<-
->

1Mp 16:1 Then the word of the Lord came to Jehu the son of Hanani against Baasha, saying, Ary tonga tamin' i Jeho, zanak' i Hanany, ny tenin' i Jehovah ny amin i Basa nanao hoe: Ary tonga tamin' i Jehoa, zanak' i Hananì, ny tenin' ny Tompo namely an' i Baasà, nanao hoe: La parole de Yahvé fut adressée à Jéhu, fils de Hanani, contre Basha, en ces termes :
1Mp 16:2 Forasmuch as I exalted thee out of the dust, and made thee prince over my people Israel; and thou hast walked in the way of Jeroboam, and hast made my people Israel to sin, to provoke me to anger with their sins; Satria nasandratro avy tamin' ny vovoka ianao ka notendreko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; nefa kosa nandeha tamin' ny lalan' i Jeroboama ihany ianao ary nampanota ny Isiraely oloko ka nampahatezitra Ahy tamin' ny fahotany, Nasandratro avy amin' ny vovoka hianao, ary natsangako ho mpanjakan' Israely oloko, kanjo ny làlan' i Jeroboama no nalehanao, ary Israely oloko nampanotainao, mba hampahatezitra ahy amin' ny fahotan' izy ireo. " Je t' ai tiré de la poussière et je t' ai établi chef sur mon peuple Israël, mais tu as imité la conduite de Jéroboam et tu as fait commettre à mon peuple Israël des péchés qui m' irritent.
1Mp 16:3 Behold, I will take away the posterity of Baasha, and the posterity of his house; and will make thy house like the house of Jeroboam the son of Nebat. dia, indro, hofongorako Basa sy ny taranany, ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak' Jeroboama, zanak' i Nebata. Noho izany, indro hofongorako kosa Baasà sy ny tranony, ary hampanahafiko ny tranon' i Jeroboama zanak' i Nabata, ny tranonao. Aussi vais-je balayer Basha et sa maison : je traiterai ta maison comme celle de Jéroboam fils de Nebat.
1Mp 16:4 Him that dieth of Baasha in the city shall the dogs eat; and him that dieth of his in the fields shall the fowls of the air eat. Koa izay tamingan' i Basa maty ao an-tanàna dia hohanin' ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha dia hohanin' ny voro-manidina. Ka ny tamingan' i Baasà maty an-tanàna, hohanin' ny alika, ary ny tamingany maty an-tsaha, hohanin' ny voromanidina. Celui de la famille de Basha qui mourra dans la ville, les chiens le mangeront, et celui qui mourra dans la campagne, les oiseaux du ciel le mangeront. "
1Mp 16:5 Now the rest of the acts of Baasha, and what he did, and his might, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Israel? Ary ny tantaran' i Basa sisa mbamin' izay nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely va izany? Ny sisa tamin' ny asan' i Baasà, mbamin' izay nataony, sy ny herim-po nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin' ny Tantaran' ny mpanjakan' Israely va izany? Le reste de l' histoire de Basha, ce qu' il a fait et ses exploits, cela n' est-il pas écrit au livre des Annales des rois d' Israël ?
1Mp 16:6 So Baasha slept with his fathers, and was buried in Tirzah: and Elah his son reigned in his stead. Ary Basa lasa nodimandry any amin' ny razany, dia nalevina tao Tirza; ary Elaha zanany no nanjaka nandimby azy. Ary nodimandry any amin' ny razany Baasà, ka nalevina ao Tersa. Elà zanany lahy, no nanjaka nandimby azy. Basha se coucha avec ses pères et on l' enterra à Tirça. Son fils Éla régna à sa place.
