<-
->

Lio / Lk 8:1 And it came to pass afterward, that he went throughout every city and village, preaching and shewing the glad tidings of the kingdom of God: and the twelve were with him, Ary taoriana kelin' izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran' ny fanjakan' Andriamanitra; ary ny roa ambin' ny folo lahy nanaraka Azy. Taorian' izany, dia lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra izy nampianatra sy nitory ny Evanjelin' ny fanjakan' Andriamanitra. Nanaraka azy ny roa ambin' ny folo lahy Et il advint ensuite qu' il cheminait à travers villes et villages, prêchant et annonçant la Bonne Nouvelle du Royaume de Dieu. Les Douze étaient avec lui,
Lio / Lk 8:2 And certain women, which had been healed of evil spirits and infirmities, Mary called Magdalene, out of whom went seven devils, mbamin' ny vehivavy sasany, izay nositraniny tamin' ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia Maria atao hoe Magdalena, izay efa nivoahan' ny demonia fito, sy ny vehivavy sasany nositraniny tamin' ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia Maria atao hoe Madelena izay nivoahana demony fito, ainsi que quelques femmes qui avaient été guéries d' esprits mauvais et de maladies : Marie, appelée la Magdaléenne, de laquelle étaient sortis sept démons,
Lio / Lk 8:3 And Joanna the wife of Chuza Herod' s steward, and Susanna, and many others, which ministered unto him of their substance. sy Johana, vadin' i Koza, mpitandrina ny fananan' i Heroda, ary Sosana mbamin' ny maro hafa koa, izay nanompo azy tamin' ny fananany. Joana vadin' i Kozà mpitandrina ny fananan' i Heroda, ary Sozàna mbamin' ny maro hafa koa izay nanampy azy tamin' ny fananany. Jeanne, femme de Chouza, intendant d' Hérode, Suzanne et plusieurs autres, qui les assistaient de leurs biens.
Lio / Lk 8:4 And when much people were gathered together, and were come to him out of every city, he spake by a parable: Ary nisy vahoaka betsaka niangona, ka nanatona Azy ny olona avy tamin' ny isan-tanàna, dia nanao fanoharana hoe Izy: Ary nisy vahoaka betsaka tafavory tao avy tamin' ny tanàna maro hanatona azy, dia nanao fanoharana izy hoe: Comme une foule nombreuse se rassemblait et que de toutes les villes on s' acheminait vers lui, il dit par parabole :
Lio / Lk 8:5 A sower went out to sow his seed: and as he sowed, some fell by the way side; and it was trodden down, and the fowls of the air devoured it. Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voa; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana ka voahitsakitsaka, ary dia lanin' ny voro-manidina. Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany; ary nony namafy izy, ny sasany latsaka tany amoron-dàlana ka sady voahitsakitsaka no notsindrohin' ny voro-manidina; " Le semeur est sorti pour semer sa semence. Et comme il semait, une partie du grain est tombée au bord du chemin ; elle a été foulée aux pieds et les oiseaux du ciel ont tout mangé.
Lio / Lk 8:6 And some fell upon a rock; and as soon as it was sprung up, it withered away, because it lacked moisture. Ary ny sasany dia voafafy teny ambonin' ny vatolampy; ary raha vao naniry izy, dia nalazo; satria tsy nisy mandomando. ny sasany latsaka tamin' ny vato ka nalaky nitsimoka, nefa nalazo satria tsy nisy mando; Une autre est tombée sur le roc et, après avoir poussé, elle s' est desséchée faute d' humidité.
Lio / Lk 8:7 And some fell among thorns; and the thorns sprang up with it, and choked it. Ary ny sasany dia voafafy teny amin' ny tsilo; ary ny tsilo niara-naniry taminy, dia nangeja azy. ny sasany latsaka tamin' ny tsilo ka niara-naniry tamin' ny tsilo, dia voagejany; Une autre est tombée au milieu des épines et, poussant avec elle, les épines l' ont étouffée.
