<-
->

Est 12:1 Rahefa izany, nitoetra teo an-dapa Mardokea, niaraka tamin' i Begatana sy Taresa; samy eonokan' ny mpanjaka sy mpiambina ny vavahadin-dapa izy roa lahy.
Est 12:2 Nony hitan' i Mardokea ny hevitr' izy ireo sy takany ny fikasany, fantany fa nikasa hamono an' i Asoerosa mpanjaka izy ireo, ka nandefa filazana izany tamin' ny mpanjaka izy.
Est 12:3 Dia nasainy nampijaliana izy roa lahy eonoka, hilazany ny marina, ary noho ny fieken' ireo dia nalefany hovonoina izy.
Est 12:4 Nasain' ny mpanjaka nosoratana tao amin' ny boky Tantara izany zavatra izany, ary nalatsak' i Mardokea an-tsoratra koa ny fahatsiarovana azy.
Est 12:5 Ny mpanjaka nanapaka fa hanao raharaha ao an-dapa izy sy nanolotra fanomezana ho azy noho ny fiampangany.
Est 12:6 Fa Amanà kosa, ilay zanak' i Amadata, avy any Agaga, dia nahazo voninahitra lehibe ao amin' ny mpanjaka, ka nitady hamono an' i Mardokea mbamin' ny fireneny, noho ny amin' izy roa lahy eonokan' ny mpanjaka.

<-
->