<-
->

1Mp 1:1 Now king David was old and stricken in years; and they covered him with clothes, but he gat no heat. Ary Davida mpanjaka dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana; ary norakofany lamba izy, fa tsy nety nafana. Efa zokiolona sy nandroso fahanterana Davida, ka na norakofan-damba aza tsy nahatsiaro hafanana intsony. Le roi David était un vieillard avancé en âge ; on lui mit des couvertures sans qu' il pût se réchauffer.
1Mp 1:2 Wherefore his servants said unto him, Let there be sought for my lord the king a young virgin: and let her stand before the king, and let her cherish him, and let her lie in thy bosom, that my lord the king may get heat. Ka dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijina ny mpanjaka tompoko, dia aoka hitoetra eto anatrehan' ny mpanjaka izy mba ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin' ny tratranao izy, ka dia hampahafana ny mpanjaka tompoko. Ary hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virjiny ny mpanjaka tompoko, hitoetra eo anatrehan' ny mpanjaka sy hitaiza azy, ary handry eo amin' ny tratranao, ka dia hafana ny mpanjaka tompoko. Alors ses serviteurs lui dirent : " Qu' on cherche pour Monseigneur le roi une jeune fille qui assiste le roi et qui le soigne : elle couchera sur ton sein et cela tiendra chaud à Monseigneur le roi. "
1Mp 1:3 So they sought for a fair damsel throughout all the coasts of Israel, and found Abishag a Shunammite, and brought her to the king. Ary dia nitady zazavavy tsara tarehy eran' ny tanin' ny Isiraely rehetra izy ka nahita an' i Abisaga Sonemita, dia nentiny tany amin' ny mpanjaka. Dia nitady zazavavy tsara tarehy eran' ny tanin' Israely rehetra ny olona, ka nahita an' i Abisaga Sonamita, ary nentina tao amin' ny mpanjaka io. Ayant donc cherché une belle jeune fille dans tout le territoire d' Israël, on trouva Abishag de Shunem et on l' amena au roi.
1Mp 1:4 And the damsel was very fair, and cherished the king, and ministered to him: but the king knew her not. Ary tsara tarehy dia tsara tarehy razazavavy, dia tonga mpitaiza ny mpanjaka sady nanompo azy izy; nefa ny mpanjaka tsy nahalala azy. Tsara tarehy tokoa razazavavy, sady nitaiza sy nanompo ny mpanjaka, nefa ny mpanjaka tsy nahalala azy. Cette jeune fille était extrêmement belle ; elle soigna le roi et le servit, mais il ne la connut pas.
1Mp 1:5 Then Adonijah the son of Haggith exalted himself, saying, I will be king: and he prepared him chariots and horsemen, and fifty men to run before him. Ary Adonia, zanakalahin' i Hagita, nanandratra ny tenany ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy. Ary Adoniasa nanandra-tena, ka nanao anakampo hoe: Izaho no ho mpanjaka. Ary nanomana kalesy aman-tsoavaly ho azy izy, ary olona dimampolo lahy ho mpihazakazaka eo alohany. Or Adonias, le fils de Haggit, jouait au prince en disant : " C' est moi qui régnerai ! " Il s'était procuré char et attelage et cinquante gardes qui couraient devant lui.
1Mp 1:6 And his father had not displeased him at any time in saying, Why hast thou done so? and he also was a very goodly man; and his mother bare him after Absalom. Ary ny rainy tsy mbola niteny mafy azy atory hatrizay niainany nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao ? sady lehilahy tsara tarehy tokoa izy; ary izy no na tera-dreniny nanarakaraka an' i Absaloma. Ary ny rainy tsy mbola mba nampalahelo azy na oviana na oviana tamin' ny andro niainany nanao hoe: Nahoana hianao no manao toy izao? Sady tsara tarehy tokoa moa Adoniasa, ary nateraky ny reniny izy nanaraka an' i Absaloma. De sa vie, son père ne l' avait contrarié en disant : " Pourquoi agis-tu ainsi ? " Il avait lui aussi très belle apparence et sa mère l' avait enfanté après Absalom.
