|
|
|
|

Entry1  ko-drazana
Elementary words  2 koka, 3 kotra, 4 razana
Part of speech  5  locution
Explanations in Malagasy  6 Hoy ny sasany: ny hoe ko- dia tapaky ny teny hoe koka: antso.
7 Any Betsileo, ao amin' ny faritany sasany, anefa dia go-drazana no fitenin' ny olona;
8 ny go- amin' izany dia tsy goka (misotro) tsy akory fa fiovam-panononana ny hoe
9 koka (antso) na kaika na gaika (mangaika) ihany. Araka ity hevitra voalohany ity,
10 ny teny hoe ko-drazana dia antson' ny razana, izany hoe "hafatry ny maty",
11 hafatry ny razana na ny ray aman-dreny.
12 maromaro koa anefa ny mihevitra fa ny hoe ko- eto dia tapaky ny teny hoe kotra
13 (antitra, tranainy, maintimolaly). Araka izany indray, ny ko-drazana dia fananana efa
14 nifandovana ela na vao tondroina hifandovana ela. Fa inona kosa ny zavatra atao hoe ko-drazana?
15 Ny ko-drazana dia fananana na harena, toy ny tany, tanimbary, trano, fanaka
16 izay tondroin' ny olona anankiray ho fananana iombonan' ny mpirahalahy sy
17 mpirahavavy amana mpianadahy, ka tsy azo amidy, tsy azo zaraina, tsy azo afindra
18 amin' olona ivelan' ireo notolorana ho mpiara-manana azy, tsy azo atao
19 antom-bolan-olona, afa-tsy hoe tena misy antony lehibe ifanarahan' izy mpiombona
20 an-tsitrapo malalaka tsara... [1.10#K.302]
21 Ny fomba nentin-draharazana; ireo tombontsoa nananan' ny razana [1.1#504]
22 kotran' ny razana:
23 -- a) zavatra maintimolaly avy amin' ny razana;
24 -- b) harena tsy navelan' ny razana hozaraina (lovabe);
25 -- d) tombontsoa fahazon' ny razana teo aloha ka lovan' ny taranaka mifandimby, toy ny "tsy hani-maty momba", "tsy maty manota" ... [1.1#514]
Explanations in French  26 Les anciens usages, c' est comme une terre que les anciens ont ensemencĂ©e [2.415#324]

Updated on 2025/11/17