Entry mbola
Part of speech adverb [full list]
Explanations in Malagasy (miaraka amin' ny milaza ny ankehitriny na ny lasa): enti-milaza fa eo am-panaovana na teo am-panaovana asa iray ilay olona tenenina: Mbola miasa izy fa aza tabatabaina ~ Mbola nisakafo izahay tamin' izy tonga
(miaraka amin' ny milaza ny ho avy): enti-milaza fitohizana na fiverenana asa efa nisy teo aloha: Mbola hanoratra aminao aho amin' ny herinandro ambony ~ Mbola hatory indray aho rehefa afaka kelikely
(na fahatongavan-javatra efa nandrasana): Mbola ho avy izy fa aza matahotra
(miaraka amin' ny "tsy") samy azo atao eo aloha na eo aorian' ny "mbola" ny "tsy", saingy matetika raha filazana tsotra, dia ny "mbola" no atao aloha: Mbola tsy tonga lahy Rakoto, fa raha mamaly fanontanana kosa, ny "tsy" no atao aloha: Efa tonga ve Rakoto? Tsy mbola tonga izy, tompoko (marihina fa amin' ity farany ity dia azo tsy averina ny fehezanteny manontolo, fa ny "mbola" kosa no miova hoe mbolana: Efa tonga ne Rakoto? Tsy mbolana, tompoko) [1.1]
Explanations in English Yet, still [1.7]
Explanations in French Encore, pendant que [1.8]
Compound words 

Anagrams 

Updated on 2020/07/31