1Mp 1:7 And he conferred with Joab the son of Zeruiah, and with Abiathar the priest: and they following Adonijah helped him. Ary efa niresaka tamin' i Joaba, zanak' i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin' i Adonia izy roa lahy ka nanampy azy. Nisy resadresaka natao tamin' i Joaba, zanak' i Sarvià sy tamin' i Abiatara mpisorona, ka rafitra niandany tamin' i Adoniasa ireo. Il s' aboucha avec Joab fils de Çeruya et avec le prêtre Ébyatar, qui se rallièrent à la cause d' Adonias ;
1Mp 1:8 But Zadok the priest, and Benaiah the son of Jehoiada, and Nathan the prophet, and Shimei, and Rei, and the mighty men which belonged to David, were not with Adonijah. Fa Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak' i Joiada, sy Natana mpaminany sy Simey sy Rey ary ny lehilahy mahery izay an' i Davida kosa tsy mba niandany tamin' i Adonia. Tsy mba nety nikambana tamin' i Adoniasa kosa Sadaoka mpisorona, Banaiasa zanak' i Joiadasa, Natàna mpaminany, Semeia, Reia, mbamin' ny lehilahy maherin' i Davida. mais ni le prêtre Sadoq, ni Benayahu fils de Yehoyada, ni le prophète Natân, ni Shiméï et Reï, ni les preux de David, n'étaient avec Adonias.
1Mp 1:9 And Adonijah slew sheep and oxen and fat cattle by the stone of Zoheleth, which is by Enrogel, and called all his brethren the king' s sons, and all the men of Judah the king' s servants: Ary Adonia namono ondry aman' osy sy omby ary zanak' omby mifahy teo anilan' ny vato Zoheleta tanilan' i En-rogela ka nanasa ny rahalahiny zanakalahin' ny mpanjaka rehetra sy ny lehilahy rehetra amin' ny Joda, mpanompon' ny mpanjaka; Ary Adoniasa namono ondry sy omby ary zanak' omby matavy, teo akaikin' ny vaton' i Zoheleta anilan' i En-Rogela, ka nanasa ny rahalahiny rehetra, zanaky ny mpanjaka, mbamin' ny lehilahy rehetra amin' i Jodà mpanompon' ny mpanjaka. Un jour qu' Adonias immolait des moutons, des boeufs et des veaux gras à la Pierre-qui-glisse, qui est près de la source du Foulon, il invita tous ses frères, les princes royaux, et tous les Judéens au service du roi,
1Mp 1:10 But Nathan the prophet, and Benaiah, and the mighty men, and Solomon his brother, he called not. fa Natana mpaminany sy Benaia sy ny lehilahy mahery ary Solomona rahalahiny no tsy mba nasainy. Samy tsy nasainy anefa na Natàna mpaminany, na Banaiasa, na ny lehilahy mahery, na Salomona rahalahiny. mais il n' invita pas le prophète Natân, ni Benayahu, ni les preux, ni son frère Salomon.
1Mp 1:11 Wherefore Nathan spake unto Bathsheba the mother of Solomon, saying, Hast thou not heard that Adonijah the son of Haggith doth reign, and David our lord knoweth it not? Ary Natana niteny tamin' i Batseba, renin' i Solomona, hoe: Moa tsy renao va fa efa manjaka Adonia, zanak' i Hagita, nefa tsy fantatr' i Davida tompontsika akory izany? Ka hoy Natàna tamin' i Betsabea renin' i Salomona: Tsy renao va fa efa tonga mpanjaka Adoniasa zanak' i Hagita, nefa tsy mahalala izany akory Davida tompontsika? Alors Natân dit à Bethsabée, la mère de Salomon : " N' as-tu pas appris qu' Adonias fils de Haggit est devenu roi à l' insu de notre seigneur David ?
1Mp 1:12 Now therefore come, let me, I pray thee, give thee counsel, that thou mayest save thine own life, and the life of thy son Solomon. Koa etsy homeko saina ianao hamonjenao ny ainao sy ny ain' i Solomona zanakao. Koa etsy ange avelao homeko hevitra hianao ankehitriny hamonjenao ny ainao sy ny ain' i Salomona zanakao. Eh bien ! laisse-moi te donner maintenant un conseil, pour que tu sauves ta vie et celle de ton fils Salomon.
1Mp 1:13 Go and get thee in unto king David, and say unto him, Didst not thou, my lord, O king, swear unto thine handmaid, saying, Assuredly Solomon thy son shall reign after me, and he shall sit upon my throne? why then doth Adonijah reign? Mandehana mankany amin' i Davida mpanjaka, ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko, nanao hoe: Solomona zanakao-lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin' ny seza fiandrianako? Koa nahoana indray no Adonia no manjaka? Mandehana midira ao amin' i Davida mpanjaka ka lazao aminy hoe: Ry mpanjaka tompoko ô: tsy efa nianiana tamiko mpanomponao va hianao, nanao hoe: Salomona zanakao no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin' ny seza fiandrianako? Ka ahoana àry no Adoniasa indray ity no tonga mpanjaka? Va, entre chez le roi David, et dis-lui : "N' est-ce pas toi, Monseigneur le roi, qui as fait ce serment à ta servante : Ton fils Salomon régnera après moi et c' est lui qui s' assiéra sur mon trône ? Comment donc Adonias est-il devenu roi ?"
