<-
->

Jao / Jo 11:1 Now a certain man was sick, named Lazarus, of Bethany, the town of Mary and her sister Martha. Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan' i Maria sy Marta rahavaviny. Nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazara avy any Betania, vohitr' i Maria sy Marta rahavaviny. Il y avait un malade, Lazare, de Béthanie, le village de Marie et de sa soeur Marthe.
Jao / Jo 11:2 (It was that Mary which anointed the Lord with ointment, and wiped his feet with her hair, whose brother Lazarus was sick.) Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin' ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin' ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary. Maria dia ilay vehivavy nanosotra diloilo manitra ny Tompo sy namaoka ny tongony tamin' ny volon-dohany; ary Lazara anadahiny no narary. Marie était celle qui oignit le Seigneur de parfum et lui essuya les pieds avec ses cheveux ; c'était son frère Lazare qui était malade.
Jao / Jo 11:3 Therefore his sisters sent unto him, saying, Lord, behold, he whom thou lovest is sick. Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin' i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao. Dia naniraka tany amin' i Jeso ireto anabaviny hilaza hoe: Tompo, marary ilay tianao. Les deux soeurs envoyèrent donc dire à Jésus : " Seigneur, celui que tu aimes est malade. "
Jao / Jo 11:4 When Jesus heard that, he said, This sickness is not unto death, but for the glory of God, that the Son of God might be glorified thereby. Ary rehefa ren' i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton' izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr' Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak' Andriamanitra. Nony ren' i Jeso izany dia hoy izy: Aretina tsy ho fahafatesana ity, fa ho voninahitr' Andriamanitra, sy hahazoan' ny Zanak' Andriamanitra voninahitra. A cette nouvelle, Jésus dit : " Cette maladie ne mène pas à la mort, elle est pour la gloire de Dieu : afin que le Fils de Dieu soit glorifié par elle. "
Jao / Jo 11:5 Now Jesus loved Martha, and her sister, and Lazarus. Ary Jesosy tia an' i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy. Ary tian' i Jeso i Marta sy Maria rahavaviny ary Lazara. Or Jésus aimait Marthe et sa soeur et Lazare.
Jao / Jo 11:6 When he had heard therefore that he was sick, he abode two days still in the same place where he was. Koa nony ren' i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin' izay nitoerany ihany Izy. Nefa nony reny hoe marary Lazara, dia mbola nitoetra indroa andro tamin' izay nitoerany ihany izy. Quand il apprit que celui-ci était malade, il demeura deux jours encore dans le lieu où il se trouvait ;
Jao / Jo 11:7 Then after that saith he to his disciples, Let us go into Judaea again. Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin' ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray. Nony afaka izany vao hoy izy tamin' ny mpianany: Andeha isika ho any Jodea indray. alors seulement, il dit aux disciples : " Allons de nouveau en Judée. "
Jao / Jo 11:8 His disciples say unto him, Master, the Jews of late sought to stone thee; and goest thou thither again? Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan' ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao? Ka hoy ny mpianany taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitady hitora-bato anao ny Jody, ka dia hankany indray ve hianao? Ses disciples lui dirent : " Rabbi, tout récemment les Juifs cherchaient à te lapider, et tu retournes là-bas ! "
Jao / Jo 11:9 Jesus answered, Are there not twelve hours in the day? If any man walk in the day, he stumbleth not, because he seeth the light of this world. Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin' ny folo va ny ora amin' ny indray andro? Raha misy mandeha amin' ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan' izao tontolo izao. Dia hoy Jeso taminy: Tsy roa ambin' ny folo ora va ny indray andro? Ka ny mandeha antoandro tsy mba tafintohina, satria mahita ny fahazavan' izao tontolo izao; Jésus répondit : " N' y a-t-il pas douze heures de jour ? Si quelqu' un marche le jour, il ne bute pas, parce qu' il voit la lumière de ce monde ;
