|
|
|
|

Entry1  matoanteny
Elementary words  2 matoa, 3 teny
Part of speech  4  noun
Explanations in Malagasy  5 Sokajin-teny enti-milaza ny teny fototry ny fehezanteny ka ny fiforonany dia amin' ny alalan' ny tsirinteny mirafitra amin' ny fototeny.
6 Misy karazany sivy ny matoanteny malagasy: a) ny matoantenin' ny mpanao (ohatra: mamatotra); b) ny matoantenin' ny iharana (fatorana ny omby); d) ny matoantenin' ny atao (afindra ny entana); e) ny matoantenin' ny fitaovana (afatotra ny omby ny tady); f) ny matoantenin' ny sehatra (mifatotra ny omby); g) ny matoantenin' ny mpandray (velarana tsihy ny vahiny); h) ny matoantenin' ny mpamaritoe-javatra (amatorana, ifatorana); i) ny matoantenin' ny mpampanao (mampamatotra); j) ny matoantenin' ny mpifanao (mifamatotra)
7 sokajinteny [1.1]
8 Ny atao hoe matoanteny dia ny teny rehetra fanao teny enti-milaza asa. Ohatra: milalao, jerena, ahandroana. [1.146#75]
9 sokajin-teny afaka miovaova endrika [1.13]
10 sokajin-teny manambara asa, hita ao amin' ny fehezanteny malagasy [1.62#738]
Explanations in French  11 verbe [1.13, 1.5#208]
Examples  12  Avy amin' ny matoanteny avokoa ireo, ka ny m novàna ho f, ary samy milaza ny enti-manao [2.296]
13  matoanteny efa amin' ny fomba mandidy rahateo nefa mbola mitovana nao ihany indray ka mafimafy kokoa noho ny diniho fotsiny [2.314]
Vocabulary  14  Linguistics

Updated on 2025/12/08