<-
->

Mar / Mk 1:1 The beginning of the gospel of Jesus Christ, the Son of God; Ny niandohan' ny filazantsaran' i Jesosy Kristy, Zanak' Andriamanitra. Fiandohan' ny Evanjelin' i Jeso-Kristy, Zanak' Andriamanitra. Commencement de l'Évangile de Jésus Christ, Fils de Dieu.
Mar / Mk 1:2 As it is written in the prophets, Behold, I send my messenger before thy face, which shall prepare thy way before thee. Araka izay voasoratra ao amin' Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao (Mal 3. 1); Araka izay voasoratra ao amin' Izaia mpaminany hoe: Indro aho maniraka ny anjeliko eo alohanao, izay hamboatra ny làlanao; Selon qu' il est écrit dans Isaïe le prophète : Voici que j' envoie mon messager en avant de toi pour préparer ta route.
Mar / Mk 1:3 The voice of one crying in the wilderness, Prepare ye the way of the Lord, make his paths straight. Injany! misy feon' ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan' i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa 40. 3), injay misy feo miantso any an-efitra hoe: Amboary ny làlan' ny Tompo, ahitsio ny alehany, Voix de celui qui crie dans le désert : Préparez le chemin du Seigneur, rendez droits ses sentiers,
Mar / Mk 1:4 John did baptize in the wilderness, and preach the baptism of repentance for the remission of sins. dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan' ny fibebahana ho famelan-keloka. dia niseho tany an' efitra Joany Batista nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka. Jean le Baptiste fut dans le désert, proclamant un baptême de repentir pour la rémission des péchés.
Mar / Mk 1:5 And there went out unto him all the land of Judaea, and they of Jerusalem, and were all baptized of him in the river of Jordan, confessing their sins. Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin' ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. Ary nandeha nanatona azy ny tany Jodea rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, ka nataony batemy tamin' ny onin' i Jordany ireo, rahefa niaiky ny fahotany. Et s' en allaient vers lui tout le pays de Judée et tous les habitants de Jérusalem, et ils se faisaient baptiser par lui dans les eaux du Jourdain, en confessant leurs péchés.
Mar / Mk 1:6 And John was clothed with camel' s hair, and with a girdle of a skin about his loins; and he did eat locusts and wild honey; Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin' ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby. Volon-drameva no nitafian' i Joany, fehinkibo hoditra no nanodidina ny valahany, ary valala sy tantely remby no fihinany; ary izao no notoriny: Jean était vêtu d' une peau de chameau et mangeait des sauterelles et du miel sauvage.
Mar / Mk 1:7 And preached, saying, There cometh one mightier than I after me, the latchet of whose shoes I am not worthy to stoop down and unloose. Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho. Avy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany akory aho. Et il proclamait : " Vient derrière moi celui qui est plus fort que moi, dont je ne suis pas digne, en me courbant, de délier la courroie de ses sandales.
Mar / Mk 1:8 I indeed have baptized you with water: but he shall baptize you with the Holy Ghost. Izaho efa nanao batisa anareo tamin' ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin' ny Fanahy Masina. Izaho nanao batemy anareo tamin' ny rano, fa izy kosa hanao batemy anareo amin' ny Fanahy Masina. Moi, je vous ai baptisés avec de l' eau, mais lui vous baptisera avec l' Esprit Saint. "
Mar / Mk 1:9 And it came to pass in those days, that Jesus came from Nazareth of Galilee, and was baptized of John in Jordan. Ary tamin' izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon' i Jaona batisa tao Jordana. Ary tamin' izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanànan' i Galilea Jeso, ka nataon' i Joany batemy tao Jordany. Et il advint qu' en ces jours-là Jésus vint de Nazareth de Galilée, et il fut baptisé dans le Jourdain par Jean.
Mar / Mk 1:10 And straightway coming up out of the water, he saw the heavens opened, and the Spirit like a dove descending upon him: Ary raha vao niakatra avy teo amin' ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. Raha vao niala avy tao anaty rano izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala, nankeo amboniny; Et aussitôt, remontant de l' eau, il vit les cieux se déchirer et l' Esprit comme une colombe descendre vers lui,
Mar / Mk 1:11 And there came a voice from heaven, saying, Thou art my beloved Son, in whom I am well pleased. Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako. ary nisy feo re avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, hianao no ankasitrahako. et une voix vint des cieux : " Tu es mon Fils bien-aimé, tu as toute ma faveur. "
Mar / Mk 1:12 And immediately the spirit driveth him into the wilderness. Ary niaraka tamin' izay dia nampandehanin' ny Fanahy ho any an-efitra Izy. Dia nentin' ny Fanahy ho any an' efitra niaraka tamin' izay izy, Et aussitôt, l' Esprit le pousse au désert.
