Entry | 1 Voninkazo taratasy |
Elementary words | 2 voninkazo, 3 taratasy |
Part of speech | 4 name (poem title) [Full list] |
Vocabulary | 5 Literature: poems |
Author |
6 Rajaobelison Samuël |
Full text |
7 Dodona aho hanimbolo 8 F'efa babony tontolo, 9 Kanjo he! mangasihasy! 10 Voninkazo taratasy! 11 Ny voninkazo-Nanahary 12 Ve tsy nisy? ka inona àry, 13 Ka inona no nanolorana 14 'Ty voninkazo torantorana? 15 Karazan-doko mahakofona 16 Fa tsy hanitra na fofona, 17 Nony'njay atao an-tratra: 18 Henjankenjana mandratra. 19 Samy voninkazo ihany: 20 Ny iray velomin-tany, 21 Dokadoka, lenodenoka, 22 Misy fofo-maharenoka! 23 Samy voninkazo ihany: 24 Ny iray namboarina any ho any 25 Lafo vidy, sarotsarotra, 26 Entam-barotra! entam-barotra! 27 Samy fotsy, samy mena, 28 Samy ngita raha jerena. 29 Ny iray, fahaizana hosodoko; 30 Ny iray, kilalaon'ny foko! 31 Eto an-tany koa dia misy 32 Toerana amboarina indrisy! 33 Maka tahaka ny lanitra, 34 Nefa tsisy fofo-manitra. |
Updated on 2025/09/13 |
![]() |