<-
->

Mat / Mt 27:1 When the morning was come, all the chief priests and elders of the people took counsel against Jesus to put him to death: Ary nony maraina ny andro, ny lohan' ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an' i Jesosy mba hamonoany Azy. Ary nony maraina ny andro dia niara-nihevitra izay hahafaty an' i Jeso ny lohandohan' ny mpisorona rehetra sy ny loholona; Le matin étant arrivé, tous les grands prêtres et les anciens du peuple tinrent un conseil contre Jésus, en sorte de le faire mourir.
Mat / Mt 27:2 And when they had bound him, they led him away, and delivered him to Pontius Pilate the governor. Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an' i Pilato governora. ary rahefa nafatony izy dia nentiny ka natolony an' i Pontsy Pilaty governora. Et, après l' avoir ligoté, ils l' emmenèrent et le livrèrent à Pilate le gouverneur.
Mat / Mt 27:3 Then Judas, which had betrayed him, when he saw that he was condemned, repented himself, and brought again the thirty pieces of silver to the chief priests and elders, Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin' ny lohan' ny mpisorona sy ny loholona Tamin' izay Jodasy ilay namadika azy, raha nahita fa nohelohina izy, dia nanenina ka namerina ny farantsa kely telopolo tamin' ny lohandohan' ny mpisorona sy ny loholona Alors Judas, qui l' avait livré, voyant qu' il avait été condamné, fut pris de remords et rapporta les trente pièces d' argent aux grands prêtres et aux anciens :
Mat / Mt 27:4 Saying, I have sinned in that I have betrayed the innocent blood. And they said, What is that to us? see thou to that. ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao. nanao hoe: Nanota aho fa nanolotra ny rà marina. Ahoanay izany? hoy ireo, fa asanao. " J' ai péché, dit-il, en livrant un sang innocent. " Mais ils dirent : " Que nous importe ? A toi de voir. "
Mat / Mt 27:5 And he cast down the pieces of silver in the temple, and departed, and went and hanged himself. Ary nony natsipiny teo amin' ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty. Dia natsipiny tao anatin' ny tempoly ny vola, ka lasa izy nanao tadimody nananton-tena. Jetant alors les pièces dans le sanctuaire, il se retira et s' en alla se pendre.
Mat / Mt 27:6 And the chief priests took the silver pieces, and said, It is not lawful for to put them into the treasury, because it is the price of blood. Ary ny lohan' ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin' ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-drà. Ary nalain' ny lohandohan' ny mpisorona ny vola ka hoy izy: Tsy azo alatsaka ao amin' ny rakitra masina izany, satria vidin-drà; Ayant ramassé l' argent, les grands prêtres dirent : " Il n' est pas permis de le verser au trésor, puisque c' est le prix du sang. "
Mat / Mt 27:7 And they took counsel, and bought with them the potter' s field, to bury strangers in. Ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan' ny mpanefy vilany ny vola ho fandevenam-bahiny. ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan' ny mpanao vilany ny vola hatao tany fandevenam-bahiny. Après délibération, ils achetèrent avec cet argent le " champ du potier " comme lieu de sépulture pour les étrangers.
Mat / Mt 27:8 Wherefore that field was called, The field of blood, unto this day. Koa izany no anaovana ny anaran' izany saha izany mandraka androany hoe Sahan-drà. Izany no anaovana io saha io mandraka androany hoe Haseldamà, na hoe sahan-drà; Voilà pourquoi ce champ-là s' est appelé jusqu'à ce jour le " Champ du Sang ".
