<-
->

Mat / Mt 5:1 And seeing the multitudes, he went up into a mountain: and when he was set, his disciples came unto him: Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany. Ary nony nahita ny vahoaka Jeso, dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rahefa tafapetraka izy, dia nanatona azy ny mpianany, Voyant les foules, il gravit la montagne, et quand il fut assis, ses disciples s' approchèrent de lui.
Mat / Mt 5:2 And he opened his mouth, and taught them, saying, Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe: ka niloa-bava izy nampianatra azy, nanao hoe: Et prenant la parole, il les enseignait en disant :
Mat / Mt 5:3 Blessed are the poor in spirit: for theirs is the kingdom of heaven. Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan' ny lanitra. Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan' ny lanitra. " Heureux ceux qui ont une âme de pauvre, car le Royaume des Cieux est à eux.
Mat / Mt 5:4 Blessed are they that mourn: for they shall be comforted. Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. Heureux les affligés, car ils seront consolés.
Mat / Mt 5:5 Blessed are the meek: for they shall inherit the earth. Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11). Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. Heureux les doux, car ils posséderont la terre.
Mat / Mt 5:6 Blessed are they which do hunger and thirst after righteousness: for they shall be filled. Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. Heureux les affamés et assoiffés de la justice, car ils seront rassasiés.
Mat / Mt 5:7 Blessed are the merciful: for they shall obtain mercy. Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana. Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. Heureux les miséricordieux, car ils obtiendront miséricorde.
Mat / Mt 5:8 Blessed are the pure in heart: for they shall see God. Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an' Andriamanitra, Sambatra ny madio fo, fa hahita an' Andriamanitra izy. Heureux les coeurs purs, car ils verront Dieu.
Mat / Mt 5:9 Blessed are the peacemakers: for they shall be called the children of God. Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak' Andriamanitra. Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak' Andriamanitra izy. Heureux les artisans de paix, car ils seront appelés fils de Dieu.
Mat / Mt 5:10 Blessed are they which are persecuted for righteousness' sake: for theirs is the kingdom of heaven. Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan' ny lanitra. Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan' ny lanitra. Heureux les persécutés pour la justice, car le Royaume des Cieux est à eux.
Mat / Mt 5:11 Blessed are ye, when men shall revile you, and persecute you, and shall say all manner of evil against you falsely, for my sake. Sambatra ianareo, raha haratsin' ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Sambatra hianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin' ny ratsy rehetra noho ny amiko: Heureux êtes-vous quand on vous insultera, qu' on vous persécutera, et qu' on dira faussement contre vous toute sorte d' infamie à cause de moi.
Mat / Mt 5:12 Rejoice, and be exceeding glad: for great is your reward in heaven: for so persecuted they the prophets which were before you. Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo. mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo. Soyez dans la joie et l' allégresse, car votre récompense sera grande dans les cieux : c' est bien ainsi qu' on a persécuté les prophètes, vos devanciers.
Mat / Mt 5:13 Ye are the salt of the earth: but if the salt have lost his savour, wherewith shall it be salted? it is thenceforth good for nothing, but to be cast out, and to be trodden under foot of men. Hianareo no fanasin' ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin' ny olona. Hianareo no fanasin' ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa dia hariana any alatrano hohitsahin' ny olona. " Vous êtes le sel de la terre. Mais si le sel vient à s' affadir, avec quoi le salera-t-on ? Il n' est plus bon à rien qu'à être jeté dehors et foulé aux pieds par les gens.
Mat / Mt 5:14 Ye are the light of the world. A city that is set on an hill cannot be hid. Hianareo no fahazavan' izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Hianareo no fahazavan' izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, " Vous êtes la lumière du monde. Une ville ne se peut cacher, qui est sise au sommet d' un mont.
Mat / Mt 5:15 Neither do men light a candle, and put it under a bushel, but on a candlestick; and it giveth light unto all that are in the house. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin' ny vata famarana, fa apetrany eo amin' ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin' izay rehetra ao an-trano izany. ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin' ny vata famarana, fa eo ambonin' ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Et l' on n' allume pas une lampe pour la mettre sous le boisseau, mais bien sur le lampadaire, où elle brille pour tous ceux qui sont dans la maison.
Mat / Mt 5:16 Let your light so shine before men, that they may see your good works, and glorify your Father which is in heaven. Aoka hazava eo imason' ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. Aoka hazava eo imason' ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra. Ainsi votre lumière doit-elle briller devant les hommes afin qu' ils voient vos bonnes oeuvres et glorifient votre Père qui est dans les cieux.