1Mp 16:7 And also by the hand of the prophet Jehu the son of Hanani came the word of the Lord against Baasha, and against his house, even for all the evil that he did in the sight of the Lord, in provoking him to anger with the work of his hands, in being like the house of Jeroboam; and because he killed him. Ary Jeho mpaminany zanak' i Hanany, dia nampitondraina ny tenin' i Jehovah ny amin' i Basa sy ny taranany, satria nanao ratsy teo imason' i Jehovah ka nampahatezitra Azy tamin' ny asan' ny tanany, ka dia tonga tahaka ny mpianakavin' i Jeroboama, ary satria namono ireo izy. Ary ny tenin' ny Tompo dia nampitondraina tamin' ny alalan' i Jehoa, mpaminany, zanak' i Hananì, hihatra amin' i Baasà sy ny tranony noho ny ratsy rehetra nataony teo imason' ny Tompo, nampahatezerany azy tamin' ny asan' ny tànany, sy nanahafany ny tranon' i Jeroboama, ary noho izy namono izany fianakaviana izany koa. De plus, par le ministère du prophète Jéhu fils de Hanani, la parole de Yahvé fut transmise à Basha et à sa maison, d' une part à cause de tout le mal qu' il fit au regard de Yahvé, en l' irritant par ses oeuvres, pour devenir comme la maison de Jéroboam, d' autre part, parce qu' il extermina celle-ci.
1Mp 16:8 In the twenty and sixth year of Asa king of Judah began Elah the son of Baasha to reign over Israel in Tirzah, two years. Tamin' ny taona fahenina amby roa-polo nanjakan' i Asa, mpanjakan' ny Joda, no vao nanjakan' i Elaha, zanak' i Basa, tamin' ny Isiraely tao Tirza, ary nanjaka roa taona izy. Tamin' ny taona fahenina amby roapolon' i Asà, mpanjakan' i Jodà, dia tonga mpanjakan' Israely tany Tersa, Elà zanak' i Baasà, ary roa taona no nanjakany. La vingt-sixième année d' Asa, roi de Juda, Éla fils de Basha devint roi sur Israël à Tirça, pour deux ans.
1Mp 16:9 And his servant Zimri, captain of half his chariots, conspired against him, as he was in Tirzah, drinking himself drunk in the house of Arza steward of his house in Tirzah. Ary Zimry mpanompony, komandin' ny antsasaky ny kalesiny, nikomy taminy, raha nisotro ho mamo tao Tirza, tao an-tranon' i Arza, lehiben' ny tao an-dapa tao Tirza, izy. Niteti-dratsy hamely azy Zambrì, mpanompony, lehiben' ny antsasaky ny kalesiny. Ka raha ilay nisotro sy nimamo iny izy, tao Tersa, amin' ny tranon' i Arsà, lehiben' ny ankohonany ao Tersa, Son officier Zimri, chef de la moitié des chars, conspira contre lui. Comme il était dans Tirça, buvant à s' enivrer dans la maison d' Arça, maître du palais à Tirça,
1Mp 16:10 And Zimri went in and smote him, and killed him, in the twenty and seventh year of Asa king of Judah, and reigned in his stead. Dia niditra Zimry ka namely an' i Elaha ho faty tamin' ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan' i Asa, mpanjakan' ny Joda, ary izy no nanjaka nisolo azy. dia niditra Zambrì, ka namono ary nahafaty azy, tamin' ny taona fahafito amby roapolon' i Asà, mpanjakan' i Jodà, ary nanjaka nandimby azy izy. Zimri entra, le frappa et le tua, en la vingt-septième année d' Asa roi de Juda, puis il régna à sa place.
1Mp 16:11 And it came to pass, when he began to reign, as soon as he sat on his throne, that he slew all the house of Baasha: he left him not one that pisseth against a wall, neither of his kinsfolks, nor of his friends. Ary nony vao nanjaka Zimry ka nipetraka tamin' ny seza fiandrianany, dia namono ny mpianakavin' i Basa rehetra izy; ka tsy navelany hisy miangana na dia lehilahy iray akory aza. na tamin' ny havany, na tamin' ny sakaizany. Nony tonga mpanjaka sy tafapetraka tamin' ny seza fiandrianany izy, dia novonoiny avokoa ny fianakavian' i Baasà, ka tsy nasiany lahy iray nitsangana, na ny mpianakaviny na ny sakaizany. A son avènement, dès qu' il fut assis sur le trône, il massacra toute la maison de Basha, sans lui laisser aucun mâle, et aussi ses parents et son familier.
