<-
->

Mat / Mt 24:1 And Jesus went out, and departed from the temple: and his disciples came to him for to shew him the buildings of the temple. Ary nony niala teo an-kianjan' ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly. Nony nivoaka avy tao amin' ny tempoly Jeso ka lasa nandeha, dia nanatona azy ny mpianany hampijery azy ny rafitry ny tempoly; Comme Jésus sortait du Temple et s' en allait, ses disciples s' approchèrent pour lui faire voir les constructions du Temple.
Mat / Mt 24:2 And Jesus said unto them, See ye not all these things? verily I say unto you, There shall not be left here one stone upon another, that shall not be thrown down. Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. fa namaly izy ka nanao taminy hoe: Hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko marina aminareo fa tsy hisy vato havela hifanongoa eo izay tsy horavana. Mais il leur répondit : " Vous voyez tout cela, n' est-ce pas ? En vérité je vous le dis, il ne restera pas ici pierre sur pierre qui ne soit jetée bas. "
Mat / Mt 24:3 And as he sat upon the mount of Olives, the disciples came unto him privately, saying, Tell us, when shall these things be? and what shall be the sign of thy coming, and of the end of the world? Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan' izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan' izao tontolo izao. Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitry ny Oliva izy, dia nanatona azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao anay izay andro hahatongavan' izany, sy ny famantarana ny hahiavianao mbamin' ny hahataperan' izao tontolo izao. Et, comme il était assis sur le mont des Oliviers, les disciples s' approchèrent de lui, en particulier, et demandèrent : " Dis-nous quand cela aura lieu, et quel sera le signe de ton avènement et de la fin du monde. "
Mat / Mt 24:4 And Jesus answered and said unto them, Take heed that no man deceive you. Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. Ary hoy Jeso taminy: Tandremo sao hisy hamitaka anareo, Et Jésus leur répondit : " Prenez garde qu' on ne vous abuse.
Mat / Mt 24:5 For many shall come in my name, saying, I am Christ; and shall deceive many. Fa maro no ho avy amin' ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. fa maro no ho ho avy amin' ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ary maro no ho voafitany. Car il en viendra beaucoup sous mon nom, qui diront : "C' est moi le Christ", et ils abuseront bien des gens.
Mat / Mt 24:6 And ye shall hear of wars and rumours of wars: see that ye be not troubled: for all these things must come to pass, but the end is not yet. Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. Handre ady sy filazana ady hianareo; aza taitra, fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola izany no ho farany. Vous aurez aussi à entendre parler de guerres et de rumeurs de guerres ; voyez, ne vous alarmez pas : car il faut que cela arrive, mais ce n' est pas encore la fin.
Mat / Mt 24:7 For nation shall rise against nation, and kingdom against kingdom: and there shall be famines, and pestilences, and earthquakes, in divers places. Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin' ny tany samy hafa. Ho hita fa hitsanga-kiady amin' ny firenena ny firenena, ary amin' ny fanjakana ny fanjakana; hisy areti-mifindra sy mosary ary horohoron-tany amin' ny tany samihafa; On se dressera, en effet, nation contre nation et royaume contre royaume. Il y aura par endroits des famines et des tremblements de terre.
Mat / Mt 24:8 All these are the beginning of sorrows. Fa izany rehetra izany no fiandohan' ny fahoriana. fa vao ho fiantombohan' ny fahoriana fotsiny izany rehetra izany. Et tout cela ne fera que commencer les douleurs de l' enfantement.
Mat / Mt 24:9 Then shall they deliver you up to be afflicted, and shall kill you: and ye shall be hated of all nations for my name' s sake. Ary dia hatolony ho amin' ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan' ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako. Amin' izany, dia hatolony hampijaliana sy hovonoina hianareo, ary ho hàlan' ny firenena rehetra noho ny anarako. " Alors on vous livrera aux tourments et on vous tuera ; vous serez haïs de toutes les nations à cause de mon nom.