Lio / Lk 8:8 And other fell on good ground, and sprang up, and bare fruit an hundredfold. And when he had said these things, he cried, He that hath ears to hear, let him hear. Ary ny sasany dia voafafy teny amin' ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino. ary ny sasany latsaka tamin' ny tany tsara ka naniry, dia namoa injato heny. Rahefa nilaza izany izy dia niantso hoe: Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana. Une autre est tombée dans la bonne terre, a poussé et produit du fruit au centuple. " Et, ce disant, il s'écriait : " Entende, qui a des oreilles pour entendre ! "
Lio / Lk 8:9 And his disciples asked him, saying, What might this parable be? Ary ny mpianany nanontany Azy ny amin' izay hevitr' izany fanoharana izany. Nanontanian' ny mpianany azy izay hevitr' izany fanoharana izany, Ses disciples lui demandaient ce que pouvait bien signifier cette parabole.
Lio / Lk 8:10 And he said, Unto you it is given to know the mysteries of the kingdom of God: but to others in parables; that seeing they might not see, and hearing they might not understand. Dia hoy Izy: Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin' ny fanjakan' Andriamanitra; fa amin' ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra (Isa. 6. 9). ka izao no navaliny azy: Hianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin' ny fanjakan' Andriamanitra, fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy, mba hijery izy fa tsy hahita, ary handre fa tsy hahafantatra. Il dit : " A vous il a été donné de connaître les mystères du Royaume de Dieu ; mais pour les autres, c' est en paraboles, afin qu' ils voient sans voir et entendent sans comprendre.
Lio / Lk 8:11 Now the parable is this: The seed is the word of God. Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin' Andriamanitra. Ka izao àry no hevitr' izany fanoharana izany: Ny voa dia ny tenin' Andriamanitra. " Voici donc ce que signifie la parabole : La semence, c' est la parole de Dieu.
Lio / Lk 8:12 Those by the way side are they that hear; then cometh the devil, and taketh away the word out of their hearts, lest they should believe and be saved. Ireo teny amoron-dalana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena. Ireo teny an-dàlambe no izay nandre, fa avy ny demony ka manesotra ny teny ao am-pony, sao mino izy ka ho voavonjy. Ceux qui sont au bord du chemin sont ceux qui ont entendu, puis vient le diable qui enlève la Parole de leur coeur, de peur qu' ils ne croient et soient sauvés.
Lio / Lk 8:13 They on the rock are they, which, when they hear, receive the word with joy; and these have no root, which for a while believe, and in time of temptation fall away. Ireo teny ambonin' ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin' ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin' izay andro isehoan' ny fakam-panahy dia mihemotra izy. Ireo latsaka tamin' ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana, nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin' ny finoana, fa miala nony mby amin' ny andron' ny fakam-panahy. Ceux qui sont sur le roc sont ceux qui accueillent la Parole avec joie quand ils l' ont entendue, mais ceux-là n' ont pas de racine, ils ne croient que pour un moment, et au moment de l'épreuve ils font défection.
Lio / Lk 8:14 And that which fell among thorns are they, which, when they have heard, go forth, and are choked with cares and riches and pleasures of this life, and bring no fruit to perfection. Ireo teny amin' ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan' ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan' izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa. Ireo latsaka tamin' ny tsilo no izay nandre, fa nony mandeha izy dia poritin' ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan' izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa. Ce qui est tombé dans les épines, ce sont ceux qui ont entendu, mais en cours de route les soucis, la richesse et les plaisirs de la vie les étouffent, et ils n' arrivent pas à maturité.
