<-
->

Est 4:1 When Mordecai perceived all that was done, Mordecai rent his clothes, and put on sackcloth with ashes, and went out into the midst of the city, and cried with a loud and a bitter cry; Nony fantatr' i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan' ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy; Nony nandre izany zavatra nitranga izany Mardokea dia nandriatra ny fitafiany, nitafy lamba malailay, nihosin-davenona, nankany afovoan' ny tanàna, nanezaka nidradradradra mafy tamin' alahelo. Sitôt instruit de ce qui venait d' arriver, Mardochée déchira ses vêtements et prit le sac et la cendre. Puis il parcourut toute la ville en l' emplissant de ses cris de douleur,
Est 4:2 And came even before the king' s gate: for none might enter into the king' s gate clothed with sackcloth. ary tonga teo anoloan' ny vavahadin' ny mpanjaka aza izy; nefa tsy nisy nahazo niditra teo amin' ny vavahadin' ny mpanjaka, raha nitafy lamba fisaonana. Ary tonga hatrany anoloan' ny vavahadin' ny mpanjaka, fa tsy azon' olona mitafy lamba malailay atao ny miditra ny varavaran' ny mpanjaka. et il alla jusqu' en face de la Porte Royale que nul ne pouvait franchir revêtu d' un sac.
Est 4:3 And in every province, whithersoever the king' s commandment and his decree came, there was great mourning among the Jews, and fasting, and weeping, and wailing; and many lay in sackcloth and ashes. Ary tany amin' ny isan-tokony tamin' ny fanjakana rehetra nalehan' ny tenin' ny mpanjaka sy ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra, sady maro no nandry tamin' ny lamba fisaonana aman-davenona. Tany amin' ny faritany rehetra nahatongavan' ny teny aman-didin' ny mpanjaka koa, dia velom-pisaonana mafy ny Jody: nifady hanina izy ireo, nitomany, nidradradradra, ary maro aza no nandry tamin' ny lamba malailay aman-davenona. Dans les provinces, partout où parvinrent l' ordre et le décret royal, ce ne fut plus, parmi les Juifs, que deuil, jeûne, larmes et lamentations. Le sac et la cendre devinrent la couche de beaucoup.
Est 4:4 So Esther' s maids and her chamberlains came and told it her. Then was the queen exceedingly grieved; and she sent raiment to clothe Mordecai, and to take away his sackcloth from him: but he received it not. Ary niditra ny ankizivavin' i Estera sy ny tsindranolahiny ka nilaza izany taminy. Dia nalahelo indrindra ny vadin' ny mpanjaka, ka nampanatitra lamba hitafin' i Mordekay izy mba hanesorany ny lamba fisaonana taminy; nefa tsy nety nandray izy. Tonga nilaza izany zava-baovao izany tamin' i Estera ireo ankizivaviny sy eonokany, ka nivadi-po mafy ny mpanjakavavy. Nampanatitra lamba hitafian' i Mardokea izy, mba hanesorany ny lamba malailay teny aminy, kanefa tsy noraisiny izany. Les servantes et eunuques d' Esther vinrent l' avertir. La reine fut saisie d' angoisse. Elle fit envoyer des vêtements à Mardochée pour qu' il les mît et abandonnât son sac. Mais il les refusa.
Est 4:5 Then called Esther for Hatach, one of the king' s chamberlains, whom he had appointed to attend upon her, and gave him a commandment to Mordecai, to know what it was, and why it was. Ary Estera niantso an' i Hatàka, tsindranolahin' ny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy, ka nampitondra teny azy ho any amin' i Mordekay, mba hahafantarany izay anton' izany. Ka dia nantsoin' i Estera Atàka, anankiray amin' ny eonoka napetraky ny mpanjaka ao aminy, nasainy nandeha hanontany an' i Mardokea izay anton' izany, sy izay nahatonga izany fisaonana izany. Mandant alors Hataq, l' un des eunuques mis par le roi à son service, Esther le dépêcha à Mardochée avec mission de s' enquérir de ce qui se passait et de lui demander les motifs de sa conduite.
