<-
->

Lio / Lk 15:1 Then drew near unto him all the publicans and sinners for to hear him. Ary ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an' i Jesosy. Ary nanatona hihaino azy ny poblikàna rehetra sy ny mpanota, Cependant tous les publicains et les pécheurs s' approchaient de lui pour l' entendre.
Lio / Lk 15:2 And the Pharisees and scribes murmured, saying, This man receiveth sinners, and eateth with them. Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy. ka nimonjomonjo ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy. Et les Pharisiens et les scribes de murmurer : " Cet homme, disaient-ils, fait bon accueil aux pécheurs et mange avec eux ! "
Lio / Lk 15:3 And he spake this parable unto them, saying, Fa Izy nanao izao fanoharana izao taminy hoe: Dia nanao ity fanoharana ity tamin' izy ireo Jeso hoe: Il leur dit alors cette parabole :
Lio / Lk 15:4 What man of you, having an hundred sheep, if he lose one of them, doth not leave the ninety and nine in the wilderness, and go after that which is lost, until he find it? Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an' efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? " Lequel d' entre vous, s' il a cent brebis et vient à en perdre une, n' abandonne les quatre-vingt-dix-neuf autres dans le désert pour s' en aller après celle qui est perdue, jusqu'à ce qu' il l' ait retrouvée ?
Lio / Lk 15:5 And when he hath found it, he layeth it on his shoulders, rejoicing. ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy; Ary rahefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, Et, quand il l' a retrouvée, il la met, tout joyeux, sur ses épaules
Lio / Lk 15:6 And when he cometh home, he calleth together his friends and neighbours, saying unto them, Rejoice with me; for I have found my sheep which was lost. ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very. ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin' ireo hoe: Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very. et, de retour chez lui, il assemble amis et voisins et leur dit : "Réjouissez-vous avec moi, car je l' ai retrouvée, ma brebis qui était perdue ! "
Lio / Lk 15:7 I say unto you, that likewise joy shall be in heaven over one sinner that repenteth, more than over ninety and nine just persons, which need no repentance. Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin' ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin' ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany. Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin' ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin' ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana. C' est ainsi, je vous le dis, qu' il y aura plus de joie dans le ciel pour un seul pécheur qui se repent que pour quatre-vingt-dix-neuf justes, qui n' ont pas besoin de repentir.
Lio / Lk 15:8 Either what woman having ten pieces of silver, if she lose one piece, doth not light a candle, and sweep the house, and seek diligently till she find it? Ary iza moa no vehivavy manana farantsakely folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy? Sa iza no vehivavy manana dragma folo ka very ny anankiray no tsy hampirehitra jiro sy hifafa trano, ary hitady azy tsara ambara-pahitany azy? " Ou bien, quelle est la femme qui, si elle a dix drachmes et vient à en perdre une, n' allume une lampe, ne balaie la maison et ne cherche avec soin, jusqu'à ce qu' elle l' ait retrouvée ?
Lio / Lk 15:9 And when she hath found it, she calleth her friends and her neighbours together, saying, Rejoice with me; for I have found the piece which I had lost. Ary raha hitany iny, dia mamory ny vehivavy sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely izay very. Ary rahefa hitany dia mamory ny sakaizany sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe: Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very. Et, quand elle l' a retrouvée, elle assemble amies et voisines et leur dit : "Réjouissez-vous avec moi, car je l' ai retrouvée, la drachme que j' avais perdue ! "
Lio / Lk 15:10 Likewise, I say unto you, there is joy in the presence of the angels of God over one sinner that repenteth. Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan' ny anjelin' Andriamanitra ny amin' ny mpanota iray izay mibebaka. Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan' ny anjelin' Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka. C' est ainsi, je vous le dis, qu' il naît de la joie devant les anges de Dieu pour un seul pécheur qui se repent. "
Lio / Lk 15:11 And he said, A certain man had two sons: Ary hoy Jesosy: Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy. Hoy koa izy: Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy, Il dit encore : " Un homme avait deux fils.
