jao / Jo 15:14 Ye are my friends, if ye do whatsoever I command you. Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. Hianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo. Vous êtes mes amis, si vous faites ce que je vous commande.
Jao / Jo 15:15 Henceforth I call you not servants; for the servant knoweth not what his lord doeth: but I have called you friends; for all things that I have heard of my Father I have made known unto you. Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon' ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin' ny Raiko no nambarako taminareo. Tsy ataoko hoe mpanompo intsony hianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon' ny tompony fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin' ny Raiko. Je ne vous appelle plus serviteurs, car le serviteur ne sait pas ce que fait son maître ; mais je vous appelle amis, parce que tout ce que j' ai entendu de mon Père, je vous l' ai fait connaître.
Jao / Jo 15:16 Ye have not chosen me, but I have chosen you, and ordained you, that ye should go and bring forth fruit, and that your fruit should remain: that whatsoever ye shall ask of the Father in my name, he may give it you. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan' ny vokatrareo, mba homen' ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin' ny anarako na inona na inona. Tsy hianareo no nifidy ahy, fa izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan' ny vokatrareo, sy hanomezan' ny Raiko anareo izay rehetra angatahinareo amin' ny anarako. Ce n' est pas vous qui m' avez choisi ; mais c' est moi qui vous ai choisis et vous ai établis pour que vous alliez et portiez du fruit et que votre fruit demeure, afin que tout ce que vous demanderez au Père en mon nom, il vous le donne.
Jao / Jo 15:17 These things I command you, that ye love one another. Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo. Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo. Ce que je vous commande, c' est de vous aimer les uns les autres.
Jao / Jo 15:18 If the world hate you, ye know that it hated me before it hated you. Raha halan' izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. Raha halan' izao tontolo izao hianareo, dia fantaro fa izaho no halany talohanareo. Si le monde vous hait, sachez que moi, il m' a pris en haine avant vous.
Jao / Jo 15:19 If ye were of the world, the world would love his own: but because ye are not of the world, but I have chosen you out of the world, therefore the world hateth you. Raha naman' izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman' izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin' izao tontolo izao, dia halan' izao tontolo izao ianareo. Raha olon' izao tontolo izao hianareo, dia hotian' izao tontolo izao izay azy; fa noho hianareo tsy olon' izao tontolo izao, dia halan' izao tontolo izao hianareo. Si vous étiez du monde, le monde aimerait son bien ; mais parce que vous n'êtes pas du monde, puisque mon choix vous a tirés du monde, pour cette raison, le monde vous hait.
Jao / Jo 15:20 Remember the word that I said unto you, The servant is not greater than his lord. If they have persecuted me, they will also persecute you; if they have kept my saying, they will keep yours also. Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony. Raha nenjehina aho, dia hoenjehina koa hianareo; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. Rappelez-vous la parole que je vous ai dite : Le serviteur n' est pas plus grand que son maître. S' ils m' ont persécuté, vous aussi ils vous persécuteront ; s' ils ont gardé ma parole, la vôtre aussi ils la garderont.
Jao / Jo 15:21 But all these things will they do unto you for my name' s sake, because they know not him that sent me. Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy. Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny anarako, satria tsy fantany ilay naniraka ahy. Mais tout cela, ils le feront contre vous à cause de mon nom, parce qu' ils ne connaissent pas celui qui m' a envoyé.
Jao / Jo 15:22 If I had not come and spoken unto them, they had not had sin: but now they have no cloak for their sin. Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialàna azony atao ny amin' ny helony. Raha tsy tonga aho ka tsy niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny tsy manana fialan-tsiny izy amin' ny fahotany. Si je n'étais pas venu et ne leur avais pas parlé, ils n' auraient pas de péché ; mais maintenant ils n' ont pas d' excuse à leur péché.
Jao / Jo 15:23 He that hateth me hateth my Father also. Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa. Izay mankahala ahy dia mankahala ny Raiko koa. Qui me hait, hait aussi mon Père.
Jao / Jo 15:24 If I had not done among them the works which none other man did, they had not had sin: but now have they both seen and hated both me and my Father. Raha tsy nataoko teo aminy Izay asa tsy nataon' olona, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa hitany sady efa halany Ahy sy ny Raiko koa; Raha tsy nataoko teo aminy izay asa tsy nataon' olona na iza na iza, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa nahita izy sady efa nankahala ahy sy ny Raiko. Si je n' avais pas fait parmi eux les oeuvres que nul autre n' a faites, ils n' auraient pas de péché ; mais maintenant ils ont vu et ils nous haïssent, et moi et mon Père.
Jao / Jo 15:25 But this cometh to pass, that the word might be fulfilled that is written in their law, They hated me without a cause. fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin' ny lalàny hoe: Halany foana Aho (Sal. 69. 4; 109. 3). Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny teny voasoratra ao amin' ny Lalàny hoe: Nankahala ahy foana izy ireo. Mais c' est pour que s' accomplisse la parole écrite dans leur Loi : Ils m' ont haï sans raison.
Jao / Jo 15:26 But when the Comforter is come, whom I will send unto you from the Father, even the Spirit of truth, which proceedeth from the Father, he shall testify of me: Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin' ny Ray, dia ny Fanahin' ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin' ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. Rahefa tonga ny Mpanafaka alahelo izay hirahiko aminareo avy amin' ny Ray, na ny Fanahin' ny fahamarinana izay avy amin' ny Ray, dia izy no hanambara ahy. Lorsque viendra le Paraclet, que je vous enverrai d' auprès du Père, l' Esprit de vérité, qui vient du Père, il me rendra témoignage.
Jao / Jo 15:27 And ye also shall bear witness, because ye have been with me from the beginning. Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin' ny voalohany. Ary hianareo koa hanambara, satria teo amiko hatramin' ny voalohany hianareo. Mais vous aussi, vous témoignerez, parce que vous êtes avec moi depuis le commencement.

<-
->