Lio / Lk 8:15 But that on the good ground are they, which in an honest and good heart, having heard the word, keep it, and bring forth fruit with patience. Fa ireo teny amin' ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin' ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin' ny faharetana. Fa ireo latsaka amin' ny tany tsara kosa no izay mihaino ny teny amin' ny fo marina sy tsara, ka mitandrina azy sy mamoa amin' ny faharetana. Et ce qui est dans la bonne terre, ce sont ceux qui, ayant entendu la Parole avec un coeur noble et généreux, la retiennent et portent du fruit par leur constance.
Lio / Lk 8:16 No man, when he hath lighted a candle, covereth it with a vessel, or putteth it under a bed; but setteth it on a candlestick, that they which enter in may see the light. Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na nametraka azy ao ambanin' ny farafara; fa ataony eo amin' ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan' izay miditra ny mazava. Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambany farafara; fa ao ambony fanaovan-jiro no apetrany, mba hahitan' izay miditra ny mazava. " Personne, après avoir allumé une lampe, ne la recouvre d' un vase ou ne la met sous un lit ; on la met au contraire sur un lampadaire, pour que ceux qui pénètrent voient la lumière.
Lio / Lk 8:17 For nothing is secret, that shall not be made manifest; neither any thing hid, that shall not be known and come abroad. Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy haseho. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary. Car rien n' est caché qui ne deviendra manifeste, rien non plus n' est secret qui ne doive être connu et venir au grand jour.
Lio / Lk 8:18 Take heed therefore how ye hear: for whosoever hath, to him shall be given; and whosoever hath not, from him shall be taken even that which he seemeth to have. Koa tandremo ny fihainonareo; fa izay manana dia homena; ary izay tsy manana kosa, na dia izay ataony ho ananany aza dia halaina aminy. Koa tandremo àry ny fihainonareo, fa izay manana no homena, ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin' izay heveriny ho ananany aza. Prenez donc garde à la manière dont vous écoutez ! Car celui qui a, on lui donnera, et celui qui n' a pas, même ce qu' il croit avoir lui sera enlevé. "
Lio / Lk 8:19 Then came to him his mother and his brethren, and could not come at him for the press. Ary renin' i Jesosy sy ny rahalahiny nanatona Azy, fa tsy nahazo nihaona taminy, satria nifanety ny vahoaka. Ary tonga hankao amin' i Jeso ny reniny sy ny rahalahiny, fa tsy afa-nihaona taminy noho ny habetsahan' ny vahoaka, Sa mère et ses frères vinrent alors le trouver, mais ils ne pouvaient l' aborder à cause de la foule.
Lio / Lk 8:20 And it was told him by certain which said, Thy mother and thy brethren stand without, desiring to see thee. Ary nisy nilaza taminy hoe: Ny reninao sy ny rahalahinao mijanona ato ala-trano ta-hahita Anao. ka nisy nilaza taminy hoe: Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao. On l' en informa : " Ta mère et tes frères se tiennent dehors et veulent te voir. "
Lio / Lk 8:21 And he answered and said unto them, My mother and my brethren are these which hear the word of God, and do it. Fa namaly Izy ka nanao taminy hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny tenin' Andriamanitra ka mankatò azy. Dia novaliany hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko, dia izay mihaino sy mankatò ny tenin' Andriamanitra. Mais il leur répondit : " Ma mère et mes frères, ce sont ceux qui écoutent la parole de Dieu et la mettent en pratique. "
Lio / Lk 8:22 Now it came to pass on a certain day, that he went into a ship with his disciples: and he said unto them, Let us go over unto the other side of the lake. And they launched forth. Ary tamin' ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan' ny farihy; dia lasa izy. Indray andro dia niditra tao amin' ny sambo kely anankiray Jeso mbamin' ny mpianany ka hoy izy tamin' ireo: Andeha isika hiampita eny an-dafin' ny farihy, dia niainga izy ireo. Or il advint, un jour, qu' il monta en barque ainsi que ses disciples, et il leur dit : " Passons sur l' autre rive du lac. " Et ils gagnèrent le large.
