<-
->

Jao / Jo 10:1 Verily, verily, I say unto you, He that entereth not by the door into the sheepfold, but climbeth up some other way, the same is a thief and a robber. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin' ny vavahady ho amin' ny valan' ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy. Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy miditra amin' ny vavahady ho amin' ny valan' ondry, fa mananika amin' ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy; " En vérité, en vérité, je vous le dis, celui qui n' entre pas par la porte dans l' enclos des brebis, mais en fait l' escalade par une autre voie, celui-là est un voleur et un brigand ;
Jao / Jo 10:2 But he that entereth in by the door is the shepherd of the sheep. Fa izay miditra amin' ny vavahady no mpiandry ny ondry. fa izay miditra amin' ny vavahady no mpiandry ondry. celui qui entre par la porte est le pasteur des brebis.
Jao / Jo 10:3 To him the porter openeth; and the sheep hear his voice: and he calleth his own sheep by name, and leadeth them out. Ary izy no vohan' ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin' ny anarany avy ka entiny mivoaka. Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny azy amin' ny anarany avy sy mamoaka azy. Le portier lui ouvre et les brebis écoutent sa voix, et ses brebis à lui, il les appelle une à une et il les mène dehors.
Jao / Jo 10:4 And when he putteth forth his own sheep, he goeth before them, and the sheep follow him: for they know his voice. Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo. Rahefa tafavoakany avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony: Quand il a fait sortir toutes celles qui sont à lui, il marche devant elles et les brebis le suivent, parce qu' elles connaissent sa voix.
Jao / Jo 10:5 And a stranger will they not follow, but will flee from him: for they know not the voice of strangers. Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon' ny vahiny. ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony. Elles ne suivront pas un étranger ; elles le fuiront au contraire, parce qu' elles ne connaissent pas la voix des étrangers. "
Jao / Jo 10:6 This parable spake Jesus unto them: but they understood not what things they were which he spake unto them. Izany fanoharana izany no nolazain' i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy. Nolazain' i Jeso taminy izany fanoharana izany, nefa tsy azon' izy ireo izay nolazainy tamin' izany. Jésus leur tint ce discours mystérieux, mais eux ne comprirent pas ce dont il leur parlait.
Jao / Jo 10:7 Then said Jesus unto them again, Verily, verily, I say unto you, I am the door of the sheep. Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin' ondry. Ka hoy indray Jeso taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa izaho no varavaran' ny ondry. Alors Jésus dit à nouveau : " En vérité, en vérité, je vous le dis, je suis la porte des brebis.
Jao / Jo 10:8 All that ever came before me are thieves and robbers: but the sheep did not hear them. Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry. Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry. Tous ceux qui sont venus avant moi sont des voleurs et des brigands ; mais les brebis ne les ont pas écoutés.
Jao / Jo 10:9 I am the door: by me if any man enter in, he shall be saved, and shall go in and out, and find pasture. Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran' ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. Izaho no varavarana. Raha izaho no hidiran' ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina. Je suis la porte. Si quelqu' un entre par moi, il sera sauvé ; il entrera et sortira, et trouvera un pâturage.
Jao / Jo 10:10 The thief cometh not, but for to steal, and to kill, and to destroy: I am come that they might have life, and that they might have it more abundantly. Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa izaho no avy kosa dia mba hananan' ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be. Le voleur ne vient que pour voler, égorger et faire périr. Moi, je suis venu pour qu' on ait la vie et qu' on l' ait surabondante.
Jao / Jo 10:11 I am the good shepherd: the good shepherd giveth his life for the sheep. Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an' ny ondriny; Je suis le bon pasteur ; le bon pasteur donne sa vie pour ses brebis.
Jao / Jo 10:12 But he that is an hireling, and not the shepherd, whose own the sheep are not, seeth the wolf coming, and leaveth the sheep, and fleeth: and the wolf catcheth them, and scattereth the sheep. Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon' ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy; fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon' ny ondry, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy, Le mercenaire, qui n' est pas le pasteur et à qui n' appartiennent pas les brebis, voit-il venir le loup, il laisse les brebis et s' enfuit, et le loup s' en empare et les disperse.
