| Entry | 1 Dieny mbola velona aho |
| Elementary words | 2 dieny, 3 mbola, 4 velona, 5 aho |
| Part of speech | 6 name (poem title) [Full list] |
| Vocabulary | 7 Literature: poems |
| Author |
8 Rakotomalala-Rabarijaona Louis |
| Full text |
9 10 Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko, 11 Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko: 12 Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako 13 Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako. 14 Dieny mbola velona aho ka mijoro koa ny vatako, 15 Dia ity no foto-kevitra tsy maintsy hosoratako: 16 Gasikarako malala dia voasokitra ao anatiko, 17 Hatr'izay nisiako'zany ka ho mandra-pahafatiko. 18 Dieny mbola velona aho ka ny masoko mihiratra, 19 Dia iriko ny hanondrotra ny Gasy mba hamiratra, 20 Ary 'zao no ventin-kevitra sy voady tena mamiko: 21 Ny handray ny Malagasy mba hitovy hevitra amiko. 22 Dieny mbola velona aho ka milamina ny fiainako, 23 Dia i Madagasikara no ao anatin'ny fisainako: 24 Io 'lay Nosiko malala'zay akany nahafoizana, 25 Ka ny hampisondrotra azy no kendreko hotohizana. 26 Eny, maty aza aho ka hikatona ny fasako, 27 Moa tsy Madagasikara ve no tsangambato' asako ? 28 Dia i Madagasikara Nosy mamy fikirizana, 29 Ka tsy levona ao am-poko fa natao fitehirizana. 30 Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko, 31 Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko: 32 Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako 33 Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako. |
| Updated on 2025/11/17 |
|