Lio / Lk 8:23 But as they sailed he fell asleep: and there came down a storm of wind on the lake; and they were filled with water, and were in jeopardy. Ary nony nandeha ny sambokely, dia azon' ny torimaso Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina tamin' ny farihy, ka nila ho feno rano ny sambo, ary saiky nahita loza izy ireo. Teny am-pandehanan' ny sambo dia natory izy; kanjo nasian' ny tafio-drivotra kosa ny farihy, ka nihafeno rano ny sambo ary efa am-bava loza izy ireo. Tandis qu' ils naviguaient, il s' endormit. Et une bourrasque s' abattit sur le lac ; ils faisaient eau et se trouvaient en danger.
Lio / Lk 8:24 And they came to him, and awoke him, saying, Master, master, we perish. Then he arose, and rebuked the wind and the raging of the water: and they ceased, and there was a calm. Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro. Dia nanatona namoha azy izy ireo ka nanao hoe: Ry Mpampianatra! Ry Mpampianatra! maty izahay! Dia nitsangana izy, nandidy ny rivotra sy ny onjan-drano, ka nitsahatra ireo ary nitony tsara ny andro. S'étant donc approchés, ils le réveillèrent en disant : " Maître, maître, nous périssons ! " Et lui, s'étant réveillé, menaça le vent et le tumulte des flots. Ils s' apaisèrent et le calme se fit.
Lio / Lk 8:25 And he said unto them, Where is your faith? And they being afraid wondered, saying one to another, What manner of man is this! for he commandeth even the winds and water, and they obey him. Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany! Ary hoy izy taminy: Aiza ny finoanareo? Fa raiki-tahotra sy ankona teo izy ireo, ka nifampilaza hoe: Iza moa ity no mandidy ny rivotra sy ny ranomasina, sy eken' izy ireo? Puis il leur dit : " Où est votre foi ? " Ils furent saisis de crainte et d'étonnement, et ils se disaient les uns aux autres : " Qui est-il donc celui-là, qu' il commande même aux vents et aux flots, et ils lui obéissent ? "
Lio / Lk 8:26 And they arrived at the country of the Gadarenes, which is over against Galilee. Dia nitody tany amin' ny tanin' ny Gerasena izay tandrifin' i Galilia izy. Dia nitody tany amin' ny tanin' ny Gerasena tandrifin' i Galilea izy ireo. Ils abordèrent au pays des Géraséniens, lequel fait face à la Galilée.
Lio / Lk 8:27 And when he went forth to land, there met him out of the city a certain man, which had devils long time, and ware no clothes, neither abode in any house, but in the tombs. Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin' ny fasana. Nony tafakatra tany an-tanety Jeso, dia inty nisy lehilahy anankiray nitsena azy avy ao an-tanàna, izay azon' ny demony hatry ny ela ka tsy nitafy akory, na nanana antom-ponenana afa-tsy ny fasana. Comme il mettait pied à terre, vint à sa rencontre un homme de la ville, possédé de démons. Depuis un temps considérable il n' avait pas mis de vêtement ; et il ne demeurait pas dans une maison, mais dans les tombes.
Lio / Lk 8:28 When he saw Jesus, he cried out, and fell down before him, and with a loud voice said, What have I to do with thee, Jesus, thou Son of God most high? I beseech thee, torment me not. Fa nony nahita an' i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin' ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory Hianao, Jesosy, Zanak' Andriamanitra Avo Indrindra ô? masina Hianao, aza mampijaly ahy. Raha vao nahatazana n' i Jeso izy, dia nikiakiaka sy niankohoka teo an-tongony ary niantso mafy hoe: Misy inona raharahainao amiko, ry Jeso Zanak' Andriamanitra Avo indrindra ô? Mifona re, aza dia mampijaly ahy! Voyant Jésus, il poussa des cris, se jeta à ses pieds et, d' une voix forte, il dit : " Que me veux-tu, Jésus, fils du Dieu Très-Haut ? Je t' en prie, ne me tourmente pas. "
Lio / Lk 8:29 (For he had commanded the unclean spirit to come out of the man. For oftentimes it had caught him: and he was kept bound with chains and in fetters; and he brake the bands, and was driven of the devil into the wilderness.) Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin' ny gadra, na ny tànany, na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin' ny demonia niriotra nankany an-efitra izy. fa Jeso efa nandidy ny fanahy maloto hiala amin-dralehilahy: Fa matetika no nasian' ny fanahy maloto izy io, ka na nofatorana rojo vy sy nogadran-tongotra aza, dia tapany ny fatorany, ka nentin' ny demony niriorio foana tany an' efitra tany izy. Il prescrivait en effet à l' esprit impur de sortir de cet homme. Car, à maintes reprises, l' esprit s'était emparé de lui ; on le liait alors, pour le garder, avec des chaînes et des entraves, mais il brisait ses liens et le démon l' entraînait vers les déserts.