Mar / Mk 1:13 And he was there in the wilderness forty days, tempted of Satan; and was with the wild beasts; and the angels ministered unto him. Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain' i Satana fanahy; ary teo amin' ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy. ka nitoetra tany efa-polo andro dia nalain' i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin' ny bibidia, ary ny anjely nanompo azy. Et il était dans le désert durant quarante jours, tenté par Satan. Et il était avec les bêtes sauvages, et les anges le servaient.
Mar / Mk 1:14 Now after that John was put in prison, Jesus came into Galilee, preaching the gospel of the kingdom of God, Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran' Andriamanitra Ary rahefa natao an-tranomaizina Joany, dia nankany Galilea Jeso nitory ny Evanjelin' ny fanjakan' Andriamanitra Après que Jean eut été livré, Jésus vint en Galilée, proclamant l'Évangile de Dieu et disant :
Mar / Mk 1:15 And saying, The time is fulfilled, and the kingdom of God is at hand: repent ye, and believe the gospel. ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. ka nanao hoe: Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra; mibebaha hianareo ary minoa ny Evanjely. " Le temps est accompli et le Royaume de Dieu est tout proche : repentez-vous et croyez à l'Évangile. "
Mar / Mk 1:16 Now as he walked by the sea of Galilee, he saw Simon and Andrew his brother casting a net into the sea: for they were fishers. Ary nony nandalo teny amoron' ny Ranomasin' i Galilia Izy, dia nahita an' i Simona sy Andrea, rahalahin' i Simona, nanarato teo amin' ny ranomasina; fa mpanarato izy. Nony nandalo teny amoron' ny ranomasin' i Galilea izy, dia nahita an' i Simona sy Andre rahalahiny nanarato teo amin' ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Comme il passait sur le bord de la mer de Galilée, il vit Simon et André, le frère de Simon, qui jetaient l'épervier dans la mer ; car c'étaient des pêcheurs.
Mar / Mk 1:17 And Jesus said unto them, Come ye after me, and I will make you to become fishers of men. Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. Ary hoy Jeso taminy: Andeha hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo. Et Jésus leur dit : " Venez à ma suite et je vous ferai devenir pêcheurs d' hommes. "
Mar / Mk 1:18 And straightway they forsook their nets, and followed him. Dia nandao ny harato niaraka tamin' izay izy ka nanaraka Azy. Dia nandao ny haratony niaraka tamin' izay izy, ka nanaraka azy. Et aussitôt, laissant les filets, ils le suivirent.
Mar / Mk 1:19 And when he had gone a little farther thence, he saw James the son of Zebedee, and John his brother, who also were in the ship mending their nets. Ary rehefa nandroso kelikely Izy, nahita an' i Jakoba, zanak' i Zebedio, Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony. Nony nandeha kelikely izy, dia nahita an' i Jakoba zanak' i Zebede sy Joany rahalahiny, izay teo an-tsambo kely koa nanamboatra ny haratony. Et s' avançant un peu, il vit Jacques, fils de Zébédée, et Jean son frère, eux aussi dans leur barque en train d' arranger les filets ;
Mar / Mk 1:20 And straightway he called them: and they left their father Zebedee in the ship with the hired servants, and went after him. Dia niantso azy niaraka tamin' izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an' i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin' ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an' i Jesosy. Dia niantso azy niaraka tamin' izay izy, ka nilaozan' izy mirahalahy teo an-tsambo keliny Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an' i Jeso izy. et aussitôt il les appela. Et laissant leur père Zébédée dans la barque avec ses employés, ils partirent à sa suite.
Mar / Mk 1:21 And they went into Capernaum; and straightway on the sabbath day he entered into the synagogue, and taught. Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin' ny Sabata, dia niditra tao amin' ny synagoga niaraka tamin' izay Jesosy ka nampianatra. Ary nankany Kafarnaoma izy ireo, ka ny sabata voalohany ihany dia niditra tao amin' ny sinagoga izy sy nampianatra ny olona. Ils pénètrent à Capharnaüm. Et aussitôt, le jour du sabbat, étant entré dans la synagogue, il enseignait.