Lio / Lk 15:12 And the younger of them said to his father, Father, give me the portion of goods that falleth to me. And he divided unto them his living. Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin' izy mirahalahy ny fananany. ka hoy ilay zandriny tamin-drainy: Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin' izy roa lahy ny fananany. Le plus jeune dit à son père : "Père, donne-moi la part de fortune qui me revient. " Et le père leur partagea son bien.
Lio / Lk 15:13 And not many days after the younger son gathered all together, and took his journey into a far country, and there wasted his substance with riotous living. Ary nony afaka kelikely, dia nangonin' ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin' ny fiveloman-dratsy tany. Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin' ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin' ny fitondran-tena ratsy. Peu de jours après, rassemblant tout son avoir, le plus jeune fils partit pour un pays lointain et y dissipa son bien en vivant dans l' inconduite.
Lio / Lk 15:14 And when he had spent all, there arose a mighty famine in that land; and he began to be in want. Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin' izany tany izany, ka nahantra izy. Rahefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary lehibe tamin' izany tany izany ka nahantra izy. " Quand il eut tout dépensé, une famine sévère survint en cette contrée et il commença à sentir la privation.
Lio / Lk 15:15 And he went and joined himself to a citizen of that country; and he sent him into his fields to feed swine. Dia nandeha izy ka niankina tamin' ny tompon-tany anankiray tamin' izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa. Dia lasa ny anao nikarama tamin' ny tompon-tany anankiray tany, ka nirahiny hiandry kisoa tany an-tsaha. Il alla se mettre au service d' un des habitants de cette contrée, qui l' envoya dans ses champs garder les cochons.
Lio / Lk 15:16 And he would fain have filled his belly with the husks that the swine did eat: and no man gave unto him. Ary satriny hameno ny kibony tamin' ny voan-kazo fihinan' ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy. naniry hivoky ny hodi-boan-javatra nohanin' ny kisoa izy, fa tsy nisy nanome azy. Il aurait bien voulu se remplir le ventre des caroubes que mangeaient les cochons, mais personne ne lui en donnait.
Lio / Lk 15:17 And when he came to himself, he said, How many hired servants of my father' s have bread enough and to spare, and I perish with hunger! Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain' ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto! Izay vao nody ny sainy ka hoy izy: Firifiry akory moa ny mpikaraman' i dada no manan-kanina be, nefa izaho kosa ity maty noana atý! Rentrant alors en lui-même, il se dit : "Combien de mercenaires de mon père ont du pain en surabondance, et moi je suis ici à périr de faim !
Lio / Lk 15:18 I will arise and go to my father, and will say unto him, Father, I have sinned against heaven, and before thee, Hiainga aho, dia hody any amin' ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin' ny lanitra sy teo anatrehanao aho Hitsangana aho ho any amin' ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin' ny lanitra sy teo anatrehanao aho, Je veux partir, aller vers mon père et lui dire : Père j' ai péché contre le Ciel et envers toi ;
Lio / Lk 15:19 And am no more worthy to be called thy son: make me as one of thy hired servants. ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin' ny olona karamainao aho. ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony; fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin' ny mpikaramanao re aho. je ne mérite plus d'être appelé ton fils, traite-moi comme l' un de tes mercenaires. "
Lio / Lk 15:20 And he arose, and came to his father. But when he was yet a great way off, his father saw him, and had compassion, and ran, and fell on his neck, and kissed him. Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy. Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. Il partit donc et s' en alla vers son père. " Tandis qu' il était encore loin, son père l' aperçut et fut pris de pitié ; il courut se jeter à son cou et l' embrassa tendrement.
Lio / Lk 15:21 And the son said unto him, Father, I have sinned against heaven, and in thy sight, and am no more worthy to be called thy son. Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin' ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony. Dia hoy ity zanany taminy: Dada ô! efa nanota tamin' ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony. Le fils alors lui dit : "Père, j' ai péché contre le Ciel et envers toi, je ne mérite plus d'être appelé ton fils. "
Lio / Lk 15:22 But the father said to his servants, Bring forth the best robe, and put it on him; and put a ring on his hand, and shoes on his feet: Fa rainy kosa nanao tamin' ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony; Fa hoy rainy tamin' ny mpanompony: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tànany, kiraroy ny tongony, Mais le père dit à ses serviteurs : "Vite, apportez la plus belle robe et l' en revêtez, mettez-lui un anneau au doigt et des chaussures aux pieds.