Mat / Mt 27:9 Then was fulfilled that which was spoken by Jeremy the prophet, saying, And they took the thirty pieces of silver, the price of him that was valued, whom they of the children of Israel did value; Ary tamin' izany dia tanteraka izay nampilazaina an' i Jeremia mpaminany hoe: Dia nalainy ny sekely volafotsy telo-polo, vidin' ilay notombanana, dia ilay notombanan' ny Zanak' Isiraely, ary tanteraka tamin' izay ny tenin' i Jeremia mpaminany nanao hoe: Dia nalainy ny vola telopolo, vidin' ilay notombanan' ny zanak' Israely, Alors s' accomplit l' oracle de Jérémie le prophète : Et ils prirent les trente pièces d' argent, le prix du Précieux qu' ont apprécié des fils d' Israël,
Mat / Mt 27:10 And gave them for the potter' s field, as the Lord appointed me. ka nomeny hamidy ny sahan' ny mpanefy vilany izany, araka izay efa nandidian' i Jehovah ahy (Jer. 18. 2; Zak. 11. 13). ka nomeny hamidy ny sahan' ny mpanefy vilany, araka ny nandidian' ny Tompo ahy. et ils les donnèrent pour le champ du potier, ainsi que me l' a ordonné le Seigneur.
Mat / Mt 27:11 And Jesus stood before the governor: and the governor asked him, saying, Art thou the King of the Jews? And Jesus said unto him, Thou sayest. Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan' ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan' ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao. Dia tonga teo anatrehan' ny governora Jeso ka nanontanin' ny governora hoe: Hianao va no mpanjakan' ny Jody? Voalazanao, hoy Jeso taminy; Jésus fut amené en présence du gouverneur et le gouverneur l' interrogea en disant : " Tu es le Roi des Juifs ? " Jésus répliqua : " Tu le dis. "
Mat / Mt 27:12 And when he was accused of the chief priests and elders, he answered nothing. Ary raha nampangain' ny lohan' ny mpisorona mbamin' ny loholona Izy, dia tsy namaly akory. fa ny fiampangana nataon' ny lohandohan' ny mpisorona sy ny loholona azy no tsy novaliany kely akory, Puis, tandis qu' il était accusé par les grands prêtres et les anciens, il ne répondit rien.
Mat / Mt 27:13 Then said Pilate unto him, Hearest thou not how many things they witness against thee? dia hoy Pilato taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany? ka hoy Pilaty taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangana anao izany? Alors Pilate lui dit : " N' entends-tu pas tout ce qu' ils attestent contre toi ? "
Mat / Mt 27:14 And he answered him to never a word; insomuch that the governor marvelled greatly. Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga indrindra ny governora. Fa tsy namaly izy na dia indraim-bava aza, ka gaga dia gaga ny governora. Et il ne lui répondit sur aucun point, si bien que le gouverneur était fort étonné.
Mat / Mt 27:15 Now at that feast the governor was wont to release unto the people a prisoner, whom they would. Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon' ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an' ny vahoaka, araka izay tiany. Ary isaky ny fetin' ny Paka dia fanaon' ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray tian' ny vahoaka. A chaque Fête, le gouverneur avait coutume de relâcher à la foule un prisonnier, celui qu' elle voulait.
Mat / Mt 27:16 And they had then a notable prisoner, called Barabbas. Ary tamin' izany dia nisy mpifatotra malaza atao hoe Barabasy. Ary tamin' izay dia nisy mpifatotra anankiray malaza atao hoe Barabasy, On avait alors un prisonnier fameux, nommé Barabbas.
Mat / Mt 27:17 Therefore when they were gathered together, Pilate said unto them, Whom will ye that I release unto you? Barabbas, or Jesus which is called Christ? Koa nony tafangona teo ny olona, dia hoy Pilato taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy? ka rahefa nivory ny vahoaka, dia hoy Pilaty taminy: Iza no tianareo halefako ho anareo, Barabasy sa Jeso izay atao hoe Kristy? Pilate dit donc aux gens qui se trouvaient rassemblés : " Lequel voulez-vous que je vous relâche, Barabbas, ou Jésus que l' on appelle Christ ? "
Mat / Mt 27:18 For he knew that for envy they had delivered him. Fa fantany fa fialonana no nanoloran' ireo Azy. satria fantany fa fialonana no nanoloran' izy ireo an' i Jeso. Il savait bien que c'était par jalousie qu' on l' avait livré.
