|
|
|
|

Entry1  mahita volana alohan' i Habiby
Elementary words  2  mahita, 3  volana, 4  aloha
Part of speech  5  locution
Explanations in Malagasy  6  milaza habobo (ninoan' ny Ntaolo fa raha vao tsinana ny volana dia hitan' i Habiby mpisikidy, fa ny olona tsotra kosa tsy mahita azy raha tsy efa tainan-kateloana: koa izay milaza ho mahita volana alohan' i Habiby dia nataony ho mpilaza habobo daholo. Misy endrika hafa omena an' io fitenenana io koa anefa, dia ny hoe: "Mahita volana alohan' ny biby" satria ninoan' ny Ntaolo amin' ny fandinihana ny biby, hono, fa raha vao tsinana indroa andro ny volana dia efa hitan' ny biby sahady) [1.1]
Other spellings  7  mahitavolanaalohannybiby

Updated on 2025/09/12