1Mp 1:14 Behold, while thou yet talkest there with the king, I also will come in after thee, and confirm thy words. Ary raha mbola miteny amin' ny mpanjaka ianao, dia, indro, izaho koa hiditra manaraka anao ka hanamarina ny teninao. Ary indro fa ilay mbola miteny amin' ny mpanjaka iny hianao, dia hiditra avy aorianao koa aho, ka hanamarina ny teninao. Et pendant que tu seras là, conversant encore avec le roi, j' entrerai après toi et j' appuierai tes paroles. "
1Mp 1:15 And Bathsheba went in unto the king into the chamber: and the king was very old; and Abishag the Shunammite ministered unto the king. Ary Batseba dia nankao amin' ny mpanjaka tao amin' ny efi-trano nitoerany; ary efa antitra ny mpanjaka; ary Abisaga Sonemita nanompo azy. Dia nankao amin' ny mpanjaka tao an' efitranony, Betsabea; efa antitra dia antitra ny mpanjaka, ary Abisaga Sonimata nanompo azy teo. Bethsabée se rendit chez le roi dans sa chambre il était très vieux et Abishag de Shunem le servait .
1Mp 1:16 And Bathsheba bowed, and did obeisance unto the king. And the king said, What wouldest thou? Dia niondrika Batseba ka niankohoka teo anatrehan' ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao? Niondrika Betsabea, dia niankohoka teo anatrehany, ka hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao? Elle s' agenouilla et se prosterna devant le roi, et le roi dit : " Que désires-tu ? "
1Mp 1:17 And she said unto him, My lord, thou swarest by the Lord thy God unto thine handmaid, saying, Assuredly Solomon thy son shall reign after me, and he shall sit upon my throne. Dia hoy izy taminy: Tompokolahy ô, Jehovah Andriamanitrao no nianiananao tamiko mpanompovavinao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin' ny seza fiandrianako. Dia hoy ny navaliny azy: Tompokolahy ô, Iaveh Andriamanitrao no efa nianiananao tamin' ny mpanompovavinao hoe: Salomona zanakao no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin' ny seza fiandrianako. Elle lui répondit : " Monseigneur, tu as juré à ta servante par Yahvé ton Dieu : "Ton fils Salomon régnera après moi, et c' est lui qui s' assiéra sur mon trône. "
1Mp 1:18 And now, behold, Adonijah reigneth; and now, my lord the king, thou knowest it not: Kanjo izao dia, indro, Adonia no manjaka; kanefa tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko. Kanjo ankehitriny, indro fa Adoniasa no tonga mpanjaka; kanefa hianao tsy mahalala izany akory, ry mpanjaka tompoko. Voici maintenant qu' Adonias est devenu roi, et toi, Monseigneur le roi, tu n' en saurais rien !
1Mp 1:19 And he hath slain oxen and fat cattle and sheep in abundance, and hath called all the sons of the king, and Abiathar the priest, and Joab the captain of the host: but Solomon thy servant hath he not called. Ary efa namono omby sy zanak' omby mifahy ary ondry aman' osy betsaka izy ka efa nanasa ny zanakalahin' ny mpanjaka rehetra sy Abiatara mpisorona ary Joaba, komandin' ny miaramila; fa Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy. Izy efa namono omby aman-janak' omby matavy mbamin' ny ondry betsaka; efa nasainy avokoa ny zanakalahin' ny mpanjaka sy Abiatara mpisorona, ary Joaba filohan' ny tafika, fa Salomona mpanomponao tsy mba nasainy. Car il a immolé quantité de boeufs, de veaux gras et de moutons, et il a invité tous les princes royaux, le prêtre Ébyatar, le général Joab, mais ton serviteur Salomon, il ne l' a pas invité !
1Mp 1:20 And thou, my lord, O king, the eyes of all Israel are upon thee, that thou shouldest tell them who shall sit on the throne of my lord the king after him. Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô. ny mason' ny Isiraely rehetra manandratra anao hilazanao izay hipetraka eo amin' ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao. Ny mason' Israely rehetra anefa izao, ry mpanjaka tompoko ô, dia samy manandrandra anao, hanambara izay hipetraka handimby anao, eo amin' ny seza fiandrianan' ny mpanjaka tompoko. Pourtant c' est vers toi, Monseigneur le roi, que tout Israël regarde pour que tu lui désignes le successeur de Monseigneur le roi.