Jao / Jo 11:10 But if a man walk in the night, he stumbleth, because there is no light in him. Fa raha misy kosa mandeha amin' ny alina, dia ho tafintohina izay, ka tsy misy mazava ao aminy. fa ny mandeha alina no tafintohina, satria tsy manam-pahazavana. mais s' il marche la nuit, il bute, parce que la lumière n' est pas en lui. "
Jao / Jo 11:11 These things said he: and after that he saith unto them, Our friend Lazarus sleepeth; but I go, that I may awake him out of sleep. Izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho. Nony voalazany izany dia nampiany hoe: Matory Lazara sakaizantsika, fa ndeha hamoha azy aho. Il dit cela, et ensuite : " Notre ami Lazare repose, leur dit-il ; mais je vais aller le réveiller. "
Jao / Jo 11:12 Then said his disciples, Lord, if he sleep, he shall do well. Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany. Ka hoy ny mpianany: Raha matory izy, Tompoko, dia ho sitrana. Les disciples lui dirent : " Seigneur, s' il repose, il sera sauvé. "
Jao / Jo 11:13 Howbeit Jesus spake of his death: but they thought that he had spoken of taking of rest in sleep. Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon' izy ireo kosa fa fialan-tsasatra amin' ny torimaso no nolazainy. Ny fahafatesany no nolazain' i Jeso, nefa torimaso tsotra izao kosa no nampoizin' izy ireo. Jésus avait parlé de sa mort, mais eux pensèrent qu' il parlait du repos du sommeil.
Jao / Jo 11:14 Then said Jesus unto them plainly, Lazarus is dead. Ary tamin' izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy; Izay Jeso vao nilaza tsotra tamin' izy ireo hoe: Maty Lazara, Alors Jésus leur dit ouvertement : " Lazare est mort,
Jao / Jo 11:15 And I am glad for your sakes that I was not there, to the intent ye may believe; nevertheless let us go unto him. ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy. ary noho hianareo dia faly aho satria tsy tao, mba hinoanareo; koa andeha isika hankany aminy. et je me réjouis pour vous de n' avoir pas été là-bas, afin que vous croyiez. Mais allons auprès de lui ! "
Jao / Jo 11:16 Then said Thomas, which is called Didymus, unto his fellowdisciples, Let us also go, that we may die with him. Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin' ny mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty aminy. Dia hoy Tomà izay atao hoe Didimo tamin' ny mpianatra nàmany: Andeha koa isika mba hiara-maty aminy. Alors Thomas, appelé Didyme, dit aux autres disciples : " Allons, nous aussi, pour mourir avec lui ! "
Jao / Jo 11:17 Then when Jesus came, he found that he had lain in the grave four days already. Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy. Nony tonga tany Jeso, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy. A son arrivée, Jésus trouva Lazare dans le tombeau depuis quatre jours déjà.
Jao / Jo 11:18 Now Bethany was nigh unto Jerusalem, about fifteen furlongs off: Ary Betania dia tao akaikin' i Jerosalema, tokony ho dimy ambin' ny folo stadio no elanelany. Ary Betania dia tao akaikin' i Jerosalema tokony ho dimy ambin' ny folo stady, Béthanie était près de Jérusalem, distant d' environ quinze stades,
Jao / Jo 11:19 And many of the Jews came to Martha and Mary, to comfort them concerning their brother. Ary maro tamin' ny Jiosy no efa tonga teo amin' i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin' ny anadahiny. ka maro tamin' ny Jody no tonga tao amin' i Marta sy Maria mba hitsapa alahelo azy noho ny nahafatesan' ny anadahiny. et beaucoup d' entre les Juifs étaient venus auprès de Marthe et de Marie pour les consoler au sujet de leur frère.
Jao / Jo 11:20 Then Martha, as soon as she heard that Jesus was coming, went and met him: but Mary sat still in the house. Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano. Vantany vao ren' i Marta fa hoe tamy Jeso, dia nandeha nitsena azy izy, fa Maria no nijanona tao an-trano. Quand Marthe apprit que Jésus arrivait, elle alla à sa rencontre, tandis que Marie restait assise à la maison.
