<-
->

Jao / Jo 16:1 These things have I spoken unto you, that ye should not be offended. Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo. Izaho no nilaza izany taminareo dia ny mba tsy hahatafintohina anareo. Je vous ai dit cela pour vous éviter le scandale.
Jao / Jo 16:2 They shall put you out of the synagogues: yea, the time cometh, that whosoever killeth you will think that he doeth God service. Handroaka anareo hiala amin' ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon' izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an' Andriamanitra izy. Fa horoahiny amin' ny sinagoga hianareo, ary ho avy aza ny andro hiheveran' izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an' Andriamanitra. On vous exclura des synagogues. Bien plus, l' heure vient où quiconque vous tuera pensera rendre un culte à Dieu.
Jao / Jo 16:3 And these things will they do unto you, because they have not known the Father, nor me. Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho. Izy no hanao izany aminareo, dia satria tsy misy fantany na ny Ray na izaho. Et cela, ils le feront pour n' avoir reconnu ni le Père ni moi.
Jao / Jo 16:4 But these things have I told you, that when the time shall come, ye may remember that I told you of them. And these things I said not unto you at the beginning, because I was with you. Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan' androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin' ny voalohany izany, satria mbola tatý aminareo ihany Aho. Ary izaho no nilaza izany taminareo kosa, dia mba hahatsiarovanareo, rahefa tonga ny fotoana fa efa voalazako taminareo izany. Mais je vous ai dit cela, pour qu' une fois leur heure venue, vous vous rappeliez que je vous l' ai dit. " Je ne vous ai pas dit cela dès le commencement, parce que j'étais avec vous.
Jao / Jo 16:5 But now I go my way to him that sent me; and none of you asketh me, Whither goest thou? Fa ankehitriny mankany amin' izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao? Tsy mbola nolazaiko taminareo izany tamin' ny voalohany, satria mbola teto aminareo aho; fa ankehitriny handeha ho any amin' ilay naniraka ahy aho, ka tsy misy aminareo manontany hoe: Ho aiza hianao? Mais maintenant je m' en vais vers celui qui m' a envoyé et aucun de vous ne me demande : "Où vas-tu ?"
Jao / Jo 16:6 But because I have said these things unto you, sorrow hath filled your heart. Fa satria nilaza izany taminareo Aho, dia vonton' alahelo ny fonareo. Fa noho izaho nilaza izany taminareo, dia feno alahelo ny fonareo. Mais parce que je vous ai dit cela, la tristesse remplit vos coeurs.
Jao / Jo 16:7 Nevertheless I tell you the truth; It is expedient for you that I go away: for if I go not away, the Comforter will not come unto you; but if I depart, I will send him unto you. Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy. Milaza ny marina aminareo anefa aho fa mahasoa anareo ny handehanako; satria raha tsy mandeha aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo; fa raha mandeha aho, dia haniraka azy ho atý aminareo. Cependant je vous dis la vérité : c' est votre intérêt que je parte ; car si je ne pars pas, le Paraclet ne viendra pas vers vous ; mais si je pars, je vous l' enverrai.
Jao / Jo 16:8 And when he is come, he will reprove the world of sin, and of righteousness, and of judgment: Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana: Ary rahefa tonga izy, dia handresy lahatra an' izao tontolo izao ny amin' ny fahotana, sy ny amin' ny fahamarinana, ary ny amin' ny fitsarana: Et lui, une fois venu, il établira la culpabilité du monde en fait de péché, en fait de justice et en fait de jugement :
Jao / Jo 16:9 Of sin, because they believe not on me; ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy; ny amin' ny fahotana, satria tsy mino ahy izy ireo; de péché, parce qu' ils ne croient pas en moi ;
Jao / Jo 16:10 Of righteousness, because I go to my Father, and ye see me no more; ny fahamarinana, satria mankany amin' ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo; ny amin' ny fahamarinana, satria mankany amin' ny Ray aho, ka tsy ho hitanareo intsony; de justice, parce que je vais vers le Père et que vous ne me verrez plus ;
Jao / Jo 16:11 Of judgment, because the prince of this world is judged. ny fitsarana, satria ny andrianan' izao tontolo izao dia efa voatsara. ary ny amin' ny fitsarana, satria voatsara sahady ny mpanapaka izao tontolo izao. de jugement, parce que le Prince de ce monde est jugé.
Jao / Jo 16:12 I have yet many things to say unto you, but ye cannot bear them now. Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny; J' ai encore beaucoup à vous dire, mais vous ne pouvez pas le porter à présent.
Jao / Jo 16:13 Howbeit when he, the Spirit of truth, is come, he will guide you into all truth: for he shall not speak of himself; but whatsoever he shall hear, that shall he speak: and he will shew you things to come. Fa raha tonga ny Fanahin' ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin' ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. fa rahefa tonga ny Fanahin' ny fahamarinana, dia izy no hitaridàlana anareo amin' ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho azy izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Mais quand il viendra, lui, l' Esprit de vérité, il vous introduira dans la vérité tout entière ; car il ne parlera pas de lui-même, mais ce qu' il entendra, il le dira et il vous dévoilera les choses à venir.
