<-
->

1Mp 10:1 And when the queen of Sheba heard of the fame of Solomon concerning the name of the Lord, she came to prove him with hard questions. Ary ny mpanjakavavin' i Sheba, rehefa nahare ny lazan' i Solomona ny amin' ny anaran' i Jehovah. dia avy hizaha toetra azy amin' ny fanontaniana sarotra, Nandre ny lazan' anaran' i Salomona amin' ny anaran' ny Tompo, ny mpanjakavavin' i Sabà, ka tamy hizaha toetra azy amin' ny ankamantatra. La reine de Saba apprit la renommée de Salomon et vint éprouver celui-ci par des énigmes.
1Mp 10:2 And she came to Jerusalem with a very great train, with camels that bare spices, and very much gold, and precious stones: and when she was come to Solomon, she communed with him of all that was in her heart. ka tonga tany Jerosalema izy mbamin' ny mpanaraka maro be sy ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tany amin' i Solomona izy, dia nilaza taminy izay rehetra tao ampony. Dia tonga tany Jerosalema izy, narahin' ny kalesy maro be sy rameva nitondra zava-manitra, volamena sesehena, ary vatosoa. Dia nandroso ho any amin' i Salomona izy, dia nolazainy taminy izay rehetra tao am-pony. Elle arriva à Jérusalem avec une très grande suite, des chameaux chargés d' aromates, d' or en énorme quantité et de pierres précieuses. Quand elle fut arrivée auprès de Salomon, elle lui proposa tout ce qu' elle avait médité,
1Mp 10:3 And Solomon told her all her questions: there was not any thing hid from the king, which he told her not. Ary voavalin' i Solomona izy tamin' izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin' ny mpanjaka, ka dia nambarany azy avokoa. Voavalin' i Salomona avokoa ny fanontaniany, fa tsy nisy niafina tamin' ny mpanjaka, ka tsy hainy novaliana. mais Salomon l'éclaira sur toutes ses questions et aucune ne fut pour le roi un secret qu' il ne pût élucider.
1Mp 10:4 And when the queen of Sheba had seen all Solomon' s wisdom, and the house that he had built, Ary rehefa hitan' ilay mpanjakavavin' i Sheba ny fahendren' i Solomona rehetra sy ny trano izay nataony Rahefa hitan' ity mpanjakavavin' i Sabà ny fahendren' i Salomona rehetra, ny trano nataony, Lorsque la reine de Saba vit toute la sagesse de Salomon, le palais qu' il s'était construit,
1Mp 10:5 And the meat of his table, and the sitting of his servants, and the attendance of his ministers, and their apparel, and his cupbearers, and his ascent by which he went up unto the house of the Lord; there was no more spirit in her. sy ny fihinany teo amin' ny latabany sy ny fipetrahan' ny tandapany sy ny fitoeran' ny mpanompony mbamin' ny fitafian' ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon' i Jehovah, dia talanjona terý izy. ny sakafo teo ambony latabany, ny trano fitoeran' ny mpanompony, ny efitra amam-pitafian' ny mpiasa an-tranony mbamin' ny mpandroso divay ao aminy; ny ambaratonga fiakarany ho eo amin' ny tranon' ny Tompo, dia talanjona loatra izy, le menu de sa table, le placement de ses officiers, le service de ses gens et leur livrée, son service à boire, les holocaustes qu' il offrait au Temple de Yahvé, le coeur lui manqua
1Mp 10:6 And she said to the king, It was a true report that I heard in mine own land of thy acts and of thy wisdom. Ka hoy izy tamin' ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin' ny taniko ny amin' ny teninao sy ny fahendrenao. ka nilaza tamin' ny mpanjaka hoe: Hay va re, dia marina tokoa ny zavatra reko tany amin' ny taniko, ny amin' ny momba ny tenanao sy ny fahendrenao! et elle dit au roi : " Ce que j' ai entendu dire sur toi et ta sagesse dans mon pays était donc vrai !