Mat / Mt 24:10 And then shall many be offended, and shall betray one another, and shall hate one another. Ary amin' izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy. Amin' izany andro izany koa, dia maro no ho tafintohina ka hifampiampanga sy hifankahala be ihany. Et alors beaucoup succomberont ; ce seront des trahisons et des haines intestines.
Mat / Mt 24:11 And many false prophets shall rise, and shall deceive many. Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro. Ary hisy mpaminany sandoka maro hiseho, ka hamitaka olona maro. Des faux prophètes surgiront nombreux et abuseront bien des gens.
Mat / Mt 24:12 And because iniquity shall abound, the love of many shall wax cold. Ary noho ny haben' ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan' ny maro. Ary noho ny habetsahan' ny faharatsiana, dia hihamangatsiaka ny fitiavan' ny maro; Par suite de l' iniquité croissante, l' amour se refroidira chez le grand nombre.
Mat / Mt 24:13 But he that shall endure unto the end, the same shall be saved. Fa izay maharitra hatramin' ny farany no hovonjena. fa izay haharitra hatramin' ny farany no ho voavonjy. Mais celui qui aura tenu bon jusqu' au bout, celui-là sera sauvé.
Mat / Mt 24:14 And this gospel of the kingdom shall be preached in all the world for a witness unto all nations; and then shall the end come. Ary hotorina amin' izao tontolo izao ity filazantsaran' ny fanjakana ity ho vavolombelona amin' ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. Ary hotorina amin' izao tontolo izao ity Evanjelin' ny fanjakan' Andriamanitra ity, mba ho vavolombelona amin' ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany. " Cette Bonne Nouvelle du Royaume sera proclamée dans le monde entier, en témoignage à la face de toutes les nations. Et alors viendra la fin.
Mat / Mt 24:15 When ye therefore shall see the abomination of desolation, spoken of by Daniel the prophet, stand in the holy place, (whoso readeth, let him understand:) Koa raha hitanareo mitsangana ao amin' izay fitoerana masina ny fahavetavetan' ny fandravana, izay nampilazaina an' i Daniela mpaminany (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), Rahefa hitanareo voatsangana amin' ny fitoerana masina ny fametavetana lozan-tany nolazain' i Daniely mpaminany (aoka hihevitra ny mpamaky), " Lors donc que vous verrez l' abomination de la désolation, dont a parlé le prophète Daniel, installée dans le saint lieu que le lecteur comprenne ! ,
Mat / Mt 24:16 Then let them which be in Judaea flee into the mountains: dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra; dia aoka izay any Jodea handositra any an-tendrombohitra, alors que ceux qui seront en Judée s' enfuient dans les montagnes,
Mat / Mt 24:17 Let him which is on the housetop not come down to take any thing out of his house: ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony; ary izay any ambony tafontrano aoka tsy hidina haka ny zavany ao an-tranony, que celui qui sera sur la terrasse ne descende pas dans sa maison pour prendre ses affaires,
Mat / Mt 24:18 Neither let him which is in the field return back to take his clothes. ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny fitafiany. et que celui qui sera aux champs ne retourne pas en arrière pour prendre son manteau !
Mat / Mt 24:19 And woe unto them that are with child, and to them that give suck in those days! Ary lozan' ny bevohoka sy ny mampinono amin' ireo andro ireo! Loza no hanjo ny bevohoka sy ny mitaiza kely, amin' izany andro izany. Malheur à celles qui seront enceintes et à celles qui allaiteront en ces jours-là !
Mat / Mt 24:20 But pray ye that your flight be not in the winter, neither on the sabbath day: Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin' ny ririnina na ho amin' ny Sabata no handosiranareo. Mivavaha ianareo mba tsy ho amin' ny ririnina na amin' ny sabata no handosiranareo. Priez pour que votre fuite ne tombe pas en hiver, ni un sabbat.
Mat / Mt 24:21 For then shall be great tribulation, such as was not since the beginning of the world to this time, no, nor ever shall be. Fa amin' izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan' izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Fa amin' izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin' ny nahariana izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, ary tsy hisy toy izany intsony; Car il y aura alors une grande tribulation, telle qu' il n' y en a pas eu depuis le commencement du monde jusqu'à ce jour, et qu' il n' y en aura jamais plus.