Jao / Jo 10:13 The hireling fleeth, because he is an hireling, and careth not for the sheep. mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry. satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry. C' est qu' il est mercenaire et ne se soucie pas des brebis.
Jao / Jo 10:14 I am the good shepherd, and know my sheep, and am known of mine. Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny ahy aho no fantatry ny ahy, Je suis le bon pasteur ; je connais mes brebis et mes brebis me connaissent,
Jao / Jo 10:15 As the Father knoweth me, even so know I the Father: and I lay down my life for the sheep. dia tahaka ny ahafantaran' ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry. tahaka ny ahalalan' ny Ray ahy, sy ahalalako ny Ray koa, ary izaho koa mahafoy ny aiko ho an' ny ondriko. comme le Père me connaît et que je connais le Père, et je donne ma vie pour mes brebis.
Jao / Jo 10:16 And other sheep I have, which are not of this fold: them also I must bring, and they shall hear my voice; and there shall be one fold, and one shepherd. Manana ondry hafa izay tsy amin' ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. Mbola manana ondry hafa koa aho izay tsy amin' ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko; dia ho tonga valan' ondry tokana sy mpiandry ondry tokana. J' ai encore d' autres brebis qui ne sont pas de cet enclos ; celles-là aussi, il faut que je les mène ; elles écouteront ma voix ; et il y aura un seul troupeau, un seul pasteur ;
Jao / Jo 10:17 Therefore doth my Father love me, because I lay down my life, that I might take it again. Ary izany no itiavan' ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray. Izao no itiavan' ny Ray ahy: satria mahafoy ny aiko aho, mba handraisako azy indray. c' est pour cela que le Père m' aime, parce que je donne ma vie, pour la reprendre.
Jao / Jo 10:18 No man taketh it from me, but I lay it down of myself. I have power to lay it down, and I have power to take it again. This commandment have I received of my Father. Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin' ny Raiko. Tsy misy maka azy amiko, fa ny tenako ihany no mahafoy azy; manam-pahefana handray azy indray: izany no didy azoko tamin' ny Raiko. Personne ne me l' enlève ; mais je la donne de moi-même. J' ai pouvoir de la donner et j' ai pouvoir de la reprendre ; tel est le commandement que j' ai reçu de mon Père. "
Jao / Jo 10:19 There was a division therefore again among the Jews for these sayings. Ary nisy fisarahana indray tao amin' ny Jiosy noho izany teny izany. Dia nifanditra indray ny Jody nony nandre ireo teny ireo. Il y eut de nouveau scission parmi les Juifs à cause de ces paroles.
Jao / Jo 10:20 And many of them said, He hath a devil, and is mad; why hear ye him? Ary maro tamin' ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo? Ny maro tamin' ireo moa nanao hoe: Manana demony izy sady very saina, ka nahoana no mihaino azy hianareo? Beaucoup d' entre eux disaient : " Il a un démon ; il délire. Pourquoi l'écoutez-vous . "
Jao / Jo 10:21 Others said, These are not the words of him that hath a devil. Can a devil open the eyes of the blind? Hoy kosa ny sasany: Tsy mba tenin' ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason' ny jamba? Fa ny sasany kosa nanao hoe: Tsy mba tenin' olona manana demony izany; ary demony koa ve hahay mampahiratra ny mason' ny jamba? D' autres disaient : " Ces pare-les ne sont pas d' un démoniaque. Est-ce qu' un démon peut ouvrir les yeux d' un aveugle ? "
Jao / Jo 10:22 And it was at Jerusalem the feast of the dedication, and it was winter. Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro. Tamin' izay tonga ny fetin' ny Fitokanana tany Jerosalema, sady ririnina ny andro, Il y eut alors la fête de la Dédicace à Jérusalem. C'était l' hiver.