Est 4:6 So Hatach went forth to Mordecai unto the street of the city, which was before the king' s gate. Dia nivoaka Hatàka nankany amin' i Mordekay ho eo an-kalalahana eo an-tanàna, dia ilay eo anoloan' ny vavahadin' ny mpanjaka; Dia lasa Atakà, nankeo amin' i Mardokea izay teo an-kianjan' ny tanàna anoloan' ny vavahadin' ny mpanjaka, Hataq sortit et s' en vint vers Mardochée, sur la place, devant la Porte Royale.
Est 4:7 And Mordecai told him of all that had happened unto him, and of the sum of the money that Haman had promised to pay to the king' s treasuries for the Jews, to destroy them. dia nambaran' i Mordekay taminy izay rehetra efa nanjo azy sy ny isan' ny vola izay nokasain' i Hamana haloa ho ao an-trano firaketan' ny mpanjaka noho ny handringanana ny Jiosy. ary nambaran' i Mardokea taminy avokoa ny zava-nihatra taminy rehetra, sy ny tontalin' ny vola nampanantenain' i Amanà holanjaina hatao ao amin' ny rakitry ny mpanjaka, ho valin' ny famonoana ny Jody. Mardochée le mit au courant des événements et, notamment, de la somme qu' Aman avait offert de verser au Trésor du roi pour l' extermination des Juifs.
Est 4:8 Also he gave him the copy of the writing of the decree that was given at Shushan to destroy them, to shew it unto Esther, and to declare it unto her, and to charge her that she should go in unto the king, to make supplication unto him, and to make request before him for her people. Ary nomeny azy koa ny kopen' ny lalàna, izay nantsoina tany Sosana handringanana azy, mba haseho amin' i Estera hampahafantatra azy izany sy handidy azy hiditra ao amin' ny mpanjaka mba hifona aminy sy hangataka eo anatrehany ho an' ny fireneny. Nomeny azy koa ny kopian' ny didy nantsoina tao Sosa handringanana azy ireo, hasehony amin' i Estera sy hampahafantarany azy ny zavatra rehetra, ary nandidiany azy hankao amin' ny mpanjaka, hifona aminy sy hangataka famindram-po ho an' ny fireneny. (Jereo ny famporisihan' i Mardokea an' i Estera amin' ny toko XV, 1-3). b Prie le Seigneur, parle pour nous au roi, arrache-nous à la mort!"
Est 4:9 And Hatach came and told Esther the words of Mordecai. Ary tonga Hatàka ka nanambara ny tenin' i Mordekay tamin' i Estera. Tonga Atakà nanambara tamin' i Estera ny tenin' i Mardokea. Hataq revint et rapporta ce message à Esther.
Est 4:10 Again Esther spake unto Hatach, and gave him commandment unto Mordecai; Fa Estera naniraka an' i Hatàka indray hanao amin' i Mordekay hoe: Fa nasain' i Estera nankany amin' i Mardokea indray Atakà, hilaza hoe: Celle-ci répondit, avec ordre de répéter ses paroles à Mardochée
Est 4:11 All the king' s servants, and the people of the king' s provinces, do know, that whosoever, whether man or women, shall come unto the king into the inner court, who is not called, there is one law of his to put him to death, except such to whom the king shall hold out the golden sceptre, that he may live: but I have not been called to come in unto the king these thirty days. Ny mpanompon' ny mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran' ny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin' ny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lalàna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondroin' ny mpanjaka amin' ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho anefa dia tsy mbola nantsoina hiditra ao amin' ny mpanjaka intsony telo-polo andro izay. Mahalala avokoa ny mpanompon' ny mpanjaka rehetra sy ny vahoaka amin' ny faritaniny, fa raha misy olona mankao amin' ny mpanjaka, ao amin' ny kianja anatiny, na lahy na vavy, nefa tsy nantsoina, dia lalàna tokana manameloka ho faty no hany ahatra aminy, afa-tsy raha toloran' ny mpanjaka ny tehim-bolamenany izy ka mahavelona azy amin' izany. Izaho anefa, telopolo andro izay no tsy nantsoina ho ao amin' ny mpanjaka. "Serviteurs du roi et habitants des provinces, tous savent que pour quiconque, homme ou femme, pénètre sans convocation chez le roi jusque dans le vestibule intérieur, il n' y a qu' une loi : il doit mourir, à moins qu' en lui tendant son sceptre d' or le roi ne lui fasse grâce de la vie. Et il y a 30 jours que je n' ai pas été invitée à approcher le roi!"