Mat / Mt 24:22 And except those days should be shortened, there should no flesh be saved: but for the elect' s sake those days shall be shortened. Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany. ary raha tsy nohafohezina izany andro izany, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ny olom-pinidy dia hohafohezina izany andro izany. Et si ces jours-là n' avaient été abrégés, nul n' aurait eu la vie sauve ; mais à cause des élus, ils seront abrégés, ces jours-là.
Mat / Mt 24:23 Then if any man shall say unto you, Lo, here is Christ, or there; believe it not. Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro,y Kristy, na: Indro, ar ; aza mino ianareo. Koa raha misy milaza aminareo hoe: Indro atý ny Kristy, na hoe: arý izy, aza mino hianareo. " Alors si quelqu' un vous dit : "Voici : le Christ est ici ! " ou bien : "Il est là ! ", n' en croyez rien.
Mat / Mt 24:24 For there shall arise false Christs, and false prophets, and shall shew great signs and wonders; insomuch that, if it were possible, they shall deceive the very elect. Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho, ary hanao famantarana lehibe sy zava-mahatalanjona, ka raha azo atao, na dia ny olom-pinidy aza dia ho voafitany. Il surgira, en effet, des faux Christs et des faux prophètes, qui produiront de grands signes et des prodiges, au point d' abuser, s' il était possible, même les élus.
Mat / Mt 24:25 Behold, I have told you before. Indro, voalazako aminareo rahateo izany. Indro voalazako aminareo rahateo izany. Voici que je vous ai prévenus.
Mat / Mt 24:26 Wherefore if they shall say unto you, Behold, he is in the desert; go not forth: behold, he is in the secret chambers; believe it not. Ary amin' izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin' ny efi-trano Izy, aza mino. Koa raha misy milaza aminareo hoe: Indro any an' efitra izy, aza mankany hianareo; indro any amin' ny efi-trano mangingina izy, aza mino izany. " Si donc on vous dit : "Le voici au désert", n' y allez pas ; "Le voici dans les retraites", n' en croyez rien.
Mat / Mt 24:27 For as the lightning cometh out of the east, and shineth even unto the west; so shall also the coming of the Son of man be. Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian' ny Zanak' olona. Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian' ny Zanak' olona. Comme l'éclair, en effet, part du levant et brille jusqu' au couchant, ainsi en sera-t-il de l' avènement du Fils de l' homme.
Mat / Mt 24:28 For wheresoever the carcase is, there will the eagles be gathered together. Fa izay itoeran' ny faty, dia any no hiangonan' ny voromahery. Fa na aiza na aiza hitoeran' ny faty, any no hiangonan' ny voromahery. Où que soit le cadavre, là se rassembleront les vautours.
Mat / Mt 24:29 Immediately after the tribulation of those days shall the sun be darkened, and the moon shall not give her light, and the stars shall fall from heaven, and the powers of the heavens shall be shaken: Ary raha vao afaka ny fahoriana amin' ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin' ny lanitra hohozongozonina. Ary raha vao afaka izany andron' ny fahoriana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy hahazava ny volana, hiraraka avy eny an-danitra ny kintana, ary hihozongozona ny herin' ny lanitra. " Aussitôt après la tribulation de ces jours-là, le soleil s' obscurcira, la lune ne donnera plus sa lumière, les étoiles tomberont du ciel, et les puissances des cieux seront ébranlées.
Mat / Mt 24:30 And then shall appear the sign of the Son of man in heaven: and then shall all the tribes of the earth mourn, and they shall see the Son of man coming in the clouds of heaven with power and great glory. Ary amin' izany andro izany dia hiseho eo amin' ny lanitra ny famantarana ny Zanak' olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin' ny tany, ary hahita ny Zanak' olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin' ny rahon' ny lanitra izy. Amin' izany dia hiseho eny an-danitra ny famantaran' ny Zanak' olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe. Et alors apparaîtra dans le ciel le signe du Fils de l' homme ; et alors toutes les races de la terre se frapperont la poitrine ; et l' on verra le Fils de l' homme venant sur les nuées du ciel avec puissance et grande gloire.