Jao / Jo 10:23 And Jesus walked in the temple in Solomon' s porch. Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan' ny tempoly teo amin' ny Fialofan' i Solomona. ary Jeso nitsangantsangana tao an-tempoly tao amin' ny lavarangan' i Salomona. Jésus allait et venait dans le Temple sous le portique de Salomon.
Jao / Jo 10:24 Then came the Jews round about him, and said unto him, How long dost thou make us to doubt? If thou be the Christ, tell us plainly. Dia nitangoronan' ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay. Dia nitangoronan' ny Jody izy ka nilazany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha hianao no Kristy, mba lazao tsotra aminay. Les Juifs firent cercle autour de lui et lui dirent : " Jusqu'à quand vas-tu nous tenir en haleine ? Si tu es le Christ, dis-le-nous ouvertement. "
Jao / Jo 10:25 Jesus answered them, I told you, and ye believed not: the works that I do in my Father' s name, they bear witness of me. Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin' ny anaran' ny Raiko no manambara Ahy. Dia hoy Jeso namaly azy: Efa nilaza taminareo aho, fa tsy mino hianareo; manambara ahy koa ny asa ataoko amin' ny anaran' ny Raiko; Jésus leur répondit : " Je vous l' ai dit, et vous ne croyez pas. Les oeuvres que je fais au nom de mon Père témoignent de moi ;
Jao / Jo 10:26 But ye believe not, because ye are not of my sheep, as I said unto you. Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan' ny ondriko. fa tsy mino hianareo satria tsy mba isan' ny ondriko. mais vous ne croyez pas, parce que vous n'êtes pas de mes brebis.
Jao / Jo 10:27 My sheep hear my voice, and I know them, and they follow me: Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, Ny ondriko mihaino ny feoko, izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy; Mes brebis écoutent ma voix, je les connais et elles me suivent ;
Jao / Jo 10:28 And I give unto them eternal life; and they shall never perish, neither shall any man pluck them out of my hand. ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin' ny tanako. omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tànako. je leur donne la vie éternelle ; elle ne périront jamais et nul ne les arrachera de ma main.
Jao / Jo 10:29 My Father, which gave them me, is greater than all; and no man is able to pluck them out of my Father' s hand. Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin' ny tanan' ny Ray. Izay nomen' ny Raiko ahy dia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka eo an-tànan' ny Ray. Mon Père, quant à ce qu' il m' a donné, est plus grand que tous. Nul ne peut rien arracher de la main du Père.
Jao / Jo 10:30 I and my Father are one. Izaho sy ny Ray dia iray ihany. Izaho sy ny Ray dia iray ihany. Moi et le Père nous sommes un. "
Jao / Jo 10:31 Then the Jews took up stones again to stone him. Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy. Dia naka vato hitorahana azy indray ny Jody; Les Juifs apportèrent de nouveau des pierres pour le lapider.
Jao / Jo 10:32 Jesus answered them, Many good works have I shewed you from my Father; for which of those works do ye stone me? Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin' ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin' ireny moa no itorahanareo vato Ahy? fa hoy Jeso tamin' izy ireo: Be ny asa soa nasehoko teo taminareo, avy tamin' ny Ray, ka iza amin' ireny asa ireny no itorahanareo ahy? Jésus leur dit alors : " Je vous ai montré quantité de bonnes oeuvres, venant du Père ; pour laquelle de ces oeuvres me lapidez-vous ? "
Jao / Jo 10:33 The Jews answered him, saying, For a good work we stone thee not; but for blasphemy; and because that thou, being a man, makest thyself God. Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. Dia hoy ny Jody namaly azy: Tsy ny asa soa no itorahanay anao, fa ny teninao miteny ratsy an' Andriamanitra; satria olombelona fotsiny hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. Les Juifs lui répondirent : " Ce n' est pas pour une bonne oeuvre que nous te lapidons, mais pour un blasphème et parce que toi, n'étant qu' un homme, tu te fais Dieu. "
Jao / Jo 10:34 Jesus answered them, Is it not written in your law, I said, Ye are gods? Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin' ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo? (Sal. 82. 6). Ary Jeso namaly azy hoe: Moa tsy izao no voasoratra ao amin' ny Lalànareo: Hoy Izaho: Andriamanitra hianareo? Jésus leur répondit : " N' est-il pas écrit dans votre Loi : J' ai dit : vous êtes des dieux ?