1Mp 16:12 Thus did Zimri destroy all the house of Baasha, according to the word of the Lord, which he spake against Baasha by Jehu the prophet. Toy izany no nandringanan' i Zimry ny mpianakavin' i Basa rehetra, araka ny tenin' i Jehovah izay nampilazainy an' i Jehovah mpaminany ny amin' i Basa, Toy izany no namongoran' i Zambrì ny fianakavian' i Baasà rehetra, araka ny tenin' ny Tompo, izay nolazainy tamin' ny alalan' i Jehoa mpaminany nihatra tamin' i Baasà, Zimri extermina toute la maison de Basha, selon la parole que Yahvé avait prononcée contre Basha, par le ministère du prophète Jéhu,
1Mp 16:13 For all the sins of Baasha, and the sins of Elah his son, by which they sinned, and by which they made Israel to sin, in provoking the Lord God of Israel to anger with their vanities. noho ny fahotany rehetra sy ny fahotan' i Elaha zanany koa, izay nataony sady nampanotany ny Isiraely ka nampahatezitra an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin' ny zava-poanany. noho ny fahotana rehetra nataon' i Baasà sy Elà zanany, sy nampanaoviny an' Israely, ka nampahatezerany an' ny Tompo Andriamanitr' Israely tamin' ny sampiny. pour tous les péchés de Basha et ceux d'Éla, son fils, où ils avaient entraîné Israël, irritant Yahvé, Dieu d' Israël, par leurs vaines idoles.
1Mp 16:14 Now the rest of the acts of Elah, and all that he did, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Israel? Ary ny tantaran' i Elaha sisa mbamin' izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely va izany? Ny sisa tamin' ny asan' i Elà, mbamin' izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin' ny Tantaran' ny mpanjakan' Israely va izany? Le reste de l' histoire d'Éla, et tout ce qu' il a fait, cela n' est-il pas écrit au livre des Annales des rois d' Israël ?
1Mp 16:15 In the twenty and seventh year of Asa king of Judah did Zimri reign seven days in Tirzah. And the people were encamped against Gibbethon, which belonged to the Philistines. Tamin' ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan' i Asa, mpanjakan' ny Joda, no nanjakan' i Zimry hafitoana tao Tirza. Ary ny olona nanao fahirano an' i Gibetona, izay an' ny Filistina. Tamin' ny taona fahafito amby roapolon' i Asà, mpanjakan' i Jodà, no nanjakan' i Zambrì, hafitoana, tao Tersa. Tamin' izay ny vahoaka, dia nitoby tandrifin' i Gebetona izay an' ny Filistina, La vingt-septième année d' Asa, roi de Juda, Zimri devint roi, pour sept jours, à Tirça. Le peuple campait alors devant Gibbetôn qui appartient aux Philistins.
1Mp 16:16 And the people that were encamped heard say, Zimri hath conspired, and hath also slain the king: wherefore all Israel made Omri, the captain of the host, king over Israel that day in the camp. Ary ny olona izay nitoby teo dia nandre hoe: Efa nikomy Zimry sady efa namono ny mpanjaka koa; ary ny Isiraely rehetra tany an-tobiny nampanjaka an' i Omry, komandin' ny miaramila, androtrizay ihany ho mpanjakan' ny Isiraely. ary ny vahoaka mbola nitoby teo ka nandre ny vaovao hoe: Miteti-dratsy Zambrì, sady efa matiny aza ny mpanjaka! Ka androtrizay ihany Israely rehetra teo an-toby, dia nanangana an' i Amrì, filohan' ny tafika, ho mpanjakan' Israely. Lorsque le bivouac reçut cette nouvelle : " Zimri a conspiré, il a même tué le roi ! " tout Israël, le jour même, dans le camp, proclama roi sur Israël Omri, le chef de l' armée.