Jao / Jo 16:14 He shall glorify me: for he shall receive of mine, and shall shew it unto you. Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin' ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo. Hanome voninahitra ahy izy, satria handray ny avy amiko ka hanambara izany aminareo. Lui me glorifiera, car c' est de mon bien qu' il recevra et il vous le dévoilera.
Jao / Jo 16:15 All things that the Father hath are mine: therefore said I, that he shall take of mine, and shall shew it unto you. Izay rehetra ananan' ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin' ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo. Ahy izay rehetra ananan' ny Raiko, ka izany no nanaovako hoe: Handray ny avy amiko izy ka hanambara izany aminareo. Tout ce qu' a le Père est à moi. Voilà pourquoi j' ai dit que c' est de mon bien qu' il reçoit et qu' il vous le dévoilera.
Jao / Jo 16:16 A little while, and ye shall not see me: and again, a little while, and ye shall see me, because I go to the Father. Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo. Rahefa afaka kelikely, dia tsy hahita ahy intsony hianareo; ary rahefa afaka kelikely indray, dia hahita ahy hianareo, satria mankany amin' ny Ray aho. " Encore un peu et vous ne me verrez plus et puis un peu encore et vous me verrez. "
Jao / Jo 16:17 Then said some of his disciples among themselves, What is this that he saith unto us, A little while, and ye shall not see me: and again, a little while, and ye shall see me: and, Because I go to the Father? Ary ny mpianany sasany niresaka hoe: Inona izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo, ary, satria mankany amin' ny Ray Aho? Tamin' izay ny mpianany sasany dia nifampilaza hoe: Ahoana no ilazany amintsika hoe: Rahefa afaka kelikely, dia tsy hahita ahy intsony hianareo; ary rahefa afaka kelikely indray, dia hahita ahy hianareo, satria mankany amin' ny Ray aho? Quelques-uns de ses disciples se dirent entre eux : " Qu' est-ce qu' il nous dit là : "Encore un peu et vous ne me verrez plus et puis un peu encore et vous me verrez", et : "Je vais vers le Père" ? "
Jao / Jo 16:18 They said therefore, What is this that he saith, A little while? we cannot tell what he saith. Ary hoy koa ireo: Inona izany lazainy hoe vetivety foana izany? Tsy fantatsika izay lazainy. Dia hoy izy ireo: Inona izany lazainy hoe: Rahefa afaka kelikely? Tsy fantatsika izay lazainy. Ils disaient : " Qu' est-ce que ce : "un peu " ? Nous ne savons pas ce qu' il veut dire. "
Jao / Jo 16:19 Now Jesus knew that they were desirous to ask him, and said unto them, Do ye enquire among yourselves of that I said, A little while, and ye shall not see me: and again, a little while, and ye shall see me? Ary Jesosy nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy Izy taminy: Mifanontany va ianareo, satria hoy Izaho: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo? Ary fantatr' i Jeso fa ta-hanontany azy izy ireo, ka hoy izy taminy: Hianareo mifanontany ny amin' ny teniko hoe: Rahefa afaka kelikely, dia tsy hahita ahy intsony hianareo; ary rahefa afaka kelikely indray, dia hahita ahy hianareo. Jésus comprit qu' ils voulaient le questionner et il leur dit : " Vous vous interrogez entre vous sur ce que j' ai dit : "Encore un peu et vous ne me verrez plus et puis un peu encore et vous me verrez. "
Jao / Jo 16:20 Verily, verily, I say unto you, That ye shall weep and lament, but the world shall rejoice: and ye shall be sorrowful, but your sorrow shall be turned into joy. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana. lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo hianareo, ary hifaly izao tontolo izao; halahelo hianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo. En vérité, en vérité, je vous le dis, vous pleurerez et vous vous lamenterez, et le monde se réjouira ; vous serez tristes, mais votre tristesse se changera en joie.
Jao / Jo 16:21 A woman when she is in travail hath sorrow, because her hour is come: but as soon as she is delivered of the child, she remembereth no more the anguish, for joy that a man is born into the world. Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin' ny tany. Ory ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; nefa tsy tsaroany intsony izay fahoriany rahefa teraka izy, noho ny hafaliany fa hoe misy olona teraka amin' izao tontolo izao. La femme, sur le point d' accoucher, s' attriste parce que son heure est venue ; mais lorsqu' elle a donné le jour à l' enfant, elle ne se souvient plus des douleurs, dans la joie qu' un homme soit venu au monde.
Jao / Jo 16:22 And ye now therefore have sorrow: but I will see you again, and your heart shall rejoice, and your joy no man taketh from you. Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo. Manana alahelo koa hianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray hianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo. Vous aussi, maintenant vous voilà tristes ; mais je vous verrai de nouveau et votre coeur sera dans la joie, et votre joie, nul ne vous l' enlèvera.