1Mp 10:7 Howbeit I believed not the words, until I came, and mine eyes had seen it: and, behold, the half was not told me: thy wisdom and prosperity exceedeth the fame which I heard. kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atý, ka ny masoko no mahita, kanjo hay! na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory: fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko. Tsy nety nino ny lazan' olona aho, raha tsy efa tonga sy nahita maso, kanjo hay mbola tsy ampy antsasany akory no voalaza tamiko! Fa mihoatra lavitra noho ny reko tamin' ny filazan' olona ny fahendrena amam-boninahitrao. Je n' ai pas voulu croire ce qu' on disait avant de venir et de voir de mes yeux, mais vraiment on ne m' en avait pas appris la moitié : tu surpasses en sagesse et en prospérité la renommée dont j' ai eu l'écho.
1Mp 10:8 Happy are thy men, happy are these thy servants, which stand continually before thee, and that hear thy wisdom. Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao Sambatra ny olonao, sambatra ny mpanomponao, izay manoloana anao lalandava ka mandre ny fahendrenao. Bienheureuses tes femmes, bienheureux tes serviteurs que voici, qui se tiennent continuellement devant toi et qui entendent ta sagesse !
1Mp 10:9 Blessed be the Lord thy God, which delighted in thee, to set thee on the throne of Israel: because the Lord loved Israel for ever, therefore made he thee king, to do judgment and justice. Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin' ny seza fiandrianan' ny Isiraely; fa noho ny fitiavan' i Jehovah, izay itiavany ny Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka mba hanao fitsarana sy fahamarinana. Hankalazaina anie Iaveh Andriamanitrao, izay mankasitraka anao, ka nametraka anao eo amin' ny seza fiandrianan' Israely. Fa fitiavany mandrakizay an' Israely no nametrahan' ny Tompo anao ho mpanjaka, mba hanome rariny ny olona sy hitsara azy marina. Béni soit Yahvé ton Dieu qui t' a montré sa faveur en te plaçant sur le trône d' Israël ; c' est parce que Yahvé aime Israël pour toujours qu' il t' a établi roi, pour exercer le droit et la justice. "
1Mp 10:10 And she gave the king an hundred and twenty talents of gold, and of spices very great store, and precious stones: there came no more such abundance of spices as these which the queen of Sheba gave to king Solomon. Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an' ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra be indrindra tonga tahaka ilay nomen' ny mpanjakavavin' i Sheba ho an' i Solomona mpanjaka. Dia notoloran-dravehivavy talenta volamena roapolo amby zato, zava-manitra be dia be ary vatosoa koa ny mpanjaka. Tsy nisy be noho ny nomen' ny mpanjakavavin' i Sabà an' i Salomona mpanjaka, intsony ny zava-manitra tonga. Elle donna au roi cent vingt talents d' or, une grande quantité d' aromates et des pierres précieuses ; la reine de Saba avait apporté au roi Salomon une abondance d' aromates telle qu' il n' en vint plus jamais de pareille.
1Mp 10:11 And the navy also of Hiram, that brought gold from Ophir, brought in from Ophir great plenty of almug trees, and precious stones. Ary ny sambon' i Hirama koa, izay naka volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo almoga be indrindra sy vato soa avy any Ofira. Ny sambon' i Hirama izay nitondra volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo santala be dia be sy vatosoa koa avy any Ofira. De même, la flotte d' Hiram, qui apporta l' or d' Ophir, en rapporta du bois d' almuggim en grande quantité et des pierres précieuses.