Mat / Mt 24:31 And he shall send his angels with a great sound of a trumpet, and they shall gather together his elect from the four winds, from one end of heaven to the other. Ary amin' ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin' ireo ny olom-boafidy avy amin' ny vazan-tany efatra hatramin' ny faravodilanitra rehetra. Haneno mafy ny trompetra, dia haniraka ny anjeliny izy, ary ireo hanangona ny olom-pinidiny avy amin' ny vazan-tany efatra, hatramin' ny fara vodilanitra rehetra. Et il enverra ses anges avec une trompette sonore, pour rassembler ses élus des quatre vents, des extrémités des cieux à leurs extrémités.
Mat / Mt 24:32 Now learn a parable of the fig tree; When his branch is yet tender, and putteth forth leaves, ye know that summer is nigh: Ary mianara ny fanoharana ny amin' ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. Makà fanoharana amin' ny aviavim-bazaha; raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina izy, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra. " Du figuier apprenez cette parabole. Dès que sa ramure devient flexible et que ses feuilles poussent, vous comprenez que l'été est proche.
Mat / Mt 24:33 So likewise ye, when ye shall see all these things, know that it is near, even at the doors. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy. Dia toy izany koa, rahefa hitanareo izany rehetra izany, fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana ny Zanak' olona. Ainsi vous, lorsque vous verrez tout cela, comprenez qu' Il est proche, aux portes.
Mat / Mt 24:34 Verily I say unto you, This generation shall not pass, till all these things be fulfilled. Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan' izany rehetra izany. Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity, ambara-pahatongan' izany rehetra izany. En vérité je vous le dis, cette génération ne passera pas que tout cela ne soit arrivé.
Mat / Mt 24:35 Heaven and earth shall pass away, but my words shall not pass away. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Ny tany aman-danitra ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Le ciel et la terre passeront, mais mes paroles ne passeront point.
Mat / Mt 24:36 But of that day and hour knoweth no man, no, not the angels of heaven, but my Father only. Fa ny amin' izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin' ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany. Fa ny amin' izay andro sy ora dia tsy misy mahalala, na ny anjelin' ny lanitra aza, afa-tsy ny Ray ihany. Quant à la date de ce jour, et à l' heure, personne ne les connaît, ni les anges des cieux, ni le Fils, personne que le Père, seul.
Mat / Mt 24:37 But as the days of Noe were, so shall also the coming of the Son of man be. Fa tahaka ny andron' i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian' ny Zanak' olona. Fa tahaka ny tamin' ny andron' i Noe, dia ho tahaka izany koa ny fihavian' ny Zanak' olona. " Comme les jours de Noé, ainsi sera l' avènement du Fils de l' homme.
Mat / Mt 24:38 For as in the days that were before the flood they were eating and drinking, marrying and giving in marriage, until the day that Noe entered into the ark, Fa tahaka ny tamin' ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin' ny andro izay nidiran' i Noa tao amin' ny sambo-fiara, Fa tamin' ny andro nialoha ny safo-drano, dia nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy ny olona, mandra-pahatongan' ny andro nidiran' i Noe tao amin' ny sambo fiara, En ces jours qui précédèrent le déluge, on mangeait et on buvait, on prenait femme et mari, jusqu' au jour où Noé entra dans l' arche,
Mat / Mt 24:39 And knew not until the flood came, and took them all away; so shall also the coming of the Son of man be. ary tsy fantany mandra-pihavin' ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian' ny Zanak' olona. ka tsy nahalala izy ireo raha tsy efa tonga tokoa ny safo-drano izay nandringana azy rehetra: dia ho toy izany indrindra ny fihavian' ny Zanak' olona. et les gens ne se doutèrent de rien jusqu'à l' arrivée du déluge, qui les emporta tous. Tel sera aussi l' avènement du Fils de l' homme.