Jao / Jo 16:23 And in that day ye shall ask me nothing. Verily, verily, I say unto you, Whatsoever ye shall ask the Father in my name, he will give it you. Ary amin' izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin' ny Ray dia homeny anareo amin' ny anarako izany. Amin' izany andro izany dia tsy hanontany ahy na inona na inona intsony hianareo. Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin' ny Ray, dia homeny anareo amin' ny anarako. Ce jour-là, vous ne me poserez aucune question. En vérité, en vérité, je vous le dis, ce que vous demanderez au Père, il vous le donnera en mon nom.
Jao / Jo 16:24 Hitherto have ye asked nothing in my name: ask, and ye shall receive, that your joy may be full. Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin' ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo. Mandraka ankehitriny dia mbola tsy nangataka na inona na inona tamin' ny anarako hianareo; mangataha àry, dia hahazo hianareo, ka ho tanteraka ny fifalianareo. Jusqu'à présent vous n' avez rien demandé en mon nom ; demandez et vous recevrez, pour que votre joie soit complète.
Jao / Jo 16:25 These things have I spoken unto you in proverbs: but the time cometh, when I shall no more speak unto you in proverbs, but I shall shew you plainly of the Father. Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny andro izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin' ny Ray. Fanoharana no nilazako izany taminareo; fa avy ny andro tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako aminareo miharihary ny amin' ny ray. Tout cela, je vous l' ai dit en figures. L' heure vient où je ne vous parlerai plus en figures, mais je vous entretiendrai du Père en toute clarté.
Jao / Jo 16:26 At that day ye shall ask in my name: and I say not unto you, that I will pray the Father for you: Amin' izany andro izany dia hangataka amin' ny anarako ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin' ny Ray ho anareo; Amin' izany andro izany dia hangataka amin' ny anarako hianareo, ary izaho tsy milaza aminareo fa hangataka ho anareo amin' ny Ray aho, Ce jour-là, vous demanderez en mon nom et je ne vous dis pas que j' interviendrai pour vous auprès du Père,
Jao / Jo 16:27 For the Father himself loveth you, because ye have loved me, and have believed that I came out from God. fa ny Ray dia tia anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin' ny Ray Aho. satria ny Ray tia anareo koa noho ny nitiavanareo ahy sy ninoanareo fa avy amin' Andriamanitra aho. car le Père lui-même vous aime, parce que vous m' aimez et que vous croyez que je suis sorti d' auprès de Dieu.
Jao / Jo 16:28 I came forth from the Father, and am come into the world: again, I leave the world, and go to the Father. Eny, nivoaka avy tamin' ny Ray Aho ka tonga amin' izao tontolo izao; ary hiala amin' izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin' ny Ray. Avy amin' ny Ray no tonga amin' izao tontolo izao aho; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin' ny Ray aho. Je suis sorti d' auprès du Père et venu dans le monde. A présent je quitte le monde et je vais vers le Père. "
Jao / Jo 16:29 His disciples said unto him, Lo, now speakest thou plainly, and speakest no proverb. Hoy ny mpianany: Indro, milaza tsotra Hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory. Dia hoy ny mpianany taminy: Indro milaza tsotra hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory. Ses disciples lui disent : " Voilà que maintenant tu parles en clair et sans figures !
Jao / Jo 16:30 Now are we sure that thou knowest all things, and needest not that any man should ask thee: by this we believe that thou camest forth from God. Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin' Andriamanitra Hianao. Fantatray amin' izao fa mahalala ny zavatra rehetra hianao, ka tsy mila hanontanian' olona: izany no inoanay fa avy amin' Andriamanitra hianao. Nous savons maintenant que tu sais tout et n' as pas besoin qu' on te questionne. A cela nous croyons que tu es sorti de Dieu. "
Jao / Jo 16:31 Jesus answered them, Do ye now believe? Jesosy namaly azy hoe: Mino va ianareo ankehitriny? Jeso namaly azy hoe: Mino ange hianareo ankehitriny? Jésus leur répondit : " Vous croyez à présent ?
Jao / Jo 16:32 Behold, the hour cometh, yea, is now come, that ye shall be scattered, every man to his own, and shall leave me alone: and yet I am not alone, because the Father is with me. Indro, avy ny andro, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin' ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko. Indro avy ny andro, na efa tonga sahady aza, izay hielezanareo samy ho any amin' izay halehany avy, sy handaozanareo ahy ho irery; nefa tsy irery aho tsy akory, fa ato amiko ny Ray. Voici venir l' heure - et elle est venue - où vous serez dispersés chacun de votre côté et me laisserez seul. Mais je ne suis pas seul : le Père est avec moi.
Jao / Jo 16:33 These things I have spoken unto you, that in me ye might have peace. In the world ye shall have tribulation: but be of good cheer; I have overcome the world. Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atý amin' izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao. Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana hianareo eto amin' izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an' izao tontolo izao aho. Je vous ai dit ces choses, pour que vous ayez la paix en moi. Dans le monde vous aurez à souffrir. Mais gardez courage ! J' ai vaincu le monde. "

<-
->