Est 4:12 And they told to Mordecai Esther' s words. Dia nolazaina tamin' i Mordekay ny tenin' i Estera. Nony efa nambara tamin' i Mardokea ny tenin' i Estera, Ces paroles d' Esther furent transmises à Mardochée,
Est 4:13 Then Mordecai commanded to answer Esther, Think not with thyself that thou shalt escape in the king' s house, more than all the Jews. Ary Mordekay nampitondra valiny ho amin' i Estera hoe: Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra ianao, saingy ao an-tranon' ny mpanjaka; dia izao no nasainy navaly azy: Aza mihevitra anakampo fa ho afaka irery amin' ny Jody rehetra hianao, satria ao an-tranon' ny mpanjaka. qui répondit à son tour : "Ne va pas t' imaginer que, parce que tu es dans le palais, seule d' entre les Juifs tu pourras être sauvée.
Est 4:14 For if thou altogether holdest thy peace at this time, then shall there enlargement and deliverance arise to the Jews from another place; but thou and thy father' s house shall be destroyed: and who knoweth whether thou art come to the kingdom for such a time as this? fa raha hangina mihitsy ianao amin' izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin' ny fitoerana hafa ho an' ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin' izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin' ny fanjakana? Ary raha mangina hianao izao, dia hisy vonjy amam-panafahana ho an' ny Jody avy any an-kafa, fa hianao sy ny fianakavian-drainao kosa haringana! Ary iza moa no mahalala fa tsy ho amin' ny andro toy izany no nanandratana anao ho mpanjakavavy? Ce sera tout le contraire. Si tu t' obstines à te taire quand les choses en sont là, salut et délivrance viendront aux Juifs d' un autre lieu, et toi et la maison de ton père vous périrez. Qui sait? Peut-être est-ce en prévision d' une circonstance comme celle-ci que tu as accédé à la royauté?"
Est 4:15 Then Esther bade them return Mordecai this answer, Dia nampitondra valiny ho any amin' i Mordekay indray Estera ka nanao hoe: Ka dia izao no nasain' i Estera navaly an' i Mardokea: Esther lui fit dire
Est 4:16 Go, gather together all the Jews that are present in Shushan, and fast ye for me, and neither eat nor drink three days, night or day: I also and my maidens will fast likewise; and so will I go in unto the king, which is not according to the law: and if I perish, I perish. Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin' izany no hidirako ao amin' ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty. Mandehana vorio ary ny Jody rehetra eto Sosa, ka manaova fifadian-kanina ho ahy hianareo; aza mihinana na misotro mandritra ny hateloana, na andro na alina. Izaho koa hifady hanina miaraka amin' ireo ankizivaviko; rahefa izany dia hiditra ao amin' ny mpanjaka aho, na dia eo aza ny lalàna, ka raha tsy maintsy ho faty aho dia ho faty. "Va rassembler tous les Juifs de Suse. Jeûnez à mon intention. Ne mangez ni ne buvez de trois jours et de trois nuits. De mon côté, avec mes servantes, j' observerai le même jeûne. Ainsi préparée, j' entrerai chez le roi malgré la loi et, s' il faut périr, je périrai."
Est 4:17 So Mordecai went his way, and did according to all that Esther had commanded him. Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian' i Estera azy. Dia lasa Mardokea nanao izay rehetra nandidian' i Estera azy. (Jereo ao amin' ny toko XIII, 8 - XIV, 19, ny fivavahan' i Mardokea sy Estera.) z O Dieu, dont la force l' emporte sur tous, écoute la voix des désespérés, tire-nous de la main des méchants et libère-moi de ma peur!"

<-
->