Jao / Jo 11:21 Then said Martha unto Jesus, Lord, if thou hadst been here, my brother had not died. Ary hoy Marta tamin' i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. Dia hoy Marta tamin' i Jeso: Raha tatý hianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko. Marthe dit à Jésus : " Seigneur, si tu avais été ici, mon frère ne serait pas mort.
Jao / Jo 11:22 But I know, that even now, whatsoever thou wilt ask of God, God will give it thee. Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin' Andriamanitra dia homen' Andriamanitra Anao. Ary na dia izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin' Andriamanitra, dia homen' Andriamanitra anao. Mais maintenant encore, je sais que tout ce que tu demanderas à Dieu, Dieu te l' accordera. "
Jao / Jo 11:23 Jesus saith unto her, Thy brother shall rise again. Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao. Hoy Jeso taminy: Hitsangana ny anadahinao. Jésus lui dit : " Ton frère ressuscitera. " -
Jao / Jo 11:24 Martha saith unto him, I know that he shall rise again in the resurrection at the last day. Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin' ny fitsanganan' ny maty amin' ny andro farany; Fa hoy Marta taminy: Fantatro fa hitsangana izy amin' ny farandro fitsanganan' ny maty. " Je sais, dit Marthe, qu' il ressuscitera à la résurrection, au dernier jour. "
Jao / Jo 11:25 Jesus said unto her, I am the resurrection, and the life: he that believeth in me, though he were dead, yet shall he live: Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Hoy Jeso taminy: Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray; Jésus lui dit : " Je suis la résurrection. Qui croit en moi, même s' il meurt, vivra ;
Jao / Jo 11:26 And whosoever liveth and believeth in me shall never die. Believest thou this? Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? ary izay rehetra velona ka mino ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao? et quiconque vit et croit en moi ne mourra jamais. Le crois-tu ? "
Jao / Jo 11:27 She saith unto him, Yea, Lord: I believe that thou art the Christ, the Son of God, which should come into the world. Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak' Andriamanitra, Ilay ho tonga amin' izao tontolo izao. Eny, Tompoko, hoy izy taminy, mino aho fa hianao no Kristy Zanak' Andriamanitra velona, ilay hoe ho tonga amin' izao tontolo izao. Elle lui dit : " Oui, Seigneur, je crois que tu es le Christ, le Fils de Dieu, qui vient dans le monde. "
Jao / Jo 11:28 And when she had so said, she went her way, and called Mary her sister secretly, saying, The Master is come, and calleth for thee. Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an' i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao. Ary rahefa nilaza izany izy, dia lasa niantso mangingina an' i Maria rahavaviny nanao hoe: Ao ny Tompo, ka miantso anao izy. Ayant dit cela, elle s' en alla appeler sa soeur Marie, lui disant en secret : " Le Maître est là et il t' appelle. "
Jao / Jo 11:29 As soon as she heard that, she arose quickly, and came unto him. Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy. Vao nandre izany kosa Maria, dia nitsangana niaraka tamin' izay, ka nankao aminy. Celle-ci, à cette nouvelle, se leva bien vite et alla vers lui.
Jao / Jo 11:30 Now Jesus was not yet come into the town, but was in that place where Martha met him. Fa Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin' ilay nitsenan' i Marta Azy ihany. Fa mbola tsy tonga tao an-tanàna Jeso, fa mbola teo amin' izay nitsenan' i Marta azy ihany. Jésus n'était pas encore arrivé au village, mais il se trouvait toujours à l' endroit où Marthe était venue à sa rencontre.
Jao / Jo 11:31 The Jews then which were with her in the house, and comforted her, when they saw Mary, that she rose up hastily and went out, followed her, saying, She goeth unto the grave to weep there. Ary ny Jiosy izay tao amin' i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin' ny fasana hitomany any izy. Nony hitan' ny Jody izay tao amin' i Maria tao an-trano sy nitsapa alahelo azy fa nitsangana haingana izy ka nivoaka, dia nanaraka azy izy ireo, fa nihevitra hoe: Lasa hitomany any amin' ny fasana izy. Quand les Juifs qui étaient avec Marie dans la maison et la consolaient la virent se lever bien vite et sortir, ils la suivirent, pensant qu' elle allait au tombeau pour y pleurer.