Lio / Lk 8:30 And Jesus asked him, saying, What is thy name? And he said, Legion: because many devils were entered into him. Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny. Nanontanian' i Jeso izy nataony hoe: Iza no anaranao: ka Lejiona no anarako, hoy izy, satria be ny demony tafiditra tao aminy, Jésus l' interrogea : " Quel est ton nom ? " Il dit : " Légion ", car beaucoup de démons étaient entrés en lui.
Lio / Lk 8:31 And they besought him that he would not command them to go out into the deep. Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany amin' ny lavaka tsy hita noanoa. sady niangavy tamin' i Jeso ireo mba tsy handidy azy hivarina any amin' ny hantsana. Et ils le suppliaient de ne pas leur commander de s' en aller dans l' abîme.
Lio / Lk 8:32 And there was there an herd of many swine feeding on the mountain: and they besought him that he would suffer them to enter into them. And he suffered them. Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nekeny. Fa nisy kisoa maro iray dia kosa nihinana teny an-tendrombohitra, ka nangata-dàlana hiditra tamin' ireo ny demony, dia nekeny. Or il y avait là un troupeau considérable de porcs en train de paître dans la montagne. Les démons supplièrent Jésus de leur permettre d' entrer dans les porcs. Et il le leur permit.
Lio / Lk 8:33 Then went the devils out of the man, and entered into the swine: and the herd ran violently down a steep place into the lake, and were choked. Ary ny demonia, rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia niditra tao anatin' ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva tamin' ny hantsana ho any amin' ny farihy, ka dia maty tany. Tamin' izay, dia niala tamin-dralehilahy ny demony ka niditra tamin' ny kisoa ka nivarina tamin' ny kisolosolo mideza ho any anaty farihy, dia maty tany. Sortant alors de l' homme, les démons entrèrent dans les porcs et le troupeau se précipita du haut de l' escarpement dans le lac et se noya.
Lio / Lk 8:34 When they that fed them saw what was done, they fled, and went and told it in the city and in the country. Ary nony hitan' ny mpiandry izany natao izany, dia nandositra izy ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Nandositra ny mpiandry nony nahita izany, ka lasa nilaza izany tany an-tanàna sy tany an-tsaha. Voyant ce qui s'était passé, les gardiens prirent la fuite et rapportèrent la nouvelle à la ville et dans les fermes.
Lio / Lk 8:35 Then they went out to see what was done; and came to Jesus, and found the man, out of whom the devils were departed, sitting at the feet of Jesus, clothed, and in his right mind: and they were afraid. Dia nivoaka ny olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin' i Jesosy izy, dia nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan' ny demonia, fa indro izy nipetraka teo anilan' ny tongotr' i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo. Dia nivoaka hizaha izany ny olona, ka nony tonga tany amin' i Jeso izy ireo, dia nahita ity lehilahy nivoahan' ny demony nipetraka tao amin' ny tongony, sady nitafy no nody saina, ka raiki-tahotra, Les gens sortirent donc pour voir ce qui s'était passé. Ils arrivèrent auprès de Jésus et trouvèrent l' homme dont étaient sortis les démons, assis, vêtu et dans son bon sens, aux pieds de Jésus ; et ils furent pris de peur.