1Mp 10:12 And the king made of the almug trees pillars for the house of the Lord, and for the king' s house, harps also and psalteries for singers: there came no such almug trees, nor were seen unto this day. Ary ny hazo almoga dia nataon' ny mpanjaka arofanina tamin' ny tranon' i Jehovah sy ny lapan' andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an' ny mpihira kosa; tsy nisy hazo almoga tonga tany na hita toy izany intsony mandraka androany. ka nanaovan' ny mpanjaka arofanina tamin' ny tranon' ny Tompo sy amin' ny tranon' ny mpanjaka, ary harpa amam-baliha ho an' ny mpihira, ny hazo santala. Tsy nisy tonga intsony izany hazo santala izany, ary tsy nisy nahita izany intsony mandrak' androany. Le roi fit avec le bois d' almuggim des supports pour le Temple de Yahvé et pour le palais royal, des lyres et des harpes pour les musiciens ; il ne vint plus de ce bois d' almuggim et on n' en a plus vu jusqu'à maintenant.
1Mp 10:13 And king Solomon gave unto the queen of Sheba all her desire, whatsoever she asked, beside that which Solomon gave her of his royal bounty. So she turned and went to her own country, she and her servants. Ary Solomona mpanjaka nanome ny mpanjakavavin' i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay nomeny azy araka ny fanomen' i Solomona mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin' ny taniny izy mbamin' ny mpanompony. Dia mba nomen' i Salomona izay rehetra niriny sy nangatahiny kosa ny mpanjakavavin' i Sabà, afa-tsy ireo fanatitra izay mifanerana amin' ny fahambonian' ny mpanjaka toa an' i Salomona. Izay vao niverina nody any amin' ny taniny izy sy ny mpanompony. Quant au roi Salomon, il offrit à la reine de Saba tout ce dont elle manifesta l' envie, en plus des cadeaux qu' il lui fit avec une munificence digne du roi Salomon. Puis elle s' en retourna et alla dans son pays, elle et ses serviteurs.
1Mp 10:14 Now the weight of gold that came to Solomon in one year was six hundred threescore and six talents of gold, Ary ny lanjan' ny volamena izay tonga tao amin' i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato, Ny lanjan' ny volamena tonga amin' i Salomona amin' ny indray taona, dia talenta volamena enina amby enimpolo amby enin-jato, Le poids de l' or qui arriva à Salomon en une année fut de six cent soixante-six talents d' or,
1Mp 10:15 Beside that he had of the merchantmen, and of the traffick of the spice merchants, and of all the kings of Arabia, and of the governors of the country. afa-tsy izay azony tamin' ny mpandranto.sy ny tamin' ny varotry ny mpivarotra ary tamin' ny mpanjakan' ny firenena samy hafa rehetra sy tamin' ny mpanapaka ny tany. afa-tsy ny azony amin' ny mpandranto sy amin' ny varotry ny mpivarotra ambongadiny sy amin' ny mpanjakan' i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany. sans compter ce qui venait des redevances des marchands, du gain des commerçants et de tous les rois des Arabes et des gouverneurs du pays.
1Mp 10:16 And king Solomon made two hundred targets of beaten gold: six hundred shekels of gold went to one target. Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin' ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin' ny ampinga lehibe iray. Nanao ampinga lehibe roan-jato vita tamin' ny volamena voatefy Salomona, ka volamena lanjan' enin-jato sikla no lany tamin' ny isan' ampinga. Le roi Salomon fit deux cents grands boucliers d' or battu, sur chacun desquels il appliqua six cents sicles d' or,
1Mp 10:17 And he made three hundred shields of beaten gold; three pound of gold went to one shield: and the king put them in the house of the forest of Lebanon. Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin' ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena telo mane no napetaka tamin' ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin' ny trano Alan' i Libanona ireo. Nanao ampinga kely telon-jato koa vita tamin' ny volamena voatefy izy, ary volamena lanjana telo mina no lany tamin' ny isan' ampinga, ka napetraky ny mpanjaka tao amin' ilay trano Alan' i Libàna ireo. et trois cents petits boucliers d' or battu, sur chacun desquels il appliqua trois mines d' or, et il les déposa dans la Maison de la Forêt du Liban.