Jao / Jo 11:32 Then when Mary was come where Jesus was, and saw him, she fell down at his feet, saying unto him, Lord, if thou hadst been here, my brother had not died. Ary Maria, rehefa tonga teo amin' nitoeran' i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin' ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. Maria kosa, nony tonga teo amin' izay nitoeran' i Jeso ka nahita azy, dia niankohoka tamin' ny tongony sy nanao taminy hoe: Raha tatý hianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko. Arrivée là où était Jésus, Marie, en le voyant, tomba à ses pieds et lui dit : " Seigneur, si tu avais été ici, mon frère ne serait pas mort ! "
Jao / Jo 11:33 When Jesus therefore saw her weeping, and the Jews also weeping which came with her, he groaned in the spirit, and was troubled. Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy; Nony nahita azy nitomany Jeso sy ireto Jody niara-nitomany taminy koa, dia nandevy ny fony ary nientana iray ihany ny tenany rehetra. Lorsqu' il la vit pleurer, et pleurer aussi les Juifs qui l' avaient accompagnée, Jésus frémit en son esprit et se troubla.
Jao / Jo 11:34 And said, Where have ye laid him? They said unto him, Lord, come and see. ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha. Aiza no nandevenanareo azy, hoy izy? Dia hoy ireo taminy: Andeha hianao hizaha, Tompoko. Il dit : " Où l' avez-vous mis ? " Il lui dirent : " Seigneur, viens et vois. "
Jao / Jo 11:35 Jesus wept. Jesosy nitomany. Ary nitomany Jeso. Jésus pleura.
Jao / Jo 11:36 Then said the Jews, Behold how he loved him! Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben' ny fitiavany azy! Dia hoy ny Jody: Akory ity haben' ny fitiavany azy! Les Juifs dirent alors : " Voyez comme il l' aimait ! "
Jao / Jo 11:37 And some of them said, Could not this man, which opened the eyes of the blind, have caused that even this man should not have died? Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain' ilehity, Izay nampahiratra ny mason' ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity? Fa hoy kosa ny sasany tamin' izy ireo: Tsy azony natao va re ny nisakana an-dralehilahy ity tsy ho faty, nefa ny mason' ilay teraka jamba nampahiratiny? Mais quelques-uns d' entre eux dirent : " Ne pouvait-il pas, lui qui a ouvert les yeux de l' aveugle, faire aussi que celui-ci ne mourût pas ? "
Jao / Jo 11:38 Jesus therefore again groaning in himself cometh to the grave. It was a cave, and a stone lay upon it. Dia vonto indray ny fanahin' i Jesosy ka nankeo amin' ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo. Dia niontana indray ny fon' i Jeso, ary lasa izy nankeo amin' ny fasana, izay zohy norakofana vato. Alors Jésus, frémissant à nouveau en lui-même, se rend au tombeau. C'était une grotte, avec une pierre placée par-dessus.
Jao / Jo 11:39 Jesus said, Take ye away the stone. Martha, the sister of him that was dead, saith unto him, Lord, by this time he stinketh: for he hath been dead four days. Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin' ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay. Esory ny vato, hoy izy. Ka hoy Marta anabavin' ny maty taminy: Efa maimbo izy, Tompoko, fa efa hefarana izay. Jésus dit : " Enlevez la pierre ! " Marthe, la soeur du mort, lui dit : " Seigneur, il sent déjà : c' est le quatrième jour. "
Jao / Jo 11:40 Jesus saith unto her, Said I not unto thee, that, if thou wouldest believe, thou shouldest see the glory of God? Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr' Andriamanitra? Ary hoy Jeso taminy: Tsy efa voalazako taminao va fa raha mino hianao, dia hahita ny voninahitr' Andriamanitra? Jésus lui dit : " Ne t' ai-je pas dit que si tu crois, tu verras la gloire de Dieu ? "
Jao / Jo 11:41 Then they took away the stone from the place where the dead was laid. And Jesus lifted up his eyes, and said, Father, I thank thee that thou hast heard me. Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao. Dia nesorina ny vato, ka niandrandra Jeso sy nanao hoe: Misaotra anao aho, Raiko, satria efa nihaino ahy hianao. On enleva donc la pierre. Jésus leva les yeux en haut et dit : " Père, je te rends grâces de m' avoir écouté.