Mat / Mt 5:17 Think not that I am come to destroy the law, or the prophets: I am not come to destroy, but to fulfil. Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. Aza ataonareo fa tonga aho handrava ny Lalàna na ny Mpaminany; tsy tonga handrava aho, fa hanatanteraka. " N' allez pas croire que je sois venu abolir la Loi ou les Prophètes : je ne suis pas venu abolir, mais accomplir.
Mat / Mt 5:18 For verily I say unto you, Till heaven and earth pass, one jot or one tittle shall in no wise pass from the law, till all be fulfilled. Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan' ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin' ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak' izy rehetra. Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon' ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin' ny Lalàna na dia i iray na tendrin-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak' izy rehetra. Car je vous le dis, en vérité : avant que ne passent le ciel et la terre, pas un i, pas un point sur l' i, ne passera de la Loi, que tout ne soit réalisé.
Mat / Mt 5:19 Whosoever therefore shall break one of these least commandments, and shall teach men so, he shall be called the least in the kingdom of heaven: but whosoever shall do and teach them, the same shall be called great in the kingdom of heaven. Ary amin' izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin' ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin' ny fanjakan' ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin' ny fanjakan' ny lanitra. Koa amin' izany, izay handika ny anankiray amin' ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin' ny fanjakan' ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin' ny fanjakan' ny lanitra. Celui donc qui violera l' un de ces moindres préceptes, et enseignera aux autres à faire de même, sera tenu pour le moindre dans le Royaume des Cieux ; au contraire, celui qui les exécutera et les enseignera, celui-là sera tenu pour grand dans le Royaume des Cieux.
Mat / Mt 5:20 For I say unto you, That except your righteousness shall exceed the righteousness of the scribes and Pharisees, ye shall in no case enter into the kingdom of heaven. Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an' ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin' ny fanjakan' ny lanitra mihitsy ianareo. Fa lazaiko aminareo, fa raha tsy lehibe noho ny an' ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin' ny fanjakan' ny lanitra akory hianareo. " Car je vous le dis : si votre justice ne surpasse pas celle des scribes et des Pharisiens, vous n' entrerez pas dans le Royaume des Cieux.
Mat / Mt 5:21 Ye have heard that it was said of them of old time, Thou shalt not kill; and whosoever shall kill shall be in danger of the judgment: Efa renareo fa voalaza tamin' ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin' ny fitsarana. Efa renareo fa voalaza tamin' ny ntaolo hoe: Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin' ny fitsarana. " Vous avez entendu qu' il a été dit aux ancêtres : Tu ne tueras point ; et si quelqu' un tue, il en répondra au tribunal.
Mat / Mt 5:22 But I say unto you, That whosoever is angry with his brother without a cause shall be in danger of the judgment: and whosoever shall say to his brother, Raca, shall be in danger of the council: but whosoever shall say, Thou fool, shall be in danger of hell fire. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin' ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin' ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin' ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin' ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin' ny helo mirehitra afo. Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin' ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin' ny Sanedrina; ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin' ny gehen' afo. Eh bien ! moi je vous dis : Quiconque se fâche contre son frère en répondra au tribunal ; mais s' il dit à son frère : "Crétin ! ", il en répondra au Sanhédrin ; et s' il lui dit : "Renégat ! ", il en répondra dans la géhenne de feu.
Mat / Mt 5:23 Therefore if thou bring thy gift to the altar, and there rememberest that thy brother hath ought against thee; Ary amin' izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin' ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin' ny otely hianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, Quand donc tu présentes ton offrande à l' autel, si là tu te souviens que ton frère a quelque chose contre toi,
Mat / Mt 5:24 Leave there thy gift before the altar, and go thy way; first be reconciled to thy brother, and then come and offer thy gift. dia avelao eo anoloan' ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin' ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao. dia avelao eo amin' ny otely aloha ny fanatitrao, ka mandehàna mihavana amin' ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray. laisse là ton offrande, devant l' autel, et va d' abord te réconcilier avec ton frère ; puis reviens, et alors présente ton offrande.
Mat / Mt 5:25 Agree with thine adversary quickly, whiles thou art in the way with him; lest at any time the adversary deliver thee to the judge, and the judge deliver thee to the officer, and thou be cast into prison. Mihavàna faingana amin' ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin' ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin' ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao. Mihavàna faingana amin' izay manana ady aminao, dieny samy mbola eo an-dàlana hianareo, fandrao atolotr' izay manana ady aminao amin' ny mpitsara hianao, ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin' ny mpamototra, ka hatao an-tranomaizina hianao. Hâte-toi de t' accorder avec ton adversaire, tant que tu es encore avec lui sur le chemin, de peur que l' adversaire ne te livre au juge, et le juge au garde, et qu' on ne te jette en prison.