Lio / Lk 8:36 They also which saw it told them by what means he that was possessed of the devils was healed. Ary izay efa nahita dia nanambara tamin' ny olona ny namonjena an' ilay demoniaka. sady notantarain-dry zareo nanatri-maso tamin' izy ireo koa moa ny nahafahan' ilay azon' ny demony. Les témoins leur rapportèrent comment avait été sauvé celui qui était démoniaque.
Lio / Lk 8:37 Then the whole multitude of the country of the Gadarenes round about besought him to depart from them; for they were taken with great fear: and he went up into the ship, and returned back again. Ary ny olona rehetra tany amin' ny tanin' ny Gerasena manodidina dia nangataka an' i Jesosy hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy; ary Jesosy niondrana an-tsambokely ka niverina. Tamin' izay ny mponina rehetra tao amin' ny tanin' ny Gerasena nangataka azy hiala teo aminy satria natahotra mafy loatra izy ireo; ka dia niditra tao an-tsambo Jeso fa ndeha hiverina. Et toute la population de la région des Géraséniens pria Jésus de s'éloigner d' eux, car ils étaient en proie à une grande peur. Et lui, étant monté en barque, s' en retourna.
Lio / Lk 8:38 Now the man out of whom the devils were departed besought him that he might be with him: but Jesus sent him away, saying, Ary ny lehilahy izay efa nivoahan' ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin' i Jesosy izy ka nataony hoe: Ary nangataka hanaraka azy ilay lehilahy nivoahan' ny demony, fa nasainy nody ihany nataony hoe: L' homme dont les démons étaient sortis le priait de le garder avec lui, mais il le renvoya, en disant :
Lio / Lk 8:39 Return to thine own house, and shew how great things God hath done unto thee. And he went his way, and published throughout the whole city how great things Jesus had done unto him. Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon' Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran' ny tanàna izay zavatra lehibe nataon' i Jesosy taminy. Modia any an-tranonao, ary tantarao ny zava-dehibe nataon' Andriamanitra taminao. Dia lasa izy nitory eran' ny tanàna ny soa nataon' i Jeso taminy. " Retourne chez toi, et raconte tout ce que Dieu a fait pour toi. " Il s' en alla donc, proclamant par la ville entière tout ce que Jésus avait fait pour lui.
Lio / Lk 8:40 And it came to pass, that, when Jesus was returned, the people gladly received him: for they were all waiting for him. Ary nony tafaverina Jesosy, dia nandray Azy tsara ny vahoaka, fa niandry Azy avokoa izy rehetra. Rahefa tafaverina Jeso dia nandray azy tsara ny vahoaka, fa niandry azy rahateo izy rehetra. A son retour, Jésus fut accueilli par la foule, car tous étaient à l' attendre.
Lio / Lk 8:41 And, behold, there came a man named Jairus, and he was a ruler of the synagogue: and he fell down at Jesus' feet, and besought him that he would come into his house: Ary, indro, dia tonga ny lehilahy atao hoe Jairo, mpanapaka ny synagoga; dia niankohoka tamin' ny tongotr' i Jesosy izy ka niangavy taminy hiditra ao an-tranony. Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe Jaïra izay lehiben' ny sinagoga nanatona azy, dia niankohoka tamin' ny tongony sy nangataka azy hiditra ao an-tranony, Et voici qu' arriva un homme du nom de Jaïre, qui était chef de la synagogue. Tombant aux pieds de Jésus, il le priait de venir chez lui,
Lio / Lk 8:42 For he had one only daughter, about twelve years of age, and she lay a dying. But as he went the people thronged him. Fa nanana zanakavavy tokana tokony ho roa ambin' ny folo taona izy, ary efa ho faty razazavavy. Ary raha nandeha Jesosy, dia nanety lalana Azy ny vahoaka. fa nanan-janaka vavy tokana tokony ho roa ambin' ny folo taona narary ho faty izy. Nony nandeha Jeso dia nifanety tamin' ny vahoaka, parce qu' il avait une fille unique, âgée d' environ douze ans, qui se mourait. Et comme il s' y rendait, les foules le serraient à l'étouffer.