1Mp 16:17 And Omri went up from Gibbethon, and all Israel with him, and they besieged Tirzah. Dia niakatra avy tao Gibetona Omry sy ny Isiraely rehetra niaraka taminy, ka dia nanao fahirano an' i Tirza. Dia niakatra avy any Gebetona Amrì sy Israely rehetra niaraka taminy ka tonga nanao fahirano an' i Tersa. Omri et tout Israël avec lui levèrent le siège de Gibbetôn et vinrent bloquer Tirça.
1Mp 16:18 And it came to pass, when Zimri saw that the city was taken, that he went into the palace of the king' s house, and burnt the king' s house over him with fire, and died. Ary nony hitan' i Zimry fa afaka ny tanana, dia lasa niditra tao amin' ny trano avo amin' ny lapa izy, ary nodorany tamin' ny afo ny lapa. ka may tao izy, dia maty Nony hitan' i Zambrì fa afaka ny tanàna, dia lasa niditra ao amin' ny trano mimandan' ny tranon' ny mpanjaka izy, ka nodorany aman-trano tao ny tenany. Toy izany no nahafatesany, Quand Zimri vit que la ville était prise, il entra dans le donjon du palais royal, brûla sur lui le palais et périt.
1Mp 16:19 For his sins which he sinned in doing evil in the sight of the Lord, in walking in the way of Jeroboam, and in his sin which he did, to make Israel to sin. noho ny fahotana izay nataony tamin' ny nanaovany izay ratsy eo imason' i Jehovah, tamin' ny nandehanany tamin' ny lalan' i Jeroboama sy tamin' ny fahotana izay nataony sady nampanotany ny Isiraely. noho ny fahotana nataony, tamin' ny nanaovany izay ratsy eo imason' ny Tompo sy nandehanany tamin' ny làlan' i Jeroboama ary tamin' ny fahotana nataon' i Jeroboama hampanota an' Israely. Ce fut pour le péché qu' il commit en faisant ce qui déplaît à Yahvé, en imitant la conduite de Jéroboam et le péché où il avait entraîné Israël.
1Mp 16:20 Now the rest of the acts of Zimri, and his treason that he wrought, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Israel? Ary ny tantaran' i Zimry sisa mbamin' ny fikomiany, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely va izany? Ny sisa tamin' ny asan' i Zambrì, mbamin' ny teti-dratsy nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny Tantaran' ny mpanjakan' Israely va izany? Le reste de l' histoire de Zimri et la conspiration qu' il ourdit, cela n' est-il pas écrit au livre des Annales des rois d' Israël ?
1Mp 16:21 Then were the people of Israel divided into two parts: half of the people followed Tibni the son of Ginath, to make him king; and half followed Omri. Ary tamin' izany dia nizara roa ny lehilahy amin' ny Isiraely: ny antsasany nomba an i Tibny, zanak' i Ginata, hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa nomba an' i Omry. Nizara ho antokony roa ny vahoaka amin' Israely tamin' izay, ny antsasaky ny vahoaka moa nomba an' i Tebnì, zanak' i Gineta hampanjaka azy, ary ny antsasany nomba an' i Amrì. Alors le peuple d' Israël se divisa : une moitié se rallia à Tibni fils de Ginat, pour le faire roi, l' autre moitié à Omri.
1Mp 16:22 But the people that followed Omri prevailed against the people that followed Tibni the son of Ginath: so Tibni died, and Omri reigned. Fa ny olona izay nomba an' i Omry naharesy ny olona izay nomba an' i Tibny, zanak' i Ginata; ka dia maty Tibny, ary Omry no nanjaka. Resin' ny nomba an' i Amrì ny nomba an' i Tebnì, zanak' i Gineta, ka dia maty Tebnì, ary Amrì no nanjaka. Mais le parti d' Omri l' emporta sur celui de Tibni fils de Ginat ; Tibni mourut et Omri devint roi.
1Mp 16:23 In the thirty and first year of Asa king of Judah began Omri to reign over Israel, twelve years: six years reigned he in Tirzah. Tamin' ny taona fahiraika amby telo-polo nanjakan' i Asa, mpanjakan' ny Joda, no vao nanjakan' i Omry; ary nanjaka roa ambin' ny folo taona tamin' ny Isiraely izy; tao Tirza no nanjakany enin-taona. Tamin' ny taona faharaik' amby telopolon' i Asà, mpanjakan' i Jodà, dia tonga mpanjakan' Israely kosa Amrì, ary roa ambin' ny folo taona no nanjakany. La trente et unième année d' Asa, roi de Juda, Omri devint roi sur Israël, pour douze ans. Il régna six années à Tirça.
