<-
->

Est 15:1 Nampitondra teny tamin' i Estera izy mba hidirany ao amin' ny mpanjaka, hanao fangatahana aminy, ho an' ny fireneny sy ny tanindrazany.
Est 15:2 Tsarovy ny andron' ny fahambanianao, sy ny nameloman' ny tànako anao, fa Amanà, ilay voalohany manarakaraka ny mpanjaka, efa niteny hamely antsika mba handringanana antsika.
Est 15:3 Fa hianao kosa miantsoa ny Tompo, ary mitenena amin' ny mpanjaka ho anay, vonjeo amin' ny fahafatesana izahay. Ny nisehoan' i Estera teo anatrehan' i Asoerosa.
Est 15:4 Tamin' ny andro fahatelo, nony tapitra ny fivavahan' i Estera, dia napetrany ny akanjo fivalozany, fa ny fihaingoam-piandrianany no niakanjoany.
Est 15:5 Tao anatin' ny famirapiratan' ny haingony fatratra, nony efa niantso an' Andriamanitra ilay Tompo tokana sy Mpamonjy ny olon-drehetra izy aloha, dia nitondra azy roa vavy mpanaraka azy hiaraka aminy araky ny fomba.
Est 15:6 Niankina tamin' ny anankiray izy hoatra ny ila tsy zakany ny tenany malemy;
Est 15:7 ny iray kosa nanaraka avy ato aoriana, nanainga ny akanjo lavan' ity tompovaviny.
Est 15:8 Voazavan' ny hatsaran-tarehiny mamirapiratra fatratra izy, ka miramirana ny tarehiny, maha-teo ho tia ny endriny, fa ny fony kosa voagejan' ny tahotra.
Est 15:9 Nony tafahoatra ny vavahady rehetra izy, dia niseho teo anatrehan' ny mpanjaka. Asoerosa izany nipetraka teo amin' ny seza fiandrianam-panjakana, nitafy ny mari-piandrianany rehetra sy rakotra volamena amam-batosoa; nahatahotra ny toetr' endriny.
Est 15:10 Nony nitraka ny lohany mandefa tsirim-boninahitra, dia fijery nirehi-pahatezerana no natopiny, ka torana ny mpanjakavavy, nivaloarika izy, sady nirona nankany amin' ny sorok' ilay ankizivavy nandeha teo alohany.
Est 15:11 Fa novan' Andriamanitra ho halemem-panahy ny hatezeran' ny mpanjaka; velona ahiahy izy dia niantoraka avy amin' ny seza fiandrianany, nanohana an' i Estera tamin' ny sandriny, mandra-pahatsiarony tena, ary nanony ny fivadiham-pony tamin' ny teny maneho fitiavana.
Est 15:12 Fa maninona hianao, ry Estera? hoy izy taminy; anadahinao aho, matokia,
Est 15:13 tsy ho faty hianao, fa ho an' ny be sy ny maro ny didiko.
Est 15:14 Avia! Dia ningainy ny tehim-bolamena,
Est 15:15 natehiny teo amin' ny vozony, sady norohany izy, sy nataony hoe: Mitenena amiko.
Est 15:16 Ary hoy ny navaliny: Toy ny anjelin' Andriamanitra no nahitako anao, tompokolahy, nitebiteby ny foko azon' ny tahotra ny fiandriananao,
Est 15:17 fa mendrika ny higagana hianao, tompokolahy, ary mahate-ho tia ny tarehinao.
Est 15:18 Mbola miteny eo izy, dia nitambotsotra ndeha ho torana indray,
Est 15:19 ka efa kivy ratsy ny mpanjaka, ary nifamonjy namelombelona ny mpanjakavavy ireo mpanompony rehetra.

<-
->