Mat / Mt 27:19 When he was set down on the judgment seat, his wife sent unto him, saying, Have thou nothing to do with that just man: for I have suffered many things this day in a dream because of him. Ary raha nipetraka teo amin' ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin' izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina. Ary raha nipetraka teo amin' ny fitsarana izy, dia nampaniraka taminy ny vadiny hilaza hoe: Aza manao na inona na inona amin' io Lehilahy marina io hianao, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako azy halina izay. Or, tandis qu' il siégeait au tribunal, sa femme lui fit dire : " Ne te mêle point de l' affaire de ce juste ; car aujourd' hui j' ai été très affectée dans un songe à cause de lui. "
Mat / Mt 27:20 But the chief priests and elders persuaded the multitude that they should ask Barabbas, and destroy Jesus. Ary ny lohan' ny mpisorona mbamin' ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an' i Barabasy ary hamono an' i Jesosy. Tamin' izay ny lohandohan' ny mpisorona sy ny loholona nahatarika ny vahoaka hangataka an' i Barabasy sy hampamono an' i Jeso. Cependant, les grands prêtres et les anciens persuadèrent aux foules de réclamer Barabbas et de perdre Jésus.
Mat / Mt 27:21 The governor answered and said unto them, Whether of the twain will ye that I release unto you? They said, Barabbas. Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin' izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy. Dia niteny indray ny governora nanao hoe: Iza no tianareo halefako ho anareo amin' izy roa lahy? Barabasy, hoy izy ireo. Prenant la parole, le gouverneur leur dit : " Lequel des deux voulez-vous que je vous relâche ? " Ils dirent : " Barabbas. "
Mat / Mt 27:22 Pilate saith unto them, What shall I do then with Jesus which is called Christ? They all say unto him, Let him be crucified. Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin' i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin' ny hazo fijaliana Izy. Ary hoy Pilaty taminy: Ahoana kosa àry no hataoko amin' i Jeso, izay atao hoe Kristy? Pilate leur dit : " Que ferai-je donc de Jésus que l' on appelle Christ ? " Ils disent tous : " Qu' il soit crucifié ! "
Mat / Mt 27:23 And the governor said, Why, what evil hath he done? But they cried out the more, saying, Let him be crucified. Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin' ny hazo fijaliana Izy! Aoka hofantsihana amin' ny hazo fijaliana izy, hoy izy rehetra. Fa inona àry no ratsy nataony e? hoy ny governora. Dia vao mainka nihorakoraka izy nanao hoe: Fantsiho amin' ny hazo fijaliana izy. Il reprit : " Quel mal a-t-il donc fait ? " Mais ils criaient plus fort : " Qu' il soit crucifié ! "
Mat / Mt 27:24 When Pilate saw that he could prevail nothing, but that rather a tumult was made, he took water, and washed his hands before the multitude, saying, I am innocent of the blood of this just person: see ye to it. Ary raha hitan' i Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan' ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin' ny ran' ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo. Nony hitan' i Pilaty, fa tsy nahomby izy fa vao mainka nitombo aza ny tabataba, dia nampaka rano izy ka nanasa tànana teo anatrehan' ny vahoaka ary nanao hoe: Afa-tsiny amin' ny ran' io Lehilahy marina io aho; fa raharahanareo. Voyant alors qu' il n' aboutissait à rien, mais qu' il s' ensuivait plutôt du tumulte, Pilate prit de l' eau et se lava les mains en présence de la foule, en disant : " Je ne suis pas responsable de ce sang ; à vous de voir ! "
Mat / Mt 27:25 Then answered all the people, and said, His blood be on us, and on our children. Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny ràny ho aminay mbamin' ny zanakay. Dia namaly ny vahoaka rehetra nanao hoe: Aoka ho aminay sy amin' ny zanakay ny rany. Et tout le peuple répondit : " Que son sang soit sur nous et sur nos enfants ! "
Mat / Mt 27:26 Then released he Barabbas unto them: and when he had scourged Jesus, he delivered him to be crucified. Ary dia nandefa an' i Barabasy ho an' ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin' ny hazo fijaliana. Tamin' izay dia nalefany Barabasy, ary Jeso nony efa nasainy nokapohina dia natolony azy hofantsihana amin' ny hazo fijaliana. Alors il leur relâcha Barabbas ; quant à Jésus, après l' avoir fait flageller, il le livra pour être crucifié.