1Mp 1:21 Otherwise it shall come to pass, when my lord the king shall sleep with his fathers, that I and my son Solomon shall be counted offenders. Fa rehefa lasa modi-mandry any amin' ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no atao meloka. Fa raha tsy izany, rahefa mody amin' ny razany ny mpanjaka tompoko, dia hatao olo-meloka izaho sy Salomona zanako. Et quand Monseigneur le roi sera couché avec ses pères, moi et mon fils Salomon, nous expierons cela ! "
1Mp 1:22 And, lo, while she yet talked with the king, Nathan the prophet also came in. Ary raha mbola niteny tamin' ny mpanjaka ravehivavy, dia. indro, niditra koa Natana mpaminany. Mbola niteny amin' ny mpanjaka ao Betsabea, dia indro tonga koa Natàna mpaminany. Elle parlait encore que le prophète Natân arriva.
1Mp 1:23 And they told the king, saying, Behold Nathan the prophet. And when he was come in before the king, he bowed himself before the king with his face to the ground. Ary nisy nanambara amin' ny mpanjaka hoe: Indro Natana mpaminany. Dia niditra teo anatrehan' ny mpanjaka izy ka niankohoka tamin' ny tany teo anatrehany. Ka nambara tamin' ny mpanjaka hoe: Indro Natàna mpaminany. Dia niditra nanoloana ny mpanjaka izy, dia niankohoka tamin' ny tany teo anatrehany, On annonça au roi : " Le prophète Natân est là. " Il entra chez le roi et se prosterna devant lui, la face contre terre.
1Mp 1:24 And Nathan said, My lord, O king, hast thou said, Adonijah shall reign after me, and he shall sit upon my throne? Ary hoy Natana: Ry mpanjaka tompoko ô, fa angaha ianao efa niteny hoe: Adonia no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin' ny seza fiandrianako. ary hoy Natàna hoe: Ry mpanjaka tompoko ô, hianao angaha efa nilaza hoe: Adoniasa no hanjaka handimby ahy, sy hipetraka eo amin' ny seza fiandrianako? Natân dit : " Monseigneur le roi, tu as donc décrété : "Adonias régnera après moi et s' assiéra sur mon trône" !
1Mp 1:25 For he is gone down this day, and hath slain oxen and fat cattle and sheep in abundance, and hath called all the king' s sons, and the captains of the host, and Abiathar the priest; and, behold, they eat and drink before him, and say, God save king Adonijah. Fa he! izy nidina androany ary namono omby sy zanak' omby mifahy sy ondry aman' osy betsaka ka nanasa ny zanakalahin' ny mpanjaka rehetra sy ny komandin' ny miaramila sy Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana ny misotro eo anatrehany ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka! Fa nidina androany izy izao, ka namono omby aman-janak' omby matavy sy ondry be dia be; nasainy avokoa ny zanakalahin' ny mpanjaka sy ny filohan' ny tafika ary Abiatara mpisorona. Indro mihinana sy misotro eo anatrehany ireo izao, ka manao hoe: Ho ela velona anie Adoniasa mpanjaka! Car il est descendu aujourd' hui, il a immolé quantité de boeufs, de veaux gras et de moutons et il a invité tous les princes royaux, les officiers de l' armée et le prêtre Ébyatar ; les voilà qui mangent et boivent en sa présence et qui crient : "Vive le roi Adonias ! "
1Mp 1:26 But me, even me thy servant, and Zadok the priest, and Benaiah the son of Jehoiada, and thy servant Solomon, hath he not called. Fa izaho mpanomponao sy Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak' i Joiada, ary Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy. Samy tsy nasainy anefa na izaho mpanomponao na Sadaoka mpisorona, na Banaiasa zanak' i Joiadasa, na Salomona mpanomponao. Mais moi ton serviteur, le prêtre Sadoq, Benayahu fils de Yehoyada et ton serviteur Salomon, il ne nous a pas invités.
1Mp 1:27 Is this thing done by my lord the king, and thou hast not shewed it unto thy servant, who should sit on the throne of my lord the king after him? Moa avy tamin' ny mpanjaka tompoko va no nahatonga izany zavatra izany, ka tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka eo amin' ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao? Ka moa ve avy amin' ny mpanjaka tompoko no isehoan' izany zavatra izany, fa tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka handimby ny mpanjaka tompoko eo amin' ny seza fiandrianany? Se peut-il que la chose vienne de Monseigneur le roi et que tu n' aies pas fait savoir à tes fidèles qui succéderait sur le trône à Monseigneur le roi ? "
1Mp 1:28 Then king David answered and said, Call me Bathsheba. And she came into the king' s presence, and stood before the king. Ary namaly Davida mpanjaka ka nanao hoe: Antsoy hankatý amiko Batseba. Dia niditra nankeo anatrehan' ny mpanjaka izy ka nitsangana teo anatrehany Ary namaly Davida mpanjaka nanao hoe: Asaovy mankatý Betsabea. Dia niditra teo anatrehan' ny mpanjaka ravehivavy ary nandroso ho eo anatrehan' ny mpanjaka. Le roi David prit la parole et dit : " Appelez-moi Bethsabée. " Elle entra chez le roi et se tint devant lui.