1Mp 16:24 And he bought the hill Samaria of Shemer for two talents of silver, and built on the hill, and called the name of the city which he built, after the name of Shemer, owner of the hill, Samaria. Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin' i Samera ny havoan' i Samaria, dia nanao tanàna teo an-tampon' ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria, araka ny anaran' i Samera, tompon' ny havoana, ny anaran' ny tanàna. Nony nanjaka enin-taona tao Tersa izy, dia novidiny tamin' i Somera talenta volafotsy roa, ny tendrombohitr' i Samaria, ka nanorin-trano teo ambonin' ny tendrombohitra izy, ary nataony hoe Samaria; avy amin' ny anaran' i Somera tompon' ny tendrombohitra ny anaran' ny tanàna naoriny. Puis il acquit de Shémer le mont Samarie pour deux talents d' argent ; il y construisit une ville que, d' après le nom de Shémer, possesseur de la montagne, il nomma Samarie.
1Mp 16:25 But Omri wrought evil in the eyes of the Lord, and did worse than all that were before him. Fa Omry nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah; eny, nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany izy; Nanao izay ratsy eo imason' ny Tompo Amrì, sady nanao ratsy mihoatra izay rehetra talohany izy. Omri fit ce qui déplaît à Yahvé et fut pire que tous ses devanciers.
1Mp 16:26 For he walked in all the way of Jeroboam the son of Nebat, and in his sin wherewith he made Israel to sin, to provoke the Lord God of Israel to anger with their vanities. fa nandeha tamin' ny lalana rehetra nalehan' i Jeroboama, zanak' i Nebata, sy tamin' ny fahotana izay nampanotany ny Isiraely izy ka nampahatezitra an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin' ny zava-poanany. Nandeha tamin' ny làlana rehetra nalehan' i Jeroboama zanak' i Nabata izy, sy tamin' ny fahotana nampanaoviny an' Israely, ka nampahatezitra an' ny Tompo Andriamanitr' Israely tamin' ny sampiny. Il imita en tout la conduite de Jéroboam fils de Nebat et les péchés où il avait entraîné Israël, irritant Yahvé, Dieu d' Israël, par leurs vaines idoles.
1Mp 16:27 Now the rest of the acts of Omri which he did, and his might that he shewed, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Israel? Ary ny tantaran' i Omry sisa mbamin' izay nataony sy ny heriny izay nasehony, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely va izany? Ny sisa tamin' ny asan' i Amrì mbamin' izay nataony aman-kerim-po nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny Tantaran' ny mpanjakan' Israely va izany? Le reste de l' histoire d' Omri, ce qu' il a fait et ses exploits, cela n' est-il pas écrit au livre des Annales des rois d' Israël ?
1Mp 16:28 So Omri slept with his fathers, and was buried in Samaria: and Ahab his son reigned in his stead. Ary Omry lasa nodi-mandry any amin' ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Ahaba zanany no nanjaka nandimby azy. Ary nodimandry any amin' ny razany Amrì, ka nalevina ao Samaria. Akaba zanany lahy, nanjaka nandimby azy. Omri se coucha avec ses pères et on l' enterra à Samarie. Son fils Achab régna à sa place.
1Mp 16:29 And in the thirty and eighth year of Asa king of Judah began Ahab the son of Omri to reign over Israel: and Ahab the son of Omri reigned over Israel in Samaria twenty and two years. Ary Ahaba, zanak' i Omry, vao nanjaka tamin' ny Isiraely tamin' ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan' i Asa, mpanjakan' ny Joda, ary nanjaka tamin' ny Isiraely tao Samaria roa amby roa-polo Taona izy. Tamin' ny taona fahavalo amby telopolon' i Asà mpanjakan' i Jodà no tonga mpanjakan' Israely kosa Akaba zanak' i Amrì, ary roa amby roapolo taona no nanjakan' i Akaba zanak' i Amrì, tao Samaria, tamin' Israely. Achab fils d' Omri devint roi sur Israël en la trente-huitième année d' Asa, roi de Juda, et il régna vingt-deux ans sur Israël à Samarie.