Mar / Mk 1:22 And they were astonished at his doctrine: for he taught them as one that had authority, and not as the scribes. Dia talanjona ny olona tamin' ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. Dia gaga izy ireo tamin' ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. Et ils étaient frappés de son enseignement, car il les enseignait comme ayant autorité, et non pas comme les scribes.
Mar / Mk 1:23 And there was in their synagogue a man with an unclean spirit; and he cried out, Ary niaraka tamin' izay dia nisy olona teo amin' ny synagogany, izay azon' ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy Ary tao amin' ny sinagogany dia nisy lehilahy anankiray azon' ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy Et aussitôt il y avait dans leur synagogue un homme possédé d' un esprit impur, qui cria
Mar / Mk 1:24 Saying, Let us alone; what have we to do with thee, thou Jesus of Nazareth? art thou come to destroy us? I know thee who thou art, the Holy One of God. ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin' Andriamanitra Hianao. nanao hoe: Mifampaninona izahay sy hianao ry Jeso avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay va hianao? Fantatro raha hianao, dia ilay masin' Andriamanitra. en disant : " Que nous veux-tu, Jésus le Nazaréen ? Es-tu venu pour nous perdre ? Je sais qui tu es : le Saint de Dieu. "
Mar / Mk 1:25 And Jesus rebuked him, saying, Hold thy peace, and come out of him. Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy. Fa nandrahona azy Jeso nanao hoe: Mangina, ary mivoaha amin' io lehilahy io. Et Jésus le menaça en disant : " Tais-toi et sors de lui. "
Mar / Mk 1:26 And when the unclean spirit had torn him, and cried with a loud voice, he came out of him. Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan' ilay marary, dia niantso tamin' ny feo mahery ka niala taminy. Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy, dia niantso tamin' ny feo mahery ka nivoaka taminy. Et le secouant violemment, l' esprit impur cria d' une voix forte et sortit de lui.
Mar / Mk 1:27 And they were all amazed, insomuch that they questioned among themselves, saying, What thing is this? what new doctrine is this? for with authority commandeth he even the unclean spirits, and they do obey him. Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy. Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe: Inona ity? Fampianarana vaovao inona re ity? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky azy. Et ils furent tous effrayés, de sorte qu' ils se demandaient entre eux : " Qu' est cela ? Un enseignement nouveau, donné d' autorité ! Même aux esprits impurs, il commande et ils lui obéissent ! "
Mar / Mk 1:28 And immediately his fame spread abroad throughout all the region round about Galilee. Ary ny lazany dia niely niaraka tamin' izay teny tontolo eny tamin' ny tany rehetra eran' i Galilia. Dia niely eran' i Galilea rehetra ny lazany. Et sa renommée se répandit aussitôt partout, dans la région de Galilée.
Mar / Mk 1:29 And forthwith, when they were come out of the synagogue, they entered into the house of Simon and Andrew, with James and John. Ary niaraka tamin' izay, raha nivoaka avy tao amin' ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon' i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona. Raha vao nivoaka avy tao amin' ny sinagoga izy ireo, dia nankany an-tranon' i Simona sy Andre izy sy Jakoba ary Joany. Et aussitôt, sortant de la synagogue, il vint dans la maison de Simon et d' André, avec Jacques et Jean.
Mar / Mk 1:30 But Simon' s wife' s mother lay sick of a fever, and anon they tell him of her. Ary ny rafozam-bavin' i Simona nandry teo nanavin' ny tazo; ary niaraka tamin' izay dia nilaza azy taminy izy ireo. Ary ny rafozam-bavin' i Simona nandry teo am-pandriana fa nanavy, ka noresahin' izy ireo taminy niaraka tamin' izay. Or la belle-mère de Simon était au lit avec la fièvre, et aussitôt ils lui parlent à son sujet.
Mar / Mk 1:31 And he came and took her by the hand, and lifted her up; and immediately the fever left her, and she ministered unto them. Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy. Dia nanatona nandray ny tànany Jeso sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nanompo azy izy. S' approchant, il la fit se lever en la prenant par la main. Et la fièvre la quitta, et elle les servait.
Mar / Mk 1:32 And at even, when the sun did set, they brought unto him all that were diseased, and them that were possessed with devils. Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka. Nony hariva efa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon' ny demony, Le soir venu, quand fut couché le soleil, on lui apportait tous les malades et les démoniaques,
Mar / Mk 1:33 And all the city was gathered together at the door. Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan' ny varavarana avokoa. ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa. et la ville entière était rassemblée devant la porte.