1Mp 1:29 And the king sware, and said, As the Lord liveth, that hath redeemed my soul out of all distress, Ary ny mpanjaka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ny aiko tamin' ny fahoriana rehetra, Ka nanao izao fianianana izao ny mpanjaka: Ho velona anie Iaveh, izay nanafaka ahy tamin' ny loza rehetra, Alors le roi lui fit ce serment : " Par Yahvé vivant, qui m' a délivré de toutes les angoisses,
1Mp 1:30 Even as I sware unto thee by the Lord God of Israel, saying, Assuredly Solomon thy son shall reign after me, and he shall sit upon my throne in my stead; even so will I certainly do this day. dia tahaka ilay nianianako tamin' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sady nilazako taminao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin' ny seza fiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio. dia hotanterahiko anio ilay fianianana nataoko tamin' ny Tompo Andriamanitr' Israely hoe: Salomona zanakao lahy hanjaka handimby ahy ary hipetraka eo amin' ny seza fiandrianako hisolo ahy. comme je t' ai juré par Yahvé, Dieu d' Israël, que ton fils Salomon régnerait après moi et s' assiérait à ma place sur le trône, ainsi ferai-je aujourd' hui même. "
1Mp 1:31 Then Bathsheba bowed with her face to the earth, and did reverence to the king, and said, Let my lord king David live for ever. Ary Batseba niondrika, dia niankohoka tamin' ny tany teo anatrehan' ny mpanjaka ka nanao hoe: Ho velona mandrakizay anio Davida mpanjaka tompoko! Koa niondrika nihohoka tamin' ny tany teo anoloan' ny mpanjaka Betsabea, dia nanao hoe: Ho velona mandrakizay anie ny tompoko Davida mpanjaka! Bethsabée s' agenouilla, la face contre terre, se prosterna devant le roi et dit : " Vive à jamais Monseigneur le roi David ! "
1Mp 1:32 And king David said, Call me Zadok the priest, and Nathan the prophet, and Benaiah the son of Jehoiada. And they came before the king. Ary hoy Davida mpanjaka: Antsoy hankatý amiko Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia, zanak' i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan' ny mpanjaka izy telo lahy. Ary hoy Davida mpanjaka: Asaovy mankatý Sadaoka mpisorona sy Natàna mpaminany, ary Banaiasa zanak' i Joiadasa. Nony niditra nankeo anatrehan' ny mpanjaka ireo, Puis le roi David dit : " Appelez-moi le prêtre Sadoq, le prophète Natân et Benayahu fils de Yehoyada. " Ils entrèrent chez le roi
1Mp 1:33 The king also said unto them, Take with you the servants of your lord, and cause Solomon my son to ride upon mine own mule, and bring him down to Gihon: Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ento miaraka aminareo ny mpanompon' ny tomponareo, ary ampitaingeno ny ampondravaviko Solomona zanakolahy, ka ento midina any Gihona izy. dia hoy ny mpanjaka tamin' izy ireo: Ento miaraka aminareo ny mpanompon' ny tomponareo, ka ampitaingeno ny molevaviko Salomona zanako, dia ento midina mankany Gihona. et celui-ci leur dit : " Prenez avec vous la garde royale, faites monter mon fils Salomon sur ma propre mule et faites-le descendre à Gihôn.
