|
|
|
|

Entry (1/2)1  fiadanana
Root  2 adana
Part of speech  3  noun
Explanations in Malagasy  4 ankehitriny izy eo amin' ny raharaham-pirenena sy vahoaka dia ampiasain' ny olona
5 hitovy hevitra amin' ny hoe
6 fihavanana na fandriam-pahalemana na ny toetry ny tany sy ny
7 vahoaka mandry feizay : tsy misy fikorontanana na ady ; mizotra milamina
8 tsara ny fiainan' ny vahoaka, satria ny mpitondra dia sady hendry no marina : tsy misy
9 mampahory vahoaka mba hahazoany tombon-tsoa ho an' ny tenany ; izay hahasoa ny ambanilanitra
10 no zava-dehibe imasoany. Ny vahoaka koa, noho izany, dia finaritra, ka mankato an-kafaliana
11 sady tena miara-miasa amin' ny mpitondra. Tamin' ny faha-Andrianampoinimerina indrindra no
12 nampiharihary izany teto : tamin' izay no nisehoan' ny firenenana hoe
13 mandry fahalemana (azo atoriana amim-piadanana na amin' ny alina maizina aza),
14 rahefa voavoriny tsara Imerina Enim-toko. Eo amin' ny fahampian' ny hanina koa no
15 mampiadana ny vahoaka rahefa ny mpitondra no mikarakara azy tanteraka ho an' ny olona,
16 araka ny tenin' Andrianampoina mandrakariva hoe : "Izaho sy ny vary dia iray ihany". [1.10#F.458]
Explanations in English  17 slowness, composure, tranquility, happiness, prosperity. [1.2]
18 peace, tranquillity [1.7]
Explanations in French  19 La lenteur, l'aisance, la prospérité, la paix, la cause de la lenteur, etc. [1.3]
20 la lenteur, l'aisance, la prospérité, la paix, la cause de la lenteur, etc. [1.3#2]
21 paix, tranquillité [1.8]
Examples  22  Hitondra fiadanana ho anao aho. [2.499]
23  Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa [2.996]
24  Mahasambatra ny fiadananam-po (La paix du coeur rend heureux) [1.3#2>Mahasambatra ny fiadananam-po (La paix du coeur rend heureux)]
25  Vao izao no nahazo fiadanana aho (J'ai maintenant obtenu la prospérité) [1.3#2>Vao izao no nahazo fiadanana aho (J'ai maintenant obtenu la prospérité)]
Vocabulary  26  Emotions
All compound words  27 Fiadanana
Proverbs  28  Proverbs containing that word

Entry (2/2)29  Fiadanana
Elementary words  30 fiadanana
Part of speech  31  name (toponym) [Full list]
Vocabulary  32  Geography: towns

Anagrams  33 andafiana, 34 fanadiana, fiadanana, Fiadanana

Updated on 2025/11/21