Mar / Mk 1:34 And he healed many that were sick of divers diseases, and cast out many devils; and suffered not the devils to speak, because they knew him. Ary nahasitrana olona maro izay nararin' ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny. Dia nanasitrana olona maro nararin' ny aretina samihafa izy, sady nandroaka demony maro, fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra azy. Et il guérit beaucoup de malades atteints de divers maux, et il chassa beaucoup de démons. Et il ne laissait pas parler les démons, parce qu' ils savaient qui il était.
Mar / Mk 1:35 And in the morning, rising up a great while before day, he went out, and departed into a solitary place, and there prayed. Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany. Nony ampitso nifoha maraina alina koa izy, dia nivoaka nankany amin' ny tany mangingina, ka nivavaka tany. Le matin, bien avant le jour, il se leva, sortit et s' en alla dans un lieu désert, et là il priait.
Mar / Mk 1:36 And Simon and they that were with him followed after him. Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany. Dia lasa nitady azy Simona sy ny namany, Simon et ses compagnons le poursuivirent
Mar / Mk 1:37 And when they had found him, they said unto him, All men seek for thee. Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao. ka nony nahita azy dia nilaza taminy hoe: Tadiavin' ny olona rehetra hianao. et, l' ayant trouvé, ils lui disent : " Tout le monde te cherche. "
Mar / Mk 1:38 And he said unto them, Let us go into the next towns, that I may preach there also: for therefore came I forth. Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin' ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako. Fa izao no navaliny: Andeha isika hankany amin' ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa; fa izany no nivoahako. Il leur dit : " Allons ailleurs, dans les bourgs voisins, afin que j' y prêche aussi, car c' est pour cela que je suis sorti. "
Mar / Mk 1:39 And he preached in their synagogues throughout all Galilee, and cast out devils. Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin' ny synagogan' ny olona eran' i Galilia sady namoaka ny demonia. Dia lasa izy nitory tamin' ny sinagogan' ny olona sy eran' i Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony. Et il s' en alla à travers toute la Galilée, prêchant dans leurs synagogues et chassant les démons.
Mar / Mk 1:40 And there came a leper to him, beseeching him, and kneeling down to him, and saying unto him, If thou wilt, thou canst make me clean. Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. Ary nisy boka anankiray nanatona azy nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: Raha mety hianao dia mahay manadio ahy. Un lépreux vient à lui, le supplie et, s' agenouillant, lui dit : " Si tu le veux, tu peux me purifier. "
Mar / Mk 1:41 And Jesus, moved with compassion, put forth his hand, and touched him, and saith unto him, I will; be thou clean. Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao. Nangoraka azy Jeso ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: Mety aho, madiova hianao. Ému de compassion, il étendit la main, le toucha et lui dit : " Je le veux, sois purifié. "
Mar / Mk 1:42 And as soon as he had spoken, immediately the leprosy departed from him, and he was cleansed. Ary niaraka tamin' izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy. Vantany vao niteny izy, dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy. Et aussitôt la lèpre le quitta et il fut purifié.
Mar / Mk 1:43 And he straitly charged him, and forthwith sent him away; Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin' izay Dia nampandeha azy niaraka tamin' izay Jeso sady namepetra azy mafy Et le rudoyant, il le chassa aussitôt,
Mar / Mk 1:44 And saith unto him, See thou say nothing to any man: but go thy way, shew thyself to the priest, and offer for thy cleansing those things which Moses commanded, for a testimony unto them. ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin' iza na amin' iza; fa mandehana, misehoa amin' ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian' i Mosesy, ho vavolombelona amin' ireo. nanao hoe: Tandremo, aza milaza izany na amin' iza na amin' iza hianao, fa mandehana misehoa amin' ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian' i Moizy, mba ho vavolombelona amin' ny vahoaka. et lui dit : " Garde-toi de rien dire à personne ; mais va te montrer au prêtre et offre pour ta purification ce qu' a prescrit Moïse : ce leur sera une attestation. "
Mar / Mk 1:45 But he went out, and began to publish it much, and to blaze abroad the matter, insomuch that Jesus could no more openly enter into the city, but was without in desert places: and they came to him from every quarter. Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin' ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny. Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza, any ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony Jeso, fa nitoetra teny ivelany tamin' ny tany mangingina izy, ary nohatonin' ny olona avy eny tontolo eny. Mais lui, une fois parti, se mit à proclamer hautement et à divulguer la nouvelle, de sorte que Jésus ne pouvait plus entrer ouvertement dans une ville, mais il se tenait dehors, dans des lieux déserts ; et l' on venait à lui de toutes parts.

<-
->