Mat / Mt 27:27 Then the soldiers of the governor took Jesus into the common hall, and gathered unto him the whole band of soldiers. Ary ny miaramilan' ny governora dia nitondra an' i Jesosy ho ao anati-rova sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo aminy. Tamin' izay dia nentin' ny miaramilan' ny governora ho any amin' ny toerana fitsarana Jeso, sady novoriny hanodidina azy ny miaramila namany. Alors les soldats du gouverneur prirent avec eux Jésus dans le Prétoire et ameutèrent sur lui toute la cohorte.
Mat / Mt 27:28 And they stripped him, and put on him a scarlet robe. Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy. Dia nendahany ny fitafiany ka nampitafiny kapaoty jaky izy; L' ayant dévêtu, ils lui mirent une chlamyde écarlate,
Mat / Mt 27:29 And when they had platted a crown of thorns, they put it upon his head, and a reed in his right hand: and they bowed the knee before him, and mocked him, saying, Hail, King of the Jews! Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan' ny Jiosy! ary nandrandrana fehiloha tsilo izy ireo, dia nasatrony ny lohany, sady nampitaniny volotara ny tànany an-kavanana; rahefa izany dia nandohalika an-kila teo anatrehany izy ary naneso azy hoe: Arahaba, ry mpanjakan' ny Jody. puis, ayant tressé une couronne avec des épines, ils la placèrent sur sa tête, avec un roseau dans sa main droite. Et, s' agenouillant devant lui, ils se moquèrent de lui en disant : " Salut, roi des Juifs ! "
Mat / Mt 27:30 And they spit upon him, and took the reed, and smote him on the head. Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nokapohiny ny lohany. Dia nororany izy, ary nalainy ny volotara ka nikapohany ny lohany. et, crachant sur lui, ils prenaient le roseau et en frappaient sa tête.
Mat / Mt 27:31 And after that they had mocked him, they took the robe off from him, and put his own raiment on him, and led him away to crucify him. Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany, ary dia nentiny Izy mba hohomboana amin' ny hazo fijaliana. Nony efa nolalaoviny toy izany izy, dia nesoriny ilay kapaoty ka nampitafiny azy indray ny fitafiany, ary nentiny hofantsihana amin' ny hazo fijaliana izy. Puis, quand ils se furent moqués de lui, ils lui ôtèrent la chlamyde, lui remirent ses vêtements et l' emmenèrent pour le crucifier.
Mat / Mt 27:32 And as they came out, they found a man of Cyrene, Simon by name: him they compelled to bear his cross. Ary raha nandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazo fijalian' i Jesosy. Rahefa tafavoaka ny tanàna, dia nifanena tamin' ny lehilahy Sireneana anankiray atao hoe Simona izy ireo, ka notereny io hilanja ny hazo fijalian' i Jeso. En sortant, ils trouvèrent un homme de Cyrène, nommé Simon, et le requirent pour porter sa croix.