Lio / Lk 15:23 And bring hither the fatted calf, and kill it; and let us eat, and be merry: ary ento ny zanak' omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly; ary ento ny zanak' omby matavy ka vonoy, dia aoka hihinana sy hifaly isika, Amenez le veau gras, tuez-le, mangeons et festoyons,
Lio / Lk 15:24 For this my son was dead, and is alive again; he was lost, and is found. And they began to be merry. fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy. fa ity zanako ity dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray. Dia nifaly izy rehetra. car mon fils que voilà était mort et il est revenu à la vie ; il était perdu et il est retrouvé ! " Et ils se mirent à festoyer.
Lio / Lk 15:25 Now his elder son was in the field: and as he came and drew nigh to the house, he heard musick and dancing. Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy. Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahimatoa tamin' izay. Nony nody izy sy mby teo akaikin' ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy, " Son fils aîné était aux champs. Quand, à son retour, il fut près de la maison, il entendit de la musique et des danses.
Lio / Lk 15:26 And he called one of the servants, and asked what these things meant. Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton' izany zavatra izany. ka niantso ankizilahy anankiray sy nanontany azy izay anton' izany. Appelant un des serviteurs, il s' enquérait de ce que cela pouvait bien être.
Lio / Lk 15:27 And he said unto him, Thy brother is come; and thy father hath killed the fatted calf, because he hath received him safe and sound. Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak' omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy. Dia hoy ilay mpanompo taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono zanak' omby matavy rainao, satria tafaverina soa aman-tsara izy. Celui-ci lui dit : "C' est ton frère qui est arrivé, et ton père a tué le veau gras, parce qu' il l' a recouvré en bonne santé. "
Lio / Lk 15:28 And he was angry, and would not go in: therefore came his father out, and intreated him. Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy. Dia tezitra izy, ka tsy nety niditra, ary nivoaka rainy hampandroso azy. Il se mit alors en colère, et il refusait d' entrer. Son père sortit l' en prier.
Lio / Lk 15:29 And he answering said to his father, Lo, these many years do I serve thee, neither transgressed I at any time thy commandment: and yet thou never gavest me a kid, that I might make merry with my friends: Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak' osy aza mba hifaliako amin' ny sakaizako; Fa hoy ny navaliny an-drainy: Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny didinao akory aho, nefa tsy mbola mba nomenao zanak' osy iray akory hifaliako amin' ny sakaizako; Mais il répondit à son père : "Voilà tant d' années que je te sers, sans avoir jamais transgressé un seul de tes ordres, et jamais tu ne m' as donné un chevreau, à moi, pour festoyer avec mes amis ;
Lio / Lk 15:30 But as soon as this thy son was come, which hath devoured thy living with harlots, thou hast killed for him the fatted calf. fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin' ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak' omby nafahy ianao. fa nony tonga kosa io zanakao io izay avy nandany ny fanananao tamin' ny vehivavy janga, dia namonoanao zanak' omby matavy izy. et puis ton fils que voici revient-il, après avoir dévoré ton bien avec des prostituées, tu fais tuer pour lui le veau gras ! "
Lio / Lk 15:31 And he said unto him, Son, thou art ever with me, and all that I have is thine. Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. Fa hoy rainy taminy: Hianao, anaka, dia eto amiko mandrakariva ka anao avokoa izay rehetra ananako; " Mais le père lui dit : "Toi, mon enfant, tu es toujours avec moi, et tout ce qui est à moi est à toi.
Lio / Lk 15:32 It was meet that we should make merry, and be glad: for this thy brother was dead, and is alive again; and was lost, and is found. Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana, satria io rahalahinao io, dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray. Mais il fallait bien festoyer et se réjouir, puisque ton frère que voilà était mort et il est revenu à la vie ; il était perdu et il est retrouvé ! " "

<-
->