Entry angely
Part of speech noun
Malagasy definition Bibikely tokony 3 sm ny halavan' ny vatany, mikiririoka mankarenin-tsofina amin' ny alina. Misy mivelona ao an-trano ny angely, izay atao hoe angelinkary, ary misy mivelona eny an-tsaha. Ny angelivavy dia atao hoe kabatita na kabanty; ny feon' ny angely andavanandro dia atao hoe fikiririoka fa fivolana kosa rehefa hiady izy. Rehefa miady iny ny angely ka misy iray ho resy, dia mamoaka feo hafahafa izay ilay io, ka izany no atao hoe mamela volana. Bibikely fatra-piady ny angely ka ny mampirisika azy ireny hiady no atao hoe mikitra angely [Rajemisa 1985]
English definition the name of a species of cricket. Also called antsoindahy. The children are much given to catching these insects and making them fight. [Richardson 1885]
 a cricket [Hallanger 1973]
French definition grillon [Hallanger 1974]
Vocabulary 
Synonyms antsiona
Compound words, titles, names 
Quotes 

Entry angely
Part of speech noun
Malagasy definition Olona ratsy fitondran-tena, izay atao hoe angelin' olona
Mitovy hevitra: akanga ~ angatra ~ angelingely ~ karandahy ~ mpanaram-po ~ mpiliba [Rajemisa 1985]
French definition libertin, débauché [Abinal 1888]

2016/03/06