Mat / Mt 27:33 And when they were come unto a place called Golgotha, that is to say, a place of a skull, Ary rehefa tonga teo amin' ny tany atao hoe Golgota izy, izany hoe Ikarandoha, Ary nony tonga teo amin' ny tany atao hoe Golgotà izany hoe tanin' ny karan-doha, Arrivés à un lieu dit Golgotha, c' est-à-dire lieu dit du Crâne,
Mat / Mt 27:34 They gave him vinegar to drink mingled with gall: and when he had tasted thereof, he would not drink. dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; ary nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro. dia nomeny divay miharo afero izy hosotroiny; fa nony nandramany dia tsy nety nisotro izy. ils lui donnèrent à boire du vin mêlé de fiel ; il en goûta et n' en voulut point boire.
Mat / Mt 27:35 And they crucified him, and parted his garments, casting lots: that it might be fulfilled which was spoken by the prophet, They parted my garments among them, and upon my vesture did they cast lots. Ary rehefa voahombony tamin' ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany. Ary rahefa voafantsika tamin' ny hazo fijaliana izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, mba ho tanteraka ny teny nolazain' ny mpaminany hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokàny ny akanjoko; Quand ils l' eurent crucifié, ils se partagèrent ses vêtements en tirant au sort.
Mat / Mt 27:36 And sitting down they watched him there; Ary nipetraka izy, dia niambina Azy teo. dia nipetraka niambina azy izy ireo. Puis, s'étant assis, ils restaient là à le garder.
Mat / Mt 27:37 And set up over his head his accusation written, This is Jesus the king of the Jews. Ary napetany teo ambonin' ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan' ny Jiosy. Teo ambonin' ny lohany dia nasiany soratra milaza ny nanamelohana azy manao hoe: Ity no Jeso mpanjakan' ny Jody. Ils placèrent aussi au-dessus de sa tête le motif de sa condamnation ainsi libellé : " Celui-ci est Jésus, le roi des Juifs. "
Mat / Mt 27:38 Then were there two thieves crucified with him, one on the right hand, and another on the left. Ary nisy jiolahy roa nohomboana tamin' ny hazo fijaliana teo an-daniny roa, ny anankiray teo amin' ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin' ny ankaviany. Nisy jiolahy roa niara-nofantsihana taminy tamin' ny hazo fijaliana, ny anankiray teo an-kavanany, ary ny anankiray teo an-kaviany. Alors sont crucifiés avec lui deux brigands, l' un à droite et l' autre à gauche.
Mat / Mt 27:39 And they that passed by reviled him, wagging their heads, Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy, sady nihifikifi-doha Ary izay nandalo dia nihifikifi-doha nanevateva azy Les passants l' injuriaient en hochant la tête
Mat / Mt 27:40 And saying, Thou that destroyest the temple, and buildest it in three days, save thyself. If thou be the Son of God, come down from the cross. ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin' ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak' Andriamanitra Hianao, midina hiala amin' ny hazo fijaliana. nanao hoe: Ialahy, ilay mandrava ny tempolin' Andriamanitra sy manangana azy anatin' ny hateloana ity, vonjeo ilay ity ny tenan' ialahy; raha Zanak' Andriamanitra ialahy, mialà amin' ny hazo fijaliana. et disant : " Toi qui détruis le Sanctuaire et en trois jours le rebâtis, sauve-toi toi-même, si tu es fils de Dieu, et descends de la croix. "
Mat / Mt 27:41 Likewise also the chief priests mocking him, with the scribes and elders, said, Ary dia naneso toy izany koa ny lohan' ny mpisorona mbamin' ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe: Ny lohandohan' ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona dia naneso azy koa nanao hoe: Pareillement les grands prêtres se gaussaient et disaient avec les scribes et les anciens :
Mat / Mt 27:42 He saved others; himself he cannot save. If he be the King of Israel, let him now come down from the cross, and we will believe him. Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan' ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin' ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay; Ny sasany novonjeny, fa ny tenany kosa tsy hainy vonjena; raha mpanjakan' Israely izy, aoka hidina hiala amin' ny hazo fijaliana ankehitriny, dia hino azy isika. " Il en a sauvé d' autres et il ne peut se sauver lui-même ! Il est roi d' Israël : qu' il descende maintenant de la croix et nous croirons en lui !