Lio / Lk 8:43 And a woman having an issue of blood twelve years, which had spent all her living upon physicians, neither could be healed of any, Ary nisy vehivavy anankiray narary roa ambin' ny folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin' ny mpanao fanafody, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory. ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà hatramin' ny roa ambin' ny folo taona, efa nandany ny fananany rehetra tamin' ny dokotera, fa tsy nisy nahasitrana azy na dia iray aza, Or une femme, atteinte d' un flux de sang depuis douze années, et que nul n' avait pu guérir,
Lio / Lk 8:44 Came behind him, and touched the border of his garment: and immediately her issue of blood stanched. Dia nankao ivohon' i Jesosy ravehivavy ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka tamin' izay dia nijanona ny aretiny. nanatona avy ao ivohony, dia nanendry ny moron-tongotr' akanjony, ka nijanona niarka tamin' izay ny fitsihany. s' approcha par derrière et toucha la frange de son manteau ; et à l' instant même son flux de sang s' arrêta.
Lio / Lk 8:45 And Jesus said, Who touched me? When all denied, Peter and they that were with him said, Master, the multitude throng thee and press thee, and sayest thou, Who touched me? Ary hoy Jesosy: Iza moa no nanendry Ahy? Ary rehefa samy nandà izy rehetra, dia hoy Petera sy ny namany: Tompoko, ny vahoaka betsaka mifanety ka manizina Anao. Dia hoy Jeso: Iza moa no nanendry ahy? Samy nandà avokoa izy rehetra, fa Piera sy ny namany no nanao hoe: Ry Mpampianatra ô! vahoaka be no mifanety sy mifanizina aminao, ka hianao manontany hoe: Iza no nanendry ahy? Mais Jésus dit : " Qui est-ce qui m' a touché ? " Comme tous s' en défendaient, Pierre dit : " Maître, ce sont les foules qui te serrent et te pressent. "
Lio / Lk 8:46 And Jesus said, Somebody hath touched me: for I perceive that virtue is gone out of me. Fa hoy Jesosy: Nisy olona nanendry Ahy; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko. Ary hoy Jeso: Nisy nanendry ahy, satria reko fa nisy hery nivoaka tamiko. Mais Jésus dit : " Quelqu' un m' a touché ; car j' ai senti qu' une force était sortie de moi. "
Lio / Lk 8:47 And when the woman saw that she was not hid, she came trembling, and falling down before him, she declared unto him before all the people for what cause she had touched him, and how she was healed immediately. Ary rehefa hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy, dia nangovitra izy ka nankeo aminy sady niankohoka teo anatrehany, dia nanambara teo anatrehan' ny vahoaka rehetra izay anton' ny nanendreny Azy sy izay nahasitranany niaraka tamin' izay. Nony hitan-dravehivavy fa tsy takona azy izy, dia tera-kovitra izy ka inty tamy niankohoka teo amin' ny tongony, sady nanambara teo imason' ny vahoaka ny anton' ny nanendreny azy sy ny nahasitranany niaraka tamin' izay. Se voyant alors découverte, la femme vint toute tremblante et, se jetant à ses pieds, raconta devant tout le peuple pour quel motif elle l' avait touché, et comment elle avait été guérie à l' instant même.
