Proverbs : andraofana

Proverb5155 Ny harena dia hoatry ny rano an-tami-bato : raha tazanina , toa be ; raha andraofana , tsy ahazoana hoatrinona. [Veyrières 1913 #2222]
Ny harena dia ohatra ny rano an-tami-bato : raha tazanina toa be, raha andraofana tsy ahazoana ohatrinona. [Rajemisa 1985]
Ny harena rano an-tami-bato : tazanina , be; andraofana , tsy ahazoana . [Abinal 1888]
French translation La fortune est comme l' eau qui suinte des rochers : de loin cela semble abondant et quand on approche, c' est à peine si on peut en puiser pour boire. [Veyrières 1913 #2222]
La fortune est comme l'eau suintant des roches: de loin elle semble abondante, quand on approche, on peut à peine en puiser pour boire. [Abinal 1888]

Proverb6250 Rano an-tami-bato : be am-pizahana , fa tsy azo andraofana . [Cousins 1871 #2752, Nicol 1935 #337]
French translation (Il est semblable à) l’eau qui suinte le long des pentes rocheuses : à la vue elle est abondante, mais ne peut remplir le creux de la main. [Nicol 1935 #337]

Proverb8321 Voninahitra an-tsobiky tsy atao am-patambary . [Rajemisa 1985]
Voninahitra omena ny sobika , fa ny fatambary ihany no handraofana . [Veyrières 1913 #2269]
Voninahitra omena ny sobika , fa ny fatambary no tompon' ny fatra . [Veyrières 1913 #2269]
Voninahitra omena ny sobiky , fa ny fatambary no azo handraofana ihany. [Cousins 1871]
Voninahitra omena ny sobiky fa ny fatambary no tompon' ny fatra . [Rinara 1974 #327, Cousins 1871]
Malagasy interpretation Enti-milaza fa ny haja sy zo tokony hipetraka eo amin' ny zava-dehibe dia tsy tokony haetry amin' ny zavatra madinika. [Rajemisa 1985]
French translation La corbeille est considérée avec respect mais c' est le fatambary ou petite mesure de riz qui est le maître de la mesure, c' est lui qui puise dans la corbeille à riz. [Veyrières 1913 #2269]
French interpretation Il ne faut pas mépriser les petits car on a souvent besoin d' un plus petit que soi. [Veyrières 1913 #2269]

Index