1Mp 10:18 Moreover the king made a great throne of ivory, and overlaid it with the best gold. Ary ny mpanjaka dia nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara indrindra. Nanao seza fiandrianana ivoara lehibe ny mpanjaka, nopetahany volamena madio. Le roi fit aussi un grand trône d' ivoire et le plaqua d' or raffiné.
1Mp 10:19 The throne had six steps, and the top of the throne was round behind: and there were stays on either side on the place of the seat, and two lions stood beside the stays. Nisy ambaratonga enina tamin' ny seza fiandrianana; ary ny lohan' ny seza fiandrianana, dia boribory ny eo an damosiny; ary nisy fitehenan-tanana teo an-daniny roa amin' ny fipetrahana; ary nisy sarin-diona roa teo an-danin' ny fitehenan-tanana. Io seza fiandrianana io dia nisy ambaratonga enina, boribory ny lohany ambony amin' ny seza eo an-damosiny, nisy fitehenan-tànana ny laniny roa amin' ny fipetrahana, nisy liona roa teo akaikin' ny fitehenan-tànana, Ce trône avait six degrés, un dossier à sommet arrondi, et des bras de part et d' autre du siège ; deux lions étaient debout près des bras
1Mp 10:20 And twelve lions stood there on the one side and on the other upon the six steps: there was not the like made in any kingdom. Ary nisy sarin-diona roa ambin' ny folo teo an-daniny roa teo amin' ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin' ny fanjakana rehetra. ary nisy liona roa ambin' ny folo amin' ny ambaratonga enina, dia enina isan-daniny avy. Tsy nisy zavatra natao toy izany na tamin' ny fanjakana inona na tamin' ny fanjakana inona. et douze lions se tenaient de part et d' autre des six degrés. On n' a rien fait de semblable dans aucun royaume.
1Mp 10:21 And all king Solomon' s drinking vessels were of gold, and all the vessels of the house of the forest of Lebanon were of pure gold; none were of silver: it was nothing accounted of in the days of Solomon. Ary ny fisotroan' i Solomona mpanjaka dia volamena, ary ny fanaka rehetra tao amin' ny trano Alan' i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo; fa nataony toy ny tsinontsinona izany tamin' ny andron' i Solomona. Ny kapoaka fisotroan' i Salomona mpanjaka, dia volamena avokoa, ny vilia rehetra tao amin' ny trano Alan' i Libàna, volamena madio avokoa. Tsy nisy volafotsy tamin' ireny, fa natao tsinontsinona izany tamin' ny andron' i Salomona. Tous les vases à boire du roi Salomon étaient en or et tout le mobilier de la Maison de la Forêt du Liban était en or fin ; car on faisait fi de l' argent au temps de Salomon.
1Mp 10:22 For the king had at sea a navy of Tharshish with the navy of Hiram: once in three years came the navy of Tharshish, bringing gold, and silver, ivory, and apes, and peacocks. Fa ny mpanjaka nanana sambon' i Tarsisy mbamin' ny sambon' i Hirama teny ambonin' ny ranomasina; ary indray mandeha amin' ny telo taona no nihavian' ny sambon' i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola. Fa fanampin' ny sambon' i Hirama, mbola nanana sambo any Tarsisa koa ny mpanjaka, teny ambonin' ny ranomasina; ary tonga isan-telo taona ny sambo avy any Tarsisa, mitondra volamena sy volafotsy ary ivoara, rajako sy vorombola. En effet, le roi avait en mer une flotte de Tarsis avec la flotte d' Hiram et tous les trois ans la flotte de Tarsis revenait chargée d' or, d' argent, d' ivoire, de singes et de guenons.
1Mp 10:23 So king Solomon exceeded all the kings of the earth for riches and for wisdom. Ary Solomona mpanjaka dia nanankarena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin' ny tany. Salomona mpanjaka dia ambony noho ny mpanjaka rehetra teto an-tany, tamin' ny harena amam-pahendrena. Le roi Salomon surpassa en richesse et en sagesse tous les rois de la terre.
