Entry antso
Part of speech noun
Malagasy definition Famoahana feo na fanononana teny hampanatona na hampiavy olona ho tonga eo amin' ny tena; famoriana olona hanatrika na ho tonga; fanirahana hitaona olona ho avy [Rajemisa 1985]
English definition a call, a summons [Richardson 1885, Hallanger 1973]
 an invocation [Richardson 1885]
French definition appel, convocation [Abinal 1888, Hallanger 1974]
 publication, proclamation, invocation [Abinal 1888]
Examples 
1hoy ny antso avo afitsony. [Andriamalala: Fanagasiana, page 5]
2Heno ny antso, ny baiko mifanaretsaka etsy sy eroa. [Andraina: Mitaraina, page 217]
3Miseho ao koa ny antso nataon-dravehivavy sy ny valin-tenin' ila. [Randzavola: Baiboly, page 911]
Derivations 
Compound words, titles, names 

Entry antso
Part of speech noun
French definition  [Sakalava] (de antso : action d'invoquer une puissance occulte ; cette plante toxique était employée dans les cérémonies d'exorcismes). Euphorbia antso Denis (Euphorbiaceae). Toxique dans toutes ses parties. Latex très irritant, caustique. [Boiteau: Végétaux]
Vocabulary 
Scientific name Euphorbia antso

Entry Antso
Part of speech name (poem title)
Author Dox (Razakandraina Jean Verdi Salomon)
Vocabulary 
Tables and plates All the titles
Text Sendra mba nitopy, ity masoko nijery
hendratra ny foko, nahatsiaro ho irery
fa toa any aminao, lay fanalahidy
notadiaviko hatrin’ny ela…tsy tadidy

Fa taiza ianao… notadiaviko efa ela
tao anatin’ny tsy fantatro sy ny sisa mba tavela
fa nandalovanao ny masoko, ny foko tao anaty
velombelombolo aok’izany, tondrak’orana tsy maty

Angamba tsy ho kisendra ito lala-mifanojo
fa ny lahatra mihintsy no vintana voatondro
anjaran-tsika ny ampitso, hihainana anio
koa raiso ‘zany foko, ny antsony valio

Entry Antso
Part of speech name (book or play title)
Author Andriamalala Emilson Daniel, 1943
Publisher . 1961.
Dimensions Pages: 53.
Vocabulary 
Tables and plates All the titles

2018/11/07