Jao / Jo 10:35 If he called them gods, unto whom the word of God came, and the scripture cannot be broken; Raha ireny izay nanaovana izany tenin' Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masina tsy azo foanana), Ka raha ireny nanambarana ny tenin' Andriamanitra ireny aza antsoin' ny lalàna hoe Andriamanitra, ary tsy azo foanana ny Soratra Masina, Alors qu' elle a appelé dieux ceux à qui la parole de Dieu fut adressée - et l'Écriture ne peut être récusée -
Jao / Jo 10:36 Say ye of him, whom the Father hath sanctified, and sent into the world, Thou blasphemest; because I said, I am the Son of God? moa Izay nohasinin' ny Ray ka nirahiny ho amin' izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak' Andriamanitra Aho? ahoana no ilazanareo an' ilay nohamasin' ny Ray sy nirahiny ety ambonin' ny tany hoe: miteny ratsy an' Andriamanitra hianao satria nilaza hoe: Zanak' Andriamanitra aho? à celui que le Père a consacré et envoyé dans le monde vous dites : "Tu blasphèmes", parce que j' ai dit : "Je suis Fils de Dieu " !
Jao / Jo 10:37 If I do not the works of my Father, believe me not. Raha tsy manao ny asan' ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy. Raha tsy manao ny asan' ny Raiko aho, dia aza mino ahy hianareo; Si je ne fais pas les oeuvres de mon Père, ne me croyez pas ;
Jao / Jo 10:38 But if I do, though ye believe not me, believe the works: that ye may know, and believe, that the Father is in me, and I in him. Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin' ny Ray. fa raha manao ihany kosa aho, na dia tsy te-hino ahy aza hianareo, dia minoa ny asako, dia ho fantatrareo fa ny Ray eto amiko, ary izaho ao amin' ny Ray. mais si je les fais, quand bien même vous ne me croiriez pas, croyez en ces oeuvres, afin de reconnaître une bonne fois que le Père est en moi et moi dans le Père. "
Jao / Jo 10:39 Therefore they sought again to take him: but he escaped out of their hand, Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy Izy. Tamin' izay dia nitady hisambotra azy indray izy ireo, fa niala teo an-tànany izy. Ils cherchaient donc de nouveau à le saisir, mais il leur échappa des mains. Jésus se retire au-delà du Jourdain.
Jao / Jo 10:40 And went away again beyond Jordan into the place where John at first baptized; and there he abode. Dia lasa nankany an-dafin' i Jordana indray Jesosy, ho any amin' ilay tany nanaovan' i Jaona batisa voalohany, ka nitoetra tany Izy. Dia lasa izy nankany an-dafin' i Jordany, amin' ilay tany nanaovan' i Joany batemy voalohany, ka nitoetra tany. De nouveau il s' en alla au-delà du Jourdain, au lieu où Jean avait d' abord baptisé, et il y demeura.
Jao / Jo 10:41 And many resorted unto him, and said, John did no miracle: but all things that John spake of this man were true. Ary maro no nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin' ity Lehilahy ity dia marina avokoa. Ary maro no nanatona azy, fa nanao hoe: Tsy nanao fahagagana Joany; Beaucoup vinrent à lui et disaient : " Jean n' a fait aucun signe ; mais tout ce que Jean a dit de celui-ci était vrai. "
Jao / Jo 10:42 And many believed on him there. Ary maro no nino Azy teo. nefa marina avokoa ny teny rehetra nilazan' i Joany azy. Koa maro no nino azy teo. Et là, beaucoup crurent en lui.

<-
->