Lio / Lk 8:48 And he said unto her, Daughter, be of good comfort: thy faith hath made thee whole; go in peace. Ary hoy Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara. Ary hoy Jeso taminy: Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana. Et il lui dit : " Ma fille, ta foi t' a sauvée ; va en paix. "
Lio / Lk 8:49 While he yet spake, there cometh one from the ruler of the synagogue' s house, saying to him, Thy daughter is dead; trouble not the Master. Ary raha mbola niteny Jesosy, dia tonga ny anankiray avy tany amin' ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Maty ny zanakao-vavy; aza manahirana ny Mpampianatra. Raha mbola niteny izy, dia nisy olona anankiray avy any amin' ilay lehiben' ny sinagoga tonga nilaza taminy hoe: Efa maty ny zanakao vavy, fa aza manasatra ny Mpampianatra. Tandis qu' il parlait encore, arrive de chez le chef de synagogue quelqu' un qui dit : " Ta fille est morte à présent ; ne dérange plus le Maître. "
Lio / Lk 8:50 But when Jesus heard it, he answered him, saying, Fear not: believe only, and she shall be made whole. Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy. Ren' i Jeso izany ka hoy izy tamin' ny rain' ilay zazavavy: Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany, dia ho velona ny zanakao. Mais Jésus, qui avait entendu, lui répondit : " Sois sans crainte, crois seulement, et elle sera sauvée. "
Lio / Lk 8:51 And when he came into the house, he suffered no man to go in, save Peter, and James, and John, and the father and the mother of the maiden. Ary raha tonga tao an-trano Izy, dia tsy nisy olona navelany hiara-miditra taminy, afa-tsy Petera sy Jaona ary Jakoba mbamin' ny ray aman-drenin-drazazavavy. Nony tonga tao an-trano izy, dia tsy nisy navelany hiara-miditra aminy afa-tsy Piera sy Jakoba ary Joany, mbamin' ny ray aman-drenin-drazazavavy. Arrivé à la maison, il ne laissa personne entrer avec lui, si ce n' est Pierre, Jean et Jacques, ainsi que le père et la mère de l' enfant.
Lio / Lk 8:52 And all wept, and bewailed her: but he said, Weep not; she is not dead, but sleepeth. Ary ny olona rehetra nitomany sy nisaona azy; fa Jesosy nanao hoe: Aza mitomany; fa tsy maty izy, fa matory. Nitomany sy ory azy ny olona rehetra, fa hoy Jeso: Aza mitomany hianareo, tsy maty izy fa matory. Tous pleuraient et se frappaient la poitrine à cause d' elle. Mais il dit : " Ne pleurez pas, elle n' est pas morte, mais elle dort. "
Lio / Lk 8:53 And they laughed him to scorn, knowing that she was dead. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona satria fantany fa efa maty razazavavy. Dia niomehezan' izy ireo izy, satria fantany tsara fa maty razazavavy. Et ils se moquaient de lui, sachant bien qu' elle était morte.
Lio / Lk 8:54 And he put them all out, and took her by the hand, and called, saying, Maid, arise. Ary Jesosy dia nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, miarena. Ary Jeso nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, mitsangàna. Mais lui, prenant sa main, l' appela en disant : " Enfant, lève-toi. "
Lio / Lk 8:55 And her spirit came again, and she arose straightway: and he commanded to give her meat. Dia nody indray ny ainy, ka niarina niaraka tamin' izay izy; ary nasainy nomena hanina izy. Dia nody indray ny ainy, ka nitsangana niaraka tamin' izay izy, ary nasainy nomena hanina. Son esprit revint, et elle se leva à l' instant même. Et il ordonna de lui donner à manger.
Lio / Lk 8:56 And her parents were astonished: but he charged them that they should tell no man what was done. Ary dia talanjona ny ray aman-dreniny; fa Jesosy nandrara ary tsy hilazalaza amin' olona ny zavatra efa natao. Talanjona ny ray aman-dreniny, fa Jeso nandrara azy tsy hilazalaza amin' olona izay natao. Ses parents furent saisis de stupeur, mais il leur prescrivit de ne dire à personne ce qui s'était passé.

<-
->