Jao / Jo 11:42 And I knew that thou hearest me always: but because of the people which stand by I said it, that they may believe that thou hast sent me. Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy. Raha izaho, dia fantatro fa mihaino ahy mandrakariva hianao; fa noho ireto vahoaka manodidina ahy kosa no nilazako izany, mba hinoany fa hianao no naniraka ahy. Je savais que tu m'écoutes toujours ; mais c' est à cause de la foule qui m' entoure que j' ai parlé, afin qu' ils croient que tu m' as envoyé. "
Jao / Jo 11:43 And when he thus had spoken, he cried with a loud voice, Lazarus, come forth. Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin' ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha! Rahefa nilaza izany izy dia niantso tamin' ny feo mahery hoe: Mivoaha,ry Lazara. Cela dit, il s'écria d' une voix forte : " Lazare, viens dehors ! "
Jao / Jo 11:44 And he that was dead came forth, bound hand and foot with graveclothes: and his face was bound about with a napkin. Jesus saith unto them, Loose him, and let him go. Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin' ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha. Ka niaraka tamin' izay dia nivoaka ny maty, ny tongotra aman-tànany nisy fehim-paty, ary ny tavany nisarona lamba. Dia hoy Jeso tamin' ny olona: Vahao izy ka avelao handeha. Le mort sortit, les pieds et les mains liés de bandelettes, et son visage était enveloppé d' un suaire. Jésus leur dit : " Déliez-le et laissez-le aller. "
Jao / Jo 11:45 Then many of the Jews which came to Mary, and had seen the things which Jesus did, believed on him. Ary maro tamin' ny Jiosy, dia ireo nankeo amin' i Maria ka nahita ny zavatra nataon' i Jesosy ireo, no nino Azy. Ary maro tamin' ny Jody izay tonga tao amin' i Maria sy Marta sy nahita ny nataon' i Jeso no nino azy. Beaucoup d' entre les Juifs qui étaient venus auprès de Marie et avaient vu ce qu' il avait fait, crurent en lui.
Jao / Jo 11:46 But some of them went their ways to the Pharisees, and told them what things Jesus had done. Fa ny sasany tamin' ireo kosa dia lasa nankany amin' ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony. Fa ny sasany tamin' izy ireo kosa dia lasa nankany amin' ny Farisiana, ka nilaza taminy izay nataon' i Jeso. Mais certains s' en furent trouver les Pharisiens et leur dirent ce qu' avait fait Jésus.
Jao / Jo 11:47 Then gathered the chief priests and the Pharisees a council, and said, What do we? for this man doeth many miracles. Ary ny lohan' ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro. Dia namory ny mpanolo-tsaina ny lehiben' ny mpisorona sy ny Farisiana ka nanao hoe: Inona ity ataontsika, fa manao fahagagana maro iny Lehilahy iny? Les grands prêtres et les Pharisiens réunirent alors un conseil : " Que faisons-nous ? disaient-ils, cet homme fait beaucoup de signes.
Jao / Jo 11:48 If we let him thus alone, all men will believe on him: and the Romans shall come and take away both our place and nation. Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika. Raha avelantsika hanao ihany izy, dia hino azy ny olona rehetra, ka ho avy ny Romana dia haka ny tanànantsika sy ny firenentsika. Si nous le laissons ainsi tous croiront en lui, et les Romains viendront et ils supprimeront notre Lieu Saint et notre nation. "
Jao / Jo 11:49 And one of them, named Caiaphas, being the high priest that same year, said unto them, Ye know nothing at all, Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin' izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona, Dia hoy ny anankiray tamin' izy ireo atao hoe Kaifa, izay lehiben' ny mpisorona tamin' izany taona izany: Tsy mahalala na inona na inona hianareo, Mais l' un d' entre eux, Caïphe, étant grand prêtre cette année-là, leur dit : " Vous n' y entendez rien.