1Mp 1:34 And let Zadok the priest and Nathan the prophet anoint him there king over Israel: and blow ye with the trumpet, and say, God save king Solomon. Ary aoka Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan' ny Isiraely; ary tsofinareo ny anjomara, ka lazao hoe: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka! Rahefa mby any, Sadaoka mpisorona sy Natàna mpaminany dia hanosotra azy ho mpanjaka amin' Israely, ary hianareo hitsoka anjomara sy hilaza hoe: Ho ela velona anie Salomona mpanjaka! Là, le prêtre Sadoq et le prophète Natân lui donneront l' onction comme roi d' Israël, vous sonnerez du cor et vous crierez : "Vive le roi Salomon ! "
1Mp 1:35 Then ye shall come up after him, that he may come and sit upon my throne; for he shall be king in my stead: and I have appointed him to be ruler over Israel and over Judah. Dia miakara manaraka azy ianareo, ary aoka izy hiditra ka hipetraka eo amin' ny seza fiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy. satria izy no voatendriko ho mpanapaka ny Isiraely sy ny Joda. Rahefa izany, miakara manaraka azy hianareo, fa ho avy hipetraka eo amin' ny seza fiandrianako izy, ka hanjaka hisolo ahy, satria izy no tendreko ho filohan' Israely sy Jodà. Vous remonterez à sa suite, il entrera s' asseoir sur mon trône et régnera à ma place, car c' est lui que j' ai institué chef sur Israël et sur Juda. "
1Mp 1:36 And Benaiah the son of Jehoiada answered the king, and said, Amen: the Lord God of my lord the king say so too. Ary Benaja, zanak' i Joiada, namaly ny mpanjaka hoe: Amena! Hiteny tahaka izany koa anie Jehovah, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko. Dia namaly Banaiasa zanak' i Joiadasa ka nanao tamin' ny mpanjaka hoe: Amena! Ho toy izany koa anie no didin' ny Tompo Andriamanitry ny mpanjaka tompoko! Benayahu fils de Yehoyada répondit au roi : " Amen ! Que parle ainsi Yahvé, le Dieu de Monseigneur le roi !
1Mp 1:37 As the Lord hath been with my lord the king, even so be he with Solomon, and make his throne greater than the throne of my lord king David. Toy ny nomban' i Jehovah ny mpanjaka tompoko anie no mba hombany an' i Solomona koa, ary hataony be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandrianan' i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan' i Solomona. Ho toy ny nomban' ny Tompo ny mpanjaka tompoko anie no hombàny an' i Salomona koa ary hasandrany ho ambony noho ny seza fiandrianan' i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan' i Salomona! Comme Yahvé a été avec Monseigneur le roi, qu' il soit avec Salomon et qu' il magnifie son trône encore plus que le trône de Monseigneur le roi David ! "
1Mp 1:38 So Zadok the priest, and Nathan the prophet, and Benaiah the son of Jehoiada, and the Cherethites, and the Pelethites, went down, and caused Solomon to ride upon king David' s mule, and brought him to Gihon. Dia nidina Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Renaia, zanak' i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana, dia nampitaingina an' i Solomona ny ampondravavin' i Davida mpanjaka izy, ka dia nitondra azy nankany Gihona. Dia nandeha Sadaoka mpisorona sy Natàna mpaminany, ary Banaiasa zanak' i Joiadasa mbamin' ny Keretiana sy ny Feletiana; nasainy nitaingina ny molevavin' i Davida mpanjaka Salomona, dia nentiny nankany Gihona. Le prêtre Sadoq, le prophète Natân, Benayahu fils de Yehoyada, les Kerétiens et les Pelétiens descendirent ; ils mirent Salomon sur la mule du roi David et ils le menèrent à Gihôn.
1Mp 1:39 And Zadok the priest took an horn of oil out of the tabernacle, and anointed Solomon. And they blew the trumpet; and all the people said, God save king Solomon. Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin' ny trano-lay ka nanosotra an' i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka! Ary Sadaoka mpisorona, naka ny tandroka misy diloilo tao amin' ny tabernaka, dia nanosotra an' i Salomona, ary nitsoka anjomara ny olona, ary ny vahoaka rehetra nanao hoe: Ho ela velona anie Salomona mpanjaka! Le prêtre Sadoq prit dans la Tente la corne d' huile et oignit Salomon, on sonna du cor et tout le peuple cria : " Vive le roi Salomon ! "
1Mp 1:40 And all the people came up after him, and the people piped with pipes, and rejoiced with great joy, so that the earth rent with the sound of them. Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nitsoka sodina sady nifaly dia nifaly, ka dia nihorohoro ny tany noho ny feony. Rahefa izany, dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra. Nitsoka sodina ny vahoaka sy nifaly indrindra, ka nahavaky ny tany ny horakoraka avy amin' izy ireo. Puis tout le peuple monta à sa suite, et le peuple jouait de la flûte et manifestait une grande joie, avec des clameurs à fendre la terre.