Mat / Mt 24:40 Then shall two be in the field; the one shall be taken, and the other left. Ary amin' izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. Amin' izany, amin' ny olona roa lahy izay ho sendra eny an-tsaha, dia horaisina ny iray, ary havela ny iray; Alors deux hommes seront aux champs : l' un est pris, l' autre laissé ;
Mat / Mt 24:41 Two women shall be grinding at the mill; the one shall be taken, and the other left. Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. amin' ny vehivavy roa izay hiara-manodina ny fikosohan-dafarina, dia horaisina ny anankiray, ary havela ny iray. deux femmes en train de moudre ; l' une est prise, l' autre laissée.
Mat / Mt 24:42 Watch therefore: for ye know not what hour your Lord doth come. Koa amin' izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian' ny Tomponareo. Koa miambena ary, fa tsy fantatrareo izay tapak' andro hihavian' ny Tomponareo. " Veillez donc, parce que vous ne savez pas quel jour va venir votre Maître.
Mat / Mt 24:43 But know this, that if the goodman of the house had known in what watch the thief would come, he would have watched, and would not have suffered his house to be broken up. Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin' ny alina izay hihavian' ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian' ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamìna ny tranony. Comprenez-le bien : si le maître de maison avait su à quelle heure de la nuit le voleur devait venir, il aurait veillé et n' aurait pas permis qu' on perçât le mur de sa demeure.
Mat / Mt 24:44 Therefore be ye also ready: for in such an hour as ye think not the Son of man cometh. Koa miomana kosa ianareo; fa amin' izay ora tsy ampoizinareo no hihavian' ny Zanak' olona. Koa aoka ary ho vonona koa hianareo, fa ho avy amin' ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak' olona. Ainsi donc, vous aussi, tenez-vous prêts, car c' est à l' heure que vous ne pensez pas que le Fils de l' homme va venir.
Mat / Mt 24:45 Who then is a faithful and wise servant, whom his lord hath made ruler over his household, to give them meat in due season? Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren' ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin' ny fotoana? Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry izay notendren' ny tompony ho mpifehy ny ankiziny, mba hanome hanina azy amin' ny fotoany? " Quel est donc le serviteur fidèle et avisé que le maître a établi sur les gens de sa maison pour leur donner la nourriture en temps voulu ?
Mat / Mt 24:46 Blessed is that servant, whom his lord when he cometh shall find so doing. Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany; Heureux ce serviteur que son maître en arrivant trouvera occupé de la sorte !
Mat / Mt 24:47 Verily I say unto you, That he shall make him ruler over all his goods. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. En vérité je vous le dis, il l'établira sur tous ses biens.
Mat / Mt 24:48 But and if that evil servant shall say in his heart, My lord delayeth his coming; Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko, Fa raha ratsy fanahy kosa ilay mpanompo ka manao anakampo hoe: Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy, Mais si ce mauvais serviteur dit en son coeur : "Mon maître tarde"
Mat / Mt 24:49 And shall begin to smite his fellowservants, and to eat and drink with the drunken; ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin' ny mpimamo, ka mikapoka ny mpanompo namany izy sy miara-mihinana sy misotro amin' ny mpimamo, et qu' il se mette à frapper ses compagnons, à manger et à boire en compagnie des ivrognes,
Mat / Mt 24:50 The lord of that servant shall come in a day when he looketh not for him, and in an hour that he is not aware of, dia ho avy ny tompon' izany mpanompo izany amin' ny andro izay tsy ampoiziny sy amin' ny ora izay tsy fantany, dia ho avy amin' ny andro tsy ampoiziny sy amin' ny ora tsy fantany ny tompon' izany mpanompo izany, le maître de ce serviteur arrivera au jour qu' il n' attend pas et à l' heure qu' il ne connaît pas ;
Mat / Mt 24:51 And shall cut him asunder, and appoint him his portion with the hypocrites: there shall be weeping and gnashing of teeth. dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin' ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. ka hotapahiny roa izy ary haraikiny ho any amin' ny mpihatsaravelatsihy ny anjarany: any no hisy fitoamaniana sy fikitroha-nify. il le retranchera et lui assignera sa part parmi les hypocrites : là seront les pleurs et les grincements de dents.

<-
->