Mat / Mt 27:43 He trusted in God; let him deliver him now, if he will have him: for he said, I am the Son of God. natoky an' Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy (Sal. 22. 8), satria hoy Izy: Zanak' Andriamanitra Aho. Natoky an' Andriamanitra izy, ka raha tia azy Andriamanitra dia aoka hanafaka azy ankehitriny, satria Zanak' Andriamanitra aho, hoy ny filazany. Il a compté sur Dieu ; que Dieu le délivre maintenant, s' il s' intéresse à lui ! Il a bien dit : Je suis fils de Dieu ! "
Mat / Mt 27:44 The thieves also, which were crucified with him, cast the same in his teeth. Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboana taminy tamin' ny hazo fijaliana. Dia nandatsa azy toy izany iretsy jiolahy roa izay niaraka nofantsihana taminy tamin' ny hazo fijaliana. Même les brigands crucifiés avec lui l' outrageaient de la sorte.
Mat / Mt 27:45 Now from the sixth hour there was darkness over all the land unto the ninth hour. Ary hatramin' ny ora fahenina ka hatramin' ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra. Ary hatramin' ny ora fahenina ka hatramin' ny ora fahasivy dia rakotry ny aizina ny tany rehetra. A partir de la sixième heure, l' obscurité se fit sur toute la terre, jusqu'à la neuvième heure.
Mat / Mt 27:46 And about the ninth hour Jesus cried with a loud voice, saying, Eli, Eli, lama sabachthani? that is to say, My God, my God, why hast thou forsaken me? Ary nony tokony ho tamin' ny ora fahasivy, dia niantso tamin' ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22. 1). Nony tokony ho tamin' ny ora fahasivy, dia niantso mafy Jeso hoe: Elia, Elia, lamma sabaktany! izany hoe: Ry Andriamanitro! ry Andriamanitro, nahoana no dia nilaozanao aho? Et vers la neuvième heure Jésus clama en un grand cri : " Éli, Éli, lema sabachtani ? ", c' est-à-dire : " Mon Dieu, mon Dieu, pourquoi m' as-tu abandonné ? "
Mat / Mt 27:47 Some of them that stood there, when they heard that, said, This man calleth for Elias. Ary ny sasany tamin' izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an' i Elia Ilehio. Raha nandre izany ny sasany tamin' izay teo dia nanao hoe: Miantso an' i Elia ilay ity. Certains de ceux qui se tenaient là disaient en l' entendant : " Il appelle Élie, celui-ci ! "
Mat / Mt 27:48 And straightway one of them ran, and took a spunge, and filled it with vinegar, and put it on a reed, and gave him to drink. Ary niaraka tamin' izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin' ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin' ny volotara, dia natohony hotsentsefin' i Jesosy. Dia nihazakazaka niaraka tamin' izay ny anankiray tamin' izy ireo ka nandray sponjy; nony novontosany vinaingitra dia notohiziny volotara ka natohony azy hotsentsefiny. Et aussitôt l' un d' eux courut prendre une éponge qu' il imbiba de vinaigre et, l' ayant mise au bout d' un roseau, il lui donnait à boire.
Mat / Mt 27:49 The rest said, Let be, let us see whether Elias will come to save him. Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia. Fa ny sasany nanao hoe: Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka azy Elia. Mais les autres lui dirent : " Laisse ! que nous voyions si Élie va venir le sauver ! "
Mat / Mt 27:50 Jesus, when he had cried again with a loud voice, yielded up the ghost. Ary rehefa niantso tamin' ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny. Ary niantso tamin' ny feo mahery indray Jeso, dia niala aina. Or Jésus, poussant de nouveau un grand cri, rendit l' esprit.