1Mp 1:41 And Adonijah and all the guests that were with him heard it as they had made an end of eating. And when Joab heard the sound of the trumpet, he said, Wherefore is this noise of the city being in an uproar? Ary Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy nandre izany, rehefa nitsahatra nihinana izy. Ka raha nahare ny feon' ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re izany hotakotaka mampitabataba ny tanàna izany e? Ren' i Adoniasa sy ireo nasainy rehetra, izay teo aminy, izany, tamin' ilay nanapitra ny fihinanam-beny iny izy. Ary hoy Joaba nandre ny feon' anjomara: Tabataba inona izato avy amin' ny tanàna mihotakotaka? Adonias et tous ses convives entendirent le bruit ; ils avaient alors fini de manger. Joab aussi entendit le son du cor et demanda : " Pourquoi cette rumeur de la ville en émoi ? "
1Mp 1:42 And while he yet spake, behold, Jonathan the son of Abiathar the priest came; and Adonijah said unto him, Come in; for thou art a valiant man, and bringest good tidings. Fa raha mbola niteny izy, indro, tonga Jonatana, zanak' i Abiatara mpisorona; ary hoy Adonia taminy: Mandrosoa; fa lehilahy tsara fanahy ianao, ka ho teny tsara no entinao. Mbola miteny eo izy, no indro tonga Jonatasy zanak' i Abiatara mpisorona. Hoy Adoniasa taminy: Mandrosoa fa lehilahy mahery fo hianao, ka mpitondra zava-baovao tsara. Comme il parlait encore, voici qu' arriva Yonatân, le fils du prêtre Ébyatar, et Adonias dit : " Viens ! car tu es un honnête homme et tu dois apporter une bonne nouvelle. "
1Mp 1:43 And Jonathan answered and said to Adonijah, Verily our lord king David hath made Solomon king. Fa Jonatana niteny ka nanao tamin' i Adonia hoe: Tsia, tsy izany tsy akory, fa Davida mpanjaka tompontsika efa nanangana an' i Solomona tokoa ho mpanjaka. Dia namaly Jonatasy, ka nanao tamin' i Adoniasa hoe: Eny lahy, izany tokoa, fa nanangana an' i Salomona ho mpanjaka Davida mpanjaka tompontsika. Yonatân répondit : " Ah oui ! notre seigneur le roi David a fait roi Salomon !
1Mp 1:44 And the king hath sent with him Zadok the priest, and Nathan the prophet, and Benaiah the son of Jehoiada, and the Cherethites, and the Pelethites, and they have caused him to ride upon the king' s mule: Ary ny mpanjaka efa naniraka an' i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia, zanak' i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana hiaraka aminy, ka nampitaingenin' ireo ny ampondravavin' ny mpanjaka izy. Nirahin' ny mpanjaka hiaraka aminy Sadaoka mpisorona sy Natàna mpaminany ary Banaiasa zanak' i Joiadasa, mbamin' ny Keretiana sy ny Feletiana, ka nampitaingenin' ireo ny molevavin' ny mpanjaka izy. Le roi a envoyé avec lui le prêtre Sadoq, le prophète Natân, Benayahu fils de Yehoyada, les Kerétiens et les Pelétiens, ils l' ont mis sur la mule du roi,
1Mp 1:45 And Zadok the priest and Nathan the prophet have anointed him king in Gihon: and they are come up from thence rejoicing, so that the city rang again. This is the noise that ye have heard. Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy teo. izy sady nifaly, ka dia nihorika terý ny tanàna. Izany no hotakotaka renareo. Nohosoran' i Sadaoka mpisorona sy Natàna mpaminany ho mpanjaka izy, tany Gihona; dia niakatra avy eny tamim-piravoravoana izy ireo, ka mihotakotaka ny tanàna, ary ny tabataban' izany ilay renareo teo. le prêtre Sadoq et le prophète Natân l' ont sacré roi à Gihôn, ils sont remontés de là en poussant des cris de joie et la ville est en émoi ; voilà le bruit que vous avez entendu.