Mat / Mt 5:26 Verily I say unto thee, Thou shalt by no means come out thence, till thou hast paid the uttermost farthing. Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra. Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany. En vérité, je te le dis : tu ne sortiras pas de là, que tu n' aies rendu jusqu' au dernier sou.
Mat / Mt 5:27 Ye have heard that it was said by them of old time, Thou shalt not commit adultery: Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14). Efa renareo fa voalaza tamin' ny ntaolo hoe: Aza mijangajanga. " Vous avez entendu qu' il a été dit : Tu ne commettras pas l' adultère.
Mat / Mt 5:28 But I say unto you, That whosoever looketh on a woman to lust after her hath committed adultery with her already in his heart. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady. Eh bien ! moi je vous dis : Quiconque regarde une femme pour la désirer a déjà commis, dans son coeur, l' adultère avec elle.
Mat / Mt 5:29 And if thy right eye offend thee, pluck it out, and cast it from thee: for it is profitable for thee that one of thy members should perish, and not that thy whole body should be cast into hell. Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin' ny helo. Koa raha ny masonao an-kavanana no manafintohina anao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin' ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin' ny gehen' afo. Que si ton oeil droit est pour toi une occasion de péché, arrache-le et jette-le loin de toi : car mieux vaut pour toi que périsse un seul de tes membres et que tout ton corps ne soit pas jeté dans la géhenne.
Mat / Mt 5:30 And if thy right hand offend thee, cut it off, and cast it from thee: for it is profitable for thee that one of thy members should perish, and not that thy whole body should be cast into hell. Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho Izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin' ny helo. Ary raha ny tànanao an-kavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin' ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin' ny gehen' afo. Et si ta main droite est pour toi une occasion de péché, coupe-la et jette-la loin de toi : car mieux vaut pour toi que périsse un seul de tes membres et que tout ton corps ne s' en aille pas dans la géhenne.
Mat / Mt 5:31 It hath been said, Whosoever shall put away his wife, let him give her a writing of divorcement: Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady (Deo. 24. 1). Ary koa efa voalaza hoe: Na iza na iza hisaotra ny vadiny, dia aoka hanome azy ny taratasy fisaorana. " Il a été dit d' autre part : Quiconque répudiera sa femme, qu' il lui remette un acte de divorce.
Mat / Mt 5:32 But I say unto you, That whosoever shall put away his wife, saving for the cause of fornication, causeth her to commit adultery: and whosoever shall marry her that is divorced committeth adultery. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga. Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy; ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga. Eh bien ! moi je vous dis : Tout homme qui répudie sa femme, hormis le cas de "prostitution", l' expose à l' adultère ; et quiconque épouse une répudiée, commet un adultère.
Mat / Mt 5:33 Again, ye have heard that it hath been said by them of old time, Thou shalt not forswear thyself, but shalt perform unto the Lord thine oaths: Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin' ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy tò, fa efao amin' i Jehovah ny fianiananao (Lev. 19. 12). Ary efa renareo koa fa voalaza tamin' ny ntaolo hoe: Aza mianiana tsy tò, fa efao amin' ny Tompo ny fianiananao. " Vous avez encore entendu qu' il a été dit aux ancêtres : Tu ne te parjureras pas, mais tu t' acquitteras envers le Seigneur de tes serments.
Mat / Mt 5:34 But I say unto you, Swear not at all; neither by heaven; for it is God' s throne: Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin' ny lanitra, fa seza fiandrianan' Andriamanitra izany; Fa izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory, na amin' ny lanitra, fa seza fiandrianan' Andriamanitra izy; Eh bien ! moi je vous dis de ne pas jurer du tout : ni par le Ciel, car c' est le trône de Dieu ;
Mat / Mt 5:35 Nor by the earth; for it is his footstool: neither by Jerusalem; for it is the city of the great King. na amin' ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin' i Jerosalema, fa tanànan' ny Mpanjaka lehibe izany. na amin' ny tany, fa fandiavan' ny tongony izy; na amin' i Jerosalema, fa tanànan' ny Mpanjaka lehibe izy; ni par la Terre, car c' est l' escabeau de ses pieds ; ni par Jérusalem, car c' est la Ville du grand Roi.
