Entry tandrefana (andrefana)
Part of speech   noun
Malagasy definition   Enti-milaza ny olona avy any andrefana. -- Raha ilazana ny fizaran' ny tany lehibe io teny io, dia entina milaza ny olona avy any amin' ny ilan' ny tany heverina fa ilentehan' ny masoandro, dia i Eoropa izany, Amerika... mifanohitra amin' ny Tatsinanana, karazan' olona monina amin' ny ilany atsinanana amin' ny tany (Azia, Japana...) [Rajemisa 1985]
English translation   the west people [Hallanger 1973]
French translation   les Occidentaux [Rajaonarimanana 1995]
   les gens de l'Ouest [Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995]
Examples  
1tandrefana ity, tatsinanana irokatra. [Rabemolaly: Fary, page 111]
2Ary tsy ny rehetra koa no nitady ny "fandrosoana " araka ny filamatra tandrefana. [Razoharinoro: Soratra, page 29]
3Ny Tandrefana no tsy manaiky ny fisian' ny zanany hanova na inona na inona eo amin' ny fiainany, ka tsy voasakan' ny fitaizana tsy hamonjy ny lanonana firiariavany fahiny, fa ny Malagasy kosa mahafoy izay korana tsy hahafahany mirongitra ny kitrany. [Andriamalala: Zazavavindrano, page 90]

Updated on 2017/04/03