1Mp 1:46 And also Solomon sitteth on the throne of the kingdom. Ary koa, Solomona izao dia efa mipetraka eo amin' ny seza fiandrianan' ny fanjakana. Ary efa nipetraka amin' ny seza fiandrianan' ny fanjakana aza Salomona; Plus que cela : Salomon s' est assis sur le trône royal,
1Mp 1:47 And moreover the king' s servants came to bless our lord king David, saying, God make the name of Solomon better than thy name, and make his throne greater than thy throne. And the king bowed himself upon the bed. Ary dia tonga koa ny mpanompon' ny mpanjaka hisaotra an' i Davida mpanjaka tompontsika hoe: Hataon' Andriamanitrao ho tsara noho ny anaranao anie ny anaran' i Solomona, ary hataony ho be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka ary ny mpanompon' ny mpanjaka aza, efa avy nisaotra an' i Davida mpanjaka tompontsika, nanao hoe: Hataon' ny Andriamanitrao malaza noho ny anaranao anie ny anaran' i Salomona, ary hasandrany ho ambony noho ny seza fiandriananao ny seza fiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka. et les officiers du roi sont venus féliciter notre seigneur le roi David en disant : "Que ton Dieu glorifie le nom de Salomon plus encore que ton nom et qu' il exalte son trône plus que le tien ! " et le roi s' est prosterné sur son lit,
1Mp 1:48 And also thus said the king, Blessed be the Lord God of Israel, which hath given one to sit on my throne this day, mine eyes even seeing it. ka niteny hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka eo amin' ny seza fiandrianako androany, sady hitan' ny masoko koa izany. Ary niteny toy izao aza ny mpanjaka nanao hoe: Isaorana anie Iaveh Andriamanitr' Israely, fa nanome ahy mpandimby eo amin' ny seza fiandrianako izy androany, hahazoako mahita maso an' izany. et puis il a parlé ainsi : "Béni soit Yahvé, Dieu d' Israël, qui a permis que mes yeux voient aujourd' hui l' un de mes descendants assis sur mon trône. " "
1Mp 1:49 And all the guests that were with Adonijah were afraid, and rose up, and went every man his way. Dia raiki-tahotra izay rehetra nasain' i Adonia ka niainga, ary samy lasa nandeha amin' izay nalehany avy izy rehetra. Raiki-tahotra mafy izy rehetra nasain' i Adoniasa ka tafatsangana dia samy lasa nandeha amin' izay nalehany avy. Alors tous les invités d' Adonias furent pris de panique, ils se levèrent et partirent chacun de son côté.
1Mp 1:50 And Adonijah feared because of Solomon, and arose, and went, and caught hold on the horns of the altar. Ary Adonia koa natahotra an' i Solomona, dia niainga ka lasa nangia ny tandroky ny alitara. Adoniasa natahotra an' i Salomona ka nitsangana, dia nandeha namikitra tamin' ny tandroky ny otely. Pour Adonias, il eut peur de Salomon, il se leva et s' en alla saisir les cornes de l' autel.
1Mp 1:51 And it was told Solomon, saying, Behold, Adonijah feareth king Solomon: for, lo, he hath caught hold on the horns of the altar, saying, Let king Solomon swear unto me today that he will not slay his servant with the sword. Ary nambara tamin' i Solomona hoe: Indro, Adonia matahotra an' i Solomona mpanjaka; koa indro izy efa mangia ny tandroky ny alitara ka manao hoe: Aoka Solomona mpanjaka hianiana amiko aloha fa tsy hamono ahy mpanompony amin' ny sabatra. Ary nisy nilaza izany tamin' i Salomona nanao hoe: Indro Adoniasa matahotra an' i Salomona mpanjaka, ary indro izy namikitra amin' ny tandroky ny otely, nanao hoe: Aoka hianiana amiko Salomona mpanjaka anio, fa tsy hamono ny mpanompony amin' ny sabatra. On en informa ainsi Salomon : " Voici qu' Adonias a eu peur du roi Salomon et qu' il a saisi les cornes de l' autel en disant : Que le roi Salomon me jure d' abord qu' il ne fera pas mourir son serviteur par l'épée. "
1Mp 1:52 And Solomon said, If he will shew himself a worthy man, there shall not an hair of him fall to the earth: but if wickedness shall be found in him, he shall die. Fa hoy Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin' ny tany; fa raha misy heloka kosa ho hita aminy, dia ho faty ihany izy. Dia hoy Salomona: Raha miseho ho lehilahy mahery izy, dia tsy hisy latsaka amin' ny tany na dia singam-bolony iray aza, fa raha misy heloka hita aminy kosa, dia ho faty izy. Salomon dit : " S' il se conduit en honnête homme, pas un de ses cheveux ne tombera à terre, mais si on le trouve en défaut, alors il mourra. "
1Mp 1:53 So king Solomon sent, and they brought him down from the altar. And he came and bowed himself to king Solomon: and Solomon said unto him, Go to thine house. Dia naniraka Solomona mpanjaka nampidina azy hiala amin' ny alitara. Dia avy izy ka niankohoka teo anatrehan' i Solomona mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy: Modia any an-tranonao. Ary naniraka olona hampidina azy hiala teo amin' ny otely Salomona; ka tonga niankohoka teo anatrehan' i Salomona mpanjaka izy, dia hoy Salomona taminy hoe: Mandehana any an-tranonao. Et Salomon ordonna qu' on le fit descendre de l' autel ; il vint se prosterner devant Salomon qui lui dit : " Va dans ta maison. "

<-
->