1Mp 16:30 And Ahab the son of Omri did evil in the sight of the Lord above all that were before him. Ary Ahaba, zanak' i Omry, nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah mihoatra noho izay rehetra teo alohany. Nanao izay ratsy eo imason' ny Tompo mihoatra noho izay rehetra teo alohany, Akaba zanak' i Amrì. Achab fils d' Omri fit ce qui déplaît à Yahvé et fut pire que tous ses devanciers.
1Mp 16:31 And it came to pass, as if it had been a light thing for him to walk in the sins of Jeroboam the son of Nebat, that he took to wife Jezebel the daughter of Ethbaal king of the Zidonians, and went and served Baal, and worshipped him. Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin' ny fahotan' i Jeroboama, zanak' i Nebata. ka dia nampakatra an' i Jezebela, zanakavavin' i Etibala, mpanjakan' ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an' i Bala ka niankohoka teo anatrehany. Hoatra ny noheveriny fa zavatra kely foana ny mandeha amin' ny fahotan' i Jeroboama zanak' i Nabata, ka dia nalainy ho vady Jezabela, zanakavavin' i Etbaala, mpanjakan' ny Sidoniana, ka dia lasa izy nanompo an' i Baala sy niankohoka teo anatrehany. La moindre chose fut qu' il imita les péchés de Jéroboam fils de Nebat : il prit pour femme Jézabel, fille d' Ittobaal, roi des Sidoniens, et se mit à servir Baal et à se prosterner devant lui ;
1Mp 16:32 And he reared up an altar for Baal in the house of Baal, which he had built in Samaria. Ary nanao alitara ho an' i Bala tao amin' ny tranon' i Bala izay nataony tao Samaria izy. Nanangana otely ho an' i Baala izy, tao amin' ny tranon' i Baala nataony tao Samaria; il lui dressa un autel dans le temple de Baal qu' il construisit à Samarie.
1Mp 16:33 And Ahab made a grove; and Ahab did more to provoke the Lord God of Israel to anger than all the kings of Israel that were before him. Ary Ahaba nanao ny Aseraha ka nampahatezitra an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakan' ny Isiraely rehetra izay teo alohany. sady nanao Aserah koa Akaba. Nanao izay nampahatezitra an' ny Tompo Andriamanitr' Israely Akaba mihoatra noho ny mpanjakan' Israely rehetra talohany. Achab installa aussi le pieu sacré et fit encore d' autres offenses, irritant Yahvé, Dieu d' Israël, plus que tous les rois d' Israël ses prédécesseurs.
1Mp 16:34 In his days did Hiel the Bethelite build Jericho: he laid the foundation thereof in Abiram his firstborn, and set up the gates thereof in his youngest son Segub, according to the word of the Lord, which he spake by Joshua the son of Nun. Tamin' ny andron' i Ahaba no nanorenan' i Hiela Betelita an' i Jeriko; ny ain' i Abìrama lahimatoany no sazin' ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain' i Segoba faralahiny no sazin' ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin' i Jehovah izay nampilazainy an' i Josoa, zanak' i Nona. Fahavelony dia nanorina an' i Jerikao, Hielà avy any Betela, kanjo ny ain' i Abirama lahimatoany, no sazin' ny nanorenany ny fotony, ary ny ain' i Segoba zanany faralahy, no sazin' ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin' ny Tompo izay nolazainy tamin' ny alalan' i Josoe zanak' i Nona. De son temps, Hiel de Béthel rebâtit Jéricho ; au prix de son premier-né Abiram il en établit le fondement et au prix de son dernier-né Segub il en posa les portes, selon la parole que Yahvé avait dite par le ministère de Josué, fils de Nûn.

<-
->