Entry toby
Part of speech noun
Malagasy definition toerana ilasian'ny tafika
¶ toerana anorenana trano vonjimaika hitoeran'ny mpiasa toy ny mpihady volamena, manjarano, mpanao lalana; lasy [Rajemisa 1985]
  [Tsimihety] ny Toby (eto) dia toerana ivelan'ny tanana fiandrasam-paty (fiandrasana ny taolam-balo raha amin'ny famadihana) izany hoe izany dia tobin'ny maty (mandra-pandevina azy). Atsangana eo ny trano ratsy, trano tsotra dia tsotra vita tamin'ny rantsana sy ravin'antrendry. Fondra ratsy no anaran'ilay toerana natokan'ny tanana ho fanaovana izany (Fondra: ala, kirihitr'ala, mety ho alan-jozoro sy volotara). Hazava tsaratsara kokoa ny teny hoe Toby raha saintsainintsika ny hevitra samihafa lazain'io tenu io: ohatra amin'ny Merina ny toby dia izay onenana tsy maharitra ela, toy ny trano vonjy maika any an-tanimbary, na any an-tanim-boly. Marihina fa raha amin'ny fiandrasana ny taloam-balo dia tsindraidray tadiavina ny olona no manaraka izany fomba izany ankehitrio, ny hany atao dia ny mametraka ny taolam-balo ivelan'ny trano fa ao anatinny tanana ihany fa tsy entina ivelany loatra. [Tongasolo: Tsimihety]
 toerana ilasiana [SLP 1986]
English definition an encampement. See lasy [Richardson 1885]
 a camp; a small heap [Hallanger 1973]
French definition camp, campement des troupes et des voyageurs
¶ Figuré: réunion d'objets [Abinal 1888]
 camp, campement, réservoir, r [...] [full text in Rajaonarimanana 1995]
 camp; petit tas [Hallanger 1974]
  [Tanala] camp; foule de gens, troupe [Beaujard 1998]
French definition campement [SLP 1986]
Derivations 
Synonyms tobe
Compound words, titles, names 
Examples 
1Mpikarama marobe avy amin' ny mponina manodidina no nahazo asa tsy satry tamin' ireo toby roa lehibe ireo; [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 126]
2Nandray azy tsara ny filohan' ny toby. [Andraina: Mitaraina, page 211]
Quotes 
Toponymy Place names having the word toby (1): Toby

Entry Toby (toby)
Part of speech name (toponym) [full list]
Vocabulary 
Toponymy toby

2013/07/20