Mat / Mt 27:51 And, behold, the veil of the temple was rent in twain from the top to the bottom; and the earth did quake, and the rocks rent; Ary, indro, ny efitra lamba tao amin' ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy; Ary indro fa nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba teo amin' ny tempoly; nihorohoro ny tany, nitresaka ny vatolampy, Et voilà que le voile du Sanctuaire se déchira en deux, du haut en bas ; la terre trembla, les rochers se fendirent,
Mat / Mt 27:52 And the graves were opened; and many bodies of the saints which slept arose, ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin' ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana, nisokatra ny fasana, ary betsaka ny fatin' ny olona masina efa nody mandry no nitsangana; les tombeaux s' ouvrirent et de nombreux corps de saints trépassés ressuscitèrent :
Mat / Mt 27:53 And came out of the graves after his resurrection, and went into the holy city, and appeared unto many. ka nivoaka avy tao amin' ny fasana ireo taorian' ny nitsanganan' i Jesosy, dia nankao amin' ny Tanàna Masina ka niseho tamin' ny maro. ka nony efa nitsangana tamin' ny maty Jeso dia nivoaka tamin' ny fasana izy ireo, ka niakatra tany an-tanàna masina ary niseho tamin' ny maro. ils sortirent des tombeaux après sa résurrection, entrèrent dans la Ville sainte et se firent voir à bien des gens.
Mat / Mt 27:54 Now when the centurion, and they that were with him, watching Jesus, saw the earthquake, and those things that were done, they feared greatly, saying, Truly this was the Son of God. Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an' i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin' izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak' Andriamanitra io Lehilahy io. Ilay kapiteny sy ny fehiny niambina an' i Jeso kosa nony nahita ny horohoron-tany mbamin' ny zavatra rehetra tonga teo, dia raiki-tahotra mafy ka nanao hoe: Tena Zanak' Andriamanitra tokoa io Lehilahy io. Quant au centurion et aux hommes qui avec lui gardaient Jésus, à la vue du séisme et de ce qui se passait, ils furent saisis d' une grande frayeur et dirent : " Vraiment celui-ci était fils de Dieu ! "
Mat / Mt 27:55 And many women were there beholding afar off, which followed Jesus from Galilee, ministering unto him: Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an' i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy. Nisy vehivavy maromaro koa nitazana teny lavidavitra teny, dia ireo izay nanaraka an' i Jeso sy nanompo azy hatrany Galilea: Il y avait là de nombreuses femmes qui regardaient à distance, celles-là même qui avaient suivi Jésus depuis la Galilée et le servaient,
Mat / Mt 27:56 Among which was Mary Magdalene, and Mary the mother of James and Joses, and the mother of Zebedees children. Isan' ireny Maria Magdalena sy Maria, renin' i Jakoba sy Josesy, ary ny renin' ny zanak' i Zebedio. anisan' ireo Maria Madelena, sy Maria renin' i Jakoba sy Josefa, ary ny renin' ny zanak' i Zebede. entre autres Marie de Magdala, Marie, mère de Jacques et de Joseph, et la mère des fils de Zébédée.
Mat / Mt 27:57 When the even was come, there came a rich man of Arimathaea, named Joseph, who also himself was Jesus' disciple: Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr' i Jesosy. Nony hariva ny andro, dia nisy lehilahy manan-karena anankiray avy any Arimatia atao hoe Josefa, izay mpianatr' i Jeso koa, Le soir venu, il vint un homme riche d' Arimathie, du nom de Joseph, qui s'était fait, lui aussi, disciple de Jésus.
Mat / Mt 27:58 He went to Pilate, and begged the body of Jesus. Then Pilate commanded the body to be delivered. Izany lehilahy izany dia nankao amin' i Pilato ka nangataka ny fatin' i Jesosy. Dia nasain' i Pilato homena azy izany. nanatona an' i Pilaty ka nangataka ny fatin' i Jeso. Dia nasain' i Pilaty homena azy. Il alla trouver Pilate et réclama le corps de Jésus. Alors Pilate ordonna qu' on le lui remît.