Mat / Mt 5:36 Neither shalt thou swear by thy head, because thou canst not make one hair white or black. Aza mianiana amin' ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao. na amin' ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza hianao. Ne jure pas non plus par ta tête, car tu ne peux en rendre un seul cheveu blanc ou noir.
Mat / Mt 5:37 But let your communication be, Yea, yea; Nay, nay: for whatsoever is more than these cometh of evil. Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin' ny ratsy. Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin' ilay ratsy. Que votre langage soit : "Oui ? oui", "Non ? non" : ce qu' on dit de plus vient du Mauvais.
Mat / Mt 5:38 Ye have heard that it hath been said, An eye for an eye, and a tooth for a tooth: Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon' ny maso, ary nify solon' ny nify (Eks. 21. 24). Efa renareo fa voalaza hoe: Maso efai-maso, nify efai-nify. " Vous avez entendu qu' il a été dit : Œil pour oeil et dent pour dent.
Mat / Mt 5:39 But I say unto you, That ye resist not evil: but whosoever shall smite thee on thy right cheek, turn to him the other also. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray. Fa izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao an-kavanana, dia atolory azy koa ny ilany; Eh bien ! moi je vous dis de ne pas tenir tête au méchant : au contraire, quelqu' un te donne-t-il un soufflet sur la joue droite, tends-lui encore l' autre ;
Mat / Mt 5:40 And if any man will sue thee at the law, and take away thy coat, let him have thy cloak also. Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao. ary raha misy te-hiady aminao mba hahazahoany ny akanjonao, dia afoizo ho azy koa ny lambanao; veut-il te faire un procès et prendre ta tunique, laisse-lui même ton manteau ;
Mat / Mt 5:41 And whosoever shall compel thee to go a mile, go with him twain. Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa. ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana, miaraha aminy roa arivo. te requiert-il pour une course d' un mille, fais-en deux avec lui.
Mat / Mt 5:42 Give to him that asketh thee, and from him that would borrow of thee turn not thou away. Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao. Omeo izay mangataka aminao, ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao. A qui te demande, donne ; à qui veut t' emprunter, ne tourne pas le dos.
Mat / Mt 5:43 Ye have heard that it hath been said, Thou shalt love thy neighbour, and hate thine enemy. Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), ary mankahalà ny fahavalonao. Efa renareo fa voalaza hoe: Ho tia ny namanao hianao ary hankahala ny fahavalonao. " Vous avez entendu qu' il a été dit : Tu aimeras ton prochain et tu haïras ton ennemi.
Mat / Mt 5:44 But I say unto you, Love your enemies, bless them that curse you, do good to them that hate you, and pray for them which despitefully use you, and persecute you; Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an' izay manenjika anareo, Fa izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin' izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an' izay manenjika sy manendrikendrika anareo; Eh bien ! moi je vous dis : Aimez vos ennemis, et priez pour vos persécuteurs,
Mat / Mt 5:45 That ye may be the children of your Father which is in heaven: for he maketh his sun to rise on the evil and on the good, and sendeth rain on the just and on the unjust. mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin' ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin' ny marina sy ny tsy marina. mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra hianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin' ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin' ny marina sy ny tsy marina. afin de devenir fils de votre Père qui est aux cieux, car il fait lever son soleil sur les méchants et sur les bons, et tomber la pluie sur les justes et sur les injustes.
Mat / Mt 5:46 For if ye love them which love you, what reward have ye? do not even the publicans the same? Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va? Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo? Moa va na dia ny poblikàna aza tsy manao izany koa? Car si vous aimez ceux qui vous aiment, quelle récompense aurez-vous ? Les publicains eux-mêmes n' en font-il pas autant ?
Mat / Mt 5:47 And if ye salute your brethren only, what do ye more than others? do not even the publicans so? Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va? Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin' ny ataonareo? Moa na dia ny jentily aza tsy mba manao izany ihany koa? Et si vous réservez vos saluts à vos frères, que faites-vous d' extraordinaire ? Les païens eux-mêmes n' en font-ils pas autant ?
Mat / Mt 5:48 Be ye therefore perfect, even as your Father which is in heaven is perfect. Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan' ny Rainareo Izay any an-danitra. Koa aoka ho lavorary hianareo tahaka ny fahalavorarian' ny Rainareo izay any an-danitra. Vous donc, vous serez parfaits comme votre Père céleste est parfait.

<-
->