Jao / Jo 11:50 Nor consider that it is expedient for us, that one man should die for the people, and that the whole nation perish not. na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity. na tsy mihevitra akory fa tsara ho anareo raha maty ho an' ny vahoaka ny lehilahy anankiray, mba tsy ho rava ny firenena manontolo. Vous ne songez même pas qu' il est de votre intérêt qu' un seul homme meure pour le peuple et que la nation ne périsse pas tout entière. "
Jao / Jo 11:51 And this spake he not of himself: but being high priest that year, he prophesied that Jesus should die for that nation; Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin' izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena; Tsy avy aminy anefa no nitenenany an' izany, fa noho izy lehiben' ny mpisorona tamin' izay taona izay, dia naminany izy fa ho faty ho an' ny firenena Jeso, Or cela, il ne le dit pas de lui-même ; mais, étant grand prêtre cette année-là, il prophétisa que Jésus allait mourir pour la nation -
Jao / Jo 11:52 And not for that nation only, but that also he should gather together in one the children of God that were scattered abroad. ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak' Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray. ary tsy ho an' ny firenena ihany, fa mba hamory ny zanak' Andriamanitra izay efa niely koa ho antokony iray. et non pas pour la nation seulement, mais encore afin de rassembler dans l' unité les enfants de Dieu dispersés.
Jao / Jo 11:53 Then from that day forth they took counsel together for to put him to death. Koa hatramin' izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo. Hatramin' izany andro izany dia nikendry izay hahafaty azy izy ireo. Dès ce jour-là donc, ils résolurent de le tuer.
Jao / Jo 11:54 Jesus therefore walked no more openly among the Jews; but went thence unto a country near to the wilderness, into a city called Ephraim, and there continued with his disciples. Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin' ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin' ny tany akaikin' ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin' ny mpianatra. Koa tsy nandeha am-pahibemaso tany amin' ny Jody intsony Jeso, fa niala teo nankany amin' ny tany akaikin' ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efrema, dia nitoetra tany izy mbamin' ny mpianany. Aussi Jésus cessa de circuler en public parmi les Juifs ; il se retira dans la région voisine du désert, dans une ville appelée Éphraïm, et il y séjournait avec ses disciples.
Jao / Jo 11:55 And the Jews' passover was nigh at hand: and many went out of the country up to Jerusalem before the passover, to purify themselves. Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan' ny Paska mba hanadio ny tenany. Efa akaiky ny Pakan' ny Jody tamin' izay ka maro ny olona avy tamin' izany tany izany no niakatra tany Jerosalema alohan' ny Paka, mba handio tena. Or la Pâque des Juifs était proche et beaucoup de gens montèrent de la campagne à Jérusalem, avant la Pâque, pour se purifier.
Jao / Jo 11:56 Then sought they for Jesus, and spake among themselves, as they stood in the temple, What think ye, that he will not come to the feast? Dia nitady an' i Jesosy ireo, raha nijanona teo an-kianjan' ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin' ny andro firavoravoana va Izy? Dia nitady an' i Jeso izy ireo ka nifampilaza tao anatin' ny tempoly hoe: Ahoana no hevitrareo, dia tsy ho avy hamonjy ny fety ve izy? Ny lehiben' ny mpisorona sy ny Farisiana tamin' izany efa nandidy fa izay mahita ny itoerany dia tsy maintsy milaza, mba hisamborana azy. Ils cherchaient Jésus et se disaient les uns aux autres, en se tenant dans le Temple : " Qu' en pensez-vous ? qu' il ne viendra pas à la fête ? "
Jao / Jo 11:57 Now both the chief priests and the Pharisees had given a commandment, that, if any man knew where he were, he should shew it, that they might take him. Ary ny lohan' ny mpisorona sy ny Fariseo efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany, dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy. Les grands prêtres et les Pharisiens avaient donné des ordres : si quelqu' un savait où il était, il devait l' indiquer, afin qu' on le saisît.

<-
->