Mat / Mt 27:59 And when Joseph had taken the body, he wrapped it in a clean linen cloth, Ary rehefa nalain' i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio, Noraisin' i Josefa ny faty, dia nofonosiny lamba fotsy madio, Joseph prit donc le corps, le roula dans un linceul propre
Mat / Mt 27:60 And laid it in his own new tomb, which he had hewn out in the rock: and he rolled a great stone to the door of the sepulchre, and departed. dia naleviny tao amin' ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin' ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin' ny varavaran' ny fasana izy, dia lasa nandeha. ary naleviny tao amin' ny fasana vaovao nolavahana tamin' ny vatolampy, izay nampanaoviny ho an' ny tenany. Nony nakodiany ny vato makadiry tamin' ny varavaram-pasana, dia lasa izy. et le mit dans le tombeau neuf qu' il s'était fait tailler dans le roc ; puis il roula une grande pierre à l' entrée du tombeau et s' en alla.
Mat / Mt 27:61 And there was Mary Magdalene, and the other Mary, sitting over against the sepulchre. Ary tao Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray ka nipetraka tandrifin' ny fasana. Ary Maria Madelena, sy ilay Maria anankiray, dia teo ka nipetraka nanandrify ny fasana. Or il y avait là Marie de Magdala et l' autre Marie, assises en face du sépulcre.
Mat / Mt 27:62 Now the next day, that followed the day of the preparation, the chief priests and Pharisees came together unto Pilate, Ary nony ampitson' ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin' i Pilato ny lohan' ny mpisorona sy ny Fariseo Ny ampitson' iny izay andron' ny fiomanana, dia nivory tany amin' i Pilaty ny lohandohan' ny mpisorona sy ny Farisiana Le lendemain, c' est-à-dire après la Préparation, les grands prêtres et les Pharisiens se rendirent en corps chez Pilate
Mat / Mt 27:63 Saying, Sir, we remember that that deceiver said, while he was yet alive, After three days I will rise again. ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho. ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona ilay mpamitaka iny dia nanao hoe: Rahefa afaka hateloana dia hitsangana aho. et lui dirent : " Seigneur, nous nous sommes souvenus que cet imposteur a dit, de son vivant : "Après trois jours je ressusciterai ! "
Mat / Mt 27:64 Command therefore that the sepulchre be made sure until the third day, lest his disciples come by night, and steal him away, and say unto the people, He is risen from the dead: so the last error shall be worse than the first. Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan' ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin' ny olona hoe: Efa natsangana tamin' ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany. Koa asaovy ambenana ny fasany ambara-pahafaky ny andro fahatelo, fandrao sokoin' ny mpianany ny fatiny, dia lazainy amin' ny vahoaka hoe: Nitsangana tamin' ny maty izy, ka ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany. Commande donc que le sépulcre soit tenu en sûreté jusqu' au troisième jour, pour éviter que ses disciples ne viennent le dérober et ne disent au peuple : "Il est ressuscité des morts ! " Cette dernière imposture serait pire que la première. "
Mat / Mt 27:65 Pilate said unto them, Ye have a watch: go your way, make it as sure as ye can. Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana. Dia hoy Pilaty taminy: Manam-piambina hianareo, koa mandehana, ambeno araka izay hainareo. Pilate leur répondit : " Vous avez une garde ; allez et prenez vos sûretés comme vous l' entendez. "
Mat / Mt 27:66 So they went, and made the sepulchre sure, sealing the stone, and setting a watch. Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato. Nony nandeha izy ireo, dia sady nasiany tombo-kase ny vato no nametrahany mpiambina teo mba hahazoany antoka marina ny amin' ny fasana. Ils allèrent donc et s' assurèrent du sépulcre, en scellant la pierre et en postant une garde.

<-
->