1Mp 10:24 And all the earth sought to Solomon, to hear his wisdom, which God had put in his heart. Ary ny tany rehetra nitady hahita ny tavan' i Solomona mba hihaino ny fahendrena izay nataon' Andriamanitra tao am-pony. Samy nitady hahita an' i Salomona avokoa ny olona rehetra, mba hihaino ny fahendrena nataon' Andriamanitra ao am-pony. Tout le monde voulait être reçu par Salomon pour profiter de la sagesse que Dieu lui avait mise au coeur
1Mp 10:25 And they brought every man his present, vessels of silver, and vessels of gold, and garments, and armour, and spices, horses, and mules, a rate year by year. Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra. Sady samy nitondra ny fanatiny avy, dia fanaka volafotsy, fanaka volamena, fitafiana, fiadiana, zava-manitra, soavaly, mole, isan-taona. et chacun apportait son présent : vases d' argent et vases d' or, vêtements, armes, aromates, chevaux et mulets, et ainsi d' année en année.
1Mp 10:26 And Solomon gathered together chariots and horsemen: and he had a thousand and four hundred chariots, and twelve thousand horsemen, whom he bestowed in the cities for chariots, and with the king at Jerusalem. Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly; ary nanana kalesy efajato amby arivo izy sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo amby iray alina, izay nataony tao amin' ireo tanàna fitoeran' ny kalesy sy tao amin' ny mpanjaka tany Jerosalema. Nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly Salomona, ka nanan-kalesy, efa-jato amby arivo, sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina izy, ary ireo dia napetrany tao amin' ny tanàna fitoeran-kalesiny, ary tao Jerosalema akaikin' ny mpanjaka. Salomon rassembla des chars et des chevaux ; il eut mille quatre cents chars et douze mille chevaux et il les cantonna dans les villes des chars et près du roi à Jérusalem.
1Mp 10:27 And the king made silver to be in Jerusalem as stones, and cedars made he to be as the sycomore trees that are in the vale, for abundance. Ary nataon' ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin' ny tany lemaka amoron-tsiraka. Tao Jerosalema ny volafotsy nataon' ny mpanjaka ho an-kabetsahana toy ny vato, ary ny hazo sedera nataony maro toy ny amontana maniry any an-tany lemaka. Le roi fit que l' argent était aussi commun à Jérusalem que les cailloux, et les cèdres aussi nombreux que les sycomores du Bas-Pays.
1Mp 10:28 And Solomon had horses brought out of Egypt, and linen yarn: the king' s merchants received the linen yarn at a price. Ary avy any Egypta no nahazoan' i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin' ny mpandranton' ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry. Avy tany Ejipta no nihavian' ny soavalin' i Salomona: antokony iray tamin' ny mpandranton' ny mpanjaka no nandeha naka azy amin' ny andiany, araka ny vidiny efa nifanekena. Les chevaux de Salomon venaient de Muçur et de Cilicie ; les courtiers du roi les importaient de Cilicie à prix d' argent.
1Mp 10:29 And a chariot came up and went out of Egypt for six hundred shekels of silver, and an horse for an hundred and fifty: and so for all the kings of the Hittites, and for the kings of Syria, did they bring them out by their means. Ary ny vidin' ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an' ny mpanjakan' ny Hetita sy ny mpanjakan' ny Syriana. Ka volafotsy enin-jato sikla no vidin' ny kalesy iray nenti-niakatra avy any Ejipta; ary dimam-polo amby zato avy kosa ny soavaly. Ary nisy nentiny nivoaka avy ao tahaka izany koa amin' ny anaran' ny tenany, ho an' ny mpanjakan' ny Heteana rehetra, sy ho an' ny mpanjakan' i Siria. Un char était livré d'Égypte pour six cents sicles d' argent ; un cheval en valait cent cinquante. Il en était de même pour les rois des Hittites et les rois d' Aram qui les importaient par leur entremise.

<-
->